Antsohihy – 11 Okt – Fidio ny kandidà 25, Marc Ravalomanana

Na dia tonga vao maraina ary aho dia maro ianareo teto Antsohihy no nitsena ahy.
Faly tena faly aho satria mifanena aminareo eto. Nafana sy tsara toy andro ihany koa ny fandraisana 😊

Ireto dia isan’ireo velirano izay hifanaovatsika :

HAMPITOMBO NY FIDIRAMBOLA SY NY FAHEFA-MIVIDIN’NY MALAGASY aho. Dada dia manana vahaolana foana.
HAMERINA NY FITOKISAN’NY VAHOAKA AMIN’NY MPITONDRA aho. Zava-dehibe loatra ny fifampitokisana entina mampandroso ity FIRENENA malalatsika ity.

Manana ny MANIFESTO isika, misy ireo paikady entina HANANGANATSIKA FIRENENA VANONA SY MANDROSO.
Tadidio ny laharana faha 25 no ho FIDITSIKA ny faha 7 novambra.

#FidioDada
#25