Radafy
Hatraiza marina ny fanomezan-danja omen’izao fitondrana izao ny amin’ny atao hoe « fihavanana »? Sao mandeha ila na tsy feno toy ny fiventesany ny hoe « fitiavana » izany ? Amin’ity farany dia iaraha-mahita sy mahalala tsara, fa zary an-tendro molotra ihany ny filazany izany, sy mba apetaka eny amin’ny teny filamatry ny Repoblika eny fotsiny izany, fa ny fampiharana azy tsy hita soritra mivaingana akory. Ohatra iray amin’izany, ny momba ny tranga an’i Berija. Nitomany nigogogogo ny reniny teny Anosy, nitalaho sy niangavy fatratra ny filohan’ny Repoblika, mba hamoaka ity zanany eny amin’ny fonja, fa tsy nanao inona akory. Antso an-tany efitra ihany anefa izany. Renim-pianakaviana Malagasy mitalaho mafy, tsy indray mandeha fotsiny, fa tsy misy akony amin’izany hoe “ fitiavana” indraindrain’ny fitondrana ankehitriny izany. Tranga maromaro no mitovitovy amin’izany fa tsy io iray io. Ny Mpanjaka tany aoriana ela tany, raha misy olona mbola azo avotana na hamindrana fo dia mbola nanafaka ilay olona nolazaina fa meloka ihany na dia heloka nataony aza mifanaraka amin’ny fanapahan-doha. Anisan’ny fitenenana malagasy nipoiran’ny hoe “ Ny tanety lava misy isainana” io tranga io. Ny ankehitriny mahavariana, lavitry ny afo ny kitay.
Ny fitsinjovana ny fihavanana no zava-dehibe eo amin’ny fiarahamonina Malagasy ary maha Malagasy ny Malagasy. Tsy eo amin’ny sehatra ahafahana manao politika sy ihazonana seza sy tombontsoa manokana ihany no tokony hisehoana miresaka an’izany, fa eo amin’ny lafim-piainana rehetra mihitsy mifandray amin’ny fiainam-bahoaka. Tsy ampahan’olom-bitsy na ampahana vahoaka ihany no isehosehoana mitady fihavanana, fa amin’ny Malagasy tsy ankanavaka. Fa raha mbola toy ny fomba fiasa hatramin’izay ihany no ataon’izao fitondrana izao dia ho lasa vilian-tsahona malaza tsy ihinanana fotsiny ny amin’ny atao hoe “fihavanana” eto. Lasa toy ny ronono an-tavy araka ny fitenin’ny Amiraly izany. Ny fitondrana dia tsy hita na kely aza maneho finiavana hamerina ilay tena Fihavanana Malagasy eo amin’ny vahoaka Malagasy. Hita miharihary izany amin’ny fihetsiny tsy mitsinjo afa-tsy ampahany kely amin’ny vahoaka ao anatin’izao fahasahiranana sy fahantrana lalina izao. Fahendrena Malagasy ny milaza hoe “ tanan-kavia sy havanana, izay didia-maharary”. Ny amin’izao raha marary ny iray no tsy fantatry ny iray akory. Ary mbola misy fanadihadiana atao mifandraika amin’ny politika sy tombontsoa vao indro mody maneho fanampiana. Tsy toe-tsaina Malagasy izany. Tsy niezaka nitsabo izany aretina mikiky ny fiarahamonina Malagasy izany ny fitondrana hatreto. Ary ny manahirana, raha misy olona, indrindra fa mpanohitra, no miezaka midina eny ifotony miresaka amin’ny vahoaka, dia tezitra sy sarotiny ny fitondrana ary tsy ela dia mandefa “mpitandro filaminana” izay azony baikoina tsara eo am-pelatanany.
Raha tiana marina ny hampandroso sy indrindra idedahana hoe hasandratra ny firenena, dia fototra iray lehibe hampijoro izany ny famerenana ny hasin’ny Fihavanana ilay tena maha Malagasy ny Malagasy, fa tsy kisarisary miendrika fihatsarambelatsihy. Aoka hampanjakana eto amin’ity firenena ity manomboka izao ny rariny sy hitsiny izay nohosihosena hatramin’izay, fa izany no singa lehibe anisany mandrafitra ny Fihavanana. Mila maneho môdely mazava ny fitondrana manomboka any amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny mpanatanteraka rehetra tsy ankanavaka ny amin’ny fitondran-tena amam-pihetsika sy ny fomba fiteny, fa tsy mitratrevatreva fahatany imasom-bahoaka toy ireny teny Ivato ireny. Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny am-pon’ny mahalala.