Ambalavao – 18 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Tapaka ny lalana ka tsy afaka mivezivezy ny mponina. 9400 km ny lalana vita tara namboariko manerana an’ny Madagasikara tamin’izaho nitondra teo. Ankehitriny efa tena simba tsy nisy fikojakojana izany, izao no fanamby hapetrako : “Amboarina indray ny lalantsika” .

Nikaikaika mihitsy ianareo eto Ambalavao noho ny tsy fandriam-pahalemana. Hamerina ny fandriam-pahalemana no tanjontsika. Mpanangana fa tsy mpandrava isika.
#FIDIO_I_DADA_25