Ambatondrazaka – 25 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Faly tena faly aho tonga eto Ambatondrazaka. Fantatro ny mahatonga anareo vory marobe toy izao. Mitaraina ny tsy fandriam-pahalemana ianareo, mitaraina ny lalana ratsy. Izao no tenin’i Dada : Amboarina indray ny lalana indrindra ity RN 44 misy anareo ity. Hivoaka ny vokatra, hitombo ny fidiram-bola, manaraka ho azy ny fandriam-pahalemana.
Haverintsika indray ny tetik’asa fampianarana, izany hoe omena aron’akanjo mitovy ny mpianatra, homena sakafo ny mpianatra, omena hasina ianareo mpampianatra. Efa voarafitra ao anatin’ity MANIFESTO ity ny vahaolana ho anareo.

#fidio_25