20 C
Antananarivo
Tue 15 Jun 2021 19:03

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
scattered clouds
20 ° C
20 °
20 °
56 %
5.7kmh
40 %
Tue
20 °
Wed
19 °
Thu
20 °
Fri
21 °
Sat
20 °
Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

Iles Eparses

Mety hatao veloma satria izao fitondrana izao no tena mivarotra tanindrazana

Cécile Vavisoa: mety hatao veloma Iles Eparses antsika Malagasy, satria tsy hita izay raha ataon’ny fitondrana Rajoelina ho famerenana izy reo.

Sahondra Mampionona Sue : bye bye vé zany izy ity, sa mbl azo antenaina?

Firehana Sôsialista : didim-panjakana frantsay manendry ny Nosy Glorieuses ho réserve naturelle nationale eo ambany fiahiany. Ankatoky ny 26 Jona tokoa isika, fahelovantena hono pfff !

Jean Aurelien : taratasy io nataon’ny Frantsay io, azo ovaina taratasy koa. Anjaran'ireo parlementaires mihetsika,dia manao référence ny exécutif, manentana ny ratsamangaika tia Tanindrazana sy teratany. AIZA IREO TE HO MALAGASY , MIHETSEHA HO HITA.

Karim's Mouhamed Ali : efa lafo io! Nalafon’ny mpitondra reo.

Orimbato Zara : zao ka! Ry lerony zavatra hafa no enjehina fa tsy ny tena ilain'ny firenena!! ... Mpitondra mivarotra tanindrazana?

Hugues Rakotomanana: efa tamin’ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena tamin’ny 2020 ny Iles Eparses, no nambaran-dRajoelina fa hiverina amin’ny Malagasy, hatramin’izao tsy hita izay marina, izao ny Frantsay manamafy fa azy ny Nosy. Mamofompofona fivarotan-tanindrazana no ataon’ny fitondrana Rajoelina.

Donald Randria : ny fitondrana mbola variana manenjika an-dRa8!

Dabe Randrianavony : fa ny fitiavana no lehibe indrindra e!! Fitiavana mpanjanaka frantsay e!!! Efa mi-tourne, mi-tourne hatrany2 Rajoelina sy ny forongony.

Ilontsoa Sarobidy : tsaroanareo mpanohana 13 ireo tsara tamin'ny mbola Hery Rajaonarimampianina no nitondra, dia noresahan'ny Frantsay tamin'ny alalan'i Hollande Filoha Frantsay, sy Hery Rajaonarimampianina, fa ho atao Co-Gestion ny hitantanana ireo Nosy ireo! Nivazavaza ary tena niteny ratsy daholo ianareo fa hoe tsy azo ekena izany fa antsika ireo! Amiko dia famarotana Tanindrazana ary faharesena lehibe izay tsapa fa toa vao mainka nanamora ny nahazoan'i La Frantsa ireo Nosy ireo i Andry Rajoelina, nanomboka 2009 ka hatramin'izao. Etsy ankilany ireo Karana maka tanin'ny Malagasy dia tohanan'ny Fanjakana ankehitriny, fehiny: tena mpivarotra Tanindrazana izao Fitondrana izao ary mbola Porofo iray ilay mody ampidiran'ilay Dr Lova ilay lalàna ahazoan'ireo Karana Zom-pirenena Malagasy izay MIDIKA fa hahazo hividy mandrakizay izay tany rehetra eto ary hanapaka eto izy ireo! Dia mbola inona indray? Tsy amidy Madagasikara nefa jereo ireo mpitrandraka any BRIEVILLE, fa Karana daholo ary natao izay nanapotehina ilay orinasa Malagasy Kraomita, mba hahazoan'izy ireo mitrandraka ny harem-pirenena!

Jean Aurelien : Ilontsoa SarobidyIlontsoa Sarobidy : efa tonga ny tambin'izao rehetra izao: 4×4 ao Tsimbazaza ao io, aza manantena intsony oh!

Simon Robera : hoy izy tam propagandy hoe : mbola misy mpitondra ihany ve eto Madagasikara ?

Clément Ravohitra: hay amin’izao fitondrana Rajoelina izao no tena tsy misy mpitondra, mpitondra tsangan’olona sy saribakolim-bazaha fotsiny.

Simon Robera : tena kivy tanteraka aho, mba marina e, dia mbola tsy tonga saina ihany ve isika hatramin’izao, tena mpitondra mpandainga sy tsy mahavita azy no misy eto Madagasikara amin’izao. Ilay jeneraly raika iny aloha tena bômba be mitsy, baombina ny tena marina e! izany hoe tsy izy mihitsy. Mahereza fa mbola ho avy ny maraina vao2.

Kanto Miray : SENDRA IZAY VAZAHA MODY MIADY NY MALAGASY . MPANENJIKA TOUJOURS MAPAR ITY.

Richarad Razanajatovo : herin-taona ,izao no nandrenesako ilay FEO hoe tsy maintsy miverina amintsika ireo, nefa aiza hatramin’izao?

Marie Dinvan : aza mapme moa, raha niteny moa ny tena hoe : hena antanan-tsaka, d nisy tezitra fa hoe tsy tia tanindrazana hono. Sady nampiako hoe nga ny malagasy koa no ho tompony raha ho azo ireo Nosy?

Marie Dinvan : oh heverin zalah mandeha ho azy toy ny voka-pifidianana doublons lay raha! Zao mba tratran’ny azo raisina fa ts mitombina koa.

Simon Robera : aza de mandatsa e, sao dia hiteny ny fampindramambola an'i Comores ndray ary, aoka re zay e!

Cléo Razanamprany: tena mpitondra mpivarotra tanindrazana, Rajoelina sy ny ekipany.
... TohinyFintinina

9 minitra lasa

Iles Eparses
 
Mety hatao veloma satria izao fitondrana izao no tena mivarotra tanindrazana
 
Cécile Vavisoa: mety hatao veloma Iles Eparses antsika Malagasy, satria tsy hita izay raha ataon’ny fitondrana Rajoelina ho famerenana izy reo.
 
Sahondra Mampionona Sue : bye bye vé zany izy ity, sa mbl azo antenaina?
 
Firehana Sôsialista : didim-panjakana frantsay manendry ny Nosy Glorieuses ho réserve naturelle nationale eo ambany fiahiany. Ankatoky ny 26 Jona tokoa isika, fahelovantena hono pfff !

Jean Aurelien : taratasy io nataon’ny Frantsay io, azo ovaina taratasy koa. Anjaranireo parlementaires mihetsika,dia manao référence ny exécutif, manentana ny ratsamangaika tia Tanindrazana sy teratany. AIZA IREO TE HO MALAGASY , MIHETSEHA HO HITA.

Karims Mouhamed Ali : efa lafo io! Nalafon’ny mpitondra reo.

Orimbato Zara : zao ka! Ry lerony zavatra hafa no enjehina fa tsy ny tena ilainny firenena!! ... Mpitondra mivarotra tanindrazana?

Hugues Rakotomanana: efa tamin’ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena tamin’ny 2020 ny Iles Eparses, no nambaran-dRajoelina fa hiverina amin’ny Malagasy, hatramin’izao tsy hita izay marina, izao ny Frantsay manamafy fa azy ny Nosy. Mamofompofona fivarotan-tanindrazana no ataon’ny fitondrana Rajoelina.

Donald Randria : ny fitondrana mbola variana manenjika an-dRa8!

Dabe Randrianavony : fa ny fitiavana no lehibe indrindra e!! Fitiavana mpanjanaka frantsay e!!! Efa mi-tourne, mi-tourne hatrany2 Rajoelina sy ny forongony.

Ilontsoa Sarobidy : tsaroanareo mpanohana 13 ireo tsara taminny mbola Hery Rajaonarimampianina no nitondra, dia noresahanny Frantsay taminny alalani Hollande Filoha Frantsay, sy Hery Rajaonarimampianina, fa ho atao Co-Gestion ny hitantanana ireo Nosy ireo! Nivazavaza ary tena niteny ratsy daholo ianareo fa hoe tsy azo ekena izany fa antsika ireo! Amiko dia famarotana Tanindrazana ary faharesena lehibe izay tsapa fa toa vao mainka nanamora ny nahazoani La Frantsa ireo Nosy ireo i Andry Rajoelina, nanomboka 2009 ka hatraminizao. Etsy ankilany ireo Karana maka taninny Malagasy dia tohananny Fanjakana ankehitriny, fehiny: tena mpivarotra Tanindrazana izao Fitondrana izao ary mbola Porofo iray ilay mody ampidiranilay Dr Lova ilay lalàna ahazoanireo Karana Zom-pirenena Malagasy izay MIDIKA fa hahazo hividy mandrakizay izay tany rehetra eto ary hanapaka eto izy ireo! Dia mbola inona indray? Tsy amidy Madagasikara nefa jereo ireo mpitrandraka any BRIEVILLE, fa Karana daholo ary natao izay nanapotehina ilay orinasa Malagasy Kraomita, mba hahazoanizy ireo mitrandraka ny harem-pirenena!

Jean Aurelien : Ilontsoa SarobidyIlontsoa Sarobidy : efa tonga ny tambinizao rehetra izao: 4×4 ao Tsimbazaza ao io, aza manantena intsony oh!

Simon Robera : hoy izy tam propagandy hoe : mbola misy mpitondra ihany ve eto Madagasikara ?

Clément  Ravohitra: hay amin’izao fitondrana Rajoelina izao no tena tsy misy mpitondra, mpitondra tsangan’olona sy saribakolim-bazaha fotsiny.

Simon Robera : tena kivy tanteraka aho, mba marina e, dia mbola tsy tonga saina ihany ve isika hatramin’izao, tena mpitondra mpandainga sy tsy mahavita azy no misy eto Madagasikara amin’izao. Ilay jeneraly raika iny aloha tena bômba be mitsy, baombina ny tena marina e! izany hoe tsy izy mihitsy. Mahereza fa mbola ho avy ny maraina vao2.

Kanto Miray : SENDRA IZAY VAZAHA MODY MIADY NY MALAGASY . MPANENJIKA TOUJOURS MAPAR ITY.

Richarad Razanajatovo : herin-taona ,izao no nandrenesako ilay FEO hoe tsy maintsy miverina amintsika ireo, nefa aiza hatramin’izao?

Marie Dinvan : aza mapme moa, raha niteny moa ny tena hoe : hena antanan-tsaka, d nisy tezitra fa hoe tsy tia tanindrazana hono. Sady nampiako hoe nga ny malagasy koa no ho tompony raha ho azo ireo Nosy?

Marie Dinvan : oh heverin zalah mandeha ho azy toy ny voka-pifidianana doublons lay raha! Zao mba tratran’ny azo raisina fa ts mitombina koa.

Simon Robera : aza de mandatsa e, sao dia hiteny ny fampindramambola ani Comores ndray ary, aoka re zay e!

Cléo Razanamprany: tena mpitondra mpivarotra tanindrazana, Rajoelina sy ny ekipany.

Faniry Razafy – Samy nanao izay vitany tany Atsimo avokoa ny mpitondra nifandimby

Stefa

Samy nanao izay vitany avokoa ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena, mahakasika ny fampandrosoana ny any Atsimo, fa tsy araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina ny alahady alina lasa teo, hoy Faniry Razafy, mpanao gazety, sady mpanao politika. Tsy nitazam-potsiny ny faritanin’I Toliara teo aloha izy ireo, hoy izy. Tamin’ny fitondran’ny antoko HVM sy ny filoha Rajaonarimampianina, efa nisy tetikasa fitarihan-drano nanomboka tany Efaho, izay nambaran-dRajoelina fa vao hatao io. Ny Amiraly Ratsiraka nametraka ny AES, sy ireo orinasam-panjakana maro tao atsimo toy ny Toly sy ny Hasyma… ary nanosika opérateur économique Malagasy avy any atsimo maro. Nitondra ny fotokevitra sy tetikasa IDÉE 21 : Humaniste Écologique, niainga avy any Atsimo, ka tao Jafaro no nitondrana ny jiro avy tamin’ny angôvo azo avy amin’ny masoandro voalohany teto Madagasikara.

Profesora Zafy Albert namerina nanokatra an’i Dabaraha hisarihan-drano indray. Nitety Fokontany maro tao Androy sy Anôsy ary nanamafy ny fanomezana rano sy sakafo ary masomboly ho an’ny tantsaha.

Ny filoha Marc Ravalomanana nanamora ny lalan’ny RN7 taty Ihorombe hatrany Toliara. Nanome fiofanana ny mpamboly avy any Atsimo tamin’ny vitrine de Madagasikara. Nanome rijiky ny tantsaha mpanamboatra tapis tamin’ny foire iraisampirenena. Nampiakatra Maires, na ben’ny tanàna sy Sefo Fokontany, tao Iavoloha, nanome fiofanana leadership, sy nihaino ny tarainan’izy ireo amin’ny fampandrosoana ifotony. Efa nisy ihany koa ny tetikasa famokarana sorgho, novolavolain’ny filoha Ravalomanana iadiana amin’ny kere tany Atsimo, saingy tsy tontosa noho ny krizy 2009.

Niha-nahazo vahana anefa ny tsy fandriampahalemana sy ny haintany tany atsimo vokatry ny fahapotehana ara-toekarena, noho ny krizy politika 2009 teto Madagasikara, izay fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina. Noho izany, anisan’ny tompon’antoka amin’izao tsy fandrosoan’ny any Atsimo izao Rajoelina, efa mpitondra teto izy tamin’ny tetezamita nandritra ny 5 taona, ka manakiana tena izy raha milaza, fa tsy nisy nahavita ny tany Atsimo ny mpitondra nifandimby teto nandritra ny 60 taona, fa izy ireo no tena zavatra amin’izao fotoana. Manao toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana Rajoelina ary mitombo ihany ireo fampanantenany, izay tsy ho tanteraka akory ny ankamaroany.

www.gvalosoa.net/2021/06/15/faniry-razafy-samy-nanao-izay-vitany-tany-atsimo-avokoa-ny-mpitondra-...
... TohinyFintinina

12 minitra lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/06/15/faniry-razafy-samy-nanao-izay-vitany-tany-atsimo-avokoa-ny-mpitondra-nifandimby/

Mpitatira Sabotsy Namehana – Manome 72 ora ny CUA sy ny ATT

Niaina

Manome fe-potoana 72 ora, izany hoe 3 andro, ny CUA: kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ATT, sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ny mpitatitra eny Sabotsy Namehana Antananarivo Avardrano hamaha ny olan’izy ireo. Nitokona avokoa ny fiara fitateram-bahoaka nampitohy an’i Sabotsy Namehana sy eto an-drenivohitra omaly. Noho ny fanafoanan’ny kaomina Antananarivo Renivohitra ny fiantsonana eo Analamahitsy no anton’izany. Miteraka olana lehibe ho an’ny mpitatitra sy ny mpanjifa io fanovana io. Manoloana izany dia manome 72 ora ny kaomina Antananarivo Renivohitra sy ny ATT, ny mpitatitra sy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa eny an-toerana, hamaha izany olana izany.

www.gvalosoa.net/2021/06/15/mpitatira-sabotsy-namehana-manome-72-ora-ny-cua-sy-ny-att/
... TohinyFintinina

13 minitra lasa

Mpitatira Sabotsy Namehana – Manome 72 ora ny CUA sy ny ATT

Niaina

Manome fe-potoana 72 ora, izany hoe 3 andro, ny CUA: kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ATT, sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ny mpitatitra eny Sabotsy Namehana Antananarivo Avardrano hamaha ny olan’izy ireo. Nitokona avokoa ny fiara fitateram-bahoaka nampitohy an’i Sabotsy Namehana sy eto an-drenivohitra omaly. Noho ny fanafoanan’ny kaomina Antananarivo Renivohitra ny fiantsonana eo Analamahitsy no anton’izany. Miteraka olana lehibe ho an’ny mpitatitra sy ny mpanjifa io fanovana io. Manoloana izany dia manome 72 ora ny kaomina Antananarivo Renivohitra sy ny ATT, ny mpitatitra sy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa eny an-toerana, hamaha izany olana izany.

http://www.gvalosoa.net/2021/06/15/mpitatira-sabotsy-namehana-manome-72-ora-ny-cua-sy-ny-att/

Fiarovana amin’ny covid-19 – Maro ireo nirohotra nanao vaksiny

Helisoa

Somary nalaindaina sy niroharoa saina ny vahoaka Malagasy hoe hanao vaksiny ve sa tsy hanao? Ny hita mantsy dia na ny mpitondra fanjakàna aza, ny filohan’ny Repoblika na ny Praiminisitra tsy mba hita nanome ohatra ho an’ny vahoaka, fa ny mifanohitra amin’izay no noteneniny sy nataony. Naratsiana fa mampivongana rà ny vaksiny, ny ahy ny CVO ihany hoy ny filoha no nahasitrana ahy, ka dia namporisihina amin’ny dokambarotra ao amin’ny fahitalavitra maro ny vahoaka Malagasy, mba hampiasa io tambavy io.

Ny firenen-dehibe manerana izao tontolo izao anefa efa mampiasa vaksiny avokoa, ireo firenena mahantra indray dia efa maro no nisitraka nanao ny fifanarahana COVAX, izay anomezana vaksiny omena fotsiny, fa tsy vidiana hiarahana amin’ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny OMS. Ny filohan’ny mpanohitra RMDM sady filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, efa nanome torohevitra ny fanjakàna mba hanafaran’izy ireo vaksiny satria io ihany no vahaolana iadiana amin’ity valanaretina mampididoza ity; nefa tsy nisy nihaino izy.

Taty aoriana kely anefa dia nivadika tamin’ny teny nataony ny mpitondra, ka nandray ny vaksiny COVISHIELD ihany. Manoloana izany, nalaindaina ihany ny Malagasy tamin’ny fanaovana ny vaksiny araka ny nambara teny ambony. Ankehitriny anefa, niroso nanao vaksiny ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ary ireo ao anatin’ny fanoherana eto amin’ny firenena ny herinandro lasa teo, mba hanome ohatra ho an’ny rehetra. Nahita izany ny maro dia lasa nirohotra nanao vaksiny, ka lasa filaharana be ny fanaovana izany tato anatin’ny andro vitsivitsy izao. Izay tokoa ilay hoe tokony hanao fitaratra ho an’ny vahoaka Malagasy ny mpitondra; satria ny ohatra dia avy any ambony foana.

Anisan’ny nanao vaksiny omaly ny zanaky ny filoha Ravalomanana, Sarah Ravalomanana, ny tarika Ambondrona, ny mpihira Stéphanie, tanora maro mpianatry ny Oniversite eny Ankatso sy Vontovorona, olon-tsotra maro. Mbola mitohy hatramin’ny alakamisy izay fanaovam-baksiny andiany voalohany izay, karapanondro ihany no ilaina entina.

www.gvalosoa.net/2021/06/15/fiarovana-aminny-covid-19-maro-ireo-nirohotra-nanao-vaksiny/
... TohinyFintinina

14 minitra lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/06/15/fiarovana-aminny-covid-19-maro-ireo-nirohotra-nanao-vaksiny/

Distrika sy Kaominina – Tokony hisy fanamarihana ny 26 jona ihany koa

Aris

Mamaritra ny fiainan’ny malagasy ary tena ao anaty kolontsainy ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona niverenan’ny fahaleovantena. Andro lehibe ho azy io andro io, ankoatra ny andro hanamarihany ny taom-baovao. Ny taom-baovao sy ny 26 jona no tena fety lehibe indrindra amin’ny Malagasy. Tsy ny mponina an-drenivohitra ihany, fa hatrany ambanivohtira lavitra rehetra any dia tena manome lanja io andron’ny fetim-pirenena io. Anisan’ny iray lehibe anehoany ny maha Malagasy azy io ary manoritra ao an-tsainy ny fahatsiarovany mandrakariva, fa nomen’ny razany ho lovainy ity Nosy ity.

Tsy azo anaovana antsirambina sy vitavitaina ho azy amin’izao izany hasin’ny 26 Jona omen’ny vahoaka izany. Azo lazaina ho hadisoana atao aminy sy amin’ny firenena ny tsy fahaizana mandanjalanja ny faritra hametrahana renty sy lanonana hankalazana ny Asaramanitra. Sarotra ny hisaina ankehitriny ny amin’ny mbola hisian’ny olom-pirenena Malagasy eto amin’ny tany sy ny fanjakana, handeha dia an-tongotra lavitra an-kilaometatra maro, na handeha hiakatra any an-tanàn-dehibe, fa tsy mijanona ao amin’ny kaomina misy azy farafahakeliny, hijery fety aman-danonana na ireo renty maro samihafa haingon-tanàna. Fankalazana tsy manara-penitra izany. Ity fitondrana ity miseho sy mihambo milaza ho mahavita zavatra. Aoka tsy anaovana fampielezan-kevitra indray toy ny natao tany Atsimo, ny amin’izany, satria miendrika famitaham-bahoaka tsotra izao.

Hatreto azo lazaina fa tsy mahafehy ny momba ny toe-tsain’ny Malagasy ny fitondrana. Mety azo ekena ihany ny amin’ny fahafantarany izany, fa ny famaliana ny hetahetan’ny sainy izay no tsy misy afitsoka ny fitondrana. Entanina mandrakariva amin’ny fitiavan-tanindrazana ny rehetra, ka ilazana ny amin’ny mba hametrahany ny sainam-pirenena amin’ny trano fonenany. Tsy hisy malagasy hiara-hientana ny amin’izany raha mbola misy vahoaka Malagasy atao anjorom-bala amin-javatra maro. Raha tena mahalala ny Malagasy, dia hahafantatra, fa io Malagasy io tsy mila entaniny izany akory, fa miainga ho azy izy rehefa tena hitany mivaingana ny fanatsaràna sy fanasoavana atao aminy. Aiza ka amin’izao fotoana izao mbola misy olom-pirenena mitomany, fa tadiavina vahiny bodoina fotsiny izao ny tanindrazany. Ny depiote iray ihany koa tsy hahavita hiaro sy hampiakatra ny kaontin’ny fitondrana izany amin’ny toe-javatra toy izany. Iaraha-mahalala fa marobe rahateo ny tranga manageja ny firenena sy ijalian’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao.

Ankoatr’izany, any amin’ireo distrika sy kaominina maro eto amin’ny Nosy, tsy tonga tany ny valanaretina coronavirus, ka nahoana izy ireo no ferana tsy hankalaza ny 26 jona. Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa aza no tena nisy, sy misy covid-19, ka tokony mbola hitandrina isika amin’ireo renivohi-paritany 5 ireo, fa ny any amin’ny toerana ankoatra izay no tokony ho tena ho marihana ny fankalazana ny fetim-pirenena. Tena tsy maharaka ny zava-misy ve ny fitondrana Rajoelina, sa mody adala?

www.gvalosoa.net/2021/06/15/distrika-sy-kaominina-tokony-hisy-fanamarihana-ny-26-jona-ihany-koa/
... TohinyFintinina

15 minitra lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/06/15/distrika-sy-kaominina-tokony-hisy-fanamarihana-ny-26-jona-ihany-koa/

Foloalindahy – Jeneraly misotro ronono maromaro mbola mibodo toerana

Stefa

Misy ihany ny fimenomenonana ao anivon’ny Foloalindahy Malagasy amin’izao fotona izao, na tsy heno mivantana aza izany, noho ny fisian’ireo jeneraly maromaro misotro ronono nefa azo lazaina mbola mibodo toerana.

Tsy vitsy arak’izany ireo zandary sy miaramila am-perinasa, no tsy miasa amin’ny toerana tokony hisy azy satria misy ireo be kintana namana midongy sehatra. 9 eo amin’izao fotoana ireo jeneraly misotro ronono tokony hosoloina: eo aloha ao anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana SEG: sekreteram-panjakana amin’ny zandarimariam-pirenena. Ny tale jeneralin’ny CIS (DG CIS), ny jeneraly misotro ronono Dominique, zaodahin’ny Praiministra Ntsay Christian. Ny CAB mil an’ny Praiministra, ny jeneraly misotro ronono Syvain. Ny HCDN/ PRM (ao amin’ny Prezidansa), Vice Amiral Lucien. Ny Directeur Affaires Militaires (DAM/PRM), Général Razafimahatratra. Ny DSNGR MDN (ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovampirenena), ny jeneraly misotro ronono Solo. Ny CEMA, ny jeneraly Rabenaivoarivelo. Ny CAB MDN, ny jeneraly Alexandre. Ankoatra izay, mbola vao notendrena koa ny jeneraly misotro ronono Voahangy Haja Andriamanalinarivo, tale jeneraly (DG) ny ANAF. Olona efa misotro ronono koa sady marary.

Noho ireo antony ireo, misy ny fimenomenonana any ambadika any ao amin’ny Foloalindahy, midika tsy fahatokisana ny amperin’asa hoy izy ireo ny fitazonana olona misotro ronono toy izao. Ny ministry ny fiarovampirenena ny général de corps d’armée Rakotonirina Léon Richard, no fototry ny fanendrena na tsy fanendrena ao amin’ny Foloalindahy. Izy no ambony grady indrindra mbola miasa ( général de corps d’armée, kintana 4. Midika izany, fa raha misy ny korontana, ka lasan’ny miaramila ny fahefana dia izy no ho filoha, mitondra ny tetezamita. Midika koa izany, fa manana tombony izy, ny tsy hisian’ny fanendrena eo anivon’ny miaramila sy ny zandary.

Araka ny vaovao voaray sy ny fanadihadiana natao ny zavatra ataon’ny jeneraly ministra amin’izao fotoana dia manilika ny miaramila nianatra tsy hahazo toerana, mba ho izy irery ihany no fantatry ny mpitondra fa hoe mahay. Maromaro ireo kolonely sy jeneraly amperinasa nahavita fianarana ambony, école de guerres no ailiny. Ny antony dia sao manelingelina azy sy haka ny toerany.

Ankoatra izany, raha tsy misy fanendrena SEG jeneraly amperinasa mihitsy dia tsy hisy ihany koa izany fiakarana grady kintana 4 ao amin’ny zandary, dia ny ministra ihany no hijanona ho be grady indrindra ao anivon’ny Foloalindahy. Momba ny fanavaozana na restructuration ao anivon’ny tafika sy ny zandary : copie coller fandikana ny zava-misy any Frantsa fotsiny no nataon’ny ao amin’ny Fiarovampirenena. Ny fanavaozana dia tokony hiainga amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana, ny boky fotsy na Livre blanc, ary ny paikady momba ny fiarovana. Ireo rehetra ireo anefa voadingana fa tsy natao.

www.gvalosoa.net/2021/06/15/foloalindahy-jeneraly-misotro-ronono-maromaro-mbola-mibodo-toerana/
... TohinyFintinina

16 minitra lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/06/15/foloalindahy-jeneraly-misotro-ronono-maromaro-mbola-mibodo-toerana/

Fitondrana Rajoelina – Tafahoatra ny tranga manaporofo ny kitoatoa ataony

Andry Tsiavalona

Tafahoatra loatra ny tranga manaporofo ny kitotoa ataon’izao fitondrana Rajoelina, nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ho fahefana ara-dalàna izao raha tsy iresaka ny “doublons” roa hetsy sy iray tapitrisa nambaran’ny filoha lefitry ny Vaomiera Mahaleotena miandraikitra ny Fifidianana (CENI) ny volana febroary 2019. Efa manomboka adinon’ny vahoaka Malagasy ny ankamaroan’izy ireny, ka tsara ihany ny mampatsiahy azy ireny.

Ny voalohany tamin’izany, ny fanambarana fa raha ireo mpiaramiombon’antoka ara-bola mahazatra ireo no hianteherana dia tsy handroso i Madagasikara na amin’ny 2030 na 2050 na 2060. Nanomboka tamin’ny nidiran’ny valanaretina covid-19 anefa dia ireo mpamatsy vola ireo no manampy betsaka ny firenena, saingy tsy mazava ny fitantanana izany vola tsy toko tsy forohana, efa ho arivo tapitrisa dolara izany. Taoriana kelin’io fotoana io dia nanambara indray ny filohan’ny Repoblika, fa hitodika aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao rehefa nanaparitaka ny CVO izy. Namafisin’ilay “mpaminany vavy” avy any Brezila tamin’ny fanambarany ihany koa moa, fa avy eto no hivoaka ny fanafody hanasitrana ny valanaretina. Niaraha-nahalala fa fahafaham-baraka maneran-tany no vokatr’ireo fanambarana ireo. Rehefa nalaza eran-tany indray ny vaksiny dia nanambara ny filoha, fa tsy ilaina izany fa ny CVO no nanasitrana azy sy ny fianakaviany ary naratsiany ny vaksiny na dia misy karazany fito aza nambarany. Namafisin’ny minisitra vehivavin’ny serasera sy ny kolontsaina koa ny fanaratsiana. Nanafatra vaksiny “covishield” 250 000 daozy ihany anefa saingy ireo lohan’ny fahefana mpanatanteraka tsy nisy tonga nitsena teny Ivato kanefa maro ireo masoivohon’ny firenena any ivelany sy ny solontenan’ny fikambanana iraisam-pirenena tonga teny avokoa. Tsy nazava ihany koa moa, iza marina no nanafatra ireo ary volan’iza na vola avy aiza. Ny zava-misy teo aloha teo dia sahiran-tsaina ny vahoaka ary tsy narisika hanao vaksiny ny ankamaroany satria etsy andaniny dia teo ny fanaratsiana nataon’ny mpitondra ary ankilany dia tsy misy fanentanana momba izany mihitsy. Napetraka foana ny fepetra sy ny fihiboana kanefa tsy nisy fanampiana mifanandrify tamin’izany, fa dia nisedra ny tsy eran’ny aina ny vahoaka satria tapaka tanteraka ny fitadiavana ho an’ireo mpanao asa-tena toy ny mpivarotra ohatra.

Tsy azo hadinoina ihany koa ny resaka volamena 73, 5 kilao tratra tatsy Afrika tsimo. Ny trondro madinika na pirina izay tsy mahafantatra na inona na inona, fa fitaovana fotsiny ihany no any am-ponja, fa ny “foza be” dia mbola miriorio any ihany. Na dia nesorina amin’ny toerany enim-bolana aty aoriana aza ny tale jeneralin’ny ACM dia tsy manova ny tsy rariny mihàtra amin’ireo any am-ponja izany satria azo inoana fa ho voatendry amin’ny hafa any ho any ihany izy.

Tokony tsy ho azo fafana ao an-tsain’ny mpiray tanindrazana ihany koa ny jadona mahazo vahana eto amin’ny Firenena, ka tsy manana fahafahana maneho hevitra sy mivezivezy malalaka intsony ny olompirenena malagasy. Tsapa fa tsy manana ny fahaleovantenany ny mpitsara, fa avy any amin’ny faratampon’ny fahefana no manindry amin’ny didy tsy maintsy avoaka, ka tsy voahaja intsony ny fisaraham-pahefana, fa ny mpanatanteraka no mibaiko eo amin’ny sehatra rehetra. Santionany amin’izany ny raharaha Rolly Mercia, Berija, ireo 12 mianadahy nikasa namonjy ny tatitra nataon’ny depiote eto Antananarivo Renivohitra, ireo telolahy namono karana tetsy Ivandry izay soa ihany fa nanome baiko ny nitazonana na namerenana ireto farany any am-ponja, andro maro aty aoriana, ny minisitry ny Fitsarana. Porofo ihany koa ity tranga ity, fa tsy manana ilay hakingan-tsaina (réflexe) eo no eo entina miatrika ny zava-misy ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Manamafy ny tsy fananan’ny Fahefana mpitsara fahaleovantena ihany koa ny raharaha ady tany etsy Antanandrano.

Tsapa kosa anefa etsy ankilany, fa tena manao izay tiany atao ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ka tena nanaitra sy nanafintohina ny maro ny nanaovan’ny zandary ny filoha Ravalomanana Marc, tsy indray mandeha fa indroa tao anatin’ny andro vitsivitsy. Ny tena manahirana dia tsy ny mpanome baiko velively no mety hifoteran’ny rambony, fa ireo mpanatanteraka izany toy izay nitranga tamin’ny raharaha 1972. Tsy azo ekena ho tantara mipetraka fotsiny ny fanafihan-dahalo tany Midongy Atsimo, satria namoizana aina Malagasy sy nahaverezana omby manakaiky ny arivo ary ny fahamaizan’ny trano aman-jatony kanefa dia efa mitady ho hadinoina sahady, satria veriverezina amin’izao kabary tsara lahatra sy fandefasana horonan-tsary manaitra ny maso sy ny matoritoria fa hanaterako hena ny gasy. Mitohy ny fampandriana adrisa ataon’ny filohan’ny Repoblika, ka niaraha-nahalala ny nataony tany Soalala sy ny tany Faradofay farany teo.

Tena marina ny nolazainy, fa ny tsy vitan’ireo mpitondra nifandimby tao anatin’ny enimpolo taona dia vitany tato anatin’izay roa taona sy tapany nitantanany ny Firenena izay ny fampanantenana poakaty maro tsy ho tanteraka. Tsy afaka hiandry ny tantara hitsara ny Malagasy, fa azo inoana kosa fa hitsara hanapaka ny geja hamatorana azy sy handrodana ny jadona nampizakain’ny mpitondra azy.

www.gvalosoa.net/2021/06/15/fitondrana-rajoelina-tafahoatra-ny-tranga-manaporofo-ny-kitoatoa-ataony/
... TohinyFintinina

17 minitra lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/06/15/fitondrana-rajoelina-tafahoatra-ny-tranga-manaporofo-ny-kitoatoa-ataony/

EDITO 15 Jona – Fitondrana Rajoelina – Nosy Sambatra – Tsy mahita asetry ny fihetsiky ny fitondrana frantsay

Sôh’son

Hatreto tsy heno ny valin-kafatra avy amin’ny fitondrana Rajoelina, momba ny fihetsiky ny fitondrana frantsay ao amin’ny Nosy Sambatra (îles Glorieuses), tamin’iny herinandro lasa iny. Ny fitondrana frantsay izay efa mitompo teny fantatra, fa azy io Nosy io ary anatanterahany tetikasa momba ny tontolo iainana. Izany hoe efa tsy misy antenain’ny malagasy intsony izany, fa lasan’ny frantsay ambongadiny ny Nosy Malagasy, ary ahiana mbola hanaraka aza ireo hafa raha ny fihetsiny izay nilaza vao tsy ela izay hanao asa ihany koa amin’ireo. Nahoana no tsy andrenesam-pitenenena ny fitondrana Rajoelina manoloana izany. Izy ilay nilaza, herintaona lasa izao, fa tsy maintsy tafaverina amin’ny Malagasy ireo Nosy manodidina mialoha ny 26 Jona nanamarihana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena. Hatramin’izao tsy andrenesam-peo momba izany intsony ny tenany. Resy eo anoloan’ny fitondrana frantsay ny fitondrana Malagasy?

Tsy ny vahoaka Malagasy sy tsy toe-tsainy no manaiky ho resy tsy miady izany. Ny zava-misy anefa, miseho hahavita irery izany ny fitondrana, ary mirehaka mihitsy ny amin’izany. Ny vahoaka ailika sy atao antsisiny amin’ny raharaha, ary tsy henoina mihitsy. Porofon’izany, tsy mbola naheno na nahita ny maro, fa niantso ireo fikambanana saropiaro amin’ity tany ity sy ny fiandrianam-pirenena ny fitondrana hidinika amin’izay atao. Tsy lavina, efa nisy fikaonan-doha natao momba izany nefa toa tsy hita izay vokany hatreto. Anisan’ny mitarika amin’ny fitakiana ny hiverenan’ireo Nosy ireo amin’ny Malagasy ny antoko Otrikafo. Tsy hita anefa izay fihainoina ireny fikambanana ireny. Nankarary fo ny maro mihitsy aza ny nandefasana mpitandro filaminana handroaka azy ireo raha nanao hetsika teny anoloan’ny Hotel Carlton Anosy raha nandalo taty ny filoha frantsay teo aloha. Izany hoe, tsy mihevitra velively ny momba ny hevitry ny vahoaka Malagasy ny fitondrana. Mety nihevitra izy fa hahatafavoaka baolina irery, ka hidehaka ny amin’izany toy ny fanaony, fa tsy misy hoatra azy ireo teo aloha. Izao anefa iaraha-mahita, fa hanahirana manomboka izao ity raharaha ity, noho ny fitavozavozana, sy izay fomba fiasa tsy mahomby sy ny fiheverana ny vahoaka.

Lesoka lehibe sy tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina izao nambaboana ny Nosy Sambatra izao, sy amin-javatra hafa ihany koa. Mba tsy hikorontanan’ny saim-bahoaka amin’izany, dia atao izay rehetra hanodinana ny sainy. Anisany ny tampi-maso amin’ny fanehoana, fa hoe miasa ny fitondrana, ka mandeha miolomay etsy sy eroa na dia tsy mbola misy asa mivaingana aza. Ny zavatra ataony hatreto anefa, tsy hita misongadina mampitombo ny kitapom-bolan’ny isan-tokantrano sy ny sakafo miditra eo am-bilaniny akory. Ny zavatra mahamaika ny vahoaka no ilàny vahàna haingana, fa tsy fotodrafitrasa izay mety hanagorobaka hatrany ny any am-paosiny.

www.gvalosoa.net/2021/06/15/edito-15-jona-fitondrana-rajoelina-nosy-sambatra-tsy-mahita-asetry-ny...
... TohinyFintinina

19 minitra lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/06/15/edito-15-jona-fitondrana-rajoelina-nosy-sambatra-tsy-mahita-asetry-ny-fihetsiky-ny-fitondrana-frantsay/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 15 Jona 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
www.gvalosoa.net/tahiry/
... TohinyFintinina

20 minitra lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 15 Jona 2021.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
http://www.gvalosoa.net/tahiry/

Oniversite Toliary. Herisetra ve ry mpitondra no hitanareo hamaliana ny fitakian’ireo mpianatra ireo ny zony? ... TohinyFintinina

4 ora lasa

Oniversite Toliary. Herisetra ve ry mpitondra no hitanareo hamaliana ny fitakian’ireo mpianatra ireo ny zony?

Fitsarana inona ary no misy eto Madagasikara ity? ... TohinyFintinina

18 ora lasa

Fitsarana inona ary no misy eto Madagasikara ity?

Comment on Facebook 1764140243706142_4074717422648401

Izay anie no mahatonga ny fitsaram-bahoaka ee

?????????

???

Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana. ... TohinyFintinina

19 ora lasa

Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana.

NY MPITONDRA SY NY VAKISINY

Toa tsy taitra, toa tsy maika ny mpitondra ankehitriny
Ny hitsangana ho modelin’ny fanaovam-bakisiny?
Be no toa misalasala, mihodinkodina fizotra.
Efa vita tany ho any ve fa menatra hitsotra?

Raha natao ny dokam-barotra nisotroana ilay tambavy,
Ny filoha mihitsy anie no niantso ny mpianakavy,
Dia nandray ka nahalany hatramin`ny iray tavoahangy.
…Ho resy hatreo ny corona, hatao veloma mampamangy…

Tena tsisy handrara akory, tena tsisy koa ny tsiny,
Raha ‘nareo nankany andafy no nanao ilay vakisiny.
Saingy tena mba tsy rariny ny nambara taminay
Hoe avelao ny vakisiny, CVO ‘zao no milay!

Nisy teny an’avona aza izay nataon’Ingahy filoha,
Hoe ny mpanohitra no alaina sy hosedraina mialoha.
Dia niandry, niandry ireo mpanohitra, ary mbola miandry foana.
Saingy hatreto, miandry vasoka fa tsy nisy fiantsoana!

Tonga ity ny vakisiny, toa tsy tazanay ‘nareo.
Nisitrika sa dia nankaiza no tsy nandrenesam-peo?
Somary menamenatra olona noho ireo fanarabiana?
Saino tsara ny hotenenina mba tsy hanenenana any aoriana!

IRINA HO TAFITA (12-06-21)

www.gvalosoa.net/2021/06/14/ny-mpitondra-sy-ny-vakisiny/
... TohinyFintinina

2 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/06/14/ny-mpitondra-sy-ny-vakisiny/

Comment on Facebook NY MPITONDRA SY NY ...

Le maso ?????

Tena mety efa vita tany ho any mitsy izy a 🤠🤠

LASA RAKOTO DIA TONGA RAKOTO

Indro lasa Ingahy Rakoto dia nandimby Ingahy Rakoto.
(Lakolosin’ny mompera hoy ny jiolahimboto!)
Tsisy zavatra antenaina raha ny ampitso sy ny hoavy,
Fa hitohy ny hadalan’ireo mpitondra mianakavy!

Nodiovina ny loto saingy tonga indray ny loto.
Tsy ny vao sy manimanitra, tsy izany no nasolo,
Fa ny konka no nandimby ity ilay iray mihintsam-bolo!

Efa tazana any ho any indray ny lisitra vorosoka,
Ary miaraka amin’izany ny hafetsena sy ny hosoka.
“Tsangan’olona” no tazana hobaikoina sy hoterena.
Raha fehezina dia tsotra: very ianao ry firenena!

Tsisy zavatra antenaina ny amin’izay ho fifidianana.
Olona no nosoloina, fomba ratsy mbola tanana.
Ny tsy marina hatrany no hibata fandresena.
Mbola haverina eto indray fa very ianao ry firenena!

…Na ny lasa na ny tonga, samy tsisy nampiraika.
Ny hohaninay anio, izay ny anay no mahamaika!
Raha ‘zay ireo mpitondra ireo no mbola hajoro sy hoekena,
Dia haverina eto indray fa very ianao ry firenena!

DADAN’i ZINA (12-06-21)

www.gvalosoa.net/2021/06/14/lasa-rakoto-dia-tonga-rakoto/

http://www.gvalosoa.net/2021/06/14/lasa-rakoto-dia-tonga-rakoto/

Comment on Facebook LASA RAKOTO DIA ...

La closin' ny mompera ....zany hoy ilay hira zay . Ny teo ihany teo . Kkkk

2e mandat assuré miarak am kitranoantrano sy doublons

copie coller sa doublon?????

Hoavy tsy hoela i Vomanga Rakotoarisoa. Sy Laisoa Rakotoarisoa sn Paiso Rakotoarisoa.

Mankasitraka f voaray n hafatra

Resaka rakotoarisoa le rah

Doublon ty zany à!

View more comments

Filoha Rajoelina – “Mikôtikôty” ben’ny tanàna TIM fa tsy manana olona

Stefa

Hita sy tsapa amin’izao fotoana fa tena tsy manana olona ny fitondrana Rajoelina, ka dia “mikôtikôty” araka ny fitenin-jatovo azy, na manambitamby ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny antoko mpanohitra, toy ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), hita izany tamin’ny zava-nitranga ny alakamisy teo teny amin’ny kaominina Ivato distrikan’Ambohidratrimo. Fanomezana fiara lehibe mpitatitra fako, sy dabam-pako lehibe maromaro no natolotry ny filoha Rajoelina ny kaominina tarihan’ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa tamin’izany. Nisy avy eo ny fampanantenana sesilany toy ny fanaony mahazatra, izay tsy ho fantatra na ho tanteraka na tsia: fanaovana kianja mitafo e, fanaovana kianja, sekoly, katsaka tsaramaso voanjobory… Ny toky fitaka fa ny hatao no ho hita hoy ny fitenenana Malagasy izay.

Ny tsy tao an-tsain’Ingahy filoha Rajoelina, tsy vao izao akory no miara-miasa amin’ny fitondrana ity kaominina Ivato ity, fa tamin’ny fitondrana teo aloha, tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, nahazo tsena lehibe dia lehibe tokoa tamin’izany fitondrana teo aloha izany Ivato, izay tsy sahin’ny fitondrana Rajoelina notokanana hatramin’izao, fa tonga dia nampiasaina.

Marina fa vavahadin’i Madagasikara Ivato, tokony hahazo izay ho azony amin’ny fitondrana, fa misy kaominina firy eto amintsika, hahazo toy ny azon’Ivato koa ve ny kaominina lavitra Andriana, any ambany ravin-kazo rehetra any? Hita hoe ambadika politika no nataon’ny filoha DJ ny alakamisy lasa teo iny, satria ambany ny fitiavan’ny maro azy ankehitriny noho ny fahasahiranana maro eto amin’ny firenena, mahazo vahana ihany koa ny mpanohitra tato ho ato eto amintsika, dia izay no anisan’ny heveriny hanoherana izany.

Tsy eo amin’ny sehatry ny kaominina ihany no ahitana fa tsy manana olona izao fitondrana izao, ny talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika vao notendreny farany teo dia olon’ny TIM teo aloha. Ireo ministra efa hita fa tsy mahomby ao amin’ny governemanta hatramin’izao dia tsy misy soloina fa eo ihany, satria tsy mahita olona ny filoha sy ny forongony, tsy manana olona araka ny voalaza teo.

www.gvalosoa.net/2021/06/12/filoha-rajoelina-mikotikoty-benny-tanana-tim-fa-tsy-manana-olona/
... TohinyFintinina

3 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/06/12/filoha-rajoelina-mikotikoty-benny-tanana-tim-fa-tsy-manana-olona/

Comment on Facebook Filoha Rajoelina –...

resaka politika avolenta ny andry rajoelina

Ary misy maharaka le fika fa otran'ny tsy mamely ny tandapa miray loko an

Olana noho ny resaka tany – Nidoboka am-ponja Alain Cotisse, PDG ny Cotisse

Stefa

Nidoboka am-ponja noho ny resaka olana tamin’ny resaka fananan-tany i ALAIN COTISSE: nampidirina am-ponja vonjimaika afak’omaly alina RAKOTOARISOA Alain Eddie Nantenaina na i Alain COTISSE, Filoha Tale jeneraly na PDG ny orinasam-pitaterana COTISSE, taorian’ny fanadihadiana natao azy teny amin’ny PAC.

Raha ny fantatra dia resaka fividianana tany teny Antsofinondry Antananarivo Avaradrano no antony. Mahakasika ity raharaha dia milaza ho mahafantatra izany raharaha izany ny mpitsara Fanirisoa Ernaivo: “ mahakasika ity afera ity dia mba hisaotra ireo mpitsara nanao io dossier io satria dia HOSOKA RANORAY no nataon’io Alain io ary dossier mbola en cours na mbola mandeha sy amin’ny appel na niakatra fitsarana ambony no nahazoany grosse sy certificat de non recours ka nanaovany mutation tanin’olona. Aty amiko daholo ny dossier ary efa 3 taona no miady mafy eny amin’ny Fitsarana ireo tompon’ny tany izay saika hangalarin’ity Alain Cotisse ity fotsiny ary efa herintaona mahery no nitoriana azy io, izao vao azon’ny Fitsarana izy. Ka ianareo izay milaza, fa mampalahelo izy fa mpandraharaha malagasy kanefa gadraina, dia aoka ho fantatrareo izany fa dia nanao hosoka marobe hangalatra tanin’olona no nampigadra azy ary maro ireo olona nanaovany kolikoly avo lenta nahafahany nanao izao hosoka izao. Tany lazainy fa novidiany tamin’olona iray, nefa tamin’ny date ny acte de vente aza efa maty efa nalevina ilay olona, ary tanin’olona misy trano sy construction marobe io tadiaviny nalaina an-keriny nanaovany mutation hosoka io”, hoy ny fanambarana nataon’i Fanirisoa Ernaivo.

Momba ny raharaha olana tany ity, tokony hojerena koa ny momba ny ady eo amin’ilay orinasa karana sy ireo Malagasy mpandova eny Antanandrano Avaradrano iny ihany. Tsy tokony hisy ny tombo sy hala amin’ny olana toy izao.

www.gvalosoa.net/2021/06/12/olana-noho-ny-resaka-tany-nidoboka-am-ponja-alain-cotisse-pdg-ny-coti...

http://www.gvalosoa.net/2021/06/12/olana-noho-ny-resaka-tany-nidoboka-am-ponja-alain-cotisse-pdg-ny-cotisse/

Ravalo teny amin’ny ONU Andraharo – Mbola manentana ny rehetra hanao vaksinin’ny covid-19

Isambilo

Vita vaksiny covishield/ Astrazeneca, ho fiarovana amin’ny valanaretina coronavirus, teny amin’ny foiben-toeran’ny ONU eto amintsika, eny Andraharo, afak’omaly, ny filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny ny antoko TIM, Marc Ravalomanana mivady. Natao vaksiny tamin’izany koa ireo ao amin’ny birao politikan’ny antoko TIM, sy ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara.

Tao aorian’ny fahavitany vaksiny, nanambara ny filoha Marc Ravalomanana, fa ny fanaovana vaksiny no fomba mahomby indrindra, ho fiarovana sy iadiana amin’ny valanaretina covid-19. Noho izay antony izay, mbola manentana ny Malagasy rehetra izy hanao vaksiny, satria mbola misy ny fotoana. Niandry ny mpitondra ihany aho hoy izy, satria izy ireo no tokony ho modely nanao izany vaksiny izany mialoha, toy ny tany amin’ny firenena hafa: ny Filohampirenena, ny Praiministra no natao voalohany,… nefa tsy nanao izany izy ireo, koa dia tonga aho filohan’ny rodoben’ny mpanohitra naka hery fiarovana amin’ity valanaretina ity ary manentana ny Malagasy rehetra hanao izany vaksiny izany aho, fa azo antoka io. Na izany aza mila arahana foana ny fepetra sakana ara-pahasalamana rehetra mahazatra: ny fanaovana arovava sy orona, ny fanajana ny elanelana 1 m, ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony, na fampiasana gel hydroalcoolique,…

Fa nararaotin’ny mpanao gazety ihany koa ny nanontaniana azy ny mahakasika ny mbola fisakanana nataon’ny zandary azy, teny Ambohimangakely. Nilaza ny filoha Marc Ravalomanana, fa tsy maintsy misy foana ny sakana, fa tsy maintsy “hi-sauter-na”, na hita foana ny hialana an’ireny hoy izy. Fahafaham-baraka ho an’ny fitondrana ny fanovana ireny sakantsakana ireny eo imason’izao tontolo izao hoy ity filohan’ny mpanohitra ity.

Mahakasika ny tombana momba ny zava-bitan’ny fitondrana amin’izao fotoana, nandritra izay 2 taona sy tapany izay, nilaza ny filoha Ravalomanana, fa négative na miiba ny bilan-n’izy ireo, tsy hanome naoty aho hoy izy hoe 5/20 ny naotin’izy ireo, fa négatif ny bilan-n’izao fitondrana izao, satria mbola tsy voafehiny ny valanaretina covid-19, tena mahantra sy sahirana ny vahoaka, manjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy voafehy ny vidim-piainana…

Mbola hitohy mialohan’ny 17 jona ho avy izao ny fanaovana vaksinin’ny coronavirus eto amintsika, any amin’ny volana aogositra any kosa ny famerenana fanamafisana izany vaksiny izany fanindroany ho an’ireo nahavita ny tsindrona voalohany.

www.gvalosoa.net/2021/06/12/ravalo-teny-aminny-onu-andraharo-mbola-manentana-ny-rehetra-hanao-vak...

http://www.gvalosoa.net/2021/06/12/ravalo-teny-aminny-onu-andraharo-mbola-manentana-ny-rehetra-hanao-vaksininny-covid-19/

Fiainam-pirenena – Diso lasibatra tanteraka izao fitondrana izao

Sôh’son

Lainga marivo tototra no re amin’ny fiarovan-tenan’ireo mpitandro filaminana, sy ny lehibeny tamin’ny fanazavana nataony, momba ny fisakanana ny fiaran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo mba fivoahana kely nataony tamin’ny toerana samihafa notsidihiny ary indrindra avy eny Ambohimangakely Avaradrano vao tsy ela izay. Asa raha mba azon’ity jeneraly an-tsaina tsy maintsy nomena toerana eo amin’ny fitondrana ity, fa vao mainka nampiharihary ny tsy fahaizan’ny fitondrana miasa ireny ho an’ny vahoaka n’inona n’inona fanazavany. Malagasy no sakananao, fa omeo porofo izy raha mahavita maneho fa nisy vahiny nosakanan’ny zandariny. Jeneraly ambony grady kanefa milaza toe-javatra mirefarefa matetika. Izany ireo nomena galona jeneraly maromaro eto amin’ny firenena. Tsy hita marina sy mazava, fa tena mendrika ny firenena amin’ny fiarovana amim-pahendrena lalina ilay vahoaka sy ny firenena izy ireo. Sanatria ve ny ankamaroany dia mbola lasa miverina mifikitra amin’ny fisainan’ireo fahiny tamin’ny faha-mpanjaka fony nanita-panjakana? Hain’izy ireo ny tantara momba izany. Marobe anefa izy ireo ary andaniam-bolam-bahoaka kanefa aiza ny setrin’izany ho an’ny vahoaka? Toa tsy mahita tombontsoa amin’izy ireo ny vahoaka.

Ity fitondrana ity dia miha-miseho fa diso lasibatra amin’ny fitantanam-pirenena. Hita ho tsy mifantoka sy mifofotra tanteraka amin’ny fampandrosoana izy ireo, fa manapotika ity firenena ity ny fomba fiasany. Efa nambara hatrany fa ny mpanohitra dia tena ilain’ny fitondrana raha tiany ny hahita fahombiazana eo amin’ny fitondrana. Tsy izany loatra anefa, iaraha-mahita no mitranga. Ireo indray no enjehina ary itadiavan-kevitra isan’andro. Tsy mbola nahavita mihitsy izao fitondrana ankehitriny izao nametraka mazava sy mahitsy am-pahatsorana ao an-tsain’ny vahoaka rehetra ny amin’ny fahavalo iombonana tsy maintsy ho resena haingana anaty fotoana fohy, mba tsy hampikorosy ny firenena ao anaty fahantrana lalina. Ny asehon’ny fitondrana indray anefa, dia ireo mpiray tanindrazana, mipetraka ho mpanohitra indray no anehoany “vangy” mihitsy ny fanenjehana azy ireo ary tsy miahotra fa aseho amin’ny vahoaka izany. Hadisoana bevava eo amin’ny fitantanam-pirenena izany.

Saika isan’andro no ahenoina ny fitarainam-bahoaka, fa misy vahiny mibodo sy maka an-keriny ny taniny. Fa iza no tokony ho arovan’ny fitondrana Rajoelina voalohany indrindra? Tsy ahenoina teny momba ireny anefa ny fitondrany. Ireo vahoaka miaro ny taniny indray aza no andefasana miaramila mirongo basy. Santionany ireny fa sary maneho indrindra ny hadisoan’ny lasibatra ataon’izao fitondrana izao izany. Ka na iray alehany, manana olana amin’ny “maso” ny fitondrana, na ilay fijery sy saina namaritana ny lasibatra mihitsy no diso hatrany am-boalohany. Tsy maintsy hampisy olana eo amin’ny fitantanam-pirenena anefa izany ary tsy maintsy any amin’ny vahoaka hatrany no mifatratra ny ngidiny sy ny voka-dratsiny.

www.gvalosoa.net/2021/06/12/fiainam-pirenena-diso-lasibatra-tanteraka-izao-fitondrana-izao/

http://www.gvalosoa.net/2021/06/12/fiainam-pirenena-diso-lasibatra-tanteraka-izao-fitondrana-izao/

EDITO 12 Jona – Lanonana teny Ivato – Rajoelina no misisika amin’i Penjy, fa tsy ny mifanohitra amin’izay

Ny Valosoa

Novoizin’ny mpampahalala vaovao mpomba ny fitondrana farany izay mafy ny fanomezana fiarabe sy dabampako ny Kaomina Ivato, ary natao mirentirenty ny sarin’Ingahy Filoha Rajoelina miaraka amin’ny Ben’ny Tanànan’Ivato, izay voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara, tsy iza io fa ny namana mpanao gazety Penjy Randrianarisoa.

Ny tanjon’ny seraseran’ny fitondrana dia ny fanehoana, fa miaraka amin’ny fitondrana Ingahy Ben’ny Tanàna, kanefa hita mibaribary f’Ingahy Filoha mihitsy no misisika maka sary eo akaikin’i Penjy.

Ny namana Penjy araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay dia miara-miasa amin’izay mpitondra eo, iza no tsy nahalala fa niara-niasa tamin’ny fitondrana Hvm izy, sady izany koa no izy, satria ny olomboafidy iray rehefa lanimbahoaka dia an’ny vahoaka rehetra, fa tsy an’ny antoko izay nanolotra azy fotsiny ary raha fampandrosoana no resahina dia mila mivelatra ilay ben’ny tanàna, ka ny tombontsoan’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka no tokony ho banjinina.

Ingahy Filoha anefa hatramin’izao dia mbola tsy miala amin’ny fitafy vonimboasary, mivoy ny antokony, midika izany fa miaraka amin’ny vitsy an’isa izy ankehitriny, satria maro ireo efa manomboka tsy sahy miseho masoandro ireo mpiaradia aminy. Ireo kianja lazainy fa “manarapenitra” tokanan’Ingahy Filoha dia lokoina vonimboasary avokoa hatramin’ny Kianjan’i Barikadimy any Toamasina, izay zavabitan’ny Filoha Rajaonarimampianaina, fa ny Kianjan’i Mahamasina no tsy sahiny nolokoina satria volan’ny Fifa no nananganana an’io kianja io.

Ireo fampahalalambaovaon’ny fitondrana dia mampiakapeo, fa tsy manavaka antoko hono Ingahy Filoha, nampiana hono ny ben’ny tanànan’ Ivato satria Ivato no vavahadin’i Madagasikara, kanefa Ramatoa Lalao Ravalomanana Ben’ny Tanàna teto Antananarivo Renivohitra, renivohitr’i Madagasikara manontolo dia tsy nahazo ny sorabola efa voafaritra fa anjaran’Kaomina Antananarivo Renivohitra, nandritra ny herintaona nitondran-dRajoelina mbola nahaben’ny tanàna an’i Neny, iza koa no tsy mahatadidy ny fandikan-dalàna goavana nataon’Ingahy Filoha izay sahy niteny ampahibemaso tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra farany teo, fa ben’ny tanàna miaraka amin’ny fitondrana hono no tokony ho fidiana eto andrenivohitra hanamora ny fanampiana. Fandikan-dalàna tsotr’izao izany kanefa dia samy tsy nisy nahahetsika na ny Ceni na ny fitsarana nisahana ny fifidianana.

Tsikaritra aloha fa mahay manararaotra ny namana mpanao gazety sady tsapany fa manao pimaso tanteraka aminy Ingahy Filoha, tsy tahaka an’Ingahy Mera vazahabe efa iangaran’ny fitondrana mbola tsy mahavita mandroaka fako sy mandamina tsena, ny tsenan’Izaimaika aza moa efa ho herintaona sy tapany mbola tsy tafarina ihany, ny tena marina dia tsy mitsinjo ny fiveloman’ny hafa Ingahy Mera Vazahabe fa mbola miketrika bizina.

Manomboka izao izany dia hijery sy hanaramaso ny vahoaka Malagasy, fa Ingahy Rajoelina dia tsy manavaka antoko, dia ho hita eo.

www.gvalosoa.net/2021/06/12/edito-12-jona-lanonana-teny-ivato-rajoelina-no-misisika-amini-penjy-f...

http://www.gvalosoa.net/2021/06/12/edito-12-jona-lanonana-teny-ivato-rajoelina-no-misisika-amini-penjy-fa-tsy-ny-mifanohitra-aminizay/

Comment on Facebook EDITO 12 Jona – ...

Ra ny marina de tsy tokony hiseho @loko orange tsony ny flou sy ireo mitondra fanjakana miray antoko aminy fa.efa an'ny vahoaka izireo fa tsy an'ny antoko misy azy ireo fotsiny, sady na ny vahoaka tsy manana.firehana politika aza de nandray anjara t@fifidianana, sady voararan'ny lalam

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 12 Jona 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
www.gvalosoa.net/tahiry/
... TohinyFintinina

3 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 12 Jona 2021.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
http://www.gvalosoa.net/tahiry/

Izao ve sisa ny asan’ny jeneraly? Latsaka ambany dia ambany! ... TohinyFintinina

3 andro lasa

Izao ve sisa ny asan’ny jeneraly? Latsaka ambany dia ambany!

Comment on Facebook 1764140243706142_4067584630028347

Manao sainjaza😁😁😁

Lasa anarana fotsiny ilay general @tony personnage tony fa tsy misy hajany rehefa avy nanonga panjakana ,nanafika toby ,manadondrona ny manam pahaizana malagasy dia manenjika ny filoham pirenena nahavita lavitra no izy ,tena manalabaraka ny malagasy mihitsy ty rangahy ty

Ka tokony mofo gasy nge no hovidiny e!!

ZANDARY AHOANA IREO ?

Mitohy ny antsojay ataon’ireo zandary,
Tsy afenina intsoy f’aseho an-karihary.
Jerena sy savaina izay ho etsy Faravohitra,
Satria ao Ingahy Ravalo, lehiben’ny mpanohitra.

Mitohy ny antsojay ataon’ireo zandary.
Ny sainy mihitsy ve no efa toa marary,
F’izay mamofompofona ho avy amin’ny fanoherana,
Dia indro fa savaina na aiza n’aiza toerana!

Mitohy ny antsojay ataon’ireo zandary.
Matsatso be ny lohany, manahaka ny fary.
Raha hiaro ireo vahoaka no tokony hataony,
Manenjika mpanohitra no lasa kilalaony!

Mitohy ny antsojay ataon’ireo zandary.
Ny asany rehetra, tsy misy iray manjary!
Zandary ahoana ireo? Sao lahy mba diso toerana.
Mpampihorohoro ve? Ilana fiheverana!

TSIMIMALO (09-06-21)

www.gvalosoa.net/2021/06/12/zandary-ahoana-ireo/
... TohinyFintinina

4 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/06/12/zandary-ahoana-ireo/

Comment on Facebook ZANDARY AHOANA IREO ...

Matahotra an ra8 la frantsa

Lehilahy lehibe tsisy fahendrena

Andriamanitra tsy handron’ireo, handritsika hatrany e ! Tsy maintsy misy ny farany ary izay mamafy tsy maintsy mijinja !

Jeneraly saribakolin'ilay sarimbavy mba tsy menatra izay fianankavian'ireny

FAHAVALO NY MPANOHITRA ?

Fahavalonao mpitondra ny ao anaty fanoherana,
Fa ny sainao no maloto sy efa diso fiheverana?
Ny hany tanjona kendrena sady tena ikoropahana,
Dia ny hanomezan-danja ity ilay hoe “fisolelahana “?

Ka vao mihetsika izy ireo dia feno fatra ny hatezerana?
Hatramin’i Dada andeha hiantsena sy hihaino ireo vahoaka,
Dia efa tena maharomotra ary koa mampisafoaka?

Ka novana ny lalàna tsy hahazoan’i Dada toerana?
Dia “mpanohitra namboarina”, izany indray no hajoro angamba,
Ka ho toy ilay sarin-jaza vita tamin’ny vorodamba?

Ka tadiavina hopotehina ireo rehetra izay miserana?
Inona no firenena mety ho vanona amin’izany,
Fa ny adala no hanohy hatrany hatrany ny hadalany!

Fahavalonao mpitondra ny ao anaty fanoherana?
Ny hetsikay vahoaka anefa tena tsy azon’iza ferana,
F’izahay dia manan-jo haneho ny hevitray an-kianja,
Na hirefotra ny basy, na hipoaka koa ny vanja!

DADAN’i RIANA (01-06-21)

www.gvalosoa.net/2021/06/11/fahavalo-ny-mpanohitra/

http://www.gvalosoa.net/2021/06/11/fahavalo-ny-mpanohitra/

Jeneraly tsy mahalala menatra! ... TohinyFintinina

4 andro lasa

Comment on Facebook 4064945826958894

Mamono afo refa itany fa mamay ol mirediredy

Dia tifiro indray ny mpianatra mitaky ny zony! ... TohinyFintinina

5 andro lasa

Dia tifiro indray ny mpianatra mitaky ny zony!

Comment on Facebook 1764140243706142_4063171387136338

Aoka mba tsy hisy mpianatra ho faty eo indray

Load more