Manoloana ny fikasan’ny CENI hanokatra indray ny Lisim-pifidianana amin’ny alalan’ny « Didy hitsivolana »na « ordonnance » avy amin’ny Fitsarana dia tsy mandà izahay satria fampiharana ny andininy faha-42 ao lalàna 2018-008 mifehy ny Fifidianana eto amintsika izany dia tonga eto amin’ny CENI ary izahay mitondra ny ahiahy tsy ihavanana ary mitondra ny soso-kevitra mba hisorohana ny mety ho fampiasana ity ordonnance ity hanaovana hosoka sy hala-bato amin’ny Fifidianana toy ny mety hahafahan’ny olona iray hifidy im-betsaka sy ny hahafahan’ny olona avy any amin’ny Kaominina hafa hifidy any amin’ny Kaominina hafa
Ny hevitray dia izao :
- Ekena ny mbola hahafahan’ireo olona manan-jo hifidyhisoratra anarana ao anaty Lisim-pifidianana amin’nyalalan’ny Ordonnance avoakan’ny Fitsarana
- Tokony ho ferana anefa ny fe-potoana hanaovanaizany : ohatra hatramin’ny 15 na 30 Novambra 2024
- Tsy azo ekena kosa ny fampiasana ny ordonnance Electorale hahazoana hifidy amin’ny andron’ny latsa-bato satria tsy ara-dalàna izany ary mety ho fitaovanahampiasaina hanaovana hosoka amin’ny Fifidianana
- Tokony hizotra ara-dalàna sy ara-drariny ka tsy hisyfanavakavahana sy fanilikilihana ara-politika nyfanomezana ireo taratasy ilaina avy eny amin’nyFokontany sy ny CENI hahazoan’ny olona nyordonnance eny amin’ny Fitsarana hisoratany anaranaao anaty Lisim-pifidianana.
CENI-Alarobia 03-10-2024
... TohinyFintinina