Sirama sy Vidzar – Omen’ny ministry ny indostria, Guy Rivo Randrianarisoa, roa volana hanaja ny fifanarahana

Na orinasa vahiny na orinasa malagasy, rehefa tsy manaja ny fifanarahana amin’ny fitondram-panjakana, tsy mametraka ny zon’ny malagasy dia miala.

Ka omena fepetra izy ireny, roa tokom-bolana raha be indrindra, hanao izay tokony hatao rehetra. Raha tsy izany dia ho avy ny ministeran’ny indostria, hanajanona ny fifanarahana.

Hajaintsika ny lalàna malagasy. Hajaintsika ny vahoaka malagasy.

Ary ijoroako ny maha-ministry ny indostria ahy.

Mametraka ny indostria, ny mpiasa malagasy, ny vahoaka malagasy ho tompon’ny tany sy ho tompon’ny orinasa aho, indrindra rehefa misy ny fifanarahana.