Mahazoma – 24 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Ela ny ela ka tonga eto Mahazoma aho, Tonga eto aho hanao propagandy , handresy lahatra sy hitondra fanazavana hevitra ny hifidiananareo ahy.

Voalohany amin’izany dia amboarina indray ny lalana, ho mora ny anenjehana ireo dahalo mampahory anareo, hivezivezy ny vokatra ary samy hahazo tombontsoa ny olona.

Faharoa dia haverina ny fandriam-pahalemana, I dada tsy hisangisangy amin’ny mpaka ankeriny, ny malaso sy olon-dratsy. Harovana ny olona sy ny fananany. Homena ny fitaovana vaovao ny mpitandro filaminana. Vitan’i dada ny mandamina ny fandriampahalemana.

Fahatelo, hapetraka ny Fitsarana mitsara marina. Tokony ho modely ny mpitondra.

Fahaefatra, hiantohana ny Fahasalamana, tsy maintsy karakaraina ny fahasalaman’ny olona, io no voalohan-karena, omena sakafo izy.

Tsy atao ambanin-javatra ihany koa ny fampianarana, tsy maintsy ampianarina ny zaza Malagasy, omena ilay aron’akanjo ny mpianatra mba hitovy daholo, omena kits scolaires ilay fitaovana entiny mianatra. Manana zo hianatra ny ankizy
#fidio-25