16 C
Antananarivo
Fri 14 May 2021 00:55

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
broken clouds
16 ° C
16 °
16 °
94 %
2.6kmh
75 %
Fri
22 °
Sat
22 °
Sun
23 °
Mon
24 °
Tue
19 °
Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

AIZA ISE RY GASIKARA ?

Iza indray no handimby toerana an’ise ry Gasikara?
Mbola hisy ny hotendreny sa hiato ity tantara?
Raha ny zava-misy mantsy, tena nidina ny tombany,
Fa tsy nety ny angaredony sy ireo tsikombakombany.

Sa tsy hosoloina ise fa hiavo-tena ny mapara?
Dia meteza hitandrina àry sao hivadika ny tantana,
Ka ho lasa ady antsanga, fifandirana mivantana!

Sa mpanohitra “voavidy” no hotendrena handray anjara?
Mila akariny ny “tombany”, f’efa rano raraka iny,
Indrindra moa ity ranamana tsy sahy nitsena vakisiny!

Sa ireo zatra milomano, manan-tsaina maramara?
Mila miarina izy mantsy, indrindra ilay akohovaviny,
F’efa tena ratsy toerana izy sy ny mpianakaviny.

Sa hofoanany tanteraka ilay “paika” fa tsy tsara?
…Mila mba mandini-tena sy misaina lalina izy.
Mila ajanona amin’izay ny fomba sy fanahin’ankizy!

TSIMIMALO (13-05-21)

www.gvalosoa.net/2021/05/13/aiza-ise-ry-gasikara/
... TohinyFintinina

6 ora lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/05/13/aiza-ise-ry-gasikara/

Comment on Facebook AIZA ISE RY GASIKARA...

Tsy hasaina intsony Gasikara fa ny tambiny dia ny oe atsahatra ny fihibohana sadasada 😂😂😂

😏😏😏😏😏😏

AZA MBA HO ISAN’IZAY DONTO INTSONY !

Mamorona tetika indray ve ry “favo”
Ka mody naidina ny isan’ny lavo?
Tsy vitsy ireo olona no efa niteny
Fa antontan’isa namboarina ireny!

Ny tanjona mantsy dia ny hampitoniana
Ny saina efa romotry ny tsy fisiana,
Satria efa maro no nampiaka-peo
Hoe hikomy fa tofoka sy tena leo!

Efa leo ireo ekipan’ny volomboasary,
Sy ity fitondrana efa lo sy fanary.
Tsy mbola mahita izay mba vahaolana
Na dia misosa ny taona sy volana!

Raha ny malaza dia hiova ny sary,
Ka dia asa indray izay ho ventin-kabary.
Toa hoe hovahana fa efa mampiady,
‘Ty mihiboka ny andro asabotsy, alahady.

Manampy an’izany koa, efa tsikaritra
Fa miaka-pofona ny any amin`ny faritra.
Ka dia miandrandra sy mba manantena,
Halalaka indray ny fivezivezena!

… Kanefa dia vina sy tombana izany,
Fa ho an’ireo donto dia “’zay tiako ihany”!
Koa aza mba ho isan’izay donto intsony,
Raha mbola maniry ny hitoetra eny ambony!

IRINA HO TAFITA (12-05-21)

www.gvalosoa.net/2021/05/13/aza-mba-ho-isanizay-donto-intsony/
... TohinyFintinina

13 ora lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/05/13/aza-mba-ho-isanizay-donto-intsony/

Comment on Facebook AZA MBA HO ...

Misaotra an lay mpanoratra e.enga anie ka ho hitan ilay Donto ity hafatra ity

Ka samy donto na le raikalahy na lw panolotsaina Akoho vavy maneno daholo tsinona no manodidina kkk

Lasa adala ilay mera! Mialà rehefa tsy zakan’ny loha! ... TohinyFintinina

1 andro lasa

Lasa adala ilay mera! Mialà rehefa tsy zakan’ny loha!

Comment on Facebook ANDOHARANOFOTSY Tsy ...

Mitapy ty

Werawarisme total

Rhindra Rj

Lokoina manga ndray izy refa miverina eo rajao

Rain dedaka,hisolelaka a raprezy vé dia mahazo 20/20,hoe miasa mafy,dia manao forçé fotsiny,dia tsy mahazo mividy loko any a sisiny fa ao a Aurlac ihany kkkkk,trano barotra Malagasy zany sa Karana azafady ?

Ko ra tsy nde hanampy anlah hanao ny propagandin’lah ny olona ko??? Rehefa tsy faly koa ialahy ka mila fanazavana fanampiny dia mahazo manantona any amin’ny tsenan’ny olona 😂

Lokoina orange koa ny vilany sy ny sotro sy ny entana amidy rehetra

Orangeisation,ambolena ao andohan'ny olona ka hotazana @ 2023 , tsy efa propavandy ve ? asa!!!!!tokony hanana ny safidiny ny olona ,raha samy pub ihany mety hoe "klin" na"vache qui rit"na"koba aina" no tiany fa tsy terena .

Tsy ratsy be ve ny hijery anzany

KkkkK fa inona ary ty

Tena tsy rariny

Ataovy sérieux.

Anialahy anga io ry le mera no oe tsy maintsy orange kle .anay io fa tsy anialahy an

Ndrenestôôô!!

Hasaivo lokony orange koa ny volobobotany sy ny vavodiny

Fa manin tsy hatao manga ary ee

Maka 19😂😂😂😉😂😂😂

Ireo zany lety orange h@ ny slipiny

Kou ra miantoka loko kosa ve izy de ts mety 😆😆😆😆😆

Raha izy no miantoka ny loko ary manefa vola isam-bolana na izay hifanarahana ho sandan'izany

Adala izay manaiky an'izao... Tokony hoe smy manao izay ahatsra ny endrika ivelan'ny tsena sns.. fa tsy manao imposition .. lait 6 aaa..

io ny tsy hijerevako vaovao tsony fa zay olona miteny @ vao2 d manao loko orange daholo,70% sa ts mahazo miteny ao ra vao ts izay e

View more comments

11 Mey – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao : tsotra ny vahaolana amin’ny zava-misy amin’izao fotoana…

Mijaly ny vahoaka malagasy, avereno sokafana ny orinasa Tiko fa tokantrano miisa 144000 no velominy ary vahoaka 5000 isa no hahazo asa… Hatreto aloha, hatramin’ izay nanakatonana azy ireo izay dia tsy nisy ary tsy misy orinasa iray eto Madagasikara mahavita an’izany… (Na tao anatin’ny 60 taona aza mbola tsy nisy nahavita an’izany).

Avereno ny vita malagasy, atsaharo ny toetsaina ory hava-manana… Raha tsy tianareo haverina ny Tiko dia ampiasao eto Madagasikara daholo ny volabenareo dia manangàna orinasa ho an’ny malagasy mahavita toy ny Tiko io. Firifiry moa nareo no manambola be multimilliardaire eto Madagasikara, nefa tsy misy mba misaina hanangana orinasa toa an’ny Tiko akory na iray àza? nefa ny Tiko tsy avela hisokatra? vonjeo ny malagasy raha tia tanindrazana nareo ary voalohany amin’izany ny famerenana ny Tiko hisokatra, mba hiasan’ny vahoaka sy hamelona vahoaka. Mankasitraka.

Rafitahiantsoa Feno
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao

www.gvalosoa.net/2021/05/11/11-mey-taratasinny-mpamaky/
... TohinyFintinina

2 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/11-mey-taratasinny-mpamaky/

Antsiranana – Sempotra sy noana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany

Aly

“We are suffocating”, “we are hungry”, na hoe “sempotra izahay”, “noana izahay”, anisan’ny sorabaventy nentin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany any Antsiranana izany, nandritra ny hetsika nataon’izy ireo an-dalambe ny faran’ny herindro teo. Nilanja sora-baventy ireo mpiasa mpisehatra ao amin’ny fizahan tany tao amin’ny renivohitry ny faritra Diana ny alahady 09 mey teo.

“Noana izahay ary sahirana tanteraka, Ampio izahay !”, izay ny hafatra nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny kisoratsoratra, na sora-baventy.

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ambony arak’izany izy ireo mba hitadiavana vahaolana haingana, satria mikatso tanteraka ny asany ankehitriny nefa tsy misy fanampiana, na vahaolana avy amin’ny fitondrana.

www.gvalosoa.net/2021/05/11/antsiranana-sempotra-sy-noana-ireo-mpisehatra-aminny-fizahantany/
... TohinyFintinina

2 andro lasa

Antsiranana – Sempotra sy noana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany

Aly

“We are suffocating”, “we are hungry”, na hoe “sempotra izahay”, “noana izahay”, anisan’ny sorabaventy nentin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany any Antsiranana izany, nandritra ny hetsika nataon’izy ireo an-dalambe ny faran’ny herindro teo. Nilanja sora-baventy ireo mpiasa mpisehatra ao amin’ny fizahan tany tao amin’ny renivohitry ny faritra Diana ny alahady 09 mey teo.

“Noana izahay ary sahirana tanteraka, Ampio izahay !”, izay ny hafatra nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny kisoratsoratra, na sora-baventy.

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ambony arak’izany izy ireo mba hitadiavana vahaolana haingana, satria mikatso tanteraka ny asany ankehitriny nefa tsy misy fanampiana, na vahaolana avy amin’ny fitondrana.

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/antsiranana-sempotra-sy-noana-ireo-mpisehatra-aminny-fizahantany/

Fanaovana vaksiny covishield/Astrazeneca – Niala pà ny filoha Rajoelina

Stefa

Niala pà, na niala ilany tsy nisantatra ny fanaovam-baksiny teto Madagasikara omaly ny Filoha Andry Rajoelina. Tany amin’ny firenena rehetra miady amin’ity valanaretina covid-19 ity, nisantatra ny olona natao vaksiny tany amin’ny fireneny avy ny filohampirenena tany an-toerana, na ny lehiben’ny governemanta. Toy izany ny tany Etazonia, natao vaksiny voalohany ny filoha Joe Biden, tany Rwanda notsindronina voalohany ny vaksinin’ny coronavirus ny filoha Paul Kagame, tany Inde, natao vaksiny voalohany ny Praiministra Narendra Modi,… Ny teto amintsika, tsy hita tabilao, na niala pà araka ny fitenin-jatovo azy ny Filohampirenena.

Efa nilaza ny filoha sy ny ministry ny seraserany Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, fa tsy mahomby loatra ny Astrazeneca, ny covishield tonga eto amintsika dia Astrazeneca io ihany, ka izay no mety nahatonga ny Filoha tsy mbola nanao vaksiny aloha. Nanomboka omaly tokoa ny fanaovam-baksiny entina miady amin’ny valanaretina Corona virus eto Madagasikara, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis no nisantatra izany fanaovam-baksiny izany ho an’ny teto Madagasikara. Nasehon’ity minisitra ity ny maha siantifika azy, ka nanekeny ny tsindrona voalohany an’ity vaksiny entina isorohana ny Covid-19 eto Madagasikara ity. Izao fihetsika nasehon’ny minisitra izao anefa dia tokony mba hampisava ny ahiahin’ny Malagasy maro mahakasika ny fahatongavan’ny vaksiny eto amintsika, anisan’izany ny Filoha sy ny Praiministra, izay tsy nipoitra omaly nefa izy ireo no tokony ho natao voalohany.

Tsiahivina rahateo f’efa an-tapitrisany maro ny olona vita vaksiny maneran-tany, ary tsy nisy fiantraikany manokana amin’ny fahasalaman’izy ireny akory ny fanaovana ny vaksiny.
Tranga mampiahiahy vitsivitsy anefa no miteraka resabe mahakasika ny vaksiny AstraZeneca, niseho tany ivelany, na izany aza, raha ampitahaina amin’ny tombontsoa azo avy aminy, dia azo tsinontsinoavina ireny tranga ireny. Tsy antery fa antsitra-po sady maimaimpoana ihany koa ny fanaovam-baksiny eto amintsika.

www.gvalosoa.net/2021/05/11/fanaovana-vaksiny-covishield-astrazeneca-niala-pa-ny-filoha-rajoelina/

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/fanaovana-vaksiny-covishield-astrazeneca-niala-pa-ny-filoha-rajoelina/

Eric Rabesandratana – Mpilalaon’ny Barea maromaro no efa niresaka taminy

Lita

Araka ny nambaran’ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra, ny Barea an’i Madagasikara, Eric Rabesandratana, efa maromaro ireo mpilalaon’ny Barea no tafaresaka taminy ho amin’ny fiatrehantsika ny fifanintsanana amin’ny Mondial 2022 hatao any Qatar. Fantatra tamin’izany, fa tokony amin’ny volana jona ho avy izao io no hisy ny fampivondronana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy: ireo mpilalao avy any ivelany sy ny avy eto an-toerana.

Naneho ny heviny mahasika ny hitantanany ny Barea ity mpanazatra ity: “Tsy izaho no nisora-tena toy ny voatavo, fa nantsoina aho, raisiko ho adidy sy amim-pitiavana tanteraka izany. Amin’ny voalohany dia ny fametrahana ny fototra amin’ny baolina kitra no tokony himasoana. Tokony harindra tsara ihany koa ny ekipa, ka hamafisina ny eo amin’ny vodilaharana sy hatsaraina ny eo amin’ny fanafihana, izany hoe tokony hifandanja tsara ny ekipa,” hoy ny fanazavany. “Efa nifandray tamin’ny mpilalao sasantsasany aho. Ny tanjona dia ny hahazoan’ny ekipa vokatra tsara. Tokony hampitovy ny fomba fijery sy mieritreritra ny soa iombonana, ny Firenena no apetraka lohalaharana. Sady Frantsay no Malagasy aho, afaka ny hampivelatra kokoa ny maha Malagasy aho amin’izao andraikitra vaovao izao “, hoy ihany i Eric Rabe, na Eric Rabesandratana.

www.gvalosoa.net/2021/05/11/eric-rabesandratana-mpilalaonny-barea-maromaro-no-efa-niresaka-taminy/

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/eric-rabesandratana-mpilalaonny-barea-maromaro-no-efa-niresaka-taminy/

Toeram-pitsaboana Aina Soa Namontana – Mitsabo ny aretina rehetra amin’ny fitsaboana Malagasy moderna

Aly

Tafaresaka tamin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao, ny tompon’andraikitry ny Toeram-pitsaboana Aina Soa, eny Namontana Antananarivo faha-4, Rija Mandimbison, mahakasika ny hamehana ara-pahasalamana sy ny ady amin’ny valanaretina covid-19 amin’izao fotoana, ary ny mahakasika ity toeram-pitsaboana ity manokana. Dinidinika.

– Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV) : manao ahoana aloha ny mahakasika ity toeram-pitsaboana Aina Soa ity, sy ny zavatra ataony tompoko?

– Rija Mandimbison (RM) : ny Toeram-pitsaboana Aina Soa dia mitsabo ny aretina rehetra avy amin’ny voka-pikarohana natoraly azo avy amin’ny zava-maniry, sy ny otra na massage : massothérapie réflexothérapie izany. Izany hoe tamin’ny andro taloha efa elabe tamin’ny andron’ny fahagola, sy ny andron’ny faha-Mpanjaka, sy tamin’ireo ray aman-dreny taloha efa elabe tany dia mbola tsy tafiditra teto Madagasikara ny fitsaboana moderna tamin’izany fotoana, fa mbola niaina tamin’ireo zava-maniry fanao fanafody ny Malagasy ary ireo no nentina nitsaboana tamin’izany fotoana izany, sy nampitomboina ireo hery fiarovana isan-karazany dia natanjaka tokoa ny olona tamin’izany fotoana ary tena nahitana vokatra. Efa nisy sy betsaka ny aretina nanahirana tamin’izany, fa tsy amin’izao fotoana ihany, fa dia tamin’ireo zava-maniry fanao fanafody ireo avokoa no nitsaboana. Dia izay fitsaboana Malagasy izay indray no fohazinay ankehitriny, izay tsy izahay ihany no mamoha azy fa efa maro ihany koa no manao toy izany ankehitriny, fa izahay koa dia mitondra ny anjara birikinay manandratra ny fitsaboana Malagasy izay, fa ataonay manaraka ny toetr’andro indray ilay izy. Izany hoe, raha ohatra ilay nataon’ny ray amandrenintsika tamin’izany fotoana izany dia mety maka ravina zava-maniry izy, dia mbola tsy vaky masoandro no nakany azy, dia tenehana ary sotroina. Fa amin’izao fotoana, tsy tambavy ilay izy fa ilay singa ao anatin’ny zava-maniry entina hitsaboana ny aretina, iny no alainay ao amin’ilay zava-maniry dia iny no composé-na na afangaro maromaro ao anatin’ilay composition, na taharo, dia atao anaty tavoahangy. Dia ireny no voka-pikarohana natoraly omenay ireo tsy salama na inona no aretiny na inona. Dia ny tsara indrindra, miaraka amin’ny otra na massage izay fitsaboana izay.

– GNVV: dia ahoana ny amin’izay fitsaboana amin’ny voka-pikarohana natoraly sy otra izay?

– RM: ny mampiavaka ny otra ataonay araka ny fitsaboana maha-Malagasy azy dia ny an’ny Malagasy no nokarohina sy noezahana mihitsy nofantarina ara-tantara ny otra Malagasy, sy ny fitsaboana Malagasy. Avy amin’izany no nakanay ilay point fort, na ilay tena maha-zava-dehibe ilay otra, sy fitsaboantsika Malagasy dia noezahanay nampivadiana tamin’ny an’ny firenena hafa, satria nikaroka ny an’ny hafa koa izahay, toy ny an’ny sinoa, ny an’ny japone, sy ny an’ny tandrefana Eoropeana, sy ny an’ny tatsinanana rehetra rehetra izany dia nakambana izy rehetra ireny, ary ireny no tena ahitana vokatra, izay rehetra nandalo tao amin’ny Toeram-pitsaboana Aina Soa nitsabo tena sy niotra dia afapo avokoa tamin’ny alalan’ny otra sy ny voka-pikarohana natoraly io.

– GNVV: ka eo amin’ilay fitsaboana, maharitra firy andro eo ny fihinanana ny fanafody sy ny fanarahana ny otra?

– RM: ny traitement na ny fitsaboana voalohany dia maharitra 7 andro eo matetika, fa io arakaraky ny aretina, sy arakaraky ny toe-batan’ilay olona. Raha ohatra misy marary vavony, mety tsy hitovy ny fotoana hitsaboana olona roa, satria samy manana ny toe-batany ny olona, sy samy manana ny antony nahatonga izay aretina izay. Mety vita amin’io 7 andro io ny fitsaboana, fa na tsy vita amin’io fotoana io aza dia efa azo antoka fa misy fiovana ny fitsaboana ny aretiny, efa mety hiafana hatramin’ny 50% mahery. Fa raha ohatra tosi-drà no mahazo ilay olona ary paralisé izy na tsy afa- mihetsika, mety tsy ho vita 7 andro ny fitsaboana an’izay.

– GNVV: ny aretina rehetra izany azo lazaina hoe sitrana amin’izay fihinanana fanafody natoraly vita Malagasy, sy otra izay?

– RM: amin’ny ankapobeny, tsaboina ao amin’ny Toeram-pitsaboana Aina Soa avokoa ny aretina rehetra, fa na izany aza misy ihany ny tsy vita ary izahay miara-miasa amin’ny Hopitaly moderna, ny CSBII, sy ny maro hafa koa… satria tsy maintsy atao koa izany rehetra izany. Ka rehefa zavatra tsy vita toy ny hoe tranga urgent be , na maika be, satria amin’ny maha-natoraly ny fitsaboanay, tsy misy serum ao aminay, ka ny tranga maika toy izany dia tsy maintsy alefa amin’ny toeram-pitsaboana moderna. Dia ao koa ilay olona tra-doza, mety tapatapaka, rovitra nofo,… tsy vita ao izany fa tsy maintsy amin’ny Hopitaly. Fa ankoatra izay, ny aretina mitaiza, na ny aretina hafa dia tsaboina sy sitrana ao aminay avokoa, na efa hivadika homamiadana aza ary misy vokatra azo tsapain-tanana sy haingana.

– GNVV: manao ahoana kosa ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus ato amin’ny Toeram-pitsaboana Aina Soa?

– RM: voka-pikarohana natoraly sy otra no itsaboana ny covid-19 ato, ary izany dia manaraka ny fepetra sakana ara-pahasalamana. Nahazoana vokatra izany, tsy 100% fa maro ireo sitrana tato tamin’ity valanaretina coronavirus ity. Ny fepetra raha tsy maintsy miotra dia mitondra lambahoany avy any an-trano, dia mitondra carnet koa. Dia ny lambahoany no velarina amin’ny fandriana hanaovana massage ary izahay tsy maintsy mandraraka fanafody, na mi-désinfecté raha vao vita ny olona iray, ny mpanao massage koa désinfecté-na. Ankoatr’izay momba ity valanaretina ity, ataovy aloha izay tsy hidiran’ny virus amin’ny vatantsika manaraka ireny fepetra sakana ara-pahasalamana rehetra ireny. Avy eo ampitomboy ny hery fiarovantsika na ny anti-corps, satria iny no tena tafihan’ny tsimokaretina. Ka ho an’ny Aina Soa manokana, manana ireto voka-pikarohana natoraly ireto izy ahafahana mampitombo ny hery fiarovana: manana ny Vonjiaina1 izahay, izay tena manasitrana sy mandevona ny tazo mahery toy ny coronavirus ary mampitombo ny hery fiarovana ahafahana mandevona haingana ny tsimokaretina. Dia misy koa Vonjiaina2, izay sady misoroka no manampy ny hery fiarovana ao amin’ny vatantsika, no afaka miady amin’ilay virus. Dia misy ny Mamerinaina, izy io dia misy ireo oligo-élements complet, ao anatiny avokoa ireo ilain’ny vantantsika rehetra toy ny magnésium, calcium, Magné B6, vitamina: ny A sy B, sy ny rehetra rehetra,… Ny Mamerinaina dia azon’ny rehetra hanina, na ankizy, na lehibe, na salama, na tsy salama. Fa rehefa misy soritraretina amin’ny vatantsika dia izy 3 ireo no miaraka. Fa raha hampitombo ny hery fiarovana fotsiny dia Mamerinaina ihany dia ampy.

– GNVV: inona no hafatra ho an’ny mpamaky?

– RM: ny hafatra dia izao, aza mandrimandry manana aretina, raha vao misy tranga hafahafa tsy fahasalamana amin’ny vatantsika dia manatona toeram-pitsaboana, na ato amin’ny Aina Soa, na any amin’ny hafa, fa raha ny Aina Soa no maharesy lahatra antsika dia tongava, ny adiresy dia eny Namontana, finday: 0349279854. Misy anay koa eny Imerinafovoany, finday: 0338174959. Dia misy koa any Antsirabe Mandaniresaka, telefônina: 0344220250. Any Ambatolampy Andafiatsimo Manjarasa, telefônina: 0337108213. Dia misy ny Aina Soa koa any Toamasina Mangarano Jovena, finday: 0348071280.

www.gvalosoa.net/2021/05/11/toeram-pitsaboana-aina-soa-namontana-mitsabo-ny-aretina-rehetra-aminn...

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/toeram-pitsaboana-aina-soa-namontana-mitsabo-ny-aretina-rehetra-aminny-fitsaboana-malagasy-moderna/

ANTSOANTSON’NY MPAMPIANATRA SY NY SEKOLY TSY MIANKINA

Ireo mpampianatra tsy miankina sy sekoly miahy tena,
Maivan-danja loatra ve ka dia odiana tsy jerena?
Efa ela no niantso saingy tsisy mba nanoina.
Tena hadinonao mpitondra sa niniana nohadinoina?

Taona iray izao ry zareo no efa zara raha nihinana.
Ny hany hiverina an-tsekoly dia ny hanala fanadinana.
Mafy be ny fahoriana, efa mila tsy ho lefitra,
Saingy ny antso aloha hatreto, tena antso an-tany efitra!

Tena atao ankilabao ka dia omena tsy omena?
Irony tamby efa fandrainy, ireny indray ve no nalàna?
Sao dia hevitra maloto ry mpitondra fanjakana?

Moa tsy isan’ny fanoitra mampivoatra firenena?
Fa ny miaramila hatrany sy iretsy mpianakaviny,
No hany miaro anao mpitondra ka omena izay tadiaviny?

Sanatria tsy fialonana na koa hoe fankahalana,
Fa mba tohina ny fo mijery ilay mba fizaràna.
Makorelina no lohany tamin’ireo izay mba nomena.
Tena mampandroso ve ny asa fivarotan-tena?

Raha tsy nisy ny mpampianatra izay mpizara fahendrena,
Moa va re ho toy izao ‘nareo mpitondra firenena?
Alefaso ny fisainana, ahitsio koa ny famindra,
Sao lahy ny fitiavantena no ho lehibe indrindra!

Ndeha tolory izay mba vatsiny ny mpampianatra tsy miankina.
Efa maina ny vilaniny, ny rononony efa tankina.
Tonga ny ora, lasa izao, ny andrasoandraso tsy azo ekena.
Ny mpampianatra tsy miankina, ampio fa tena mahonena!

TSIMIMALO (09-05-21)

www.gvalosoa.net/2021/05/11/antsoantsonny-mpampianatra-sy-ny-sekoly-tsy-miankina/

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/antsoantsonny-mpampianatra-sy-ny-sekoly-tsy-miankina/

Comment on Facebook ANTSOANTSON’NY ...

Ra ny antsoantsonay no mba misy mihaino dia ho faly izahay mpampianatra tsy miankina saingy indrisy fa toa hodian- tsy hita sy tsy hodian ny mpitondra tsy henoina

13 MEY 1972 – 13 MEY 2021 – 49 TAONA ATY AORIANA: MATIMATY FOANA IREO MPITOLONA

Ny Valosoa

Kihondalana teo amin’ny tantarampirenena malagasy ny 13 Mey 1972 nisian’ny ra latsaka tetsy Analakely, teo anoloan’ny Lapan’ny tanana ,na ny Kianjan’ny 13 Mey amin’izao fotoana izao.

FA INONA NO NITRANGA ?

Voafidy fanintelony ho Filohan’ny Repoblika ny Filoha Tsiranana Philibert,ny voaloandohan’ny taona 1972, napetraka teo amin’ny toerany izy ny 1 Mey 1972.
Nisy ny fihetsiketsehan’ireo mpianatra ho dokotera avy etsy amin’ny “Ecole de medecine ” Befelatanana, nanomboka ny volana Avrily 1972, ny fototrin’ny fitakiana dia ny fampitoviana zo ireo mpianatra dokotera mivoaka eny Befelatanana sy Ambohitsaina, nanaiky izay fampitoviana izay ireo teny Ambohitsaina , nihitatra ny fitakiana ka tonga hatramin’ny fitadiavana ny fanagasiana ny fampianarana sy fanafoanana ny “accord de cooperation”, ilay fifanarahampiaramiasa teo amin’ny frantsay sy Malagasy,izay nambara tamin’izany fa fanjanahantany tamin’ny endriny vaovao.

Natanjaka ny hetsika satria nanatevindaharana ny teny amin’ny ambaratonga ambony koa ny mpianatra tany amin’ny ambaratonga faharoa.

Ny Zoma 12 Mey 1972 dia nosamborin’ireo mpitandro filaminana ireo mpianatra nivory teny Ankatso, ka nalefa nogadraina tany NosyLava, taitra raha nandre izany ireo mpianatra sisa tsy voasambotra ka nidina teny Analakely nanao fihetsiketsehana nitaky ny fampodiana ireo nalefa sesitany ireo.

Ny vokatr’izany dia teraka ny fifandonana teo amin’ireo mpitandro filaminana mpiaro ny fitondrana dia ny” FRS “na “ Force Republicaine de la Securité “ sy ny ireo mpianatra, nisy ny famoizana aina tamin’izany, nirotsaka nanampy ireo mpianatra, ireo tanora tsy an’asa teto Antananarivo izay nitondra ny anarana hoe “ Zwam ” na “ Zatovo Western Amicale de Madagasikara”, ny fidiran’ireo antsehatra no nahavaky nandositra ireo” Frs” izay nitifitra ireo mpianatra tamin’ny Basy marovava Jiosy.

Andro vitsivitsy taorian’izany dia may ny “ Hotel de Ville” , satria voalaza fa nisy Frs niafina tao.Nirotsaka andalambe koa ireo ray amandreny nitaky ny fampodiana ireo mpianatra nalefa tany NosyLava, tsy nijanona ny fitakiana fa tonga hatramin’ny fangatahana ny fialan’ny mpitondra.

Ny Alakamisy 18 Mey 1972 dia nanapakevitra ny Filohan’ny Repoblika nanome fahefana feno ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel hanangana ny governemanta handamina ny tany sy ny fanjakana.

FA INONA NY” ZWAM”?

Ireo tanora tsy an’asa sady sahirana, tratran’ny tsindry hazo lena ary lasibatrin’ny ramatahora nataon’ny” Frs “, kanefa ihany koa dia mpiaramonina eto Antananarivo,ireo no” Zwam” ary ny fahatsapana ny tsindrintsaranga nihatra tamin’izy ireo no nahatonga an’izy, ireo nirotsaka niaro ireo mpianatra ny 13 Mey 1972.

Taoriana kely dia nogasiana ny anarany ka lasa hoe :” ZOAM” na “ Zatovo Ory Asa Malagasy” , ny antoko “ MFM” na “ Mitolona ho amin’ny Fanjakan’ny Madinika” notarihan’i Manandafy Rakotonirina no nifehy ny Zoam, taty aoriana dia nirotsaka tamin’ny fifehezana ny Zoam koa ny Arema, dia nisy ny fiovana anarana toy ny hoe “ZMT” na “ Zatovo Mahatsapa Tena” dia mbola niova ho “ TTS “ na “ Tary Tonga Saina “ ihany koa, ka ireo “ TTS “ no nampiasain’ny fitondrana Arema nanao ny asa ratsy ,ny niafarany dia ireny fifandonana tamin’ny mpanao “ kung fu” tamin’ny taona 1985 ireny.

Indrisy fa dia lasa fitaovana politika tanteraka ireo sokajin’olona niainga tamin’ny Zoam, ny anarana moa dia niova hatrany araka ny vanimpotoana satria nisy indray ny hoe “ Bemiranga” ,ankehitriny dia “Gros Bras” indray no fiantsoana azy ireo,ny mampalahelo dia tsy mety mahazo ny anjara masoandrony ireo sokajin’olona ireo fa dia mijanona ho fiasana politika hatrany.

NY KIANJAN’NY 13 MEY SY NY LAPAN’NY TANANA.

Nomena ny anarana hoe : Kianjan’ny 13 Mey, ny kianja malalaka teo anoloan’ny Lapan’ny Tananan’ Antananarivo Renivohitra, satria teo no nisian’ny ra latsaka ny 13 Mey 1972.
Teo no lasa toerana fanaovana fitakiana politika toy ny tamin’ny taona 1991 sy 2002, nahitampahombiazana avokoa ireo fitakiana niainga teo, hany ka maro ireo mpanao politika mino fa izay hetsika atao eo dia miafara amin’ny fionganan’ny fitondrana , ka nisisika mafy nankeo ry Rajoelina tamin’ny 2009 ,niditra teo koa ireo depiote 73 tamin’ny 2018, ary tsy mahagaga raha manao izay fomba rehetra isakanana ny hetsika kasaina atao eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ny mpitondra ankehitriny.

Mikasika ny Lapan’ny Tanàna indray izay may tamin’ny volana Mey 1972, dia efa nisy ny fanangonambola natao nanarenana azy saingy tsy hita nanjavonana ny vola efa azo tamin’ny andron’ny Akfm Kdrsm.

Voafidy ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Ingahy Rajoelina ny volana Desambra 2007,napetraka ny vato fehizoro fananganana indray ny Lapa ny volana Mey 2008, nanatrika izany ny Pasitera Andriamanjato Richard, Ben’ny Tanana tamin’ny fotoana nahamay ny Lapa, teo koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rajemison Rakotomaharo, nisolotena ny Filohan’ny Repoblika Marc Ravalomanana.

Efa tamin’ny fitondrana tetezamita vao nanomboka ny asa fanarenana ary ny Sabotsy 11 Desambra 2010 andro nijoroan’ny Repoblika fahaefatra no notokanana ny Lapan’ny Tanàna vaovao.

Marihina fa tamin’ny fifanatrehan’ireo kandida roa tafakatra tamin’ny fihodinana faharoa tamin’ny taona 2018 dia nilaza Ingahy Rajoelina fa ny fitondrana tetezamita notarihiny no nanangana ny Lapan’ny Tanàna, ny Filoha Ravalomanana kosa dia nanizingizina fa nanome vola nanarenana io Lapa io ny fitondrana notarihany ary teo imason’Andriamatoa Ratsirahonana Norbert no nanomezany izany vola izany, Ingahy Ratsirahonana moa dia tsy sahy nijoro nanamarina na nandiso izay nolazain’ny Filoha Ravalomanana, ny tsy azo adinoina dia i Neny Lalao Ravalomanana no Ben’ny Tanàna voafidimbahoaka aradalana voalohany niasa tao main’io Lapan’ny Tanàna nohavaozina io.

39 taona aty aoriana dia very maina ny ra nalatsak’ireo niteraka ny fiovana satria mahazo vahana ny “ecole d’epression française” eo amin’ny fanabeazana, vao mainka mahazo laka ny endrimpanjanahana vaovao amin’ny alalan’ny fanjakazakan’ireo bory satroka,izay itadiavana hevitra ankehitriny ny ahazoan’izy ireo ny zompirenena malagasy. Ireo” Zwam” fahiny dia mijanona ho sahirandava ny taranany ary ataon’ireo mpanao politika fitaovana hiady amin’ireo malagasy mpiaramonina amin’izy ireo, ny Kianjan’ny 13 Mey izay efa nametrahan’ny fitondrana Ravalomanana tsangambato tamin’ny taona 2002 ,nahafeno 30 taona ny hetsika, dia noravan’ny mpitondra tetezamita tsotr’izao izany tsangambato izany ary nony nitsangana ny Lapan’ny Tanàna tamin’ny taona 2010 dia novaina hoe “ Parvis de l’Hotel de ville” ny anarana hoe Kianjan’ny 13 mey.

Ny azo amehezana azy dia matimaty foana ireo nitolona ary very anjavona ny fitakiana nilofosan’ireo nanao izany.

www.gvalosoa.net/2021/05/11/13-mey-1972-13-mey-2021-39-taona-aty-aoriana-matimaty-foana-ireo-mpit...

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/13-mey-1972-13-mey-2021-39-taona-aty-aoriana-matimaty-foana-ireo-mpitolona/

Comment on Facebook 13 MEY 1972 – 13 ...

Ny fototra no tsy nampahomby ny fanagasiana. Tsy olana ny teny hoenty mampianatra, fa ny teny ofisialy teny vzhiny no tokony tsy ho ekena. Raha ny 20/100 ny Frantsay no mahafolaka teny anglisy, di sahy milaza ny marina izaho fa tsy hi lany teny ofisialy any mihitsy ny teny anglisy. Eto amintsika 6/100 no mahafolaka teny frantsay kanefa lany teny ofisialy ny teny frantsay. Ohatrany mahagaga. Misy ysy fahatongavantsaina ao. Satria io no midika fa mbola zanatany hiringiriny isika Malagasy .

49taona fa tsy 39taona ka,makasitraka

Depioten’i Beroroha – Toa solombavambahoaka zatra kolikoly

Niaina

Nahavariana ny maro, eny na ireo depiote namany aza, ny fanehoan-kevitra nataon’ny depioten’i Madagasikara voafidy tany amin’ny distrikan’i Beroroha, faritra Atsimo Andrefana, Nakany Charly Zafimagnely, nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fivoriana nampitain-davitra, na visioconférence ny herinandro teo, tao anivon’ny Antenimierampirenena.

Zany tokoa angamba ny olona efa zatra kolikoly, na zatra mpanindry. Nanambara izy nandritra izany fa tsy nisy voaray na iray aza ireo anarana mpiadina miisa 12 nomeny ny tompon’andraikitry ny ministeran’ny filaminam-bahoaka, nandritra ny fanadinana nandraisana ho polisy teto amintsika ary nivaly ny herinandro teo izany fifaninanana izany.

Nanambara ity olom-boafidy mpiara-dia amin’ny fitondrana ity, satria voafidy tamin’ny listra IRD izy tany amin’ny fari-piadidiana iandraiketany, fa mba mpianatry ny Oniversite avokoa ireo anarana natolony ireo nefa tsy nisy voaray ho polisy. “Dia tsy nisy noraisinareo na iray aza nefa aho mba filoham-pikambanana maro ihany, ianareo kosa rangahy migafy a!”, hoy ihany ity depiote sady polisy ity.

Efa fikasana hanao kolikoly ny nataon’ity olom-boafidy akaiky ny filoha Rajoelina ity, tokony hisy ny fanadihadiana sy famotorana hatao aminy, ary ny fampiharana ny sazy mifanaraka amin’izany avy eo. Sa ve hoe mpiara-dia amin’ny fitondrana dia avela amin’izao izany fanetriben’ny firenena izany?

www.gvalosoa.net/2021/05/11/depioteni-beroroha-toa-solombavambahoaka-zatra-kolikoly/

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/depioteni-beroroha-toa-solombavambahoaka-zatra-kolikoly/

Comment on Facebook Depioten’i ...

Tena enjana iny koziny iny ! Tokony izay mahay no afaka concours...

De mahavariana aloa e

Mety ihany lay visio conférence raha otran zany fa hahenona secret .Nikibikibian marina ka mamboraka tsy nanontàniana .Vakiana fotsiny ny kolikoly avo lenta Ka tsy io Nakany Charly io moa lay nisambotra an Tojo Ravalomanana,s'y nanao perçusission Tiko tany Andranomanelatra iny

DST io e! Efa haintsika ny tantara.

Tsy mahay ry zareo zan matoa tsy afaka!

Saika hisambotra n'y tsy azo samborina izy . Sady bé vava fa tsy Mila ilay ''tsy azo samborina '' hiverina eo @ fampandrosona an'i Dago .

Trafic d'influence zany ngamb oooo????

Loooza tena solombavambahoaka marina e? Asa n'a nankany vola ohatrinona isaky n'y ankizy izao Izany ? Fa misaotra n'y tompon'andraikitra n'y fanadinana ho polisy fa tena izay mahay marina no tokony ho afaka fa ity rangahy ity angamba efa zatra n'y lalana drirnina Ka izy mamo indray no miantso polisy😃😃😃

Efa zatra ka n'a aiza asiana azy dia tsy miova intsony

tena hoe noheveriny fa izy mianakavy ihany no maheno ny fivoriana ataony! loooooozaaaa

Zereo ty izy

Nakany Charly Bob tany ndray ngmab NY olona annnn

Loooooza

Maty enjik'ireo nandraisany vola dia manaonao foana ny afaràny e ! Hita mihitsy fa olona zatra mpanao kolikoly itony !

Kay ve lasa député ty le DST e

Aveux zany la tsy heloka?

Io ve ahagaga 😏

Ary reo ao fona zay ny maro eny @ny fitondrana zay dahalo jisby corrupuit ary mbola nifidiny vahoaka

😂😂😂😂 sao ianao indray no anokafana fanadidiana fa mitandrema 😁

View more comments

Lasa Pr Napetoke Marcel – Very olomanga i Toliara sy ny antoko TIM

Stefa

Nodimandry ny faran’ny herinandro teo Pr Napetoke Marcel, very olomanga arak’izany i Toliara sy ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Mpampianatra mpikaroka tao amin’ny Oniversiten’i Toliara izy fahavelony, efa Rektoran’ny Oniversite tany an-toerana, mpitarika ny antoko TIM tany amin’ny Faritanin’i Toliara teo aloha, ary efa ministry ny toekarena.

Noho izay fahalasanany izay, naneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany, sy ny vahoakan’i Toliara, ary ny antoko TIM any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny RMDM: “tamin’ny alahelo lehibe no nandrenesana ny fahalasanan’i Profesora Marcel Napetoke, Minisitry ny toekarena teo aloha ary anisan’ireo mpitarika ny antoko TIM tao Toliara. Amin’ny anaran’ny tenako sy ny ankohonako ary ny mpikambana ato amin’ny antoko TIM rehetra dia maneho indrindra ny fiaraha-miory sy mitondra ny teny fampiononana ho an’ny vady aman-janany ary mankahery ny fianakaviany manontolo”, hoy ny fanambaran’i Dada.

www.gvalosoa.net/2021/05/11/lasa-pr-napetoke-marcel-very-olomanga-i-toliara-sy-ny-antoko-tim/

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/lasa-pr-napetoke-marcel-very-olomanga-i-toliara-sy-ny-antoko-tim/

Comment on Facebook Lasa Pr Napetoke ...

Mampahery ny fianakaviany sy ny antoko TIM.

Antsirabe sy tany Atsimo – Tsy voasaina hatrany ny fanapahan-kevitra raisin-dRajoelina

Andry Tsiavalona

Sahiran-tsaina tokoa ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao manoloana ny toe-draharaha misy sy iainana eto amin’ny Firenena ankehitriny. Etsy andaniny ny valanaretina covid-19, izay mandripaka olom-pirenena maro tokoa efa ho manerana ny Faritra rehetra sy ny kere any Atsimon’ny Nosy, ary etsy ankilany ny fanapahan-kevitry ny fitondrana Rajoelina Andry manoloana ireo.

Ny voalohany amin’ireny dia ny fanambaran-dRajoelina Andry tamin’ny fandaharana manokana ny alahady 2 mey 2021, fa eo anilan’ny vahoaka Malagasy hatrany ary miasa andro aman’alina, ka handeha hitsidika ireo Faritra misy valanaretina. Iaraha-mahalala fa nandeha tokoa izy ary Antsirabe no voalohany notsidihany. Nitokana ny CTC-19 sy nanolotra ireo fitaovana toy ny “bouteilles à gaz”, sy ny “concentrateurs d’oxygène” tany an-toerana. Nanambara koa Rajoelina Andry fa mihàtra tao ny fepetra ara-pahasalamana izay nasian’ny governora karbonetra, ka nampisehoany fisolelafana ary nodidiany fa nanomboka tamin’ny 2 ora tolkandro ny fihibohana. Niteraka fahatezeran’ny vahoaka izany, ka nipoaka ny sarom-bilany ary rehefa hetsi-bahoaka toy ireny dia misy hatrany ny tsy voafehy izay manimba sy mamotika fotodrafitrasa iaraha-manana (bâtiments publics), ka anisan’ny lasibatra tamin’izany ny CTC-19 sy ny Oniversite tao amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra. Toy ny mahazatra dia rehefa midona amin’ny rindrina ny mpitondra dia mitorona na mihemotra ka miverin-dàlana.

Nisy koa ilay fizarana “titres verts” ho an’ny tanora miisa 133 tao Andranomanelatra sy Antsoatany, Rajoelina Andry na dia 500 aza no nampanantenainy. Na izany na tsy izany dia nampanantena izy roa taona lasa izay, fa hananganana orinasa (ozinina) hanome asa ho an’ny tanora andaniny, ary hanodinana ireo vokatry ny tantsaha isan-karazany sady hatao am-by fotsy ihany koa ankilany any. Tsy mbola hita anefa izany hatramin’izao. Mitobaka tokoa ny vokatra amin’izao fotoana ary tsy tafavoaka ho aty an-drenivohitra intsony izany, satria samy mikatona ny Faritra roa, ka raha hamokatra ireo tanora vao nomena tany 1 ha sy vola ary hanorenana trano isanisany dia tsy hisy làlam-barotra akory. Araka izany dia heverina fa mbola fanapahan-kevitra tsy voasaina indray izay rehetra notanterahana tany Antsirabe tamin’ny voalohan’ny herinandro lasa iny.

Nanohy ny diany tany Atsimo ny filohan’ny Repoblika ary tsy ny zava-doza mianjady amin’ny mpiray Firenena any no nisongadina tamin’ny fandalovany, fa dia fanolorana fitaovana hanamboarana làlana 250 kilometatra isan-taona sy fanofanana ny tantsaha momba ny fambolena mangahazo, vomanga ary katsaka no nisy. Toa tsy mahafantatra ny mpitondra, fa ny olana miteraka ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo dia ny hain-tany sy ny tsy fahampian-drano. Izany no anisan’ny anton’ny fifindra-monin’ireo mponina avy any Atsimo tsy mbola nisy toy izany. Raha ny tokony ho izy izany dia ny olana misy eo amin’ny fampihodinana ilay “pipe line” no tokony nofantarina ary nanomezana fitaovana fanampiny hamahana izany satria mivoana amin’izay maharary ny mponina ny fanolorana fitaovana vaventy hanamboaran-dàlana. Angamba entina manampina ny maso sy hanodinkodinana ny sain’ny any Atsimo indray, fa hanomboka amin’izay ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-13.

Araka izany dia tsy hain’izao fitondrana izao mihitsy ny mandanjalanja izay tokony hatao mifanandrify amin’ny toe-javatra iainan’ny mponina, sy ny tsy hisian’ny maso vilana eo amin’ny tsy fitovian’ny tolotra na mizàna tsindrin’ila eo amin’ny fanomezana ny Faritra. Na tiana na tsy tiana dia tsapa ary tsy azo ihodivirana fa tsy vitan’ny nofinofy sy dinika ambony latabatra (théorie) ny famahana ny olana any ifotony, fa miainga amin’ny zava-misy (réalité) iainan’ny olompirenena any amin’ny fokontany, kaominina, distrika. Araka izany dia izay no anto-pisian’ny solombavambahoaka izay manadihady sy manolotra vahaolana mifanandrify amin’izay vahaolana sy sakana tsy maintsy dinganina amin’ny famahana izany. Ny olompirenena tsirairay koa dia manana andraikitra hitaky amin’ireo nampindraminy fahefana sy izay nirahiny hampahalala ny olana izay heveriny fa sakana eo amin’ny fampivoarana ny fiainany.

www.gvalosoa.net/2021/05/11/antsirabe-sy-tany-atsimo-tsy-voasaina-hatrany-ny-fanapahan-kevitra-ra...

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/antsirabe-sy-tany-atsimo-tsy-voasaina-hatrany-ny-fanapahan-kevitra-raisin-drajoelina/

EDITO 11 Mey – Fiainam-pirenena – Tsy voaaro eo amin’ny tany onenany ny Malagasy

Sôh’son

Isan’andro dia tsy maintsy ahenoina fiara mampaneno feo fanairana milaza fa mitondra maika olona marary ny arabe eto an-drenivohitra. Tsy iray tsy roa fa maromaro ary niha-nitombo ny isan’izy ireo, indrindra tao anatin’izao nampirongatra ny valanaretina covid-19 amin’ny endriny vaovao izao. Voarakitra sy mitoetra mora ao an-tsain’ny vahoaka ireny toe-javatra ireny, fa tsy mandalo ho azy akory. Any aoriana vao ho fantatra ny akon’izany, fa tsy hita eo no ho eo akory.

Tsy mitsahatra fa mbola mitohy hatrany ihany koa, ao anatin’izao fitondrana izao, ny olom-pirenena na mponina mitaraina noho ny manjo azy ireo eo amin’ny toeram-ponenany. Vahoaka Malagasy ireo, izay mitaraina ataona olom-bitsy: na io mpanefoefo na dia Malagasy ihany aza, na indrindra io teratany vahiny mpanambola toy ny karana sy sinoa. Ny re matetika dia ny fakàna ny tany onenan’izy ireo efa aman-taonany maro, eny efa hatrany amin’ny razambeny aza ny sasany. Ao anatin’izany dia misy fibodoana tanin’olona fotsiny izao ataona olom-bitsy. Ny manahirana ny saina, dia ny fahitana Malagasy manam-pahefana, toy ny vaditany, mpitandro filaminana, miray tsikombakomba amin’ireo olom-bitsy mibodo ny tany sy miseho tompony, ary manampy azy ireo manilika ireo mponina mpiray tanindrazana. Mitaraina sy miantsoantso vonjy ireo mponina tratry ny an-terin’ny mpanefoefo ireo kanefa toy ny antso an-tany efitra no re matetika.

Niseho ho hiaro ny vahoaka Malagasy amina tranga toy izany i Andry Rajoelina, tamin’izy nanao fampielezan-kevitra sy niakatra teo amin’ny fitondrana tany am-piandohana. Anisan’ny noresahiny tamin’izany, ohatra, ny raharahan-tany tany Ambatondrazaka. Noheverina tokoa ho izany no hitranga, ho voaaro ny vahoaka, ary hahazo rariny izay tratry ny antsojay na fibodoana tanin’olona ataona vahiny ao anatin’ny fitondrana Rajoelina. Tsy izay anefa no mitranga mandraka ankehitriny, fa mbola misy hatrany ny fijaliam-bahoaka, ary hita miharihary aza izany matetika. Anisan’izany, ohatra, ny raharahan-tany eny Ivandry, izay novakian’ny depiote Fidèle vao andro vitsy lasa izay. Tsy eto an-drenivohitra ihany io tranga fibodoan’ny vahiny tany io, izay ataon’ireto karana sy sinoa ireto, fa hatrany amin’ny faritra manerana ny Nosy mihitsy. Raha tsorina ny fahitana ny zava-misy, tsy miaro ny vahoaka Malagasy amin’ny tany onenany izany ny fitondrana.

Tsy nitadiavam-bahaolana ny fiarovana ny Malagasy amin’ny tany onenany eto. Antony iray lehibe anisan’ny tsy mampandry fahalemana ny Malagasy io tranga io. Mety rahampitso na rahafak’ampitso izy hiàla eo amin’io tany onenany io sy hanongotra ny tranony, fa hisy mpanambola mpanefoefo hibodo ny taniny. Tsy mbola nahitana teto hatramin’izay nitondran-dRajoelina sy ny governemanta Ntsay Christian, ka indro izy ireo niteny sy nanambara fa manohana ny vahoaka na ireo mponina tratry izany olana izany. Mbola voafitaka indray ilay vahoaka Malagasy, tsy araka ny fampanantenana nomena azy.

www.gvalosoa.net/2021/05/11/edito-11-mey-fiainam-pirenena-tsy-voaaro-eo-aminny-tany-onenany-ny-ma...

http://www.gvalosoa.net/2021/05/11/edito-11-mey-fiainam-pirenena-tsy-voaaro-eo-aminny-tany-onenany-ny-malagasy/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 11 Mey 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
... TohinyFintinina

2 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 11 Mey 2021.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net

Tsy mendrika ny renivohitra izao lalana izao msé le mera. Mba mahalalà menatra! ... TohinyFintinina

3 andro lasa

Tsy mendrika ny renivohitra izao lalana izao msé le mera. Mba mahalalà menatra!

HO AN’IZA IRETSY VAKISINY ?

Tonga ihany nony farany ‘reo vakisiny izay nandrasana,
Na dia maro no efa lavo sy efa nandavaham-pasana.
Efa miandry ny rehetra ny amin’izay hatao mialoha.
Ny mpitsabo? ny mpanohitra? sa Andriamatoa filoha?

Raha ny zavatra fahita sy efa lasa fahazarana,
Dia toa ny filoha hatrany no modely atao fianarana.
Saingy tsy hay na efa vita Andriamatoa filoha hajaina,
Ka hotanany ilay teny hoe ny mpanohitra no asaina!

Dia ny tohiny no asa, anjaran’iza indray avy eo?
Toa rariny raha ny mpitsabo f’efa mafy ady ireo!
Avy eo dia ny olona marefo, ireny izao no tena mila,
Fa tsy dia mandresy lahatra raha ilay hoe ny miaramila!

Nanesoana ny mpanohitra, tany aloha, ny vakisiny.
Kanjo niova indray ny tantana nony fe ankehitriny!
Miovaova ny mpitondra, tsy mba matotra amin’ny teniny.
Voa hatrany vao mihilana ka hita ny fipenimpeniny!

TSIMIMALO (08-05-21)

www.gvalosoa.net/2021/05/09/ho-aniza-iretsy-vakisiny/
... TohinyFintinina

5 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/05/09/ho-aniza-iretsy-vakisiny/

AKON’I VAKINANKARATRA

Ny anarany foana no re mipoapoaka
Fa hoe na ho vy na ho vato dia “daka”!
Kinanjo vao nihetsika iretsy vahoaka
Dia indro fa nihemotra indray ilaiàka!

Mazava fa tsisy ny fahamatorana
Hoenti-mitondra an’i Vakinankaratra.
Tena tsy miery ny maha-fozaorana
Fa dia mazava sy tena hita taratra !

Anarany koa no Ilaikoto maditra.
(Mpamadika akanjo efa tena tsy miery!)
Kinanjo izao menatra, mipitrapitra,
Ary inoana fa hiondrika sy hiteny irery!

…Mba mieritrereta ry olom-boatendry.
Makà ihany ny hevitry ny olom-boafidy.
Fa aza midehaka sy miana-kendry
Manapaka irery sy mandidididy!

DADAN’i RIANA ! (08-05-21)

www.gvalosoa.net/2021/05/08/akoni-vakinankaratra/

http://www.gvalosoa.net/2021/05/08/akoni-vakinankaratra/

Comment on Facebook AKON’I ...

Mbola hihetsika koa ny toerana hafa ,ra tsy mety hanova ny fomba famindra ireo izay milaza fa tompon.ny.fahefana ka hanjakazaka. Fa leo ny vahoaka tena leo fahoriana !!!

Tsy raharahin’ny olona intsony ny tenin’i prezidà! ... TohinyFintinina

6 andro lasa

Tsy raharahin’ny olona intsony ny tenin’i prezidà!

Raharaha volamena 73,5kg (tohiny). ... TohinyFintinina

7 andro lasa

Raharaha volamena 73,5kg (tohiny).

Raharaha Antsirabe. Natahotra ny vahoaka tezitra dia nihemotra ragôva. Mba misaina vao manapa-kevitra @ manaraka! ... TohinyFintinina

7 andro lasa

Raharaha Antsirabe. Natahotra ny vahoaka tezitra dia nihemotra ragôva. Mba misaina vao manapa-kevitra @ manaraka!

TSISY ZAVATRA VOAFEHY

Ny fon’ireo vahoaka hatrany no tsaroany ho mivonto,
Manoloana ny hadalana sy hagegen’iretsy “donto”,
F’izy ireo tsy mety mihaino, tsy mivonona hivoatra,
Ka dia maro no efa tofoka ary miomana hitroatra!

Tsy voafehy ny sisintany, tena hoe mibanabana.
Misy foana ireo tafiditra, aiza re Rafanjakana?
Misy ve ny kolikoly, misy hatrany ve ny tsolotra,
Na dia manadio ny tenany ry vavàna sy bemolotra?

Tsy voafehy ny vidim-piainana fa midangana isan’andro.
Tena maina ny vilany, be ‘reo efa tsy mahandro.
Vary no efa valonjato, izany ny iray kapoaka,
Nefa mainka toa midehaka ireo mpampiesona vahoaka!

Ilay kapoaka nolazaina ho manara-penitra aza,
Toa tsy hita tabilao fa tena lasa resa-jaza!
Izany ilay mba fitondrana tena tia midihindihina.
(Ny tokonana tsy afaka dia ny rindrina no hanihina!)

Tsy voafehy ny corona, mitombo isa iretsy lavo,
Saingy indreo manodin-dresaka ry mitonona ho “favo”.
Vakisiny mbola miandry, sisasisa no ho tonga,
Nefa atao ny hoerahoera dia velezina ny amponga!

…Tsy voafehy ny rehetra rehetra, ny mpangalatra mitombo.
Ny vahoaka mihamahantra, ny aretina mitombo.
Ny hany tokana voafehy sy tena ezahina hidiana,
Dia ny vavan’ny mpanohitra sy ‘reo tsy azo novidiana!

DADAN’i ZINA (06-05-21)

www.gvalosoa.net/2021/05/06/tsisy-zavatra-voafehy/
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/05/06/tsisy-zavatra-voafehy/

Korontana lavareny no volen’ity fitondrana ity fa tsy firenena milamina sy mirindra.

Hahafahana manohy ny asa ratsiny rehetra ve no amporisihana izany korontana lava ambony ambany izany?
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Korontana lavareny no volen’ity fitondrana ity fa tsy firenena milamina sy mirindra.

Hahafahana manohy ny asa ratsiny rehetra ve no amporisihana izany korontana lava ambony ambany izany?

Azo lazaina ho sarona ny Praiministra, tsy dia henoheno matetika

Andy Falimanana Mitchell : toa tsy dia henoheno matetika ny Praiministra eto amintsika. Mbola manana PM ve i Dago
toa tsy heno2 intsony, sa efa nosoloana ny ministra Lalatiana?

Raphael Randria : tsisy donc , izay no mahatonga lay Prezidà mety reraka sy tsy ampy torimaso , aiza ka na hatramin’ny kianjan’akoho ary mbola Raprezy ihany no mitotototo mitokana azy.

Kenny Dujardin : Raphael Randria : marina raika koa igny. Matiny tokiky za!

Maman Bodou : nampatorian’ny ministra Lalatiana izy ka...

Albert Ansley Andria : tena marina, nampatoriany !

Koto Vao : efa nosoloana an’i Lalatina Sary bakoly fotsiny i Ntsay.

Mathieu Rak : mbola mihiboka azafady.

Rakoto Nandrianina : mijereva Tvm izao fa jamba !

Ahmar Assani : efa hisondreo lery en fin de semaine ity.

Clémentine Rz : tsy ahita azy mihitsy ianao raha Mbs na Real tv no jerenao.

Papy Raïssa Chen Chao : LETY ZANY TENA BORIKIN'OLONA MINTSY!SAHIRANA @ ZAVATRA TSY AN'NY TENA. NIFIDY AZY NGA ELA?

Koloina Andrianavonison : mety doublon koa reny an!

Jacques Mamonjisoa : mahagaga tokoa ô, toa takona mihitsy ny PM Ntsay Christian, na dia hita ihany aza amin’ny TVM.

Prosper Randrianarivo : mety ho izy indray no hitafa amin'ny vahoaka amin'ilay 15jours manaraka. Satria te hanao surprise foana mantsy Rrafanja satria mety efa maro ny olona sorena aminy. Mampiakatra côte fa tsy mety tafakatra intsony.

Tamara Bébé Plam : atao inona kosa PM, fa efa azon'ilay iraika vavy daholo ny j'aime.

جيرو ازالي فيلازا : nosoloina GM.

Nadine Rajaosoa : tsy nosoloina GM fa BM.

Lens Ski : ka PM anie tsy misolelaka e !

Zoatsilavina Itokiana : nosalovanin’i Lalatiana ny asany ko !

Dera Randrianasolo : aleo soloiny any rehefa tsy hanao raha.

Émile Rakotonoely : misy fa mbola mifehy izy! Mifehy vava, mifehy teny, mifehy entana , mifehy tena ! Fehezin'ny fitsipi-pifehezana izy ary mahafehy tena sy mahatam-bava.

Lalao Anjasoa : tsy PM fa BM zao no malaza koooo.

Evah Olivia : misy PM ao ka! President Mamimbahoaka.
Sa tsy President Mamimbahoaka koa moa izany PM zany?

Tovo Miharisoa : ny filou aza efa tsy avelan’ny ministra Lalatiana hiteny ka maika fa ny PM. Saribakoly fotsn iny!

Kenny Dujardin : Tovo Miharisoa : henjana be le bacc+24. Anaz ny laka.

Rakotomanga Jose : nareo ve tsy maka aretim-po amin’ny fanenjehina lava ny fitondrana.

James Rakotondrandria: raha fitondrana mahavoa tsy misy hanenjika, fa tena tsy ao mihitsy, mila halavo any amin’izay.

Davin Samoelina Andriamanga : raha tsy diso aho misy PM tokoa eto Dago ka.

Triplet Grace Mahatoky : brain ministre, hihihiiiii !

RivoTina RivoTina : inona nga no idirako ozy, karama ihany no ilaiko ankoatra ny zay tsy ilaiko.

Jed Clopin : RivoTina RivoTina : mba misaina miankin @ zany ny karamakelinao io, ny fiainanao @ Zao sy ny hoahin taranakao.

Nyavosoa Rampa : ho ampanaovina ”sortie” kely indray izy rahampitso fa jereo ange e!

Fabyone Rand : mijere vaovao e!

Be Jaonary: tsy PM fo tsy hita sy tsy mamango, fa fitondrana jiaby manomboko amin’ny Président Rajoelina. Mila adoso any, tsy mamango jiaby.

Cathérine Ramavoarisoa: faible amin’ny communication PM, antony tsy ahitana azy, mahasarona azy miohatra amin’ny filoha sy ny ministry ny serasera. Fa ny fahitako azy, avy any an-tampony mihitsy no tsy mamely amin’ity fitondrana ity, ny lohany mihitsy no matsatso dia toy izay avokoa ny ao ambaniny rehetra. Kofehy kely sisa mitazona azy dia ireo herim-pamoretana!

Clément Rakotoarilala: Rajoelina aza sahin’i Lalatiana ny manarona azy, mainka fa ny PM, tena tsy hita tabilao tokoa.

Donné Rasamizanany: miha-masaka masaka hatrany ny manga, ho avy ny fotoana hidarabohany amin’izay.
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Azo lazaina ho sarona ny Praiministra, tsy dia henoheno matetika

Andy Falimanana Mitchell : toa tsy dia henoheno matetika ny Praiministra eto amintsika. Mbola manana PM ve i Dago 
toa tsy heno2 intsony, sa efa nosoloana ny ministra Lalatiana?

Raphael Randria : tsisy donc , izay no mahatonga lay Prezidà mety reraka sy tsy ampy torimaso , aiza ka na hatramin’ny kianjan’akoho ary mbola Raprezy ihany no mitotototo mitokana azy.

Kenny Dujardin : Raphael Randria : marina raika koa igny. Matiny tokiky za!
 
Maman Bodou : nampatorian’ny ministra Lalatiana izy ka...
 
Albert Ansley Andria : tena marina, nampatoriany !
 
Koto Vao : efa nosoloana an’i Lalatina Sary bakoly fotsiny i Ntsay.
 
Mathieu Rak : mbola mihiboka azafady.
 
Rakoto Nandrianina : mijereva Tvm izao fa jamba !
 
Ahmar Assani : efa hisondreo lery en fin de semaine ity.
 
Clémentine Rz : tsy ahita azy mihitsy ianao raha Mbs na Real tv no jerenao.
 
Papy Raïssa Chen Chao : LETY ZANY TENA BORIKINOLONA MINTSY!SAHIRANA @ ZAVATRA TSY ANNY TENA. NIFIDY AZY NGA ELA?
 
Koloina Andrianavonison : mety doublon koa reny an!
 
Jacques Mamonjisoa : mahagaga tokoa ô, toa takona mihitsy ny PM Ntsay Christian, na dia hita ihany aza amin’ny TVM.
 
Prosper Randrianarivo : mety ho izy indray no hitafa aminny vahoaka aminilay 15jours manaraka. Satria te hanao surprise foana mantsy Rrafanja satria mety efa maro ny olona sorena aminy. Mampiakatra côte fa tsy mety tafakatra intsony.
 
Tamara Bébé Plam : atao inona kosa PM, fa efa azonilay iraika vavy daholo ny jaime.
 
جيرو ازالي فيلازا : nosoloina GM.
 
Nadine Rajaosoa : tsy nosoloina GM fa BM.
 
Lens Ski : ka PM anie tsy misolelaka e !
 
Zoatsilavina Itokiana : nosalovanin’i Lalatiana ny asany ko !
 
Dera Randrianasolo : aleo soloiny any rehefa tsy hanao raha.
 
Émile Rakotonoely : misy fa mbola mifehy izy! Mifehy vava, mifehy teny, mifehy entana , mifehy tena ! Fehezinny fitsipi-pifehezana izy ary mahafehy tena sy mahatam-bava.
 
Lalao Anjasoa : tsy PM fa BM zao no malaza koooo.
 
Evah Olivia : misy PM ao ka! President Mamimbahoaka.
Sa tsy President Mamimbahoaka koa moa izany PM zany?
 
Tovo Miharisoa : ny filou aza efa tsy avelan’ny ministra Lalatiana hiteny ka maika fa ny PM. Saribakoly fotsn iny!
 
Kenny Dujardin : Tovo Miharisoa : henjana be le bacc+24. Anaz ny laka.
 
Rakotomanga Jose : nareo ve tsy maka aretim-po amin’ny fanenjehina lava ny fitondrana.
 
James Rakotondrandria: raha fitondrana mahavoa tsy misy hanenjika, fa tena tsy ao mihitsy, mila halavo any amin’izay.
 
Davin Samoelina Andriamanga : raha tsy diso aho misy PM tokoa eto Dago ka.
 
Triplet Grace Mahatoky : brain ministre, hihihiiiii !
 
RivoTina RivoTina : inona nga no idirako ozy, karama ihany no ilaiko ankoatra ny zay tsy ilaiko.
 
Jed Clopin : RivoTina RivoTina : mba misaina miankin @ zany ny karamakelinao io, ny fiainanao @ Zao sy ny hoahin taranakao.
 
Nyavosoa Rampa : ho ampanaovina ”sortie” kely indray izy rahampitso fa jereo ange e!
 
Fabyone Rand : mijere vaovao e!
 
Be Jaonary: tsy PM fo tsy hita sy tsy mamango, fa fitondrana jiaby manomboko amin’ny Président Rajoelina. Mila adoso any, tsy mamango jiaby.
 
Cathérine Ramavoarisoa: faible amin’ny communication PM, antony tsy ahitana azy, mahasarona azy miohatra amin’ny filoha sy ny ministry ny serasera. Fa ny fahitako azy, avy any an-tampony mihitsy no tsy mamely amin’ity fitondrana ity, ny lohany mihitsy no matsatso dia toy izay avokoa ny ao ambaniny rehetra. Kofehy kely sisa mitazona azy dia ireo herim-pamoretana!
 
Clément Rakotoarilala: Rajoelina aza sahin’i Lalatiana ny manarona azy, mainka fa ny PM, tena tsy hita tabilao tokoa.
 
Donné Rasamizanany: miha-masaka masaka hatrany ny manga, ho avy ny fotoana hidarabohany amin’izay.

Eric Rabesandratana – Hiezaka hampakatra ny Barea amin’ny Mondial 2022

Rainilita

Teny voalohany nambaran’i Eric Rabe, na Eric Rabesantratana, tao amin’ny France-Bleu, taorian’ny nanendren’ny filohan’ny FMF “Federation Malagasy de Football”, Arizaka Rabekoto Raoul azy ho mpanazatra ny BAREA hisolo toerana an’i Nicolas Dupuis ny hoe : “Tanjona hapetrako voalohany indrindra ny hamitàna ny BAREA hiatrika ny “Mondial 2022” ary hoezahako ihany koa, hoy izy, ny hamerina indray ny fahombiazana efa azon’ity ekipa ity, sy ny hafaliana nogohan’ny Malagasy tamin’izany. Paik’ady vaovao no hoentiko hanatanterahana an’izany, hoy hatrany izy, ka mila fantariko maika aloha ireo mpilalao mandrafitra an’ity ekipa ho tantanako ity”.

Araka ny fantatra dia tokony hanomboka ny 15 mey ho avy izao ny fampivondronana ny Barea eo amin’ny baolina kitra, hiatrika ny fifanintsanana amin’ny Mondial 2022. Iray vondrona amintsika amin’izany raha tsiahivina i Bénin, ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) ary Tanzania. Raha ny fahitan’ny mpitia baolina kitra azy, azoazo ihany ireo ekipam-pirenena iray vondrona amintsika Malagasy ireo, ka heverina ny hahatafavoaka ny ekipam-pirenena Malagasy amin’izany.

www.gvalosoa.net/2021/05/06/eric-rabesandratana-hiezaka-hampakatra-ny-barea-aminny-mondial-2022/

http://www.gvalosoa.net/2021/05/06/eric-rabesandratana-hiezaka-hampakatra-ny-barea-aminny-mondial-2022/

Mpisolovava an-dRolly Mercia – Mangataka ny famotsorana azy tsy misy fepetra rahampitso 7 mey

Isambilo

Nanao fanambarana omaly, ireo mpisolovava vahiny 2 miaro ny ministra teo aloha Harry Laurent Rahajason, na Rolly Mercia, mangataka amin’ny fitsarana Malagasy ny hamotsorana ity mpanao gazety sady ministra teo aloha ity, amin’ny fitsarana ity raharaha ity rahampitso zoma 7 mey 2021 (amin’ny fiteny Frantsay pejy 😎. Miantso ireo mpitsara ity raharaha ity rahampitso izy ireo, ny hitsaran’ireo mpitsara Malagasy ara-drariny, am-pahamarinana, am-pahasahiana, ao anatin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana tanteraka, ka hamotsorana ny olona arovany, izay ao anatin’ny tsy fahasalamana efa am-bolana maro.

Mahakasika ity raharaha ity, nandritra ny fotoam-pitsarana farany natrehana, nilaza ny mpitsara tamin’izany, fa tsy voarain’izy ireo ny taratasy izay napetraka tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny Tribonaly, taratasy izay misy fitomboka manamarina anefa fa voaray soa aman-tsara ny taratasy izay nataon’i Félicien, milaza fa tsy misy idiran’i Rolly Mercia velively ny raharaha teny Ambohipo, fa noterena izy hiampanga ity ministra teo aloha ity. Nilaza koa ireo mpitsara nandritra izany, fa tsy nandalo ny ambaratongam-pahefana tany amin’ny fonja ilay taratasy.

Noho izay antony izay, naka huissier na vaditany ny fianakavian’ny ministra teo aloha Harry Laurent, nanamarina raha nandalo ambaratongam-pahefan’ny fonja io taratasy nataon’i Félicien io. I Félicien dia nilaza fa nampandaloviny ambaratongam-pahefana izany taratasy izany. Rehefa nanamarina koa ny vaditany nalain’ny fianakaviana dia hita fa nandalo ny ambaratongam-pahefan’ny fonja ny taratasy nataon’i Félicien, milaza fa tsy meloka i Rolly Mercia momba ity raharaha ity.

Noho ireo antony ireo, tsy misy intsony arak’izany ny vesatra tokony hitazonana ny ministra teo aloha Harry Laurent Rahajason, mahatonga ireo mpisolovava sy ny fianakaviany, mangataka ny hamorampon’ny fitsarana hamotsotra azy tsy misy fepetra intsony rahampitso 7 mey.

www.gvalosoa.net/2021/05/06/mpisolovava-an-drolly-mercia-mangataka-ny-famotsorana-azy-tsy-misy-fe...

http://www.gvalosoa.net/2021/05/06/mpisolovava-an-drolly-mercia-mangataka-ny-famotsorana-azy-tsy-misy-fepetra-rahampitso-7-mey/

Roland Ratsiraka – Avelao handeha amin’ny canal satellite avokoa ny televiziôna rehetra

Isambilo

Nitondra fanehoan-keviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny filohan’ny antoko MTS, sady depioten’i Madagasikara voafidy tany Toamasina I, Roland Ratsiraka tamin’ity herinandro ity.

Tsy demokraty izany ny fitondrana ankehitriny hoy izy, tsy tokony hidoka tena amin’izany ny mpitondra satria lainga izany araka ny fanambarana nataony. Teboka maro mantsy no azo andrefesana an’izany hoy izy. Ka raha tena te ho demokraty tokoa ny mpitondra dia voalohany: tokony havelan’izy ireo handeha amin’ny « canal satellite » avokoa ny fahitalavitra rehetra.

Faharoa: avela ny olona rehetra hiteny sy haneho hevitra amin’ny televiziônam-panjakana. Ny zavatra nanenjehana ny mpitondra tamin’ny taona 2009 ihany, no mbola haverin’ny mpitondra ankehitriny, hoy ity mpanao politika ity.

www.gvalosoa.net/2021/05/06/roland-ratsiraka-avelao-handeha-aminny-canal-satellite-avokoa-ny-tele...
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Roland Ratsiraka – Avelao handeha amin’ny canal satellite avokoa ny televiziôna rehetra

Isambilo

Nitondra fanehoan-keviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny filohan’ny antoko MTS, sady depioten’i Madagasikara voafidy tany Toamasina I, Roland Ratsiraka tamin’ity herinandro ity.

Tsy demokraty izany ny fitondrana ankehitriny hoy izy, tsy tokony hidoka tena amin’izany ny mpitondra satria lainga izany araka ny fanambarana nataony. Teboka maro mantsy no azo andrefesana an’izany hoy izy. Ka raha tena te ho demokraty tokoa ny mpitondra dia voalohany: tokony havelan’izy ireo handeha amin’ny « canal satellite » avokoa ny fahitalavitra rehetra.

Faharoa: avela ny olona rehetra hiteny sy haneho hevitra amin’ny televiziônam-panjakana. Ny zavatra nanenjehana ny mpitondra tamin’ny taona 2009 ihany, no mbola haverin’ny mpitondra ankehitriny, hoy ity mpanao politika ity.

http://www.gvalosoa.net/2021/05/06/roland-ratsiraka-avelao-handeha-aminny-canal-satellite-avokoa-ny-televiziona-rehetra/

Comment on Facebook Roland Ratsiraka –...

Marin

Ny lazain'ny vava hafa fa ny atao tout à fait le contraire ary misaotra anao ry Ingahy Roland Ratsiraka

Tsy mahazaka namagna rôso anao araka ilay tononkira. Anao efa moins ! Mbola tononkira koa zeigny. Tsy nagnaraka ny FAHENDRENA nananan' ny Papahelinao ( Tmpklh Amiraly ) anao.

Nga izay tian'ialahy io ?

Load more