LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
Collectif des candidats. Palais des sports amin’ny zoma 29/09/2023 manomboka amin’ny 08 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro. ... TohinyFintinina
5 ora lasa
- Likes: 15
- Shares: 0
- Comments: 0
Photos de la publication de 24h Mada ... TohinyFintinina
3 andro lasa
22.09.2023 - Tandindomin-doza angaha ny firenena? Sa mitady hamono ny Malagasy ireo rajakombazaha? ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_809236604535340
Rajakombazaha hoe ?
Mikotrakotraka ny ao am-bilany !! Tsy maharaka intsony ny pompiers 😂😂😂😂
Très secret Secret confidentiel
tsika tsy atao fehezin-baza mb tongava saina
Alerte à malibu
Mila rà ny devoly atao sorona mba hahomby ny fangalaram-bato ?
Tsis vahoaka hitroatra anie eo ee fa reo sam ao no.hifamono ao jereo tsara.anie sam miandr tsik
Fifidianana filohampirenena 2023 – Matsiatra Ambony – Amoron’i Mania – Ampiasain’ny fitondrana ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny ara-drazana ifehezana ny voka-pifidianana
Ny Valosoa
Efa tsy takona afenina intsony fa izao governemanta tarihin’ny pramiministra Ntsay izao dia tsy manana eritreritra mihitsy ny hanatanteraka fifidianana milamina, marina sy tsy mitanila ary tsy mikatsaka afa-tsy ny hampandany an’i Andry Rajoelina amin’ny fomba rehetra. Ho fanampin’ireo paikady maloto efa miseho sesilany dia porofo indray ity tranga ao Matsiatra Ambony sy Amoron’i Mania ity, eo anivon’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana ary maha-voaraikitra ny ministeran’ny fanabeazana (MEN).
Nahazo baiko ireo sefo ZAP hanendry mpampianatra isaky ny biraom-pifidianana hijoro ho delege, ary handefa ny anarany sy ny laharana finday, any amin’ny sefo CISCO rahampitso (22.09.2023) fara-fahatarany. Ka anjaran’ny eo anivon’ny CISCO indray no mandefa ireo “tableaux” avy hatrany any amin’ny ministera (MEN).
Ankoatra ireo delege, dia tsy maintsy manome anarana ray aman-dreny ara-drazana iray koa ireo sefo ZAP, ka ny anarana feno sy laharana finday dia alefa “SMS” fa mbola atao “saisie”.
Araka izany dia tsy miafina intsony ny tetidratsin’ireo fahavalombahoaka ka mila atambatra ny hery satria tsy hilavo lefona mora ireo mpiray tsikombakomba amin’ilay frantsay Andry Rajoelina sy ireo namany mpanitsakitsaka lalàna.
ZAP: Zone d’Administration Pédagogique
CISCO: CIrconscription SCOlaire
MEN: Ministère de l’Eduction Nationale
www.gvalosoa.net/2023/09/21/fifidianana-filohampirenena-2023-matsiatra-ambony-amoroni-mania-ampia... ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook Fifidianana ...
VAZAHA sy ny FORONGONY !
Fihaonan’ny HCC sy ny kandidà. ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_808707331254934
Avereno am tany tan.dalàna madagasikara de milamina io
Inona no andrasanareo amin'ny hcc? Asainy milamina dia hanaiky ny halabato? Efa resy sahady raha vao mifanaraka amin'ireo? Iza no mbola nanao fifanarahana amin'ny faikam-boto sy jiolahim-boto ireo?
ALEO HANGARAHARA AMINAY MALAGASY AVOKO NY DINIKA ATAO REHETRA FA TSY ATAO TSIAMBARATELO AO E! IZAHAY KO NO TENA TOMPO TANY, " AMPIARO LAY HOE " NY MALAGASY NO PATRON" LEHIBE MANAPAKA, AMPIARO ARA BAKITENY!
TSY MILA MARIMARITRA,IRAISANA NY FANDIKAN DALANA FA TSY EKENA NY HITONDRAN' NY OLONA MIZAKA ZO PIRENENA FRANTSAY NA ZO PIRENENA AFA ANKOTRANY MALAGASY ANI MADAGASIKARA , NA OVINA NA OVINA! LAVINA HATRAM FARANY, NY HCC, CENI MPANDIKA LALANA RAVAO, TSY AZO HENOIN TENY INTSONY, TSY AZO ANTOKA INTSONY! RAVAO! ....
Mandohaliha ‘nareo vahoaka sy voafidimbahoaka eto anatrehanay voatendry! ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Comment on Facebook Fihetsiketsehana re ...
Rabebe krisy efa be traikefa ko
HCC à dissoudre Ceni à dissoudre PeTsay à dissoudre
Aleoko mangina fa Sao manahirana 😢
EFA MANGA LO TANTERAKA
Tsy manga masaka intsony f’efa manga lo tanteraka,
Izay no azo ilazana an’itsy fitondrana reraka.
Tena tsy mahita intsony izay haleha sy hivoahana,
Fa manomboka ho jamba sy efa tena lany fahana!
Andramandramana daholo irony fomba mamohehatra,
Dia miteniteny foana raha vao mba mahazo sehatra.
Saingy tazana eny ihany ny tsy fahampian-tsolaitra:
Diso hatrany irony kajy nefa dia miseho ho raitra!
Tsy miery ihany koa ny fomba fividianana olona,
Entina hampandamoka na hampihemotra ny tolona.
Vola hatrany no zaraina, vola hatrany no afafy,
Ananany io fa izy, hono, tompondaka tena mafy!
Saingy misy fetra hatrany na ny vola na ny harena,
Indrindra koa ny fidedahana sy ny fanandratan-tena!
Ny olona tsy hoe adala, ny vahoaka anie tsy pahina,
Tena hainy ny manavaka ny volamena sy varahina!
…Efa feno ny kapoakany, efa feno ny alahelony,
Hany ka dia miezaka izy tsy ho diso fanintelony.
Tena holaviny tanteraka irony loto mitakosina.
Ny porofo? io Rainilainga f’itodihany lamosina!
DADAN’i RIANA (20-09-23)
www.gvalosoa.net/2023/09/21/efa-manga-lo-tanteraka/ ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Comment on Facebook EFA MANGA LO ...
Tena marina izany
VAZAHA sy ny FORONGONY !
RY MPITSARA AVO
Lalàm-panorenana no nodikaina,
‘Nareo amin’ny avo no nahavita izany?
Dia inona intsony no mbola antenaina,
Tsy aleo io ravana sy atao « mbay tany »?
Ny zava-tsy mety, nanjary nekena,
Ny tsy ara-dalàna nanjary toa nety.
Mivadika ve ny tontolo jerena
Fa ny omby no lasa tarihin-tsarety?
Vazaha efa niaiky sy tena nitsotra,
Dia mbola lamboina sy arovana foana.
Sa ‘zay ny anareo ilay hoe « miara-mizotra »
Mankany amin’ny lalana feno halotoana?
Dia indro ianareo mbola heno miteny
Sy toa miala bala amina fandaharana,
Nefa tsarovy fa ny toy ireny,
Tsy fihetsiky ny olo-nahita fianarana!
…Ka ny hany teny tsy misy olakolaka:
Aleo miala mora sy manaja tena.
Ny fanalahidinareo efa folaka,
Ka ny mipetraka no fahendrena!
DADAN’i ZINA (20-09-23)
www.gvalosoa.net/2023/09/21/ry-mpitsara-avo/ ... TohinyFintinina
5 andro lasa
RY KOMITY RY KOMITY !
Mbola mendrika hijoro ve ‘nareo komity ireo
Sa efa tokony hipetraka f’efa tena mankaleo?
Maro iretsy kandidà no efa tena leom-boananana
Raha vao hoe ‘nareo ireo no hikarakara fifidianana!
Ary ny vahoaka koa dia tena tofoka toy izany,
Noho ny ataonareo komity izay toa mitanila hatrany,
Sady zatra mampanjaka ny hala-bato sy ny hosoka,
Ary manana fahaizana amin’ny lisitra vorosoka!
Raha niantso ianao komity ambara ho mahaleotena,
Dia nandà ireo kandidà izay ho filoham-pirenena.
Roa no mba nandefa solony, roa no hany mba nanoina,
Ka mihevera ry komity f’efa tokony hosoloina!
Trangan-javatra toy izany no milaza tato ho ato
F’efa tsy izy anie ‘nareo ka efa tokony haato!
Sa dia mbola hikiry ihany na dia hita fa hijoboka,
Ho fiarovana ilay andry tena lo sy efa boboka?
Rainilainga no manery fa anisan’ny hifaninana,
Ka mitaona anao hizotra ho amin’ny tsy fahamarinana?
Mandiniha ka mihevera, tsaratsara ny miato,
Sao ‘nareo komity indray no hampanjaka ny hala-bato!
IRINA HO TAFITA (19-09-23)
www.gvalosoa.net/2023/09/21/ry-komity-ry-komity-2/ ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Aty izany ny fotoanan-dry fozaorana mpanompo vazaha sy mpanohana ny tsy ara-dalàna! ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Comment on Facebook Aty izany ny ...
Mila korontanina ireo
Ny volam-bahoaka no hanaovan'reo fety ao
Fantatry ry tsy matahotody fa nona ny vahoaka dia tambazana hanina.
SAKAFO IRAY ANDRO MANEMANINY 5TAONA
UPRAR indray afaka dimy taona. 😂
Fantatray ny zava-nitranga hadiny iray mialoha ny iafaran’ny fotoam-pitondran’i Andry Rajoelina, hoy ity diplaomaty iray miasa eto Madagasikara.
... TohinyFintinina
5 andro lasa
Ampiharo ny lalàna!. Tsy misy olona ambon’ny lalàna raha ny tena marina saingy tsy izay no zava-misy eto Madagasikara. ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Comment on Facebook Mpikambana tao ...
Samy izy mianakavy. Inon koa zay Bianco reo koa mpiray petsa @ volomboasary
Efa ho 5 ans ve ho hita ntsony,ny filoha aza efa nahavita mandat,efa niova tompony zay.Mampalahelo!
Ceni = organisation pourrie
« Aty amintsika ny mason’izao tontolo izao »!
Saropady loatra amin’izy ireo izany zo fototra, fahafahana mivory sy maneho hevitra an-kalalahana izany, ary ny tsy fitanilanana mikasika ireo kandidà amin’ny fifidianana ho filohampirenena, eo anatrehan’ny fahefam-panjakana sy ny haino aman-jery; izany dia araka ny fenitra demokratika andraisan’i Madagasikara anjara.
Tonga any am-pototsofinareo fozaorana ve izao fanambarana mafonja izao e! ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Tsy misy raha manjary. Rehefa tsy mahay ve ny mpitondra dia potehina ny fampianarana? Tongava saina ry Malagasy. Ny firaisankina no hery. ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_808026214656379
Ataovy le chorale e
Marina ny anao. Tsy mila vazaha mitondra an’i Madagasikara! Ny firaisankina no hery. ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Comment on Facebook PARAINA AUGUSTE ...
Tena marina ary makasitraka anao
Tsy efa tokony makaina ve?
Tahaka ny kakafotra i vazaha taratasy sy ny HCC S NY VOLOMBOASARY. NY ny kandida 11 aradalana no tiany hiala. Aza manantena ireo tsy nangataka taratasy vazaha toa an' Andry Rajoela ka tena malagasy mitovy aminay malagasy hifidy azy ireo.
Marina be
Ary io Ntsaitsay io ve gasy sa vazaha koa ?
Ny tena marina dia matahotra ani Président Andry ianareo de atao daholo zao retraretra zao,ianareo mpanao politika vitsy an'isa mintsy no manitsakitsaka ny fahefani vahoaka izay efa miandry ary efa vonona haneho ny safidiny
Mazava tsara zay Raprezy a ze tsy Gasy no miala
ALEFASO ANY @ Ngah TSAYNTSAY volavo Io hafatrao Io Andriamatoa PARAINA....tsy Hay koa Io raha mahay teny malagasy🥹🥹🥹😂😂😂😂
Za justa mijer commentera fotsin a🤔
Miantso an’ireo tomponandraikitra mba hijery ireo traboina. ... TohinyFintinina
6 andro lasa
REHEFA NY BAOMBA
Rehefa ny baomba no avela handidy
Sy asaina mitana ny fanalahidy,
Dia mieritrereta ary koa miomàna
Fa ny asan-devoly no hameno tanàna!
Rehefa ny baomba no asaina hitondra
Sy hamerina indray irony lohan’ampondra,
Dia efa tazano ary aoka hojerena
Ny rindrina hidonan’ity firenena!
Rehefa ny baomba no asandratra ho ngeza
Sy lambolamboina, tolorana seza,
Dia tena hanjaka ny lainga sy fitaka,
Ka miomàna amin’ny ady saritaka!
Rehefa ny baomba no manjaka irery
Satria mihevi-tena ho tompon’ny hery,
Dia aza mba mino hoe hilamina intsony,
Fa tena ho korontana ambany sy ambony!
…Tsy baomba milevina f’efa hita maso,
Napetraky ny lehiben’ny malaso,
Ka mieritrereta àry isika rehetra
Amin’ity baomba apetraka, atao amboletra!
DADAN’i RIANA (10-09-23)
www.gvalosoa.net/2023/09/19/rehefa-ny-baomba/ ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Serasera Mada
Kaonty facebook mpamadika vaovao sy mpandainga
Arphine Rahelisoa Helisoa : izao ilay fomban’ny Serasera Mada, mamadika ny vaovao. Hita mihitsy fa kaonty mpamadika vaovao sy mpandainga ity kaonty facebook mpiara-dia tamin’ny fitondrana Rajoelina ity.
Soagasy Rafsah : pfffff!dia maninona zao raha tsy mamorona ry Serasera Mada a!
Aina Nmg : tsy manjary mihitsy ny tompon’ io pejy io!
火難金 : tena A lasa mivadika B.
Andr's Razakavola : Serasera Mada ndray tsy mahagaga io.
Ambatomanitrasina Vohitra Masina : diabolisation sy fanimbana olona no tanjon'ireo.
Benja H. Andrianasolo : tena tsy milamina mihitsy ireo Serasera Mada ireo ! Mpandainga.
Niaina Vero : aiza ny cybercriminalité @ zao? Tena mitanila mihitsy lay ao amin’ny cybercriminalité ao !
Arphine Rahelisoa Helisoa : Niaina Vero : dia gaga ndry.
Noro Rama : samy hafa be ny dikan'izao kosa e !
Martial Rabe : 5 taona NANDAINGANA SY NISOLOKIANA NY MALAGASY: tsy mendrika atao Ianao io hoy aho: fatritram- bazaha ny karazan' olona toa ireny? tsy misy Taranaka Gallieni Vaovao hanjaka izany intsony eto Mada.
- IZY ARY TSY HO EO INTSONY MANDRAKIZAY, IZANY NO MAHATONGA AZY MAMPAORY NY MALAGASY FARAMPARANY IO...
- - Potika e, izay rehetra jerena ka noraisin' ireo vazaha : POTIKA. (CUA, potika ny firenena,… )
- Koa raha tsy hoe tsy misy Olona Malagasy ao amin' ny Fitsarana ka ho tia vazaha ...
- TSY MAHAZO MILATSAKA INTSONY NY frantsay: mahazo mody fa mamotika ny Firenena sy mampahantra ny Vahoaka Malagasy fotsiny eto.
Zo Rajaonasimanana : hnjana ireo raha hamoron-dainga kah!
Iandriniaina Rasambaritafika : matahotra an'i Dally Randriantefy koa ry Rajoelina sy ny forongony.
Tovo Miharisoa : fanabadoana no lehibe indrindra @ V.
Santatra Rindraniaina : mamadi- dresaka loza an- tany.
Tovo Ratovoarisoa : tena grave ireto serasera Mada ireto e!
Ramanitra Bruno : gazetim-panjakana Serasera Mada tsy atao mahagaga mpandainga ohatra an’i Rainilainga Rajoelina ihany, mpamadika tanindrazana. ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Comment on Facebook Serasera Mada ...
Fa inona ar zao fa za ts maharak
Mbola misy mandany andro mijery ihany ve ireny fakofako rajoelina ireny?
KMMR Atsimondrano – Misokatra amin’ny rehetra ny fidirana ho mpikambana
19/09/2023
Rajo
Nambaran’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’ Antananarivo Atsimondrano Alain Ratsimbazafy, fa misokatra ho an’ny rehetra ny biraon’ny KMMR na Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana. Nambarany fa efa misy ny tompon’andraikitra mandray ireo rehetra liana amin’izany eny an-toerana. Nambaran’ity solombavambahoaka ity ihany koa, fa hamafisina ny fototra Tim isam-pokontany sy ny kaominina ary hisy ny fihaonana amin’izy ireo eny ifotony, satria hiatrika fifidianana isika ny 9 Novambra ho avy izao.
Anisan’ny nasiany resaka ihany koa ny tsy tokony ho naneken’ny fitsarana avo momba ny làlampanorenana (HCC) ny fidiran’i Andry Rajoelina ho kandida nefa ninia naka ny zom-pirenena frantsay. Tokony ho nametra-pialana ihany koa ny filohan’ny Antenimerandoholona raha ny nambarany, satria tsy nanaiky hitantana ny fampandehanan -draharaha, nefa mbola filohan’ny Antenimierandoholona ihany. Midika izany hoy izy, fa misy tsindrin’ny fitondram-panjakana ny tsy nandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny fahefana hitantana vonjimaika ny firenena mandrampahatongan’ny filoham-pirenena vaovao. ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Andry Rajoelina ninia ho Frantsay – Tokony hametra-pialàna ny HCC hoy ny depiote Todisoa
Rajo
Nanamafy ny solombavambahoaka Todisoa Andriamapandry, fa ho sahirana ny Hcc tamin’ny fampidirana an’i Andry Rajoelina ho kandida iay ninia naka ny zom-pirenena fratsay. Tsy ho afa-maina amin’ny fanapahan-keviny amin’izany ny Hcc hoy izy, ka tokony hametra-pialana satria tsy atokisan’ny vahoaka intsony. Toy izany koa ny Ceni izay tokony handini-tena satria hiatrika fifidianana madio sy mangarahara ny vahoaka malagasy eto amintsika.
Mijoroa ry vahoaka hoy izy satria tsy hanaiky lembenana amin’ny zavatra toy izao intsony isika. Porofon’izany hoy izy ny fivondronan’ireo kandida miisa 10 mitovy hevitra amin’ny fanapahan-kevitry ny Hcc sy ny tsindry samihafa ataon’ity andrim-panjakana ity. Manamafy ny fametraham-pialan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana arak’izany ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6.
www.gvalosoa.net/2023/09/19/andry-rajoelina-ninia-ho-frantsay-tokony-hametra-pialana-ny-hcc-hoy-n... ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Comment on Facebook Andry Rajoelina ...
HCC à dissoudre Ceni à dissoudre PeTsay à dissoudre
Fanehoan-kevitra amin’ny onjampeo – Allo MBS, isa-maraina amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 9 ora
Isambilo
Misokatra amin’ny mpihaino rehetra tsy ankanavaka ny onjampeon’ny Radio MBS: Malagasy Broadcasting System. Misy ny fandaharana natao ho an’ny mpihaino amin’io fotoana io ao amin’ity onjampeo tsy miankina ity: Allo MBS, fandaharana hidirana mivantana ao amin’ny onjam-peo FM: 95.4 Mhz, isa-maraina manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy amin’ny 7ora ka hatramin’ny 9ora: hitafanao sy hanehoanao ny hevitrao mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny, na koa mampita vaovao misy any amintsika isaky ny fokontany, kaominina, distrika sy ny faritra maro manerana ny Nosy toy ny any Bongolava, Morondava Menabe, Toliary Atsimo Andrefana, Toamasina faritra Atsinanana, Fianarantsoa faritra Matsiatra Ambony, Antsirabe faritra Vakinankaratra,…) ny laharana ahafahanao miditra mivantana miresaka dia ny 034 40 386 54, 033 71 808 48, 032 92 323 58.
Angaredona
Fandaharana amin’ny haino aman-jery izay ihany, hisy anio ny fandaharana Angaredona hiarahana Radio sy televiziona mampita miaraka fandaharana sy fanehoan-kevitra, handray anjara amin’izany ny MBS Radio/TV – KOLO TV/Radio – DREAM’IN TV/ Radio – IBC Tv – La 7 Tv – AZ Radio/facebook – TOP Radio. Fandaharana hifandrombonan’ireo depiote maro avy amin’ny fanoherana, izany dia hanomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva.
www.gvalosoa.net/2023/09/19/fanehoan-kevitra-aminny-onjampeo-allo-mbs-isa-maraina-aminny-7-ora-ka... ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Kandidà Filoha Ravalomanana – Nihaona tamin’ireo Eveka, nihaona tamin’ny vahoakan’i Betafo sy Mandoto
Isambilo
Feno ny fandaharam-potoanan’ny kandidà Filoha Marc Ravalomanana, tany amin’ny faritr’i Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo ary nitohy omaly. Ny alahady teo izy dia tany Antsirabe, nanatrika ny fametrahana tamin’ny toerany ny Eveka vaovaon’Antsirabe Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, nataon’ny Fivondronamben’ireo Eveka Katolika eto Madagasikara, tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra.
Nandritra izany, nisy ny fihaonan’ny kandidà laharana faha-5 (N°05) tamin’ireo Eveka nandritra io fotoana io. Nasongadin’ny Eveka vaovao, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina fa: “Tompo ô, ianao no hitokiako. Andeha hiara-dia, andao hifankatia, handalina ny finoantsika. Ao amin’ny TENIN’ANDRIAMANITRA no misy ny marina, ary ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fiainana sy ny fahamarinana”. Voaporofo tamin’io fotoana io, fa akaiky ny vahoaka, akaiky ireo sahirana sy mijaly ny Eglizy Katolika.
Omaly kosa, tany Betafo sy tany Mandoto indray ny filoha nasionalin’ny antoko TIM: Tiako i Madagasikara. Nanatrika fampirantiana momba ny vokatra vita Malagasy izy nandritra izany, nihaona tamin’ny vahoaka tao amin’ny renivohitr’ireo distrika 2 ireo koa. Nanazava ny Map Plus ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo fotoana ireo, nambarany fa: “na dia hamokatra aza ianareo tantsaha ka tsy misy ny làlana hamoahana izany vokatra izany dia tsy ampy ny fanohanana, ka tsy maintsy ezahina ny hanamboatra sy hikojakoja ireny làlana samihafa famoaham-bokatra ireny.”
www.gvalosoa.net/2023/09/19/kandida-filoha-ravalomanana-nihaona-taminireo-eveka-nihaona-taminny-v... ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Comment on Facebook Kandidà Filoha ...
zemaha vita jiro eto mandoto ihani notena izi
Mpitondra amin’izao – Tsy manaiky ny heloka hibabohana mody rariny
Andry Tsiavalona
« Ny heloka hibabohana mody rariny » hoy ny fahendrena Malagasy, kanefa tsy miaiky fa tsy manaja sy manitsakitsaka am-paladia ny lalàna velona eto amin’ny Firenena mihitsy ireo mpitondra amin’izao Repoblika IV-2 izao.
Tsy mitsahatra manamarin-tena sy mihantsy ihany koa ny fitondrana, satria minia misarika ny Firenena hivarina any an-kadin’ny krizy eo amin’ny sehatra rehetra. Manampin-tsofina amin’ny fanambarana ataon’ny hery velona rehetra, fa tsy fanarahan-dalàna no nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) momba ny nanekeny sy nandraisany ny firotsahan-dRajoelina Andry Nirina, ho anisan’ny mpifaninana amin’ny fifidianana ary tsy nampihàtra avy hatrany, tsy misy fepetra, ny andininy faha-42 ao amin’ny Lalàna momba ny Zom-pirenena. Raha ny nambaran’ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy nijery izay taratasy mety tsy ho ara-dalàna na mety ho hosoka mihitsa aza, fa dia nionona amin’ny isa fotsiny ihany. Araka izany dia fomba fiasan’ity andrimpanjakana ity izany ny tsy mandinika ny votoatin’ny fitoriana na izay taratasy tonga ao aminy, fa rehefa fantany ny antony dia laviny na ambarany fa tsy azo raisina izany.
Raha nanao fanambarana ihany koa ny Andrimason’ny FFKM, ny Alakamisy lasa teo, momba ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny HCC dia namaly bontana ny gazety mpiseho isan’andro mpanohana izao fitondrana izao, fa « ny Fjkm » irery no manao fihantsiana. Misy gazetin’ny mpitondra hafa ihany koa manenjika ireo Mpitondra Fivavahana 4 mirahalahy ireo eo amin’ny matoan-dahatsoratra. Tsy fantatra intsony na mahay ny fomba fiasan’ny FFKM ireo mpanao gazety nanoratra ireo na tsia, satria ny filohan’ny Vaomieran’ny Andrimason’ny FFKM izay Fjkm no sary fanehoana navoakany. Mazava ny tanjona tian’izao fitondrana izao ho tratrarina dia ny hampiady ireo Raiamandreny am-panahy ireo. Tsapa avy amin’ny fihetsiky ny mpitondra, fa tsy manana fomba fiady ankoatry ny « fiarovan-tena » izy hatramin’izay ka hatramin’izao ary rehefa misy tranga manozongozona ny fahefany vao misarangotra amin’ny tsy azo isarangotana intsony sady mamorona izao hatsanga tsy aman’orana rehetra izao. Raha mitady fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra sy mikatsaka ny tsy hisian’ny korontana izao fitondrana izao dia mamerina ny toeran’ny filoham-panjakana amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona ary manala an-dRajoelina Andry Nirina tsy ho anisan’ny kandidà intsony.
Tsapan’ny rehetra ihany koa, fa mifanohitra amin’izay nolazainy tamin’ny mpanao gazety nanontany azy tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay, ny 14 Jolay 2023, Razafimahefa Herimanana, fa handray ny toeran’ny filoham-panjakana izy rehefa hametra-pialàna ny filohan’ny Repoblika (araka ny vaorakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana), satria niamboho adidy izy ka niala bala fa tsy vitany izany. Ny mahagaga anefa dia nanamafy tamin’ny alàlan’ny fiantsoana mpanao gazetin’ny TV Plus ny fialany bala izy taorian’ny fihaonany tamin’ireo kandidà folo. Tsy mampino iny tranga iny satria nahoana no tamin’iny fotoana iny ary efa maro ny fanerena sy fampitahorana nataon-dRajoelina Andry Nirina tamin’ny tomponandraikitra hanao fanambarana mifanohitra amin’ny finiavany sy ny fisainany ary tsy azo hadinoina amin’izany ny nanjo ireo depiote sy ny filohan’ny Antenimierampirenena taorian’ilay fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra. Rehefa tsy azony amin’izany dia namoronana dosie, nosamborina ary raha tsy nampidirina am-ponja dia nomena sazy mihantona mba hikombom-bava toy ny vadin’i Malama izay tsy re feo intsony.
Na izany na tsy izany dia tsy hisy Malagasy mitonona ho tia ity Tanindrazana ity hanaiky vazaha frantsay hitantana ny Firenena Malagasy. Vazaha frantsay Rajoelina Andry Nirina ary nanompo an’i Lafrantsa efa ho 10 taona izao, ka izay gasy misisika amin’ny fiverenany eo amin’ny fitondrana dia mpamadika, tsy ny Tanindrazana ihany fa mpamadika ny Malagasy ka hangatahina hanara-dia azy any Lafrantsa amin’ny fotoana tsy maintsy hiondranany any.
www.gvalosoa.net/2023/09/19/mpitondra-aminizao-tsy-manaiky-ny-heloka-hibabohana-mody-rariny/ ... TohinyFintinina
6 andro lasa
EDITO 19 Septambra – Nifidianana an-dRajoelina tamin’ny 2018 – Hadisoana tamin’ny tantara ka tsy tokony hiverina intsony
Sôh’son
Tsy misy afa-tsy fatiantoka ho an’ny vahoaka malagasy ny fitondrana Rajoelina tao anaty 5 taona latsaka izay. Raha nanomboka tafarina ny toekarena sy ny fiharian’ny sarambabem-bahoaka ny taona 2018, nifarana izany niditra ny taona 2019 rehefa niakatra teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina. Toe-javatra iray nisongadina tamin’izany ny olana nitranga teo amin’ny fanadinam-panjakana bakalôrea. Lasibatra tamin’izany ny zana-bahoaka vao niandoha ny fitondrany. Miteraka fahavoazana ho azy ireo sy ny ray aman-dreniny izany. Tsy nisy fihetsika nanonerana izany nataon’ny fitondrana.
Ny taona 2020, no tena nisongadina lehibe ny fatiantoky ny vahoaka vokatry tsy nanidian-dRajoelina ny sisintany sy ny habakabak’i Madagasikara, kanefa efa nihanaka naneran-tany ny valanaretina covid-19. Ankehitriny amin’arivony no namoy ny ainy vokatr’izany. Azo inoana fa nihena be io tarehimarika io raha natao ara-potoana ny nandraisana fepetra hentitra. Ankoatra ny namoizana ain’olona izay, dia potika ihany koa ny fiharian’ny sarambabem-bahoaka sy ny an’ny firenena ankapobeny. Nikorosy fahana ny toekarena ary niiba ny taha-pitomboana. Be ireo mpiasa no voaroaka na natao tsy an’asa ara-teknika. Zara raha nahita hohanina ireo lasibatra tamin’ny fahapotehan’ny asa fivelomany. Natrehiny izany rehetra izany ankoatra ny ady tamin’ny valanaretina. Fatiantoka lehibe hoan’ny vahoaka iny vanim-potoanan’ny krizy ara-pahasalamana iny, izay mbola nitohy ny taona 2021. Tsy nisy izay tsy niharan’izany ny sarambabem-bahoaka ankoatra ireo niara-dia na ireo mpisolelaka ny fitondrana. Mandraka ankehitriny, roa na telo taona aty aoriana, mbola maro no mibaby mafy ny vokatr’izany.
Ny fahatelo iray goavana misongadina ihany koa manohintohina tanteraka ny fiainam-bahoaka, dia ny fisian’ny delestazy tsy voavaha nandritry izay fotoana naha teo amin’ny fitondrana an’i Andry Rajoelina izay sy mandrak’izao. Nampanantenaina ery ny vahoaka fa hoe fotoana fohy dia ho voavahany izany raha tonga eo amin’ny fitondrana izy. Nofitahiny tsotra izao ny Malagasy, ary miharihary izany. Fatiantoka iray lavaka no niainana tao anatin’izany: voatohintohina ny asa fivelomana rehetra miankina amin’ny fampiasana herin’aratra. Mihena vokatr’izany ny asa sy ny famokarana, ary mazava loatra ny vola miditra. Be ireo fitaovana sy entam-barotra simba, sns… Hatramin’ny mpianatra mila jiro no niharan’izany ary misy fiantraikany amin’ny fianarana izany. Nikorontana ny fiainam-bahoaka. Tsy nitondra tombontsoa hoan’ny sarambabem-bahoaka ny fitondrana Rajoelina Andry. Ny fanafody nataony namahana ny olam-bahoaka dia toy ny parasetamôla itsaboana homamiadana. Efa lasa lavitra lavitra mantsy ilay fahavoazana sy indrindra ilay fahasahiranana sy fahantrana. Hadisoana eo amin’ny tantaram-pirenena (accident de l’histoire) ny nifidianana azy tamin’ny taona 2018, ka tsy tokony averina intsony.
www.gvalosoa.net/2023/09/19/edito-19-septambra-nifidianana-an-drajoelina-taminny-2018-hadisoana-t... ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Comment on Facebook EDITO 19 Septambra ...
Dia misy ny olona minia mikipy @ zava misy
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 19 Septambra 2023.
Azonao vakiana eto:
www.gvalosoa.net/2023/09/19/tatata-19-septambra/
Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: gvalosoa.net/?s= ... TohinyFintinina
6 andro lasa
19/09/2023- MANDOTO ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_807353368056997
Aza varina @ akanga tsara soratra fa zay no nanjonon'i Rajoela vazaha taratasy. Ka zao ampinaniny ny t... y zao tsika.Ny akoho tamana antrano = dada io no fidiko io ny antsika
Zay maka anao dada
Fisaorana avy amin’i Foutsie Tsotsy. ... TohinyFintinina
6 andro lasa
Comment on Facebook Ce problème vient ...
Tena izany ka tsy mangina ianao, isika fa mbola betsaka ny any amponja tsy nanao heloka. Ka miala vizaka dia miaramanao angaredona hanavotra ny tanindrazana. Nety ny nataonao
Izy no tokony hisaotra ny foko ny fa raha tsy izany efa toy ireo lasa tany am ponja tsy nanana foko na anaram pihaviana nanao tsindry
Fandaharana "Angaredona"
Talata 19 septambra 2023
Amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 5 ora hariva
Iaraha-mampita amin’ny onja:
MBS Radio/TV - KOLO TV/Radio - DREAM'IN TV/ Radio - IBC Tv - La 7 Tv - AZ Radio/facebook - TOP Radio
Hifandimby ireo solombavambahoaka maro avy amin'ny fanoherana. ... TohinyFintinina
7 andro lasa
Comment on Facebook Fandaharana ...
Atambatra ny hery@ lafiny rehetra. Tsy mila HCCCENI GOVERNEMATA@ ZAO,PREFET MINISITR NY ATITANY, ry be galona tsy misy ilana azy
Ry Malagasy, Mpiray tanindrazana, izay mbola mino an'Andriamanitra Tsitoha, ry Rayamandreny ampanahy, ianareo hery velona rehetra, Mifohaza amin’izay ary hampiaro ny soratra masina ao amin,ny Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana toky 3, andininy 14: “Izany no nanoratana hoe: Mifohaza hianao izay matory, ary mitsangàna amin'ny maty, dia hanazava anao ny Kristy” Tafahitsoka lalina ao anaty fahalovana sy fahantrana ny Vahoakan’ Andriamanitra malagasy noho ny asan’ ny devoly. Tsy voahaja ny lalanampanorenana ary lalana izay tokony handrafitra rafipiaramonina milamina tsy lavorary toy ny lalampifidianana izay mampisavorivoro. Raha tsy misy fifohazantsika rehetra ho an’ny fahatsiarovan-tena iombonana dia tsy ho afaka hiaina am-pilaminana mihitsy ny vahoakan’ Andriamanitra Malagasy ary tsy afaka hifantoka ny fotoanany amin’ny asa fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny Fireneny mihitsy Resin’ny fampanantenana sy ny herin’ny maizina ny Malagasy .ka voarebirebin’ny tolotolotra madinidinika hanampenana ny masom-panahiny izay tsy mahavita toana aza akory Ry Malagasy, Mpiray tanindrazana, izay mbola mino an'Andriamanitra Tsitoha. Fotoana tokony hifohazana izao sy hihainonana ny feon'ny fieritreretany . Ry Malagasy, henoy sy hampiaro ny tenin’ny soratra masina ao amin’ny Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana toko 13 Andininy 11: “Ary amin'izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin'ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino “ sy ny Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana 1 toko 15 andiny 4 : “Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an'Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany
Mety ny tahaka izao ! Aleo havondrona ny hery !
Raharaha Footsie Tsotsy (tohiny). ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Demokrasia volomboasary! Mialà ianareo ry CENI fa efa tsy atokisan’ny kandidà 11 intsony. Kandidà 2-nareo sisa no mihaino:
nº3 Andry Rajoelina
nº11 Sendrison Raderanirina
Mahalalà menatra! ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa