21 C
Antananarivo
Sat 3 Jun 2023 15:28

Araho eto ny FB Valosoa

Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

TONGA NY ORA !

Hatrany an-tranon’ny mpitondra no efa idiran-jiolahy,
Ka tena mampihoron-koditra ary efa mampanahy,
Satria tsy misy filaminana azo heverina intsony,
Fa dahalo no manjaka sy manao ny sitrapony.

Efa tena tsy mba tsaho na hoe karazana honohono,
Tsy mba vitan’ny mangalatra izy ireo fa dia mamono.
Manam-basy sy fiadiana tena hita ho arifomba,
Ary tsy olonolom-poana ireo mpiray tsikombakomba!

Noho izany tranga izany, mahatsiaro ny olo-maro
Fa tsy manana mpiahy sy tsy mba manana mpiaro.
Na an-tsaha na an-tanàna dia misentosento lalina,
Fa dahalo no manjaka na ny antoandro na ny alina!

…Iza no hanopy maso ka hanala ny mangidiny,
Fa tsy te hahalala izany iretsy olo-nofinidiny?
Tena hoe fotoana izao handavana ireo asa maizina:
Ireo mpitondra tsy mahomby, ireo no tena mila faizina.

Mivondròna handray adidy, ‘ndao hiatri-pifidianana,
Ary hiaraka manonja sady hifanolo-tanana,
Handresena ireo dahalo sy mpitondra tsisy hapoaka,
Sy ho porofo f’efa tofoka sy leo azy ny vahoaka!

TSIMIMALO (26-05-23)

www.gvalosoa.net/2023/06/03/tonga-ny-ora-4/
... TohinyFintinina

14 ora lasa

http://www.gvalosoa.net/2023/06/03/tonga-ny-ora-4/

Kongresim-paritry ny TIM Boeny – Sabotsy indray mifankahita any Mahajanga

Isambilo

Ho tanterahana ny sabotsy izao any Mahajanga ny kongresim-paritry ny antoko TIM any amin’ny faritra Boeny. Sabotsy indray izany mifankahita any an-drenivohitra Boeny, taorian’ny kongresim-paritr’ity antoko ity tany Analavory faritra Itasy. Hikarakara izao Kongresy ny Tim Mahajanga izao ary efa vonona amin’izany ireo birao comité ad’hoc, vonona koa ireo tanora Tim Mahajanga, ny vehivavy Tim amin’ny faritra Boeny. Hanotrona ny hetsika koa ny RMDM Mahajanga.

Ny sabotsy 3 jona 2023 izao no hatao io hetsika io, hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Lycée Fjkm Ziona Vaovao Mahajanga. Teny filamatr’izy ireo koa ny hoe: sahia minoa, mijoroa, aza matoritory hoy izy ireo fa efa antsika lay tour. Hanatrika izany koa ny solontena avy amin’ny antoko, avy amin’ireo distrika mandrafitra ny faritra Boeny dia: Mahajanga I sy faha-II, Mitsinjo, Soalala, Marovoay, ary Ambato Boeny.

www.gvalosoa.net/2023/06/03/kongresim-paritry-ny-tim-boeny-sabotsy-indray-mifankahita-any-mahajanga/
... TohinyFintinina

14 ora lasa

Kongresim-paritry ny TIM Boeny – Sabotsy indray mifankahita any Mahajanga

Isambilo

Ho tanterahana ny sabotsy izao any Mahajanga ny kongresim-paritry ny antoko TIM any amin’ny faritra Boeny. Sabotsy indray izany mifankahita any an-drenivohitra Boeny, taorian’ny kongresim-paritr’ity antoko ity tany Analavory faritra Itasy. Hikarakara izao Kongresy ny Tim Mahajanga izao ary efa vonona amin’izany ireo birao comité ad’hoc, vonona koa ireo tanora Tim Mahajanga, ny vehivavy Tim amin’ny faritra Boeny. Hanotrona ny hetsika koa ny RMDM Mahajanga.

Ny sabotsy 3 jona 2023 izao no hatao io hetsika io, hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Lycée Fjkm Ziona Vaovao Mahajanga. Teny filamatr’izy ireo koa ny hoe: sahia minoa, mijoroa, aza matoritory hoy izy ireo fa efa antsika lay tour. Hanatrika izany koa ny solontena avy amin’ny antoko, avy amin’ireo distrika mandrafitra ny faritra Boeny dia: Mahajanga I sy faha-II, Mitsinjo, Soalala, Marovoay, ary Ambato Boeny.

http://www.gvalosoa.net/2023/06/03/kongresim-paritry-ny-tim-boeny-sabotsy-indray-mifankahita-any-mahajanga/

Analavory Itasy – Ny 1 jolay ho avy izao ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM eto Antananarivo – Tsy mampihemotra azy ny lakrimôzena sy ny herim-pamoretana

Isambilo

Tsy nampihemotra ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM, ny lakrimôzena sy ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana sasany tamin’izy ireo, ny talata lasa teo tany Analavory distrikan’i Miarinarivo faritr’Itasy.

Toy ny fanaony niantsena tao amin’ny tsenan’Analavory aloha i Dada sy ireo mpanara-dia azy, nialohan’ny nanatrehany ny kongresim-paritry ny TIM, tao amin’ny Espace Mangabe tany an-toerana. Nandritra ny nandehanany dia an-tongotra tao an-tsena, no nirefotra ny lakrimôzena sy nahitana ny herisetra nataon’ireo mpitandro filamkinana sasany. Tsy nampihemotra ny filoha nasionalin’ny TIM sy ireo mpiara-dia aminy ary ny vahoaka anefa izany. Fa vakin’izy ireo ny sakana nataon’ireo zandary, ka tonga soa aman-tsara tany amin’ny toerana nanaovana ny kongresy ihany ny rehetra.

Niara-dia tamin’i Dada nandritra izany ny avy amin’ny birao politika, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, Jean Claude Rakotonirina ary Julien Andriamorasata, ireo depiote 9 mirahalahy avy amin’ny antoko nahitana ny depiote isany Fetra Ralambozafimbololona, Ramboasalama Emilien, Mamy Rabenirina, Alain Ratsimbazafy, Feno Ralambomanana, Gerry Randriambolaina, Jose Randrianantenaina, Michel Ambalavato ary ny depiote Rodin Rakotomanjato. Teo koa ireo ben’ny tanàna avy ao Antananarivo Atsimondrano toa an-dry Rado Ramparaoelina, Mihary Andriantsilavo,… ny ben’ny tanànan’Ambohitrabiby Pasitera Lazasoa. Ireo mpanolotsainan’ny tanàna TIM notarihan’ny filohan’ny Collectif des Elus Christian Andrianjafy ary ireo mpitarika ny antoko ao amin’ny faritra Itasy.

Nambaran’ny solontenan’ny TIM Itasy fa: ”na inona na inona sakana, efa lasan’i Dada ny fonay aty amin’ny faritra Itasy”. Nanambara kosa i Dada fa: tsy maintsy mihaona amin’ny Olom-pirenena eto Analavory aho androany. Tsy mihemotra amin’izay endrika herim-pamoretana isika. Aok’izay ny fampijaliana ny Malagasy, ny fanitsakitsahana ny Zo aman-kasina maha olona. Leo Jadona, leo herim-pamoretana, leo tampenam-bava ny vahoaka. Ny mampalahelo sy mahasosotra dia izao; ireo sasany mahatsapa ny fahorian’ny tenany, tsy mihinan-kanina fa lanin’ny olona ny indemnité-any, mamela anay mandeha, tena midera sy mankasitraka azy ireny izahay, fa olona vitsy anie sisa ireo tena mibahambahana ireo e!”

Fantatra nandritra izany ihany koa, fa kongresim-paritra miisa 12 no efa vitan’ny antoko TIM, raha tsy misy ny fiovana dia ny 1 jolay ho avy izao, no ho tanterahana eto Antananarivo ny kongresy nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara.

www.gvalosoa.net/2023/06/03/analavory-itasy-ny-1-jolay-ho-avy-izao-ny-kongresy-nasionalinny-antok...

http://www.gvalosoa.net/2023/06/03/analavory-itasy-ny-1-jolay-ho-avy-izao-ny-kongresy-nasionalinny-antoko-tim-eto-antananarivo-tsy-mampihemotra-azy-ny-lakrimozena-sy-ny-herim-pamoretana/

Miala Rajoelina – 100 andro sisa, mihazakazaka ny fotoana

Helisoa

Mihazakazaka ny fotoana, 100 andro androany sisa dia tokony hametra-pialana amin’ny maha-filoha azy ny filoha Andry Rajoelina. Izany hoe, eo amin’ny 3 volana mahery kely eo sisa dia hiala eo amin’ny fitondràna ny filoha mitantana ny firenena ankehitriny Andry Rajoelina. Manoloana izany, indrindra raha ny zavatra hita dia toa mamofom-pofona korontana no hita eto amin’ny firenena. Nisy ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany amin’ny faritra Itasy natao tao Analavory ny talata lasa teo. Tsy misy inona antony inona loatra, fa dia filohampirenena teo aloha manana ny sata manokana, no nokendrena tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso raha niditra tao anaty tsena hividy zavatra dia ny filoha Marc Ravalomanana izany.

Raha ny zavatra niseho tany antoerana dia nosakanana tsy avela hiantsena ity farany, fa hoe misy baiko hono araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana azon’izy ireo, fa tsy mahazo mandeha lalankafa fa avy hatrany dia miditra ao anatin’ny toerana hanaovana ny kongresy. Tsy nahasakana ny filoha Marc Ravalomanana anefa izany, fa avy hatrany izy dia niditra ho any antsena. Avy hatrany, hery famoretana no natao tamin’ity filoha, izay efa ray amandreny nitantana sy nahavita be teto amin’ny firenena ity.

Faharoa manaraka izany, nitaona olona hidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey omaly, ny vadin’i Mahery Lanto Manandafy, sy ireo andian’olona nanaraka azy tamin’izany. Miaramila, zandary ary polisy marobe miaraka amin’ny fitaovam-piadiana anefa no narentirenty teny amin’ny 13 Mey, izay mihoatra lavitra be noho ireo andian’olona hita teny antoerana. Dia eo no mampieritreritra ny olom-pirenena hoe fanjakàna inona no misy eto? Milaza fa mamim-bahoaka nefa toa zavatra bitika dia ampiasaina ireo herim-pamoretana?

Ny filoha Marc Ravalomanana dia efa nanambara ombieny ombieny, fa tsy avy aminy no hisian’ny korontana eto amin’ny firenena. Voafehiko hoy izy ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny RMDM miaraka amiko. Fifidianana izao no mahamaika anay hoy izy, hialàna amin’ity fahantrana lalina mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny ity. Eo ihany koa ny tsy fanajàna ny zon’olombelona izay efa tsy hita pesimpesenina no miseho ankehitriny.

Ka eo no mahalasa saina ny maro hoe: sao tsy vonona hanao fifidianana aza ity fitondràna ity, ka mitady korontana hisian’ny tetezamita eto amin’ny firenena? Maro ny olona ampiasaina hoy ny hafa mba hampisavorovoro ny saina; ka eo no ilaina fandinihana lalina satria ny ratsy tsy kely lalana. Ny fifidianana ihany no hahafahana mamaha olana haingana ny firenena latsaka an-katerena izao, sy ny fanilihana ireo mpitondra tsy mahomby, mpampijaly vahoaka ankehitriny ireo.

www.gvalosoa.net/2023/06/03/miala-rajoelina-100-andro-sisa-mihazakazaka-ny-fotoana/

http://www.gvalosoa.net/2023/06/03/miala-rajoelina-100-andro-sisa-mihazakazaka-ny-fotoana/

EDITO 1 Jona – Miendrika fanesoana ny vahoaka hatrany no mitranga

Sôh’son

Miditra ny volana jona sahady isika ity, mihazakazaka ny andro sy ny volana. Mifanohitra amin’izay anefa raha ny lafiny fampandrosoana ny firenena sy ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka. Mihemotra mihitsy aza amin’ny ankapobeny, raha tsy hilaza fotsiny, ohatra, ny lafiny fampianarana indrindra ao anatin’izao fidirana amin’ny fotoam-panadinana izao.

Tsy mbola nisy sy fahita tao anatin’ireo fitondrana nifandimby tamin’ity fitondrana Rajoelina ity, raha tsy tamin’izao fitondrany izao, ny fampivesarana ny mpianatra ny vola tsy maintsy aloa amin’ny fanadinam-panjakana Cepe sy indrindra ny Bepc sy ny kojakoja ilaina ampisaina any amin’ny fanadinana. Anisan’izany, ohatra, ny fanerena ny ray aman-dreny hanome kahie ho an’ny fanjakana tomponandraikitry ny fanadinana atao vakiraoka. Mbola niseho indray koa izany fitakiana izany ao anatin’izao fotoam-panadinana andrana na “examen blanc” amin’ny Bepc izao.

Santionany iray kely izany fa miseho ny tarehin-javatra maro samihafa amin’ny toe-javatra tsy tokony hisy raha nirehaka ho babany indrindra miohatra amin’ny fitondrana rehetra teo alohany izao fitondrana Rajoelina izao. Hatrany amin’ny tobim-pahasalamana fototra avy aza no misy pitsopitsony itakiana vola amin’ny marary na ny fianakavian’ny marary, toy ny fonon-tanana ho an’ny mpiteraka, sns. Azo adika tsotra izao ny zava-misy ataon’izao fitondrana Rajoelina izao: ny tokonana aza tsy afaka ka ny rindrina no ianaran-kendry hanihana. Hadalana tsotra izao izany ary tena midika ho tsy fahaizan-javatra. Indraindray aza ny mitranga toa zary fanesoana ny vahoaka malagasy mihitsy, satria atao daholo izao fihetsiketsehana isehosehoana eto an-toerana na any ivelany rehetra izao.

Toa ataon’ireo olona eo amin’ny fitondrana, ny filohan’ny Repoblika sy ny ministra eo ambany fiadidiany ny mifofotra mitady amboara na loka, toy ny any ivelany, amin’ny zavatra izay lazaina ho tena nisy fivoarany teto amin’ny firenena noho ny asa nataon’izy ireo, kanefa tsy izany loatra no iainam-bahoaka. Misy mihitsy ny olom-pirenena mpamakafaka no milaza ny heviny momba izany, fa resaka amboamboarina izany, ary miendrika “amboara bôjy” zarazaraina fahatany, tsy mifandraika amin’ny iainan’ny vahoaka malagasy, indrindra ny sarambabem-bahoaka miady mafy andro aman’alina amin’izay hahavelona azy sisa. Maha menatra raha ianao ery, any ivelany io, mihareha amin’ny voninahitra ho toy ny môdely amin’ny fampandrosoana, kanefa ny vahoaka entinao faraidiny amin’ny samy vahoaka maneran-tany. Mahalalà menatra, fa ny lany henatra no ratsy indrindra, mahakizo fara ny firenena sy ny taranaka fara aman-dimby izany.

www.gvalosoa.net/2023/06/03/edito-1-jona-miendrika-fanesoana-ny-vahoaka-hatrany-no-mitranga/

http://www.gvalosoa.net/2023/06/03/edito-1-jona-miendrika-fanesoana-ny-vahoaka-hatrany-no-mitranga/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 1 Jona 2023.

Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: gvalosoa.net/?s=
... TohinyFintinina

14 ora lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 1 Jona 2023.

Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: http://www.gvalosoa.com na http://www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: http://gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: http://gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: http://gvalosoa.net/?s=

01/06/2023- MAHAJANGA. Filoha Marc Ravalomanana ... TohinyFintinina

2 andro lasa

01/06/2023- MAHAJANGA. Filoha Marc Ravalomanana

31/05/2023- KIANJAN’NY 13 Mai. ... TohinyFintinina

3 andro lasa

31/05/2023- KIANJAN’NY 13 Mai.

31/05/2023. ANALAKELY ... TohinyFintinina

3 andro lasa

31/05/2023. ANALAKELY

30/05/2023 Filoha Marc Ravalomanana. ... TohinyFintinina

4 andro lasa

30/05/2023 Filoha Marc Ravalomanana.

30/05/2023. ANALAVORY-Filoha Marc Ravalomanana. ... TohinyFintinina

4 andro lasa

30/05/2023. ANALAVORY-Filoha Marc Ravalomanana.

Comment on Facebook 30/05/2023. ...

Mahereza daholo e

Amen a

Milay foana isika e

Yes dada

ARABAINA E E!

TIM FOREVER ISIKA E !!! 102 ANDRO SISA...

👏👏👏 ato ny vidéo fb.watch/kSVOcE7kd-/

View more comments

30/05/2023. ANALAVORY- Filoha Marc Ravalomanana. ... TohinyFintinina

4 andro lasa

30/05/2023. Filoha Marc Ravalomanana. Aok’izay! Aok’izay! ... TohinyFintinina

4 andro lasa

30/05/2023. Filoha Marc Ravalomanana. Aok’izay! Aok’izay!

30/05/2023. ANALAVORY. Filoha Marc Ravalomanana (tohiny). ... TohinyFintinina

4 andro lasa

30/05/2023. ANALAVORY. Filoha Marc Ravalomanana (tohiny).

30/05/2023. Filoha Marc Ravalomanana (tohiny) ... TohinyFintinina

4 andro lasa

30/05/2023. Filoha Marc Ravalomanana (tohiny)

30/05/2023. Filoha Marc Ravalomanana. ... TohinyFintinina

4 andro lasa

Dia mbola ho ampiana "fahefana mora" indray koa ve?… hambotry vahoaka sy handroba harem-pirenena mandritra ny dimy taona indray?… fampiesonana hanafenana ny ratsy atao no betsaka!

102 andro sisa ho an’ilay adala lahy!

(Sary Tia Tanindrazana)
... TohinyFintinina

4 andro lasa

Dia mbola ho ampiana fahefana mora indray koa ve?… hambotry vahoaka sy handroba harem-pirenena mandritra ny dimy taona indray?… fampiesonana hanafenana ny ratsy atao no betsaka!

102 andro sisa ho an’ilay adala lahy!

(Sary Tia Tanindrazana)

Comment on Facebook Dia mbola ho ampiana...

Kkkkk hoy ramora favori= vetivety aho dia hita !

TOMPONDAKA MAHATSIKAIKY !

Inona no tsy nataony taminao ry tanindrazany?
Lainga no mba kilalaony, fidedahana no lazany!
Fikendrena ho tompondaka eo amin’ny sehatra rehetra,
Izay no tanjon’ilaiàka sy irosoany tsisy fetra!

Maro no manongo tena raha mijery ny hadalany.
Izy anefa tsy hay fefena fa manohy ny diany hatrany!
Tena tsy hainy ny mifehy hatramin’ny vava izay avoakany,
Ka dia maro no mihomehy fa ny azy lainga no kapoakany!

Nosalorana girady tampotampoka indray,
Ity ilay hoe mpanao haiady mahatsikaiky eto aminay!
Dia indro niaraka nirona ireo mpikatroka nasaina,
Ka « Ramano be galona » no indro tonga tao an-tsaina!

…Ho aiza ianao ry tompondaka, ho aiza re ny dianao?
Ny fieboana no tsy zaka fa manindry lava izao?
Ahiana ianao hanary lamba sy hitanjaka atsy ho atsy.
Hatramin’ny moana sy ny jamba no efa tena kivy ratsy!

TSIMIMALO (29-05-23)

www.gvalosoa.net/2023/05/30/tompondaka-mahatsikaiky/

http://www.gvalosoa.net/2023/05/30/tompondaka-mahatsikaiky/

Dis-TIM Ambanja – Nanofana delegen’ny kandidà amin’ny fifidianana ho avy

Stefa

Nanamafy ny fototra tany amin’ny kaominina Antsirabe distrikan’Ambanja faritra Diana, ny mpitarika ny Dis-TIM any amin’ity distrika ity, notarihan’ny filohany Bertrand Vanimbelo, sy ny Sekretera jeneralin’ny Jeunes Tim Gaetan Soavelo. Nanao fidinana ifotony tany amin’ny kaominina Antsirabe izy ireo ny herinandro lasa teo, nanamafy ny COMTIM any amin’ity kaominina ity. Nanome toromarika ko amin’ny dingana manaraka izay tokony hatao ary nisy ihany koa ny fanofanana ho an’ny delegen’ny kandidà, mba hiarovana ny zo ny vahoaka, ka tsy ho voafitaka amin’ny fotoam-pifidianana.

Mbola namerina koa izy ireo nanentana ny Olompirenena rehetra izay efa ampy 18 taona, mba handray ny andraikitra sy hanatsara ny hoavy ny taranaka ho avy afara, fa ny filoha Ravalomanana Marc no efa vonona sy efa manana traikefa hanavotra ity firenena latsaka an-katerena ity. Hanarina ny vidin’ny lavanila izay latsaka ambany tokoa amin’izao fotoana any Ambanja, amin’ny fanpombohan’ny taom-piotazana izao, satria nijotso hatramin’ny 5000 Ar ankehitriny ny vidin’ny 1 kg ny lavanila maitso. Tena mitaraina ireo tantsaha noho izany, fa tena voa mafy tokoa izy ireo.

www.gvalosoa.net/2023/05/30/dis-tim-ambanja-nanofana-delegenny-kandida-aminny-fifidianana-ho-avy/

http://www.gvalosoa.net/2023/05/30/dis-tim-ambanja-nanofana-delegenny-kandida-aminny-fifidianana-ho-avy/

Fihaonamben’ny TIM Avaradrano – Fifidianana – Vonona amin’ny zava-drehetra isika hoy ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Tontosa ny sabotsy teo tao amin’ny Espace Lion d’Or Avaradrano ny fihaonamben’ny antoko TIM ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, niatrika izany ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana, ny avy amin’ny birao politika nahitana ny sekretera jenaraly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM notarihan’ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM Fetra Ralambozafimbololona, sy ny depiote tompon-draharaha ny depioten’Avaradrano Gerry Randriambolaina. Teo koa ireo ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM ao Avaradrano, ireo mpanolotsaina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko notarihan’ny filohan’ny Collectif des Elus Christian Andrianjafy. Tao koa ny avy amin’ny RMDM, ireo tommpon’andraikitra TIM teo aloha: ministra sy depiote,…

Ambohipihaonan’ny rehetra tokoa teny an-toerana ny sabotsy teo io. Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izany mahakasika ny fifidianana, fa efa vonona amin’ny zava-drehetra isika, aoka tsy hifanilikilika noho izany hoy izy, fa hiray hina hatrany. ” Tsy tokony hisaratsaraka isika, haneho fiombonana. Mankasitraka anareo eto Avaradrano aho, fahombiazana tanteraka ny hetsika androany. Tsy mihemotra intsony isika, na tsy misy jiro, na simba ny lalana, na feno sakantsakana. Hanangana Firenena vanona izay manana Olom-pirenena voahaja ny Zo aman-kasiny isika. Antsika i Madagasikara, manana adidy sy andraikitra aminy sy amin’ny taranaka any aoriana isika izao. Fifidianana ihany, amin’ity taona 2023 ity”.

Nisongadina ihany koa nandritra izao fihaonambe izao fa nampiditra ny vahoaka sy ny firenena ao anaty trano maizina ny nataon’ny mpitondra, fa tsy misy n’inona n’inona hainy. Noho izany, na ho vy na ho vato tsy mijanona isika raha tsy azontsika amin’ny fahamarinana ny fandresena, hanafahana ny vahoaka amin’izao fijaliana izao. Ankoatra izany, manantena ny filoha Marc Ravalomanana ho Kandida koa Avaradrano, amin’ny fifidianana filohampirenena hatao amin’ity taona ity io ary vonona hampandresy azy amin’izany fifidianana izany.

www.gvalosoa.net/2023/05/30/fihaonambenny-tim-avaradrano-fifidianana-vonona-aminny-zava-drehetra-...

http://www.gvalosoa.net/2023/05/30/fihaonambenny-tim-avaradrano-fifidianana-vonona-aminny-zava-drehetra-isika-hoy-ny-filoha-ravalomanana/

Miala Rajoelina – Delestazy manapotika fihariam-bahoaka, mampijaly vahoaka

Andry Tsiavalona

Mitombo andro aman’alina toy ny tsy fahalavorian’ny ataony ny fibatan-Rajoelina Andry izao amboara tsy mendrika azy rehetra izao. Gaga sy talanjona ny Malagasy fa notolorana ny tepana mainty “6ème dan” eo amin’ny haiady karate izy tao Mahamasina rehefa avy nampiseho talenta niaraka tamin’ireo mpikatroka amin’ity taranja ity. Raha ny vaovao miparitaka any amin’ny tabazotran-terasera dia efa manana ny “5ème dan” hono izy. Tsy mahagaga raha nilaza izy tany Toliara fa “mipipi am-pataloha” ireo andiany niara-nikatroka taminy tao amin’ny “Dojo Maka” raha vao maheno ny anarany fotsiny.

Misy vaovao miparitaka ihany koa anefa fa tsy manana ny tepana mainty izy. Maromaro ireo amboara natolotra azy, izay teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny “Amboaran’ny Ady amin’ny tsy Fanjarian-tsakafo”, (Lutte Contre le Malnutrition), ny “Amboaran’ny Fananganana Indostria”; ary farany teo ny “Amboaran’ny maha Lehibe azy amin’ny Fanorenana” (Grand Bâtisseur). Raha itsy voalohany no resahina dia nizara vary misy “carry” naka ny lokom-boasary nahavita sakafo atoandron’ny mponina aman-jatony maro tokoa izy sy ny vadiny. Ny “kere” kosa anefa etsy an-danin’izany dia tsy any Atsimo intsony no iainan’ny ponina, fa efa miparitaka any amin’ny Faritra Atsimo Atsinana sy any amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy. Araka izany dia ny mifanohitra amin’ny amboara natolotra azy dia ny “Amboaran’ny Fizarana Patsa indray Mahandro”.

Marina fa nampanantena hanangana indostria teto Madagasikara Rajoelina Andry, ka anisan’ny ngeza tamin’ireny ny ozinina fanamboarana fiara sy môtô “Gasy Car” sy ny ozinina fanodinana legioma tao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Anjaran’ny Malagasy no manao ny tomban’ezaka raha mendrika notolorana ireo ny filohan’ny Repoblika satria tsy nisy nitsangana ireo ozinina ireo na iray aza. Toy ireny mpianatra nanomana “mémoire de maîtrise” ireny Rajoelina Andry, ka nisandoka na nangala-tahaka ny asan’ny sasany ary andefa izany notsaraina ary nahazoany diplaoma raha ny amboara “Grand Bâtisseur” no halalinina, satria tsy izy no nandalina sy nandrafitra ny antontan-taratasy nahazoana ny famatsiam-bola momba ny fanamboarana ny “Rocade d’Iarivo” sy ny “Seranam-piaramanidina Ivato”, kanefa ireo no nanolorana ny amboara ho azy.

Ankoatr’ireo notanisaina ireo dia misy sehatra azo anomezana amboaran’ny maha-tompondaka ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo tomponandraikitra rehetra amin’izao fotoana izao. Lehibe indrindra amin’ireny ny fampisafotofotoana ny andraikitry ny mpanantanteraka sy ny mpanao lalàna. Ny tsy fanajana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ka tsy takona hafenina ny fanomezana baiko ny mpitsara amin’izay didy tokony havoakany. Efa ho tapitra ny fepotoana hitondran-dRajoelina Andry kanefa dia mbola governora no mipetraka eo amin’ny toeran’ny Lahiben’ny Faritra izay fidian’ny mpifidy lehibe (grands électeurs). Tokony ho toloran’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana amboara izy amin’ireo toe-draharaha ireo. Efa maromaro ihany ireo tomponandraikitra ambony voatsoka teo amin’ny toerany. Tsongaina manokana amin’izany ireo minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo sy ireo tale jeneralin’ny Jirama. Iaraha-mahalala ny anton’ny fanesorana ireo tomponandraikitra ireo dia ny tsy fahitana vahaolana momba ny fahatapahan-jiro, delestazy tsy misy fiafarany, ary mandritra ny ora maro, saika manerana ny Nosy mihitsy. Omaly ny filohan’ny Repoblika vao nieboebo fa vita sonia ny fifanarahana momba ny fanamboarana ireo “centrales hydroélectriques” any Ivolobe sy Sahofika. Tsiahivina anefa fa tamin’ny faramparan’ny taona 2020 no efa natao ny fanadihadiana ara-teknika momba ireo tohadrano hamokarana herinaratra ireo.

Tompondaka amin’ny fanesorana amin’ny toerany tomponandraikitra ny filohan’ny Repoblika. Tompondaka mendrika ho tolorana amboara momba ny fanolorana fitaovana mamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro izay tsy mahasakana ny delestazy an-tanàn-dehibe aloha hatramin’izao. Tsy mifanojo amin’izay iainan’ny Malagasy ny amboara natolotra ny filohan’ny Repoblika satria rakotry ny haizina tanteraka ny Firenena ka tsy misy mangirana tazana na kely aza eny amin’ny faravodilanitra. Tsy voavaha mihitsy ny delestazy hatreto, noho izany: potika ny fihariam-bahaoaka miankina amin’ny jiro, mijaly ny vahoaka noho ity delestazy ity, soa ihany fa 102 andro sisa: J- 102 dia hiala amin’ny toerany Rajoelina. Ho avy izay andro izay.

www.gvalosoa.net/2023/05/30/miala-rajoelina-delestazy-manapotika-fihariam-bahoaka-mampijaly-vahoaka/

http://www.gvalosoa.net/2023/05/30/miala-rajoelina-delestazy-manapotika-fihariam-bahoaka-mampijaly-vahoaka/

Comment on Facebook Miala Rajoelina – ...

Ilay delestazy kosa aloha hitako tafahoatra eh, izany ry JIRAMA an !

EDITO 30 Mey – Mampametram-panontaniana ny fampiasana ireo vola vy

Beharo

Efa naroso teto tany aloha tany fa hafahafa ihany ny sandan’ny vola ariary eto amintsika amin’izao vanim-potoana izao, ka na ny euro (€), na ny dollar ($) sy ny vola vahiny hafa, dia hita sy tsapa fa mampihemotra antsika lavitra tokoa eo amin’ny sehatry ny ara-barotra, nefa toa tsy hita mihitsy amin’izao fitondram-panjakana Rajoelina izao izay mba ezaka na tombontsoa raha oharina amin’ireo entana sy fitaovana izay hafarana ary ireo vola izay hindramina, fa toa vao maika manimba ny fiaraha-monina sy ny tontolo toekarena sy sosialy tanteraka, miteraka kolikoly sy mampatevina ny trosantsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy.

Ny vahiny araka izany no mahita fandrosoana sy tombom-barotra raha atao indray mijery, ny vazaha efa ela no teo, ny sinoa sy karana dia mirotsaka tsikelikely ary ny hafa toy ny Egyptiana dia miezaka maka izay anjarany koa, miainga amin’ny fanamboaran-dalana sy fanomezana amboara (Trophée ) ihany koa. Tsorina, fa raha tsy mifamezivezy ireny vola 50 Ar, sy 20 Ar. ireny, dia isika samy isika ihany no mifandrora mitsilany eto raha atao indray mijery. Rehefa misy fisondrotana vidin’entana 200 Ar lasa 250 Ar ohatra, dia vatomamy no atao famerim-bola, na voatery mividy entana roa (2) ka lasa 400 Ar, nefa kely ny vola eo am-pelatanana amin’izany, ary rehefa mandeha eny amin’ny Jirama koa ohatra, raha tokony hamerina famerim-bola 50 Ar hatramin’ny 90 Ar, dia tsy misy fameriny fa lasa manatevina ny paosin’izay mpandray vola eo fotsiny.

Na ny mpivarotra na ny mpanjifa teny an-tsena samihafa teny, dia samy nilaza fa maninona raha mba ambara ofisialy mazava hatrany fa mbola miasa, manankery ireny vola 20 Ar, 50 Ar ireny, ka rehefa tsy vita vola vy, dia avadika atao taratasy, sady mora tahirizina no mba misy lanjany amin’izay fisondrotan’entana atao, no manankery ihany koa rehefa atao famerim-bola. Mazava araka izany, fa tsy misy lanjany ho antsika ny vola amin’izao fotoana, ny vola raisina isam-bolana sy ny tambin-karama na izay anjara vola tokony ho azo dia tsy mitombo, tara vao voaray, ka miteraka fitokonana mihitsy aza, nefa ny vidim-piainana tsy mitsaha-mitombo, tsy sahaza izay raisina isam-bolana, miteraka halatra, hafetsifetsena samihafa, miainga amin’ny sitrany ahay, ka mety ho tojo ny kolikoly manara-penitra mihitsy koa aza.

www.gvalosoa.net/2023/05/30/edito-30-mey-mampametram-panontaniana-ny-fampiasana-ireo-vola-vy/

http://www.gvalosoa.net/2023/05/30/edito-30-mey-mampametram-panontaniana-ny-fampiasana-ireo-vola-vy/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 30 Mey 2023.

Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: gvalosoa.net/?s=
... TohinyFintinina

4 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 30 Mey 2023.

Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: http://www.gvalosoa.com na http://www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: http://gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: http://gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: http://gvalosoa.net/?s=

Hay tena mafy be prezidà fa tsy
lainga (6ème dan). Ny tena nanaitra koa ity sezana mpanjaka ity. Mahamenatra!
Émile vazaha mpamadika koa amin’ izay misolelaka ery. Tsy mahagaga!
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Hay tena mafy be prezidà fa tsy 
lainga (6ème dan). Ny tena nanaitra koa ity sezana mpanjaka ity. Mahamenatra!
Émile vazaha mpamadika koa amin’ izay misolelaka ery. Tsy mahagaga!

Comment on Facebook 1764140243706142_724915366300798

Tepana orange no mety aminy

Revy marary saina beuuuu...!!!

Tokony ts mila garde du corp tsony zany président

Mba sanabavy raha mahasahy an R8 io raha sur tatamis

kkk h h

Mampalahelo fa tratry ny ramatahora ny taranja Karate! Izay hidiran'ity olona ity dia simba daholo!

View more comments

27/052023-SABOTSY NAMEHANA. Filoha Ravalomanana ... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

27/052023-SABOTSY NAMEHANA. Filoha Ravalomanana
Load more