29 C
Antananarivo
Sun 24 Jan 2021 12:32

Ny Gazety Valosoa

ERITRERITRA 26 JONA

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
scattered clouds
29 ° C
29 °
29 °
45 %
2.6kmh
40 %
Sun
27 °
Mon
28 °
Tue
25 °
Wed
25 °
Thu
26 °
Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

Mandray anjara amin’ny fampielezana ny onjan’ny fandaharana Miara-manonja ny tranonkala sy FB Ny Valosoa amin'ny alalan’ny horonantsary Youtube sy horonampeo avy amin’ny fandaharana Youtube avoakan’ny AZ Radio TV.

Azo jerena sy henoina mivantana ao anaty ny tranonkala ny fandaharana.

Ho an’ireo izay mitady hevitra hiainoana horonampeon’ny fandaharana efa nandeha (MP3) dia afaka mampiditra izany avy ao amin’ny tranonkala amin’ny alalan’ny rohy etsy ambany, hahafahana mihaino milamina n’aiza n’aiza, tsy mila connexion.

Horonantsarin’ny fandaharana efa nandeha

www.gvalosoa.net/category/pub-rehetra/miara-manonja/

Ireo MP3 azo télécharger-na

Sabotsy 23 janoary 2O21 - Tatitra nataon’ireo filohan’ny vaomiera nanao fanadihadiana efatra: doublons tamin’ny lisi-pifidianana, fanodikodinana vola fanampiana tamin’ny COVID, vonoan’olona tany Farafangana, fampidirana fitaovampiadiana antsokosoko
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-23-JANVIER-2021.mp3

Zoma 22 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-22-JANVIER-2021.mp3

Alakamisy 21 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-21-JANOARY-2021.m4a

Alarobia 20 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-20-JANOARY-2021.m4a

Talata 19 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-19-JANOARY-2021.mp3

Alatsinainy 18 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-18-JANOARY-2021.mp3

Zoma 15 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-15-JANOARY-2021.mp3

Alakamisy 14 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-14-JANOARY-2021.mp3

Alarobia 13 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-13-JANOARY-2021.mp3

Talata 12 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-12-JANOARY-2021.mp3

Alatsinainy 11 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-11-JANVIER-2021.mp3

Zoma 8 janoary 2021
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-8-JANOARY-2021.mp3
... TohinyFintinina

11 ora lasa

Mandray anjara amin’ny fampielezana ny onjan’ny fandaharana Miara-manonja ny tranonkala sy FB Ny Valosoa aminny alalan’ny horonantsary Youtube sy horonampeo avy  amin’ny fandaharana Youtube avoakan’ny AZ Radio TV.

Azo jerena sy henoina mivantana ao anaty ny tranonkala ny fandaharana.

Ho an’ireo izay mitady hevitra hiainoana horonampeon’ny fandaharana efa nandeha (MP3) dia afaka mampiditra izany avy ao amin’ny tranonkala amin’ny alalan’ny rohy etsy ambany, hahafahana mihaino milamina n’aiza n’aiza, tsy mila connexion.

Horonantsarin’ny fandaharana efa nandeha

http://www.gvalosoa.net/category/pub-rehetra/miara-manonja/

Ireo MP3 azo télécharger-na

Sabotsy 23 janoary 2O21 - Tatitra nataon’ireo filohan’ny vaomiera nanao fanadihadiana efatra: doublons tamin’ny lisi-pifidianana, fanodikodinana vola fanampiana tamin’ny COVID, vonoan’olona tany Farafangana, fampidirana fitaovampiadiana antsokosoko
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-23-JANVIER-2021.mp3

Zoma 22 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-22-JANVIER-2021.mp3

Alakamisy 21 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-21-JANOARY-2021.m4a

Alarobia 20 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-20-JANOARY-2021.m4a

Talata 19 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-19-JANOARY-2021.mp3

Alatsinainy 18 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-18-JANOARY-2021.mp3

Zoma 15 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-15-JANOARY-2021.mp3

Alakamisy 14 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-14-JANOARY-2021.mp3

Alarobia 13 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-13-JANOARY-2021.mp3

Talata 12 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-12-JANOARY-2021.mp3

Alatsinainy 11 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-11-JANVIER-2021.mp3

Zoma 8 janoary 2021
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-8-JANOARY-2021.mp3

Fandaharana manokana iarahana amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo loholona filohan’ny vaomiera efatra nanao fanadihadiana mikasika:
- ny resaka ‘doublons’ tamin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana
- ny resaka fanampiana ivelany amin’ny ‘coronavirus’
- ny resaka vonoan’olona tany Farafangana
- ny fampidirana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna

Talata 19 Janoary 2021 amin’ny 7 ora sy sasany alina
... TohinyFintinina

17 ora lasa

Depiote Todisoa Andriamapandry – Mitrosona amin’ny tany ny Malagasy

Helisoa

Tsy misy izay tsy mikaikaika ny tokatrano Malagasy ankehitriny noho ny zavamisy eto amin’ny firenena hoy ny depiote Todisoa Randriamapandry voafidy tao amin’ny boriborintany faha 6 avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara.

Tena mitrosona amin’ny tany mihintsy hoy izy ny fiainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeany raha naneho hevitra tao amin’ny Miaramanonja ny tenany noho ny tsy fijeren’ny fanjakàna ny tena mahasoa ny vahoaka. Mafy ny fiainana tamin’ny fitondrana Didier Ratsiraka, fa amin’izao fitondràna Rajoelina izao dia efa mampiteny ny moana mihintsy. Io no mampiteraka ny krizy ara-tsosialy, ara-pahasalamana, ara-politika eto Madagasikara.

Raha ho an’ny fahasalamana manokana dia miakatra ankehitriny ny voan’ny valan’aretina CORONAVIRUS izay efa miisa 300 no tratra izany, ary 6 no maty. Misy ny profesora mpitsabo sy mpampianatra dia manambara fa manasitrana ny CVO, ny fanafody anie mbola atao andrana aloha azo ampiasaina profesora e! mba tazony ihany ny maha anao anao (personnalité) fa aza mila ranondranony loatra. Milaza ianareo fa isika mahay mitantana ny aretina coronavirus, dia midehaka ery. Ny tsy fantatrareo dia firenena tanora ny Afrikana ka manana hery fiarovana, fa tsy mitovy ny any amin’ny tany mandroso izay ny 65 no salataonan’ny olona any dia mora andairan’ny valan’aretina, fa tsy manana hery fiarovana intsony. Mahay mitantana ianareo, nefa ny fanafody sy ny fitaovana eny amin’ny hopitaly sy ny CSB tsy misy. Ny resaka sosialy moa tsy tenenina intsony toy ny vidin’ny jiro sy rano , vidimbary sns ….

Ny lafiny fanabeazana izay tsy mandeha amin’izay laoniny. Eo amin’ny lafiny politika dia miseho lany ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny samy mpitondra hoy ny depiote Todisoa.

Mitaraina ny depiote IRD fa ataon’ny olomboatendry Ragaova mahamay dia tsy sahy mamaly. Mijoroa ianareo fa izay no asanareo namana solombavambahoaka e!

Raha akapoka ny fitenenana dia tsy misy antenaina amin’ity fitondrana ity fa ny miala no mety aminy , indrindra ireo minisitera izay tsy mamokatra toy ny minisitry ny angovo, varotra, rano sns…., ny serasera izay tsy mahay afatsy ohatra ny olona miady antsena ireny .

www.gvalosoa.net/2021/01/23/depiote-todisoa-andriamapandry-mitrosona-aminny-tany-ny-malagasy/
... TohinyFintinina

21 ora lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/01/23/depiote-todisoa-andriamapandry-mitrosona-aminny-tany-ny-malagasy/

Comment on Facebook Depiote Todisoa ...

Ekena sa tsy ekena ,marina sa tsy marina ,oe! oe! Moa ka tsy zany va ,marina an io

Marina izany kanefa raha mbl mijanona hofampahafantarana de tsss efa hita hoe mafy ny zava-misy fa kosa miandry izahay

Misaotra Tompoko . Izao ireo vao mianatra sy mahay satria mihaino anareo . Jamban'ny vola , sy ilay herin'ny mamoana , harena , filibana , affaire be farak'izay zokiny . Kolokolo ,fahaloavana . Mikoro daholo ny amabany lanitra fa ry zareo miisa 200 sa 500 no miliba . "Nony azony ny toerany dia ny sakafonao aloha no ferany" hiran'ny MAHALEO .

View more comments

HO ANAREO RY BE GALONA

Ny fitaovam-piadiana no indro fa naderadera,
Raha nandray ny fitondrana ilay zalahy mpihoerahoera.
Dia ‘nareo ry be galona, tsy nanadihady akory
Hoe avy aiza anie ireny, f’efa voky dia natory?

Hay ny dikany dia hoe rah’ resy tamin’ny fifidianana,
Dia ny hampiasa herisetra no efa tena niomanana?
Soa fa ny olo-nifanandrina, tena nanam-pahendrena,
Ka nanaiky tsy an-tsafidy, ho tombontsoam-pirenena!

… Aiza ianao ry be galona no tsy manana hambara
Nefa miharatsy hatrany ny fizotran’ny tantara?
Aiza ilay mba velirano, moa ho “teny tsy tsaroana”,
Sa dia tena hikombom-bava f’ianareo ilay hoe “be moana”?

Dia hitohy ny fahanginana f’efa to ny faniriana?
Efa “nanateran-kena” ka tsy manana ahiana?
Dia tsy mahagaga loatra raha mitohy ny hadalana
Sy hagegena mahazatra ny mpitondra fanjakana!

Moa ireo manam-boninahitra, moa ireo no tena betsaka,
Sa ny matim-boninahitra, ireny no mifanaretsaka ?
Mampidera ny galonany, mampiseho fitiavantena,
Fa tsy miomana hijery ireo vahoaka mahonena ?

… Tsia, tsy izany velively no andrasana aminao,
Fa ny hiaro ireo vahoaka sy hitondra ainga vao.
Tsy omen-karaoty dia hangina toa soavaly anaty fahitra,
Fa mba tena olon-kendry, tena manamboninahitra!

Koa ianao ry be galona, aoka re ho arofanina,
F’aza dia minia mikimpy sy manjary sain-kanina.
Aza faly hiara-dalana amin’ireo mpisotasota
Sy ireo mihevitra azy ho “tsy mba maty na manota”!

TSIMIMALO (22-01-21)

www.gvalosoa.net/2021/01/23/ho-anareo-ry-be-galona/

http://www.gvalosoa.net/2021/01/23/ho-anareo-ry-be-galona/

Comment on Facebook HO ANAREO RY BE ...

Natao hiaro ny fitondrana ono ry be galona! f'angah ts natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany drai??Tombontsoan'mpitondra zan no jerenareo fa ts tombotsoan'vahoaka an??

Koa raha @ izao fandeham-pihainana izao izay efa tena mampahantra dia raha vao tsy manaraka baiko eo dia: -na ianao tapaka sotro fihinanana .-2: na ianao tapa-doha.

Eny ho aho ry be galona, zao no manjo anay vahoaka. Tsy mba manana mpiaro fa miady amin ny kapoaka. Asa re mba rahoviana no hifaranan' ny tantara? Fa tena leo tena leo zahay vahoaka ry IRd sy Mapar!

Aza d variana ianareo ry b galona ,fa andro ora sisa de ho tonga le fotoana ,sao ho tra parany @ hetsik ireo vahoaka ,ary ny sarom bilany anie ka tsy maintsy hipoka ,ka sao enao hievitra hoe ho tafa tsoka ,tapao ny hevitra dieny zao hiaraka @ireo vahoaka, ,haleo halanandrina toy zay halambahoaka,dieny mbola tss ny basy mipoka ,ny akanjona ho rovitra ny patalohanao ho goka

Soa fa tsy mba isan’ireo "be galona" ny tena fa dia henatra sy maty hasina, latsaka ambany mihitsy @ izao tononkalo feno fahamarinana izao.

View more comments

Mpianatra ho mpitsabo – Manainga ny fanjakàna hijery ny olan’izy ireo

Helisoa

Manatanteraka fitokonana am-pilaminana etsy Ankatso ny fikambanan’ny mpianatra ho mpitsabo etsy Ankatso ny maraina teo mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana 5 volana (Volana Febroary 2020,volana Martsa 2020,volana Oktobra 2020,volana Novambra 2020,volana Desambra 2020) miampy ny “Equipement” sy ny “Allocation de stage”.

arihina fa miisa 4500 ireo mpianatra miray feo amin’ity fitakiana ity noho izany manainga an’ ireo tompon’andraikim-panjakana hikery akaiky ny olan’ny mpianatra ho mpitsabo. Mbola ampilaminana ny fitakiana atao amin’izao , fa raha tsy mihaino ny tompon’andraikitra dia hiakatra ho mafimafy ny hetsika ataonay hoy ireo mpianatra ho mpitsabo.

www.gvalosoa.net/2021/01/23/mpianatra-ho-mpitsabo-manainga-ny-fanjakana-hijery-ny-olanizy-ireo/
... TohinyFintinina

21 ora lasa

Mpianatra ho mpitsabo – Manainga ny fanjakàna hijery ny olan’izy ireo

Helisoa

Manatanteraka fitokonana am-pilaminana etsy Ankatso ny fikambanan’ny mpianatra ho mpitsabo etsy Ankatso ny maraina teo mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana 5 volana (Volana Febroary 2020,volana Martsa 2020,volana Oktobra 2020,volana Novambra 2020,volana Desambra 2020) miampy ny “Equipement” sy ny “Allocation de stage”.

arihina fa miisa 4500 ireo mpianatra miray feo amin’ity fitakiana ity noho izany manainga an’ ireo tompon’andraikim-panjakana hikery akaiky ny olan’ny mpianatra ho mpitsabo. Mbola ampilaminana ny fitakiana atao amin’izao , fa raha tsy mihaino ny tompon’andraikitra dia hiakatra ho mafimafy ny hetsika ataonay hoy ireo mpianatra ho mpitsabo.

http://www.gvalosoa.net/2021/01/23/mpianatra-ho-mpitsabo-manainga-ny-fanjakana-hijery-ny-olanizy-ireo/

Depiote Fetra Ralambozafimbololona – Tsy nahomby ny fampiasana CVO

Ny Valosoa

Tsaroina ny dokambarotra nataon’ny filoha sy ny filazàny, fa hitodika aty ny mason’izao tontolo izao, ary hisandratra ny toe-karena Malagasy sy ny vokatra vokariny. Nandefasana CVO maimaimpoana (hono) ireo firenena afrikana toa an’i Tchad, Sénégal, Bénin,… Raha nahasitrana marina, nahoana no tsy misy nanafatra indray izy ireo, fa nisy aza firenena nilaza, fa any amin’ny fako no mety aminy, hoy ny depiote ao amin’ny depiote ao amin’ny Boriboritany faha-5, Fetra Ralambozafimbololona.

Teto an-toerana, vao tsy ela no nisy olon-tsotra nanatona nitondra fitarainana, nijoro ho vavolombelona mahakasika io CVO io. Ka nilaza izy, fa arakaraka ny nandraisana io CVO io no nitondrany takaitra, ary nisy ny tonga hatramin’ny fahafatesana.

Mazava ny teny nataon’ny sendikan’ny mpitsabo, fa tsy mbola misy ny porofo mazava, fa mitondra singa mahasitrana marina ny CVO hoy ny depiote Fetra avy amin’ny antoko TIM, fa ny mifanohitra amin’izay àry no zava-miseho, ka mitondra takaitra ho an’izay tsy mahalala, fa mety ao anatin’izany aretin’ny voa izany, ka ny fisotroana ilay CVO no namoha izany, ary nitarika fahafatesana.

Maro ny olona vonona hijoro momba ny takaitra napetraky ny CVO, ka tokony hatsahatra hoy izy. Tsy resaka tsy fitiavana vokatra Malagasy, fa zavatra kitoatoa, notapahana tao anaty tapa-bolana, tonga dia natao tanaty sase sy tavoahangy. Fa tsy nisy ny andrana. Misy ny aretina maromaro izay tsy nitranga raha tsy herinandro vitsivitsy taty aorian’ny nandraisana an’izany. Nolazaina fa fisorohana, dia maro no nisotro.

Araka izany dia takian’ny depiote Fetra Ralambozafimbololona ny hanaovana ny eny anivon’ny ministera fanadihadiana mikasika ny vokatsoa, na vokadratsy entin’ny CVO na CVO+, ary mba hisy ny fanadihadiana mikasika ireo olona voan’ny takaitra, izay vonona hijoro ho vavolombelona.

www.gvalosoa.net/2021/01/23/depiote-fetra-ralambozafimbololona-tsy-nahomby-ny-fampiasana-cvo/

http://www.gvalosoa.net/2021/01/23/depiote-fetra-ralambozafimbololona-tsy-nahomby-ny-fampiasana-cvo/

« Miara-manonja » – Miteraka fihorohoroana manarapenitra ho an’ny fitondrana

Ny Valosoa

Ampahany vitsy amin’ny mpihaino radio sisa tsy mihaino ny ” Miaramanonja “, fa na toerampiasana, na taksibe, na toerampisakafoana, na fiaran’olontsotra sns dia samy mifantoka manontolo amin’ny “miaramanonja “, hatramin’ireo olon’ny fitondrana aza dia tsy maintsy mihaino tsy fidiny, ny any ivelan’i Madagasikara indray, izay mahatsiaro ny tenany ho malagasy dia samy manongilantsofina sy mifampizara vaovao.

Mpanao gazety matihanina sy mpanao politika vita fisedrana no miaramisalahy ao amin’ny fandaharana, vaovao azo antoka sy voamarina no tanisaina ao, ary fanadihadiana voalanjalanja no avoaka ao.

Marikoditra tanteraka ireo mpitondra, satria tsy manaiky ny fanapenambava intsony ireo mpiaramanonja, ny hamehana arapahasalamana rahateo efa nofoanana nanomboka tamin’ny 18 Oktobra 2020, misy ny feo mandeha fa kasain’ny fitondrana haverina indray hono ny hamehana ara-pahasalamana tsy hampisy ny “miaramanonja ” tsy mampihetsibolomaso ireo mpiaramanonja anefa izany satria, ny tsy azo atao mandritra ny hamehana dia ny fampidirana ny antso avy any amin’ny mpihaino, fa ny ” miaramanonja ” dia tsy misy fidirana mivantana, izany no natao dia isorohana ny fihantsiana izay mety hiteraka fihoarampefy.

Sahirantsaina tanteraka ny mpitondra ka ny vahaolana hamalian’izy ireo izay ambaran’ny « miaramanonja » dia ny mampiasa ireo mpanao ” kaonty fako ” izay valinteny tsy ofisialy,fa dia valibontana tsy mitombina, vao mainka aza mampidina ny lanjan’ny fitondrana izay efa latsaka ambany tanteraka.

Ny ” miaramanonja ” anie raha miteny izy hoe: tsy voafehy ny vidimbary, na tsy lavorary ny famatsiana rano sy herin’aratra, dia tsotra ny tadiaviny amin’ny mpitondra dia ny hoe: ampidino ny vidimbary, ary ataovy araka ny tokony ho izy ny fahazoana rano fisotro madio sy herin’aratra iasan’ny olona, fa tsy izany no ataon’ny mpitondra fa mitady hanadio tena amin’izay fitaovantserasera sendra azy, tsy ao antsain’ny mpitondra mihitsy ny hamaha ny fototrolana sy mikaroka izay filan’ny vahoaka.

Raha raisina ohatra indray ny mikasika ilay volamena naondrana antsokosoko, dia fanazavana ny vaovao azo antoka sy fanadihadiana araka ny tokony ho izy no ataon’ny ” miaramanonja “, dia mibarareoka samy mitanisa izay hitsin’ny vavany ireo mahatsiaro ho tompon’andraikitra, ny mahatsikaiky dia mifanipaka tahaka ny atsimo sy avaratra ny valintenin’izy rehetra, raha tsorina toa ohatrin’ny mifampiampanga indray aza no ilazana azy rehetra .

Efa tongotra mby andakana ny ” miaramanonja ” ka tsy afaka hihemotra intsony, ary vao mainka aza mahita ho lazaina ireo mpiaramanonja, ireo vahoaka izay mihaino koa lasa mahay politika ho azy ary azo antoka fa vonona ny hiarahanonja amin’ny fotoana ivoahan’ny sioka tokana, f’ireo mpitondra no torankovitra sy tratran’ny fihorohoroana manarapenitra satria toa efa manakaiky ny fipoahan’ny sarombilany.

www.gvalosoa.net/2021/01/23/miara-manonja-miteraka-fihorohoroana-manarapenitra-ho-anny-fitondrana/

http://www.gvalosoa.net/2021/01/23/miara-manonja-miteraka-fihorohoroana-manarapenitra-ho-anny-fitondrana/

Comment on Facebook « Miara-manonja » ...

Nga mbola tsy fantatra ny anaran ny lay tena ati doha nikotrika ilay volamena e , mba mila valiny matotra e

Alefa miara manonja

Liana

Mankasitraka ny Miaramanonja dia Mba asio miara manonja koa any amin.ny faritra e!

Atreto aloha ianareo ao Tana ihany no maheno anzan fa ny aty @faritra tsis maheno ra tsy izay manana canal+ anga

Hoy ny kihirahiranay ankizy t@izany : AMIN FIRY NY FIOANA , AMIN FIRY NY FITOANA . 1 iray maka bahana izao e .

.👍👍👍👍👍

View more comments

Mbola tsy hita ny 4F ny FFKM – Toa mitsikombakomba amin’ny fitondrana izy ireo

Ny Valosoa

Ny taona 2020 no feno efapolo taona ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny « FFKM » satria ny taona 1980 no nifanaraka ireo fiangonana 4 lehibe indrindra dia ny EEM, EKAR, FJKM, FLM fa hivondrona hampivavaka ny malagasy ao anatin’ny fanajana ny finoan’ny tsirairay, ary tsy nijanona amin’ny fampiraisana sy ny fitaomana ny mpiray firenena fotsiny hibebaka fa tonga hatramin’ny fahasahiana mijoro hilaza ny tsy mety rehetra eto amin’ny firenena.

Ny tantara dia manaporofo ny fandraisan’andraikitrin’ny FFKM tamin’ny taona 1991 sy 2002, saingy azo lazaina ho nandamoka ny FFKM tamin’ny taona 2009, taona vitsivitsy taorian’izany anefa dia nijoro indray ireo ray amandreny FFKM ary nanao ho filamatra ny 4F (Fibebahana, Fiainkenkeloka, Fahamarinana, Fihavanana), samy mavesadanja avokoa ireo teny efatra ireo, ary azo inoana fa ampy hanarenana an’i Madagasikara raha ampiharina araka ny tokony ho izy, saingy indrisy fa tsy izany no miseho fa toa fahanginana no asetrin’ireo ray amandreny FFKM ireo antsoantso avy amin’ny vahoaka difotrin’ny fahantrana sy valakin’ny tsy fahandriampahalemana ary ianjadian’ny zaramiangatra.

Nanomboka tamin’ny taona 2020 dia tsy nisy intsony ny fifampiarahabana noho ny taombaovao izay tokony tarihan’ny filohan’ny repoblika, kanefa tsy nahasakana ireo ray amandreny FFKM tsy ho tonga teny andapa izany niarahaba an’Ingahy Filoha izany, tamin’ity taona 2021 ity koa dia mbola teny izy ireo ny Zoma 8 Janoary 2021, voaray soamantsara ary nahazo ny tsodrano sahaza azy Ingahy filoha, marihana fa tamin’io 8 Janoary 2021 io dia efa nivoaka ny resaka fanondranana antsokosoko volamena milanja 73 kg mahery tatsy Afrika Atsimo, hatramin’izao isika miteny izao anefa dia tsy nandrenesampeo ireo ray amandreny FFKM, mikasika ny fanadihadiana nataon’ireo loholona teo aloha izay azo lazaina hoe fihetsika mifanaraka amin’ny 4F dia andrasana izay lazain’ireo ray amandrenimpiangonana, ary entanina ireo loholona hanao antondraharaha mihitsy ny fanomezana ireo antontakevitra momba ny fanadihadiana ho an’ireo ray amandreny FFKM, fa tena ilaina izany satria sady manome lanja ny fahamarinana sy manamafy ny fihavanana ary indrindra azo inoana fa hitondra ambavaka ireo ray amandreny lolohavina antampon’ny loha ireo.

Sembandrahona ny fankalazana ny fahefapolo taonan’ny FFKM tamin’ny taondasa noho ny fahalasanan’ny Filohan’ny FLM izay sady Filohan’ny FFKM tamin’ny taondasa, teo koa ny aretina koronaviriosy izay tsy nahafahanihetsika firy, efa nampanantena anefa ireo ray amandreny FFKM fa hitohy amin’ity taona ity ny fankalazana, koa mino sy manantena amimpitiavana ireo mpino kristiana malagasy rehetra fa hiroso lalina amin’ny fampiharana ny 4F ireo ray amandreny FFKM, izany rahateo no tokony ho tsangambato sahaza ny fahaefapolo taona, mba ahatonga ny vahoaka malagasy ihany koa, tsy alaimpanahy hiheritreritra hoe nahazo be tany amin’Ingahy Filoha izy efa-dahy ka minia tsy miteny, fa ahiahy ihany izany, ny azo inoana dia hijoro amin’ny mahaolomboahosotra azy ireo ray amandreny mendri-kaja tsy voavidy vola ireo.

www.gvalosoa.net/2021/01/23/mbola-tsy-hita-ny-4f-ny-ffkm-toa-mitsikombakomba-aminny-fitondrana-iz...

http://www.gvalosoa.net/2021/01/23/mbola-tsy-hita-ny-4f-ny-ffkm-toa-mitsikombakomba-aminny-fitondrana-izy-ireo/

Comment on Facebook 1764140243706142_3672086096244871

Efa tagiditra ao ampiangonana ny politikamaloton'i volomboasary

EDITO 23 Janoary – Manakona ireo mpanao asa soa ny fitondrana

Sôh’son

Hafahafa ny fihetsik’ity fitondrana ankehitriny ity. Efa tsikaritra izany, tamin’ny fotoana nisian’ny tondra-dranobe tamin’ny faritra samihafa teto amin’ny firenena tamin’ny taon-dasa. Nisarika ny sain’ny maro anefa ny fitohizan’izany ankehitriny ao anatin’izao main-tany izao any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy isian’ny mponina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere.

Niaraha-nahalala, fa ankoatra ny vitan’ny fitondrana dia maro amin’ireo olom-pirenena ao anaty fikambanana samihafa no tsy mijery fotsiny fa mitondra anjara birikiny ihany koa amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana. Dia namoaka feo ny fitondrana fa tsy maintsy mankao aminy aloha ny fanampiana arty izy no mitsinjara azy avy eo. Niaraha-nahita ny fisakanana ilay mpanao politika iray tany Ambatondrazaka tamin’ny fotoan’androny. Nisy koa anefa izany toe-javatra izany vao tsy ela izay.

Tsy mampaninona loatra, izay fomba fiasa izay amin’ny lafiny iray, ndeha tsy asiana resaka, fa ny tena manahirana ny sain’ny mpandinika, dia ilay fihetsika sy fiteny amin’ny fotoana hizarana ny fanampiana amin’ny vahoaka. Voamarika, fa tsy re mitanisa ireo mpanao asa soa ny mpitondra. Ary ny re matetika, dia toy ny avy amin’ny fitondrana ihany na avy amin’ny Filohan’ny Repoblika irery ihany no nanolotra ilay fanampiana ho an’ny vahoaka mila vonjy. Toy ny izy ireo ihany no tena mahay manampy ny mpiray tanindrazana sy tena manao asa fitsinjovana vahoaka ao anatin’izany, ary izany no tiana ampitaina sy ampidirina ao an-tsain’ireo vahoaka anaovana izany.

Inona ny olan’ny fitondrana amin’ny fifanomezan-tanann’ny samy Malagasy? Lafiratsiny aza no mety ho fiantraikan’izany, satria amin’ny soatoavina Malagasy sy ny tena Malagasy dia mahatsara fihavanana ny fifanampiana, ny fifanomezan-tanana, mitondra zavatra tsara ho amin’ny firaisan-kina, sns. Ny fanasiana elanelana toy ny ataon’ny fitondrana resahina eto, dia manamaivana izany soatoavina sy maha Malagasy ny Malagasy izany. Ny mifanohitra amin’izany anefa no irina sy tena katsahina, dia ny iverenan’ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy sy ny fampiorenana indray ny firaisan-kina.

Nisy fomba fiasa anefa nataon’ny fitondrana, anisany ny tao anaty krizy ara-pahasalamana sy ny fahasahiranam-bahoaka lalina ireny, vao mainka nampitriatra ilay lambam-pihavanana sy firaisankinan’ny samy vahoaka. Mazava loatra fa miendrika kobaka am-bava, sy miteniteny fotsiny ihany ny mpitondra amin’io resaka fihavanana io.

Izao mampiaka-peo ny mpikambana eo anivon’ny Fedep amin’ny tsy fisian’ny fanapahan-kevitra ataon’ny fitondrana momba azy ireo, izay marika ny fampihavanana eto amin’ny firenena. Tranga iray izao toe-javatra izao manampy trotraka amin’ny fihombon’ny tsy fifampitokisana sy ny hantsana manasaraka ny vahoaka sy ny fitondrana.

www.gvalosoa.net/2021/01/23/edito-23-janoary-manakona-ireo-mpanao-asa-soa-ny-fitondrana/

http://www.gvalosoa.net/2021/01/23/edito-23-janoary-manakona-ireo-mpanao-asa-soa-ny-fitondrana/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 23 Janoary 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
... TohinyFintinina

21 ora lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 23 Janoary 2021.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net

Hay ve ny dikan’ny laïka katolika e! Mahay ianao prezidà. Fanina mihitsy izahay. ... TohinyFintinina

1 andro lasa

Hay ve ny dikan’ny laïka katolika e! Mahay ianao prezidà. Fanina mihitsy izahay.

Nisy ny fanononana ny anaran’i Andry Rajoelina na tamin’ny ireny "enquête parlementaire" nivoaka ireny, na tamin’ny raharaha volamena 73,5kg, teny amin’ny gazety, teny amin’ny tambazotra serasera, tao amin’ny fandaharana Miara-manonja.

Voaresaka koa ny rainy, Yves Roger Rajoelina, ilay mpamoaka volamena hatramin’ny 60kg isankerinandro nandritra ny tetezamita.

Dia ny mamo indray ve ity no hiantso pôlisy? Dia i Andry Rajoelina indray ve no handeha hitory ireo miaraka manonja sahy milaza ny marina? Hiròna tanteraka any amin’ny jadona ve isika sa mba vonona hanazava ny tena marina i Andry Rajoelina mikasika izay voalaza momba azy rehetra?

Ahoana raha sahy mba manao fandaharana mivantana amin’ny haino aman-jery hitafa amin’ny lehiben’ny mpanohitra?

Fa izy aloha izao no mitondra koa!
... TohinyFintinina

1 andro lasa

Nisy ny fanononana ny anaran’i Andry Rajoelina na tamin’ny ireny enquête parlementaire nivoaka ireny, na tamin’ny raharaha volamena 73,5kg, teny amin’ny gazety, teny amin’ny tambazotra serasera, tao amin’ny fandaharana Miara-manonja.

Voaresaka koa ny rainy, Yves Roger Rajoelina, ilay mpamoaka volamena hatramin’ny 60kg isankerinandro nandritra ny tetezamita.

Dia ny mamo indray ve ity no hiantso pôlisy? Dia i Andry Rajoelina indray ve no handeha hitory ireo miaraka manonja sahy milaza ny marina? Hiròna tanteraka any amin’ny jadona ve isika sa mba vonona hanazava ny tena marina i Andry Rajoelina mikasika izay voalaza momba azy rehetra?

Ahoana raha sahy mba manao fandaharana mivantana amin’ny haino aman-jery hitafa amin’ny lehiben’ny mpanohitra?

Fa izy aloha izao no mitondra koa!

Comment on Facebook Nisy ny fanononana ...

Tsy ny madinika fôna no he'jehina eto fa aleo mba samy hizaka ny nataony aby.

Hitory zay milaza ny marina v????🤭🤭🤭Loza 🤭🤭🤭

Ny fokonolona mampandohalika ny Fanjakana! Ny enquête parlementaire mikasika ny doublons sy ny raharaha volamena 73,5kg mampandohalika an’i Andry Rajoelina. Alefa prezidà! Mbôla 13 fô vô 73 basy? 60 ny an’ny dadany, 13 ny azy 60 + 13 = 73! Gay gay gay ... mahery e!

Andry Rajoelina – Volamena 150 taonina isan-taona – Tsy avelany ho sitrahan’ny Malagasy

Tsy nieritreritra, tsy mieritreritra ary tsy hieritreritra ny hamoaka ny vahoaka Malagasy amin’ny fahantrana mandrakizay i Andry Rajoelina sy ireo forongony, ary vonona ny hamono azy aza. “Mpamono olona! Assassin! Killer!” no azo amehezana azy araka ny sary efa nivoaka tamin’ny tranonkala sy FB Ny Valosoa taona lasa. Onja roa matanjaka no isany nipoaka androany 21 janoary 2021 tao amin’ny fandaharana Miara-manonja manamarina izany.

Ny onja voalohany dia mifandraika amin’ny raharaha fampidirana fitaovam-piadiana raitra tsy ara-dalàna tamin’ny taona 2018 nialoha kely ny fifidiana filohan’ny repoblika. Ny tatitra nataon’ny loholona tompon’andraikitra tamin’ny vaomiera fanadihadiana momba izany teo anivon’ny haino aman-jery moa dia efa nanambara mazava fa tsy ara-dalàna ny fidiran’ireo fitaovam-piadiana ireo. Fa ny vaovao azo androany dia ny porofo mazava nentin’ny mpanao gazety sy mpanao politika Guy Ralaiseheno fa i Andry Rajoelina mihitsy no tompon’andraikitra tamin’izany. Ny 16 oktobra 2018 tamin’ny maha-filoha mpanorina ny IEM azy no nanao fangatahana halalana ny tenany hanao fanandramana na “mission d’expérimentation” tamin’ny ministry ny fiarovam-pirenena, izay hanafarana “experts” avy ao Afrika Atsimo hampiseho ny fampiasana “drones”. Izany karazana zava-manidina izany dia mahatratra velarana 4m, afaka misidina haavo 4km ary halavirana 360km. Nolavin’ny ministry ny fiarovam-pirenena anefa izany fangatahana izany noho ny fifidianana efa manakaiky ary hisian’ny filaminana. Ahoana anefa ny hatairana fa indreny “drones” niisa telo no niseho ny andron’ny fiainianan’i Andry Rajoelina ho filohan’ny repoblika ny 19 janoary 2019.

Ankoatr’ireo “drones” dia efa tazan’ny rehetra koa ireny fitaovam-piadiana raitra toy ny “blindés” izay tafiditra an-tsokosoko teto amin’ny firenena, izay manitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena. Ny tompon’andraikitra, ministra telo, tamin’izany fotoana izany anefa dia nilaza mazava fa tsy izy no nanafatra ny fitaovam-piadiana ary tsy nisy tetibola 2018 natokana ho an’izany. Nandramana nosaromana indray fa hoe tao amin’ny tetibola 2017 no nandaniana 15 miliara ariary, kanefa vokatry ny fikarohana dia basy no nafarana tamin’izany. Mazava araka izany fa i Andry Rajoelina no nanam-pikasana hanafatra ireo fitaovam-piadiana ary nahatafiditra izany an-tsokosoko.

Ny gazety “Mediapart”moa dia efa namoaka tamin’ny tranonkalany mikasika an’io fanafarana fitaovam-piadiana tamin’ny taona 2019, ary nilazàny fa ny orinasa “Auto Diffusion” tantanan’i Mamy Ravatomanga, ilay akama tsy foin’i Andry Rajoelina, no nanafatra ireo fitaovam-piadiana ireo, ary tsy afa-bela amin’izany ny praiministra, Christian Ntsay, ny ministry ny atitany Tianarivelo Razafimahefa ary ny talen’ny ladoany Narivony Rabenja, raha tsy hilaza an’ireo fotsiny.

Izany rehetra izany dia mampiseho fa fiomanana sy fahavononana haka fahefana n’inon-kidona n’inon-kihatra ny an’i Andry Rajoelina. Tsaroina ny tsy fihafahafàny nandatsa-dra tamin’ny 7 febroary 2009 ireny, ka azo saintsainina fa raha resy tamin’ny fifidianana teo izy dia nihoatra lavitra ny tamin’ny 7 febroary ny rà latsaka. Soa fa hendry ny filoha Marc Ravalomanana ka nanaiky ny fanambarana navoakan’ny HCC.

Ny onja faharoa dia avy amin’i Tabera Randriamanantsoa, filoha lefitry ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) sy mpitarika ao amin’ny CRN (Filankevitra amin’ny Fampihavanam-pirenena), izay namaky bantsilana ny fihetsika mamoa fady nataon’i Andry Rajoelina ka tsy namelany ny Malagasy hisitraka ny tombon-tsoa avy amin’ny harena volamena avokatr’ity Nosy ity.

Tamin’ny fotoana tetezamita izay naha-ministra an’i Tabera Randriamanantsoa no miseho ity tantara ity, izay resaka volamena ihany koa. Tsikaritra tamin’izany fa gaboraraka ny fanondranana volamena, ary fantatra fa i Yves Roger Rajoelina, rain’i Andry Rajoelina, kolonely misotro ronono, dia nahavita nanondrana volamena nahatratra 60kg isan-kerinandro amin’ny alalan’ny fiaramanidina. Rehefa nandeha ny vaovao tao anaty governemanta fa nisy izany fanondranana volamena isan-kerinandro izany dia tapakevitra ny ministry ny indostria, Ramatoa Daniela Randriafeno, fa hamolavola tetikasa amehezana izany gaboraraka manodidina ny volamena izany, ka ny Banky Foibe no hifehy ny volamena 150 taonina vokarin’ny firenena isan-taona. Nentina teo amin’ny filankevitry ny ministra àry ny tetikasa, indroa miantoana, ary dia lany ny talata faharoa. Taorian’ny fivoriana faharoa no nantsoin’i Andry Rajoelina ny ministry ny indostria mba tsy hitondra ny tetikasa eo anatrehan’ny filankevitry ny ministra ny alarobia manaraka raha tsy izany dia ho roahiny. Teo ny ministra Daniela Randriafeno no niantso vonjy tamin’i Tabera Randriamanantsoa, izay avy hatrany dia namorona ekipa hiarovana azy. Rehefa tonga ny fotoana fivorian’ny filankevitry ny ministra, ka anjaran’ny ministry ny indostria ny nandray fitenenana dia tsy nisy resaka ilay tetikasa fa lahakevitra hafa no resaka. Teo anatrehan’ny fanontaniana napetraky ny ministra Tabera Randriamanantsoa tamin’i Andry Rajoelina momba ny antony dia novaliany fa izy no nanala ny lahadresaka tetikasa amehezan’ny Banky Foibe ny volamena. Teo dia rava ny fivoriana tao anaty 15 minitra fotsiny ary lasa nitsoaka ny filohan’ny tetezamita.

Izany sy izany no nahatonga ny filoha Albert Zafy nitory an’ny rain’i Andry Rajoelina. Io fitoriana io dia mbola misarona ao amin’ny Fitsaràna ao, tsy misy tohiny. Tsy mahagaga, hoy i Tabera Randriamantsoa, raha mivoaka izao raharaha volamena izao satria resaka niverina matetika nandritra ny filankevitry ny ministra nandritra ny tetezamita ny resaka volamena. Tsy vitan’ny volamena ihany hoy izy fa ao koa ny resaka “bois de rose” ary mbola maro ny dosie navelan’ny filoha Albert Zafy manameloka an’i Andry Rajoelina ho mpangalatra sy mpandainga rehefa vonona ny Fitsaràna tena ara-drariny. Mbola ao koa ny resaka Remenabila tany Atsimo izay tetika famongarana ny mponina hahafahana mitrandraka diamondra. Tsy gaga isika raha tsy nisy ny fandraisan’andraikitra mialoha mikasika ny kere. Ny antony dia paikady maizina avo lenta hanesorana ny mponina hahafahana mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany. Fanahy tena maizina mihitsy izany miketrika ny hamela olona ho mosary mba hialàny amin’ny taniny.

Hita taratra araka izany fa tena mpamono olona i Andry Rajoelina, misary amboadia mitafy hodin-janakondry. Nahavitàna Paris sy Miami ary ireo velirano nampanantenainy rehetra izany tetikasa amehezan’ny Banky Foibe volamena 150 taonina isan-taona izany, raha tena nikatsaka ny soa ho an’ny Malagasy izy, saingy mazava izao fa kasainy ho fehezina ho azy sy ny fianakaviany ary ny akamakama samirery ny harem-pirenena.

Koa fotoana izao itsanganan’ireo olompirenena rehetra miandrandra ny tena fivoarana ary fialàna amin’ny fahantrana, hiara-kanonja, hiara-kijoro hitaky fanazavàna avy amin’i Andry Rajoelina mikasika ireo asa ratsy rehetra nataony; ilay Andry Rajoelina izay nampindramin’ny vahoaka fahefana fa tsy tompony akory. Fotoana izao hoy i Tabera Randriamanantsoa hanatanterahana ny hetahetan’ny filoha Albert Zafy, hihavanan’ny vahoaka Malagasy, hitantanantsika ny harentsika, ny toe-karentsika, hijoroan’ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana hiaro sy hilaza ny marina. Raha izay no tanteraka dia hiala amin’izao fahantrana sy fijaliana isan’andro vaky izao vetivety ny Malagasy manerana ny Nosy, “dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay!”.

Nangonin’i Lanzelo

Rohy:
Madagascar : une armée divisée et mercenaire
blogs.mediapart.fr/la-voix-du-sud/blog/010519/madagascar-une-armee-divisee-et-mercenaire

Mpamono olona - Assassin - Killer
www.facebook.com/1764140243706142/posts/2882148821905273

Sabotsy 23 janoary 2O21 - Tatitra nataon’ireo filohan’ny vaomiera nanao fanadihadiana efatra: doublons tamin’ny lisi-pifidianana, fanodinkodinana vola fanampiana tamin’ny COVID, vonoan’olona tany Farafangana, fampidirana fitaovampiadiana antsokosoko
>>> Horonantsary
fb.watch/3cUZ1EWHnz/
>>> Horonampeo
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-23-JANVIER-2021.mp3

Fandaharana Miara-manonja 21 janoary 2021
‘https://youtu.be/Os6tJ1Qu68E

www.gvalosoa.net/2021/01/22/andry-rajoelina-volamena-150-taonina-isan-taona-tsy-avelany-ho-sitrah...
... TohinyFintinina

2 andro lasa

https://blogs.mediapart.fr/la-voix-du-sud/blog/010519/madagascar-une-armee-divisee-et-mercenaire

Mpamono olona - Assassin - Killer
https://www.facebook.com/1764140243706142/posts/2882148821905273

Sabotsy 23 janoary 2O21 - Tatitra nataon’ireo filohan’ny vaomiera nanao fanadihadiana efatra: doublons tamin’ny lisi-pifidianana, fanodinkodinana vola fanampiana tamin’ny COVID, vonoan’olona tany Farafangana, fampidirana fitaovampiadiana antsokosoko
>>> Horonantsary
https://fb.watch/3cUZ1EWHnz/
>>> Horonampeo
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/01/MIARA-MANONJA-23-JANVIER-2021.mp3

Fandaharana Miara-manonja 21 janoary 2021
‘https://youtu.be/Os6tJ1Qu68E

http://www.gvalosoa.net/2021/01/22/andry-rajoelina-volamena-150-taonina-isan-taona-tsy-avelany-ho-sitrahanny-malagasy/

Comment on Facebook 1764140243706142_3668009666652514

Tsy afaka hitondra am-pilaminan-tsaina intsony ialahy ry boaikely!... na mampiasa jadona bebe kokoa na misintaka mametra-pialàna kely aloha. Tsy misy hevitra fa mandroso maty raibe, mihemotra maty renibe. Dia aleo ny Malagasy hisitraka ny ho aviny izay mendrika azy amin’izay.

Zafatra frantsay ao amabadika Firenena faran ts manjar ambon tany Manao kara ataon moka am olombelo ataon am Africa, mitsetsitry toa rh hainy

Hipoaka tsy ho ela n'y sarom bilany an!hita mintsy @ Zao fitondrany Zao,fa tsy misy firarahina n'y fianinam bahoaka n'a kely aza.Tsy rarahiny na ahantra,s'y tsy hivoatra mintsy aza.Ny azy dé n'y affaires Maloto , halatra harem pirenena,firaisana tsikombakomba @ reo akamany , Tsy fantany mantsy fa mipoitra tsikelikely n'y nafenina rehetra.Azo Lazaina fa Tratra !! N'y Vahoaka koa tsy manaiky intsony !! miandry n'y tohiny isika !! mifohaza @ Zay ry Malagasy !!

Mihala i Andry Rajoelina DOUBLON, ary zay harena ny Malagasy misy porofo naboakandreo, tsy maintsy miverina hoany vahoaka Malagasy rehetra eto Madagascar. Varavaragna AFOBÉ miandry ry Andry Rajoelina DOUBLON mihanakavy

Ary le diamand any antsimo,.de mody ampiakarina aty.ry.zareo any mbo angalana n harempirenena

Mba tiako ho fakafakaina ao aminy miara manonja ny raharaha 2002 iny ry Ny_Valosoa_Vaovao

Izany rehetra izany dia efa fantatra ary tsy mahagaga satria mpanongam-panjakana ilay resahana. Fa kosa inona ny fandraisan'ny vahoaka Malagasy izany rehetra izany. Ny tsapa dia tsisy miraika na inona na inona ataon'ireo mpisandoka ireo nanomboka ny 2009 ka hatramin'ny 2040. Tsy ny fidinana andalambe sy fanonganam-panjakana koa no vahaolana fa mila tetika matipaika mba tsy hiverenan'ny karazana olona toy izao amin'ny fitondrana intsony. Fehiny, any anaty fiaraha-mionona any ny vahaolana. Omeo ny olon-dratsy foana ny adidy fa aza mijoro dia aza mimenomenona intsony rehefa manao izay tiany izy.

Mb diniho sad vakio tsar alo lay soratr(21 febroar) sao de ts inoan olon eo

Aleo henjean omby masika toy izay henjean ertrertr,manody n alahelonay vahoka mandinika.

Voatampitay daholo ny maso raha milaza ny marina fa ny fanenjehana sy fanaratsiana an_dRavalomanana foana no masaka antsaina ,na dia efa hita izao ny haratsian'zao fitondrana izao dia mbola misy manamaritena ihany, kanefa tena pire lavitra noho ny tamin'ny fitondran'i Ravalomanana sy Rajaonarimampianina!

Mila miasa ny vahoaka fa tsy variana iantehitra amina fanjankana raa miamaro ny mangady volamena sy safira de miavitsy kosa ny mpamboly vary de tokony tsy mitaraina ny gasr raa miakatra ny vidimbary

Ahitsy Razakandisa dia rain'i Mialy....Rohy miara-manonja 21 janvier 2021(fa tsy febroary)

Miala tsiny fa mbola tsy afaka n'y hino tanteraka Aho sady tiako n'y mametraka présomption d'innocence alin'olona.Fomban'ny mpanqo politique manko n'y mufagnaratsy.Raha hadihadiana ireo nitondra rehetra Dia Samy nanao n'y tsy mettre Ary misy Aza mety ho ratsy lavitra nohon'ity.Ny sida Ataoko Dia Hivavaka ho an' y tanindrazana satria Madagascar ity nomen' Andriamanitra harena saingy tsy nambinina izy.Hivavaka ho an' n'y mpanqo politique MBA ho afaka am fitiavantena Ka MBA hanana fo ho an' n'y tanindrazana.Mifanakiana, mifampatoky, mifampatoky ent foana n'y mpanqo politique néfa ady taolana ni tena Antony fa tsy fitiavantanindrazana

Tontakely, trafiquants no nandrombaka naka ny fahefana, halatra daholo no ao anatin'ny atidohan'ireo fa tsy misy na iray monja aza fitsinjovana ny vahoaka !

Aza dia faly mamoaka zavatra tsy marinaaminy vahoaka fa tsy mety, tsy ho tanteraka mihitsy ny nofinofinareo na dia hamoron-dainga iray kotonera aza .Fa raha tena marina no lazaina dia mba asio porofo jerena fa ny olona rehetra tompoka tsy vendrana avokoa .

Efa Nona b daolu ku' ts afk mia dy tsun on e

Tsy misy mitombona,fomban'ny olona very tombotsoa no mitatatata eny mamorondainga mihintsy aza,rava foana io ra hankasitrahan'Andriamanitra toy ny teo aloha fa matoa io aloha mbola eo hankasitrahany,ary inona mo no tsy naha tany Sambatra an'i Madagasikara fony ireo nanàna ny fahefany teo? izao ndray milaza fa ahasabatra ny tanindrazana raha mahazo seza eo.....

Sady mbola nanao hadisoana faratampony dia ny hiady ny olomasin Avo indrindra sns #Miala no mety aminy ary tsy miandry ela io na volana maro fa ato2 vakio ao@ journal ny atsipirihany

Tambanjotra enjan mhts zn ity marampenitr

Tena zavatra kely fotsiny sisa dia mibolisatra ty fitondrana ty

Efa kaontiny tsy maintsy miala izy e.efa ts afa mamindra lavitra ibtsony io

Iza.va re no mba olomanga Malagasy @zao mba ho sahy hijoro tahaka ireo ray amandreny lehibe taloha niaro.an'i Mada,indrisy anefa lany olomanga lay Nosy.,samy voatapin'i million 1dia mangina sy mitaza-potsiny.,ny.vahoaka madinika trotraky ny fiainana andavan'andro dia tsy afa-mitraotra.na.dia malahelo aza, maro koa ireo sodokan'ny mena miraviravy sy fampanantenana poakaty kanefa efa fantatra ny fomban'izany Rajoelina nanomboka 2009dia mbola nifidy azy ihany ny hendry rehetra

Mila mirodana mintsy io Fanjakan' ny maizina ( dévoly) rehetra satria izy rehetra ireo dia maizina avokoa rehefa mazava no mitondra eo ( olonandriamanitra) tsy izy koa ireo ankamaroan'ny filohan'ny fiangonana fa mbola naman' zareo mpanompo dévoly ireo mpamita vahoaka tandremo fa manao sary vazaha mody miady ireo ny tandron-dreo dia hamitaka antsika Ary mamafy lainga mba hagalarana ny harenatsika, Ary ireo tsy mivakiloha ny fiainatsika izany Ary izy ireo dia mihevitra antsika ratsy lavitra noho ny biby.

99 andro Ihany n'y azy fa ny 1 any vahoaka

Betsaka ny zvt tiko lazaina eto satria matsiaro voarebireby t@ propagandy nefa za tsy mahazaka mangahazo maina dia aleo atao fotsiny hoe: hahaha 😂 Zalah avy eo manana vola anaovana propagandy mipoaka b. Hmmm ! Hahaha 😂

View more comments

Fandaharana Miara-manonja – Raharaha volamena – Anaty tambazotra i Norbert Lala Ratsirahonana

Ny Valosoa

Tao anaty ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona no novoriana ireo ben’ny tanàna. Ny nahagaga dia fotoana lava no niompanan’ny resaka volamena, ary Ingahy Norbert Lala Ratsihonana no nandrindra io resaka io. Tamin’izany no nilazany fa “Ingahy Rabetsaroana dia vonona handray izay volamena avokatrareo, izay manana volamena … Raha misy manana volamena any, na afaka mikarakara volamena, ento hono ho vidiny”. Ary mbola nampiany hoe: “… aiza indray ianao no hi-praopagandy rangahy ity e … rehefa tsy manan-karena amin’izany ianareo tsy manan-karena intsony.”

Fifanandrifian-javatra ve izany sa resaka tambazotra goavana?

Azo an-tsaina fa tsy misy taratasy izany fividianana volamena izany ary fampielezan-kevitra no atao, kanefa fanelanelanana amina varotra volamena ao anaty tambazotra goavana no miseho eto. Tsy mahagaga araka izany iny tranga famoahana antsokosoko ny volamena 73,7kg tany Afrika Atsimo iny, izay santionany fotsiny amin’izay efa naondran’ny tambazotra izay itsabahan’izao fitondrana izao, raha tsy hilaza fa tena isan’ny tompon’andraikitra.

Mbola tsy tapitra ny marina izay hipoitra ary eto isika hanaraka ny tohiny. Mazotoa manaraka ny fandaharana Miara-manonja.

youtu.be/yhzBKsU8beY?t=6086

www.gvalosoa.net/2021/01/21/fandaharana-miara-manonja-raharaha-volamena-anaty-tambazotra-i-norber...
... TohinyFintinina

3 andro lasa

https://youtu.be/yhzBKsU8beY?t=6086

http://www.gvalosoa.net/2021/01/21/fandaharana-miara-manonja-raharaha-volamena-anaty-tambazotra-i-norbert-lala-ratsirahonana/

Comment on Facebook 1764140243706142_3666484826804998

Misy raha la terre!

Tsy matimanota, alevina n'y anaranao s'y n'y akamanao Ratsiraka,kanefa koa Alou,tokony hotsaraina, dé gadraina! fetsy tay!,mpanakorontana Firenena, aza atao hitako,fa ataoko.... Ataovy rehanay ihany ange enao e?!n'y Vahoaka @ Zao Efa tsy fahanan dalitra intsony!

N'y ratsy atao loza miantona , vakio tsara daholo ny coms n'olona rehetra fa alahelon'ny olona enao rangahy ty ozona ho an'ny taranaka faramandimbinao zany ary hibaby an'zany tsy ho ela nareo mianakavy

Antitra io vo hihinana ny tady kirarony sady ela nanaovana ! Misy farany ny raha jiaby!

Otran le akohlah litakely bongomaso panapwdroa ireny n masony

Olona tsivanona io tokony efa any pasana izy ratsiraka na voany covid diamant maty

loaka ny lanitra rah avo loatra ny hazo ô

Aleo hitsikafona ny marina

Itony no tena fanetry be. Manao fahanteran'alika.

Fototr in i afo mahamay kibory io Fototri n i fahatran i malagasy avy amin io Ragah io

Ty koa lou..... hummmmm

Otrany tsy mahay mipetraka koa io an

Bianco sy Pac tsy taitra amin'izao kosa aloha dia efa kolikoly tsy takona afenina intsony!!!

Tsy gisitra mihitsy Ratsikirity akaman'iBobon Vorona na dia antitra aza

Fanjakan'ny lanitra no iadivo mafy fa kalalao tsy mateza fa raha lasanao aza zao tontolo zao de tsy ho afapo mihitsy ianao

Fa mbola ts ampy anio ihany ve ny volabe s ny harena be eee??? Ts mahazaka anie owa eeee

Tratra ndray Ratompokolahy!😂😂😂😂😂😂

Hay mbola mananga velona eto Mcar ihn Ty ratompokolahy Ty?¿

tena tsy nampoiziko koa iny raha iray iny an! nikorosofahana tanteraka mihitsy ty mpanao politika raiky ty!...ho RATSY FIAFARA rah zao!

sode haka retrety any any Tsiafahy n farany ry ngabe dinôsôro fa mipetraha @ zay tsara a

Dadabe ah mimpetraka tsara fa efa ela nihinana ny mami ianao

Ity rangahy ity no tena mpanakorontana ny fitondrana izay misy eo

Refa rahatrizay mety milamina ihany ity firenena ity zany. io ry covid a io...

Io no cerveau Rajoelina

Mbola tafiditra ao ihany ve caméléon 😂😂

View more comments

Anisan’ny vahaolana amin’ny tsy fahampian-drano ny fanaovana « dam » na

Rayan Raynold : TADIDIKO ISIKA REHETRA NIHOMEHY AN-DRAVALO T@ IZY NIRESAKA AN'TY « DAM »!!IZAO ISIKA MANDAHATRA BIDON DAHOLO MANOMBOKA @ 2maraina!!courage!! anisan’ny vahaolana amin’ny tsy fahampian-drano tokoa ny fanaovana « dam », na barrage, na tohadrano.

Twoj Harson Fanumezantw : hihihiiiii! Tsis anaty dictionnaire amin’ny prezidà amin’ zao dam kouuu !

Fanja Rah : important io, indrindra amin’ny fambolena, tsy ho an’ny fambolena ihany, fa ho an’ny rano fisotro, sy ny famokarana egergie koa.

Nirsoa Andrianantenaina : rah ny vola nanaovana kianja manara- penitra zao nanaovana tohadrano toy io, ts nisy mosary teto Mdagasikara ary tsy hanafatra izay varin'olona any isika.

Rasolo Cla : ka tsy hain-dRajoelina ny dikan’io, fa vao hiandry dico vaovao hono izy.

Patricia Rasoamanantena : za aloha tsy nihomehy a !

Lanto Ramasy : tsy mahay anglais no nihomehy tamin'iny satria be dia be ry zareo. Zava-dehibe ny fananana “dam” maro.

Ikely Malaza : mora kokoa noho i Mahamasina.

Freedy Ambato Fredy : raha “dam” no nandaniana 77millions de dollars tsy haiko hoe nahavita firy dia firy ny isan'ny mponina hahazo tombontsoa, fa mba hanontany hoe firy ny vahoaka hahazo tombon-tsoa rehefa vita ilay tribune nosoloina gradin?

Onisoa Brittany : volanao no miala any ampaosy amin’io kianja io eeee! ny an’ireto mpitondra ireto dia ny mahafinaritra aloha ny azy izay vao ny mahasoa. Barrage tena mahasoa ny rehetra.

• Freedy Ambato Fredy : fa ilay tombotsoa anie no mba anontaniako raha misy mahavaly fa tsy dia ilay vola e!moa ve hisy tombotsoan'ny vahoaka Malagasy ny fahavitan'ilay kianja ary ny fahavitan'io ve hanala antsika Malagasy ho any @ laharana faha20 mahantra indrindra, fa raha ho ahy manokana dia aleoko lavitra nahavita “Dam” anankiray na ankiroa tsy maninona toy izay kianja, fa ny lalana ary araky ny filazan-dry zareo tarik’i Rajoelina ireo ka tsy azo hanina.

Tiana Rakotomalala : ka io “dam” io ary tsy hain’ilay mamimbahoaka ko, tena Président vendrana mihitsy ilay mitondra amin’izao.

Löva Löva Andrianantenaina : tsy hainy lay hoe “DAM”, dia nihomehy izy.

Clotilde Raz : fohy saina ny ankamaroan’ny gasy, asa na efa donton’ny fahasahiranana dia vao mainka habadoina dia tsy mahalala zay zavatra tena ilainy.

Rak Ser : hafa ihany ny olona visionnaire toa an’i Dada.

Aina Andrianelinjaka : lay iray tsy mahay n'inon’inona nandrabiraby no tena nampme, nefa tohadrano no tian-dRavalo nolazaina.

Aina Ranarivahoaka : ka lay olona nifanatrika tamin-dRavalo teo ary tsisy n'inon’inona fantany ko, lazainy fa vocabulaire vaovao hono lay izy.

Rafiloharisaona Sanjy : ary lay hamboly coton de Tulear?hihihiiiii !

Aina Ranarivahoaka : looooza !

Tanjona Niry Tiana Rakotovao : betsaka ny tombony azo avy @'io « dam » io raha tsy hiteny aho hoe io délestage lava tsy misy fiafarany io dia voavahan'io, ny eo @ sehatry ny fambolena mahazo tombony beu koa, ny rano isan-tokatrano sy isam-pokotany tsy ho tapaka izany, ny fanana an'io dia midika fa afa-pahasahiranana ny firenena raha mahavita toha-drano tahaka izao .
Tina Hery : Dada a! vonjeo ny ferenentsika fa mijaly, ianao ihany no tena manana vina mampandroso marina!

Randrianantenaina Augustin : aza mandatsa moa eu! Sodoka ny akanga tsara soratra nge zahay eu! Hay tsy tena volamena fa ankosotra ilay Rajoelina sy ny IEM.

Toky Nardi : soa lavo, hahay hamindra zany nareo e!

Lanto Ramasy : olona tsy mahay teny anglisy, tsy ampy solaitra no nihomehy tamin'ireny jereo fa ravalo serieux be tamin'ireny, asa moa. amin'izao fotoana zao raha mbola misy pdt aty ocean indien, ka tsy mbola mahay miteny anglisy, mbola misy ve, mba iza? Mety Rajoelina ihany angamba no tsy mahay.
... TohinyFintinina

3 andro lasa

Anisan’ny vahaolana amin’ny tsy fahampian-drano ny fanaovana « dam » na 

Rayan Raynold : TADIDIKO ISIKA REHETRA NIHOMEHY AN-DRAVALO T@ IZY NIRESAKA ANTY « DAM »!!IZAO ISIKA MANDAHATRA BIDON DAHOLO MANOMBOKA @ 2maraina!!courage!! anisan’ny vahaolana amin’ny tsy fahampian-drano tokoa ny fanaovana « dam », na barrage, na tohadrano.

Twoj Harson Fanumezantw : hihihiiiii! Tsis anaty dictionnaire amin’ny prezidà amin’ zao dam kouuu !

Fanja Rah : important io, indrindra amin’ny fambolena, tsy ho an’ny fambolena ihany, fa ho an’ny rano fisotro, sy ny famokarana egergie koa.
 
Nirsoa Andrianantenaina : rah ny vola nanaovana kianja manara- penitra zao nanaovana tohadrano toy io, ts nisy mosary teto Mdagasikara ary tsy hanafatra izay varinolona any isika.

Rasolo Cla : ka tsy hain-dRajoelina ny dikan’io, fa vao hiandry dico vaovao hono izy.

Patricia Rasoamanantena : za aloha tsy nihomehy a !

Lanto Ramasy : tsy mahay anglais no nihomehy tamininy satria be dia be ry zareo. Zava-dehibe ny fananana “dam” maro.

Ikely Malaza : mora kokoa noho i Mahamasina.

Freedy Ambato Fredy : raha “dam” no nandaniana 77millions de dollars tsy haiko hoe nahavita firy dia firy ny isanny mponina hahazo tombontsoa, fa mba hanontany hoe firy ny vahoaka hahazo tombon-tsoa rehefa vita ilay tribune nosoloina gradin?

Onisoa Brittany : volanao no miala any ampaosy amin’io kianja io eeee! ny an’ireto mpitondra ireto dia ny mahafinaritra aloha ny azy izay vao ny mahasoa. Barrage tena mahasoa ny rehetra.
 
•  Freedy Ambato Fredy : fa ilay tombotsoa anie no mba anontaniako raha misy mahavaly fa tsy dia ilay vola e!moa ve hisy tombotsoanny vahoaka Malagasy ny fahavitanilay kianja ary ny fahavitanio ve hanala antsika Malagasy ho any @ laharana faha20 mahantra indrindra, fa raha ho ahy manokana dia aleoko lavitra nahavita “Dam” anankiray na ankiroa tsy maninona toy izay kianja, fa ny lalana ary araky ny filazan-dry zareo tarik’i Rajoelina ireo ka tsy azo hanina.

Tiana Rakotomalala : ka io “dam” io ary tsy hain’ilay mamimbahoaka ko, tena Président vendrana mihitsy ilay mitondra amin’izao.

Löva Löva Andrianantenaina : tsy hainy lay hoe “DAM”, dia nihomehy izy.

Clotilde Raz : fohy saina ny ankamaroan’ny gasy, asa na efa donton’ny fahasahiranana dia vao mainka habadoina dia tsy mahalala zay zavatra tena ilainy.
 
Rak Ser : hafa ihany ny olona visionnaire toa an’i Dada.
 
Aina Andrianelinjaka : lay iray tsy mahay ninon’inona nandrabiraby no tena nampme, nefa tohadrano no tian-dRavalo nolazaina.
 
Aina Ranarivahoaka : ka lay olona nifanatrika tamin-dRavalo teo ary tsisy ninon’inona fantany ko, lazainy fa vocabulaire vaovao hono lay izy.
 
Rafiloharisaona Sanjy : ary lay hamboly coton de Tulear?hihihiiiii !

Aina Ranarivahoaka : looooza !

Tanjona Niry Tiana Rakotovao : betsaka ny tombony azo avy @io « dam » io raha tsy hiteny aho hoe io délestage lava tsy misy fiafarany io dia voavahanio, ny eo @ sehatry ny fambolena mahazo tombony beu koa, ny rano isan-tokatrano sy isam-pokotany tsy ho tapaka izany, ny fanana anio dia midika fa afa-pahasahiranana ny firenena raha mahavita toha-drano tahaka izao .
Tina Hery : Dada a! vonjeo ny ferenentsika fa mijaly, ianao ihany no tena manana vina mampandroso marina!

Randrianantenaina Augustin : aza mandatsa moa eu! Sodoka ny akanga tsara soratra nge zahay eu! Hay tsy tena volamena fa ankosotra ilay Rajoelina sy ny IEM.
 
Toky Nardi : soa lavo, hahay hamindra zany nareo e!
 
Lanto Ramasy : olona tsy mahay teny anglisy, tsy ampy solaitra no nihomehy taminireny jereo fa ravalo serieux be taminireny, asa moa. aminizao fotoana zao raha mbola misy pdt aty ocean indien, ka tsy mbola mahay miteny anglisy, mbola misy ve, mba iza? Mety Rajoelina ihany angamba no tsy mahay.

Karatry ny mpanao gazety – Misandoka ny OJM ny vaomieran’ny ministeran’ny serasera

Stefa

Manao amboletra hizara karatra ho an’ny mpanao gazety ihany amin’izao fotoana ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, miaraka amin’ny vaomiera izay natsangany hanome izany.

Araka ny fanambarana avy amin’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM), misandoka ny holafitra ankehitriny ny vaomiera natsangan’ny ministera hizara izany karatra izany, misoloky ny OJM ny filohan’ny vaomieran’ny ministera, Jean Aimé Rambeloson, satria dia adiresy misy OJM no asainy handefasana ny antontan-taratasy ho an’ny mpanao gazety hanao karatra: adiresy mail: cpc.cip.ojm@gmail.com amboletra io hoy ny holafitra, fa tsy misy biraon’ny OJM mandray anjara amin’io noho ny fanitsakitsahany ny lalàna: arrêté 24-931 novainy ho 23483.

Ankoatra izany, terena ankolaka hanao fangatahana tsirairay, demande individuelle, ny mpanao gazety rehetra, fa tsy isaky ny organe, na ny trano fanaovan-gazety. Hatramin’ny stagiaire naiditra ao avokoa.

Ka eo isika samy mahita hoe Ordre ve io ataon-dry zareo io sa tsia? Iza daholo izany CPC régionale sy CPC provincale izany?…

Fandaharana - L'Invite Du Jour 21 Janoary 2021 GASCAR Fenosoa / Gérard ROKOTONIRINA - Miary RASOLOFOARIJAONA

fb.watch/3adGOz53VC/

www.gvalosoa.net/2021/01/21/karatry-ny-mpanao-gazety-misandoka-ny-ojm-ny-vaomieranny-ministeranny...
... TohinyFintinina

3 andro lasa

Karatry ny mpanao gazety – Misandoka ny OJM ny vaomieran’ny ministeran’ny serasera

Stefa

Manao amboletra hizara karatra ho an’ny mpanao gazety ihany amin’izao fotoana ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, miaraka amin’ny vaomiera izay natsangany hanome izany.

Araka ny fanambarana avy amin’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM), misandoka ny holafitra ankehitriny ny vaomiera natsangan’ny ministera hizara izany karatra izany, misoloky ny OJM ny filohan’ny vaomieran’ny ministera, Jean Aimé Rambeloson, satria dia adiresy misy OJM no asainy handefasana ny antontan-taratasy ho an’ny mpanao gazety hanao karatra: adiresy mail: cpc.cip.ojm@gmail.com amboletra io hoy ny holafitra, fa tsy misy biraon’ny OJM mandray anjara amin’io  noho ny fanitsakitsahany ny lalàna: arrêté 24-931 novainy ho 23483.

Ankoatra izany, terena ankolaka hanao fangatahana tsirairay, demande individuelle, ny mpanao gazety rehetra, fa tsy isaky ny organe, na ny trano fanaovan-gazety. Hatramin’ny stagiaire naiditra ao avokoa.

Ka eo isika samy mahita hoe Ordre ve io ataon-dry zareo io sa tsia? Iza daholo izany CPC régionale sy CPC provincale izany?…

Fandaharana - LInvite Du Jour  21 Janoary 2021 GASCAR Fenosoa / Gérard ROKOTONIRINA - Miary RASOLOFOARIJAONA

https://fb.watch/3adGOz53VC/

http://www.gvalosoa.net/2021/01/21/karatry-ny-mpanao-gazety-misandoka-ny-ojm-ny-vaomieranny-ministeranny-serasera/

Comment on Facebook Karatry ny mpanao ...

Izao e! Isika promotion rehetra tany aloha surtout ireo mpanao gazety zokiolona, na ireo izay efa teo t@andron i James Ramaroson, dia tsara raha mba mihaona fa valifaty io ataon i Lalatiana Rakotondrazafy io, ny comportement-ny mihitsy no manafintohina.

Mpisoloky koa! Inona ny ratsy tsy ataon’ireto mpitondra ireto?

Misy mihaino ve oo?

Jean Aimé koa izany antitra vao miha-... 👉🙄👈

Fitpndran baroa sa barofo

View more comments

Fiainan’antoko – Hijoro ny vehivavy TIM manoloana ny loza manjo ny firenena

Helisoa

Nangingina kely ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM) tao anatin’ny fotoana maromaro , ankehitriny nifoha tamin’ny torimasony ireto farany manoloana ny loza manjo ny firenena .

Araka ny fantatra dia misy ny fanetsehana indray na “redynamisation” ataon’ny antoko TIM amin’izao fotoana izao, araka ny toromarika avy any amin’ny birao politika nasionaly. Tsy latsa-danja amin’izany ny vehivavy TIM, ka nivory voalohany tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko, tao Bel’Air izy ireo omaly alarobia 20 janoary 2021.

Tapaka tamin’izany, fa hijoro ireo vehivavy hampiroborobo ny antoko, sy hijoro manoloana ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Na tao anatin’ny andro vitsy aza ny fiantsoana fivoriana dia tonga ny solontenan’ireo vehivavy manerana ny faritr’Analamanga, ny tany Anjozorobe no tsy nahatonga solontena tamin’izany.

Hisy ny hetsika lehibe hataon’izy ireo ato ho ato, ka ny sabotsy 30 janoary ny fivoriana manaraka, handinihana ny fanatanterahana izany.

www.gvalosoa.net/2021/01/21/fiainanantoko-hijoro-ny-vehivavy-tim-manoloana-ny-loza-manjo-ny-firen...

http://www.gvalosoa.net/2021/01/21/fiainanantoko-hijoro-ny-vehivavy-tim-manoloana-ny-loza-manjo-ny-firenena/

Comment on Facebook 1764140243706142_3666292483490899

Manana andraikitra lehibe eo @ firenena ny vehivavy. Mahereza daholo.

Fandaharana Miara-manonja – Miha-mitsikafona ny marina amin’ilay raharaha volamena

Ny Valosoa

Araka ny nambaran’ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa tao amin’ny fandaharana Miara-manonja omaly, izay efa mandeha amin’ny televiziona MBS ihany koa amin’izao fotoana, tafiditra amin’ilay raharaha volamena 73,7 kg ny fianakavian’ny filoha Rajoelina sy Mialy Razakandisa, izany dia araka ny vaovao nivoaka tamin’ny gazety Africa Intelligence, ary notaterin’ity olom-boafidy ao Antananarivo I ity, tao amin’izany fandaharana izany. Miha-mitsikafona hatrany arak’izany ny marina momba ity raharaha volamena ity.

Nambarany tamin’izany fa mipoitra hatrany ny zava-misy marina eo anivon’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, vokatry ny fahatratrarana ireo volamena 73,7kg tany Afrika Atsimo nokasaina havoaka antsokosoko ny 31 desambra 2020. Ny fiaramanidin’ny orinasa STA (Services et Transports Aériens) iray, no nampiasaina tamin’izany. Voatazona any am-ponja ireo telo lahy nitondra ny entana ary miandry ny fitsaràna azy amin’ny volana febroary.

Fantatra ankehitriny araka ny voalaza, fa nanasonia fifanarahana tamin’ity orinasa STA ity ny ministry ny toekarena sy ny vola, Richard Randriamandrato, hampiasàna ny fiaramanidina mandritra ny telo herinandro isam-bolana, efa ho nandritra ny herintaona. Araka ny fifanarahana dia natao hahafahana mizara ‘bons de caisses’ ho an’ireo mpiasam-panjakana eran’ny Nosy izany. Toa hafahafa ihany izany.

Ny tompon’ny orinasa STA dia i Gilbert Biny, vazaha zanatany mpandraharaha, namana akaikin’i Yves Roger Rajoelina, kolonely misotro ronono, izay rain’ny filoha Andry Rajoelina, ary mpiara-miasa efa ela niaraka tamin’i Rodolphe Razakandisa, rain’ny vadin’ny filoha Mialy Rajoelina. Ity rain’ny vadin’ny filoha ity dia nitàna ny toerana, tale misahana ny fitantanana sy ara-bola, directeur administratif et financier, tamin’ny orinasa maro tantanan’i Gilbert Biny. Taty aoriana dia niara-nitantana ny orinasa : société immobilière, Résidence d’Ambatobe, izay manana ny trano nipetrahan’ny filoha sy ny fianakaviany nandritra ny fotoana ela.

Tsy mahagaga araka izany teo aloha raha niely ny resaka, fa voasaringotra tamin’ny raharaha volamena ny ao an-dapa. Nanampy izany ny fikasan’ny tao amin’ny governemanta hampody ireo olona telo tratra tany Afrika Atsimo, sy ireo volamena voatazona.

Mivoaka tsikelikely ny ratsy ataon’ity fitondrana ity tato ho ato. Manonja dia manonja, ary misamboaravoara mihitsy ny sambon’ny filoha Andry Rajoelina sy ireo forongony. Fa toa tsy matahotra hono aloha hatreto ny Fitondrana!

‘http://www.gvalosoa.net/2021/01/21/fandaharana-miara-manonja-miha-mitsikafona-ny-marina-aminilay-raharaha-volamena/

Comment on Facebook 1764140243706142_3666290040157810

Za dia tsy mba gaga e! Lo tena lo ity firenena ity : miatomboka any @ lohany dia manaraka sy manahaka ny ambaratonga ambany rehetra. Fa misy farany daholo ny zava-drehetra e! Izany no tsy hanaovan-dratsy.

Aleo ho jerena eo f ho betsaka mits n handao an M/car ats ho atsy.

Avoay manokana raha MBA mety le feon'i Norbert ratsirahonana Téo fa misy tsy maeno .... Avoay ho heno eto Misy ilay aveu nataon'ilay vazaha tam resaka tana city koa , le nazavain'i maître Hanitra ,avoay tompoko Dia aleo vaky barara eto daolo fa tena mseo Iza mht reo, n'y olona matimaty fahatany , vidin'ny vazaha mora ftsn

Aleo handeha ny tantara de ho hita eo izay mandainga e,fa na de lazainareo fa mandainga aza i depiote Hanitra na ihany koa lazainareo fa mpandainga ihany koa ny gazety avy any ivelany,de tsy hahasakana anay tsy hiheno miara manoja velively ianareo,fa ianareo aza mihaino rehefa tsy zakanareo ny fahamarinana.Efa mazava be zao ny voalaza ka mbola de mbola lazaina fa lainga foana,avoay ny marina any aminareo aza e! iza no tompon ny volamena? de an iza ihany koa ilay fiaramanidina? Dia mivoaka ho azy ny valiny

Ary mba tadidinareo ve oa ny adinio Rinah io sy vadiny Lalatina ndray zay lay nanao apamoaka oe iza no nitory an Arphine sy oe omeo hono ny vidina volamen'olona .Tamzay efa fantatra fa mpanao trafif volamena io rinah io

Ho tay ny afera 🤭🤭🤭 ho raikitra ny akitsaoka ato h ato...ry Bini mianakav mo iny efa nanao Evasan iny....🤭🤭🤭🤭

zao marina ef ita mibaribary be zao ve d mbola sahiny mpitondra fanjakana ihany n mitsipaka an'izao ef tratra be zao fa iz mianakav mints no hatidoha nikotrikan'io n'in n'in lazain-dreo ka mila mihetsika isik vahoaka ataon-dreo tohatra fihakarana fotsiny,zareo mianakavy lasa mpanan-karena fa isika vahoaka malagas lasa farahidiny eto ka mila mandinika d mihetseha amizay fa aza mirôvorôvo!

Noheveriko fa mba olona tena mahay ity Mtr ity kay donga.Ny base ny vaovao hoentinao LAINGA dia iny koa ianao fa MITATATA mafy.dia Mino daholo koa ry zanany.kkkkkkkkkk.Na ianao io aza te handefa texte ,na vaovao LAINGA aza amin'io gazety io dia mety foana rehefa mandoa vola.Aza MBA doma ihany e

tena mpangalatra mianakav ireo sad manao ny vahoaka ho tohatra fihakarany no tena tanjony,ka ts ekena intso izao fa tokony hiditra @io raharaha io amizay ny ONU A! sa oe ahoana a?

Manara-penitra

Tsy mitovy ny Fahamariana havohitran'ny MiaraManonja sy ny fahamarinana harovan'ny Mpitondra Fanjakana misy ankehitriny

Tokony hifanao face à face @ émission spéciale mihintsy izy 2 reo

Hay ve ,tsy misy atahorany fanjakana an io raharaha io,normal be ka izy no mpanondrana Koo ,aiza ko no ahavitan olona an io ra tsy izy ngeza iany,tsy efa teny ivato ve defa tratra ra olontsotra nanao anio

Hay ve efa nisy conseil des Ministres 15mn d'efa rava t@ transition e!!!resaka volamena no nampirava ny rht hono(source Tabera R.)!!!

No

Mafana de mafana izy ity.Mirary ny tohiny hatra amin'ny farany film,mba tsy ho suspens!

'Kala maivana💩

Io

O ry Malagasy rehetra. Il faut manifeste pour réclamer vos droits. Ils vont finir par tout vous couper vos droits. C'EST la goutte d'eau de Trop laisser vous pas faire.

Kkkkkkkkk,mandroso iska izao

Merci beaucoup vzovao miara manonja ba ahafatarana ny vahoaka malagasy vaovao merci

Zahay aloha tena tia mihaino miara manoja tena ahenoana ny tena marina fa tvm efa aminay ny vaovao tiany alefa sy kolo sy plus indrindra fa viva io tv pamitabahoaka

Un pays corrompu 😡

Giravy izy ty!!!

Tsss rarainay any zany ee nisy volamen miasa fona zaha tss volamen mboka miasa fona aho fa mbola tss nanome fotsin anaha eo tss esako saina zany eee

View more comments

Foloalindahy – Tena manamboninahitra no ilain’ny firenena fa tsy be galona

Ny Valosoa

Tamin’ny herin’ny androany, ny talata 12 Janoary no nankalazaina ny “Andron’ny Manamboninahitra”, heverina fa tsy mbola tratra aoriana raha hiresaka izany isika amin’ny androany. Raha tsiahivina fohy ny tantara dia ny 12 Janoary 1967 no nijoro ny Akademia Miaramila ao Antsirabe, sekoly fanomanana manamboninahitra hiasa ao amin’ny foloalindahy, izay no antony nifidianana ny 12 Janoary ho “Andron’ny Manamboninahitra”.

Misy ny fomba fanao amin’izany “Andron’ny Manamboninahitra“ izany, toy ny famoriana ireo manamboninahitra eo amin’ny toby, miatrika ny fananganana ny fanevampirenena, ka izay manamboninahitra kely galona indrindra no manao ny fibaikoana, mitohy amin’ny fiarahana manao fanatanjahantena, misy ny fanomezana mari-pahatsiarovana hoan’ny mpitondra ary miafara amin’ny fiarahamiala hetaheta sy kabary ifamaliana ny fankalazana.

Fa raha vao mikasika ny manamboninahitra no resahina dia tonga ao an-tsaina avy hatrany, fa ny manamboninahitra dia manana ny fahefana eo amin’ny fibaikoana eo anivon’ny foloalindahy (miaramila sy zandary), ny fanapahankevitra rehetra toy ny fisamborana na fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso, na basy dia tsy azo tanterahina raha tsy misy ny alalana avy amin’ny manamboninahitra, kanefa etsy andaniny dia tsy azo amaivanina ihany koa ny teny filamatry ny foloalindahy toy ny hoe: “ho an’ny tanindrazana” ny an’ny miaramila ary “tanindrazana sy lalàna” ny an’ny zandary. Ankoatr’ireo dia mbola misy koa ilay hoe “tandroka aron’ny vozona,“ sy ny hoe “miaro ny vahoaka sy ny fananany”.

Herinandro talohan’ny nankalazana ny “Andron’ny Manamboninahitra” dia ireny niaraha-nahita ireny ny herisetra nihàtra tamin’ireo mpianatra niofana ho mpampianatra avy tao amin’ny Ens Ampefiloha, ireo miaramila sy zandary ary polisy no nampiasa hery tamin’ny mpianatra, nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso sy namatotra rojovy ireo mpianatra nitaky ny zony, toa tsy nisy resaka izany tamin’ny 12 Janoary teo, fa ny heno nivoaka ny vavan’Ingahy Filoha izay nahazo gisa, dia ny hoe mahatoky ny foloalindahy ary vonona hatrany hamatsy fitaovana ireto lazaina fa “tandroka aron’ny vozona “ ireto. Ny azo antoka aloha matoa nirefotra ny lakrimozena sy nisy ny famatorana tamin’ny rojovy dia tsy maintsy baiko avy amin’ny manamboninahitra.

Fa ny tena loza ny ampitson’ny 13 Janoary 2021 dia mbola nisy indray tamin’ireo “tandroka aron’ny vozona “ nisambotra ireo olompirenena tsy nitondra arotava ary nampanao asa tsy mendrika ireo voasambotra ireo, toy ny fanadiovana lakandrano maloto, izay lazaina fa asa ho amin’ny tombontsoam-bahoaka, hono, io moa raha tsorina d’ilay lazain-dry zareo mpitondra ankehitriny amin’ny teny frantsay hoe: “travaux d’intérêts generaux”, izay mazava fa toy ny “Smotig” na ” Service de Mains d’Oeuvres et de Travaux d’Intérêts Généraux “, asa fanompoana tamin’ny andron’ny fanjanahantany izany. Ny azo antoka dia tsy maintsy manamboninahitra no nanome baiko ireo nisambotra sy nampiasa ireo tsy nitondra arotava.

Feno 60 taona tamin’ny 26 Jona 2020 lasa teo ny foloalindahy malagasy, ny mampalahelo ankehitriny dia misy amin’ireo manamboninahitra ambony sy manamboninahitra jeneraly izay tsy miraharaha ny vahoaka sy ny fananany fa dia revo amin’ny fiarovana ireo mpanao politika nahazo fahefana tamin’ny hosoka, tsy manaja ny antsoina amin’ny teny frantsay hoe: “paroles des officiers”, na “fanambin’ny manamboninahitra”, izay manome lanja ny vahoaka sy ny tanindrazana, soa fa tsy izy rehetra no manao izany fomba mamohehitra izany, fa mbola ao dia ao ireo manamboninahitra mijoro amin’izay maha manamboninahitra azy izay, fa tsy “Be Galona” fotsiny.

www.gvalosoa.net/2021/01/21/foloalindahy-tena-manamboninahitra-no-ilainny-firenena-fa-tsy-be-galona/

http://www.gvalosoa.net/2021/01/21/foloalindahy-tena-manamboninahitra-no-ilainny-firenena-fa-tsy-be-galona/

EDITO 21 Janoary – Loholona notendrena – 3 no mpitsara, hitohy izany ny fanadihadiana

Ny Valosoa

Tapitra ny fotoam-piasan’ireo Loholona 63 teo aloha, ka tsy maintsy handao ny Lapan’Anosikely izy ireo, nandimby azy ireo, ireo Loholona vaovao 18, izay efa nahavoafidy ny filohany dia Andriamatoa Razafimahefa Herimanana.

Ny firafitry ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra dia nisy fiovana, satria 3 sisa ireo filoha lefitra, izay notsinjaraina ho toy izao, iray ho an’ireo faritany avy amin’ny faritra avaratra, iray ho an’ireo faritany avy amin’ny faritra atsimo, ary ny iray hafa dia ho an’ny antoko mpanohitra hono. Somary mampihomehy ity filazana hoe antoko mpanohitra ity, satria ny MMM angaha moa efa sokajiana ho mpanohitra. Tsorina fa kajikajy politika ilay izy ary ny tena loza dia ny HCC no hanome ny fankatoavana an’ilay firafitra, izay midika fa handray fanapahan-kevitra politika indray ry zareo fahefana mpitsara ao Ambohidahy.

Ankoatr’izany dia noferana ho iray isanisany ihany koa ny kestora sy ny mpampakateny, ary vaomiera telo sisa no hisy ao Anosikely.

Fa tamin’ ireo loholona 6 notendren’ny filohampirenena dia nantitranterina tamin’ny fampahalalambaovao, fa nisy mpitsara 3 tamin’ireo vao notendrena.

Zava-dehibe tokoa ny fahasahiana nanendry ireo mpitsara ireo, satria fahefana mpanao lalàna ny Antenimierandoholona, rariny raha mpitsara no omena toerana ao, sady ny Antenimierandoholona koa ilay ambara amin’ny teny frantsay hoe : “ chambres hautes”, manana andraikitra goavana eo amin’ny fanaovana lalàna.

Koa manantena ny vahoaka Malagasy, fa hanome aina io andrimpanjakana mpanao lalana io ny fisian’ireo mpitsara telo ireo, azo antoka izany, fa ny fanapahankevitra hivoaka ao Anosikely, dia hifanaraka amin’ny lalàna mahasoa ny vahoaka, fa sanatria tsy ho toy ny eny Tsimbazaza, izay teren’ny baikon’antoko ireo maro an’isa.

Fa ny tena andrandrain’ny vahoaka malagasy leon’ny hosoka sy herisetra, dia ho raisin’ireo loholona vaovao an-tanana ny fanohizana ny fanadihadiana momba ireo raharaha 4 mafanafana, izay efa natombok’ireo loholona teo aloha, ary raha ny tokony ho izy dia mbola handeha lavidavitra kokoa aza ny fandalinana satria, ireo senatera nisahana ny vaomieram-panadihadiana dia tsy nisy mpitsara na dia iray aza, kanefa dia nahavita dingana lehibe, mainka f’ireto loholona izay ahitana mpitsara ve dia ho ambaka?

Hetahetambahoaka te-hanana firenena vanona ny fiandrandrana ny fahasahian’ireo loholona mpitsara hijoro hiaro ny fahamarinana, ary tsy misy maniry ny ratsy ho an’ity firenena ity, saingy mamosavy ihany ny eritreritra raha mandinika ny zava-niseho tao anatin’izay roa taona nitondran’Ingahy Rajoelina izay, ka maro ireo alaim-panahy hieritreritra hoe omen’Ingahy Filoha toerana ireo mpitsara ireo, hiaro amin’ny fandikan-dalàna ataon’ny fitondrana foibe, sady hamono afo amin’ireo fanadihadiana efatra be izao nataon’ireo loholona teo aloha, ka raha izany no hiseho dia efa tena idiran-doza isika malagasy raha toa, ka ireo mpitsara nahavita fianianana hijoro hiaro ny fahamarinana, no lasa fitaovana hanamarinana ny mpandroba firenena sy hanome fahafampo fotsiny ny mpanendry.

Samia velon’aina hahita ny tohiny!

www.gvalosoa.net/2021/01/21/edito-21-janoary-loholona-notendrena-3-no-mpitsara-hitohy-izany-ny-fa...

http://www.gvalosoa.net/2021/01/21/edito-21-janoary-loholona-notendrena-3-no-mpitsara-hitohy-izany-ny-fanadihadiana/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 21 Janoary 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
... TohinyFintinina

3 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 21 Janoary 2021.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net

Tsara koa mba miomehy indraindray. ... TohinyFintinina

4 andro lasa

Tsara koa mba miomehy indraindray.

Rivodoza Eloïse ... TohinyFintinina

4 andro lasa

Rivodoza Eloïse

Tofoka ny mpiasan’ny ACM. ... TohinyFintinina

4 andro lasa

Tofoka ny mpiasan’ny ACM.

Andry Rajoelina – Meloka nanao fahotana mahafaty amin’ny firenena na “coupable de Haute Trahison envers l’Etat”

Ny Valosoa

Tonga nanao tatitra tamin’ny filoha Marc Ravalomanana teny Faravohitra androany 19 janoary ireo loholona tompon’andraikitry tamin’ireo vaomiera nanao fanadihadiana mikasika ny raharaha efatra izay isan’izany ny resaka ‘doublons’ sy ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy ara-dalàna.

Nitondra santionany tamin’ireo porofo toy ny kara-panondro misy ny laharana miverimberina izy ireo. Voamarina ny teny navoakan’ny filoha lefitry ny CENI teo aloha, Thierry Rakotonarivo, fa nahatratra 1.200;000 isa ireo “doublons”, izay nanova ny voka-pifidianana.

Nivoaka ny marina ary am-pomba ofisialy izao no ilazàna fa nandroba fahefana tamin’ny alalan’ny fidfidianana i Andry Rajoelina. Norobaina araka izany ny safidim-bahoaka. “Zavatra mahatalanjona sy mahazendana ny zava-mitranga, ary amin’izao fotoana izao dia hitantsika ny fiantraikany. Ary izay ilay hoe: raha mbola hisy koa ny farany dia tsy foana ny fanantenantsika! Hita izao ny asa ratsy, hosoka tsy fampiseho masoandro nitranga tamin’ireny fifidianana ireny”, hoy ny filoha Ravalomanana. “Ka anjarantsika ny mampiseho fahasahiana sy mamelona indray ao anaty ny fontsika sy ny fiainantsika ny hasin’ny firenentsika, satria mahamenatra sy manala baraka ny zavatra toy izao”, hoy koa izy.
Singanina tao anaty ny tatitra fa nandika lalàna daholo ireo ministra am-perinasa izay nampanantsoin’ireo loholona nandritra ny asa fanadihadiana, kanefa dia tsy namaly ny antso. Fa ny ministry ny fahasalamana, Ahmad Ahmad, teo aloha kosa dia tonga.

Notaterin’ireo loholona koa ny momba ny raharaha fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika taloha kely ny fotoam-pifidianana. Ka ny praiministra ankehitriny, Christian Ntsay, no niandraikitra ny filaminana ankapobeny tamin’izany satria nesorina tamin’ny filoham-pirenena nisolo toerana, Rivo Rakotovao, izany fahefana izany tamin’ireny fotoana ireny.
“Rehefa misy firenena iray mampiditra fitaovam-piadiana tsy manaraka ny fepetra sy fenitra tokony arahina dia “trahison”, hoy ny filoha Ravalomanana. Raha tsy nifanandrify tamin’ny valim-pifidiana notetehina izany no nitranga dia zava-doza no niseho teto amin’ny firenena.

Filoha mpandroba sy mpamadika tanindazana izany ankehitriny no mitondra firenena. Ary azo lazaina fa miray petsapetsa amin’ny lehiben’ny mpandroba sy mpamadika, daholo ireo tompon’andraikitra rehetra miara-miasa aminy. Ahoana no fomba mbola hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana? Tsy hisy intsony ny fanajàna ity rafi-pitondrana ity satria mazava toy ny vay an-kandrina izao fa mpangalatra iray trano daholo. Raha misy ny soa mbola azon’ity filoha meloka ity eo anatrehan’ny tanindrazana dia ny mametra-pialàna. Saingy azo saintsainina fa raha ny ezaka rehetra nataon’i Andry Rajoelina sy ireo forongony amehezana ireo rafi-pitondrana sy andrim-panjakana rehetra sy hanaovana rapa-dango ny harem-pirenena dia hitohy ihany ny di-dohany. Ka dia hahita ny tohiny eto isika fa samia velon’aina!

‘http://www.gvalosoa.net/2021/01/19/andry-rajoelina-meloka-nanao-fahotana-mahafaty-aminny-firenena-na-coupable-de-haute-trahison-envers-letat/
... TohinyFintinina

5 andro lasa

Comment on Facebook 1764140243706142_3662513890535425

Tsetsatsetra tsy aritra amin'ilay fomba fanoratana, ilay hoe “fanantenantsika”. Inona marina moa 'lay antenaintsika lazaina eto?😅

Grave zany 😢

Ary ny filazany fa manapritaka ny isan'ny miaramila sy ny fitaovam-piadiana hananan'ny firenena iray v tsy haute trahison koa?

efa Tara e!

P.... 👺🤥🤥MAMY MBAHOAKA HONO ITY🧠 ITY👏👏👏VOAFIDY T@ VATO 13% ????? DIA NY DOUBLONS NO NAMENO NY AMBINY Vé. 😡🥵🤒.

Mila hapiarina ny sazy enjana.

View more comments

Soleil Marmailles La Réunion – Nanampy fandidiana zazalahikely, miantoka sakafona terabao sy ny zanany mandritra ny 6 volana

Aly

Mitohy hatrany ny asa sosialy ataon’ny fikambanana Soleil Marmailles avy atsy amin’ny Nosy La Réunion, izay tarihan’ny dokotera Sylvie sy Tiana Razafintsalama, aty Madagasikara.

Ny sabotsy teo, nanampy tamin’ny fandidiana zazalahikely iray voan’ny hernie ity fikambanana ity ary nanampy ihany koa tamin’ny fanaovana hasoavana izany tovolahikely izany. Ny fikambanana no niantoka manontolo ny saran’ny fandidiana natao ity ankizy kely ity tao amin’ny toeram-pitsaboana : clinique tsy miankina iray teny Ambohidroa Ambohimnarina, Boriboritany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra.

Ny andron’io ihany, nanolotra fanomezana ho ana reny terabao teny Andavamamba koa ny fikambanana, ity fikambanana Soleil Marmailles ity no hiantoka ny sakafon’ilay terabao sy ny zanany mandritra ny 6 volana.

Misandrahaka amin’ny lafiny maro ny asa sosialy ataon’ny fikambanana, ankoatra ireo voalaza teo, manorina trano fitsaboana sy sekoly koa ny fikambanana Soleil Marmailles, namatsy rano fisotro madio ny mponina kere any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, manampy ankizy zanaky ny sahirana ara-pivelomana amin’ny fianarany,…

www.gvalosoa.net/2021/01/19/soleil-marmailles-la-reunion-nanampy-fandidiana-zazalahikely-miantoka...

http://www.gvalosoa.net/2021/01/19/soleil-marmailles-la-reunion-nanampy-fandidiana-zazalahikely-miantoka-sakafona-terabao-sy-ny-zanany-mandritra-ny-6-volana/

Rovan’Alasora – Hiaro ny vakoka hatrany ny kaominina

Isambilo

Tsy marina ny filazana fa ho ravana ny Rovan’Alasora, ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, hoy ny ben’ny tanànan’ity kaominina ity, Jimmy Randriantsoa. Hiaro hatrany izany vakoka izany ny fiadidiana ny tanàna hoy izy, ka tsy hisy izany fandravana ity Rova ao Ambohitrandriananahary ity, ny hanatsarana azy aza no hatao.

Araka ny nambaran’ny tompon’ny tany manakaiky ity Rova ity, tsy tafiditra velively ao anatin’ny tanin’izy ireo izany vakoka izany, noho izany tsy ho voakitika, na hisy tetikasa aza hatao manakaiky izany Rova izany.

Na izany aza aza, nanambara ny ben’ny tanànan’Alasora, fa hidina ifotony hijery ny tena zava-misy momba ity resaka olana tany ity ny kaominina, miaraka amin’ireo mpandrefy tany, sy ny sampan-draharahan’ny fananantany ary ireo tompon’andraikitra samihafa ao amin’iny distrikan’Antananarivo Avaradrano iny, hanamarina ny tena zava-misy momba ity Rovan’Ambohitrandriananahary ity sy ny manodidina azy.

www.gvalosoa.net/2021/01/19/rovanalasora-hiaro-ny-vakoka-hatrany-ny-kaominina/

http://www.gvalosoa.net/2021/01/19/rovanalasora-hiaro-ny-vakoka-hatrany-ny-kaominina/

Tatitry ny Antenimierandoholona – Tsy tokony ho filoha mihitsy i Andry Rajoelina

Helisoa

Tsy tokony ho filoha mihitsy i Andry Rajoelina, izay no azo amehezana ny tatitry ny vaomiera nanao fanadihadiana tao amin’ny Antenimierandoholona ary nampahafantarina omaly, tetsy Anosikely.

Vita omaly maraina ny tatitra nataon’ireo Vaomiera 4 ao amin’ny Antenimierandoholona, ao anatin’ilay Vaomiera mpanadihady ao anatin’ity andrimpanjakana ity, na commission d’enquête parlementaire. Tao anatin’izany ny commission d’enquête sur la gestion du COVID, na ny vaomiera mpanadihady ny fandaniana natao tamin’ny valan’aretina CORONAVIRUS teto Madagasikara. Faharoa, Commission d’enquête sur la liste électorale, na ny vaomiera mpanadihady mikasika ny lisi-pifidianana. Fahatelo, Commission d’enquête sur l’importation illicite d’armes de guerre, na vaomiera mpanadihady mikasika ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika teto amin’ny firenena ary farany Commission d’enquête sur l’évasion dans le milieu carcéral à Farafangana du 23 août 2020, na ny vaomiera mpanadihady mikasika ny vonoan’olona tany amin’ny fonjan’i Farafangana.

Natao izao fanadihadiana izao hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier, tsy natao hanenjehana olona, fa ilaina kosa hoy izy ny fanadihadiana, mba hisian’ny mangarahara eto amin’ny firenena. Raha ho an’ny kaomisiona mikasika ny fandaniambola tamin’ny valanaretina CORONAVIRUS dia 600 tapitrisa dolara Amerikana hoy ny filohan’ny vaomiera no vola noeritreretina ho azo avy amin’ny mpiara-miombon’antoka PTF, hiatrehana ny valanaretina; ka nankinina tamin’ny CCO ny ady natrehina tamin’izany.

Eto dia mipetraka ny fanontaniana amin’ireo minisitra maro toy ny minisitry ny fahasalamambahoaka, atitany, serasera, mponina, rano, ny ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra, Toamasina, sns … sy izay nandray an-tanana ny vola tamin’izany. Ny mampalahelo hoy ny vaomiera dia tsy nisy namaly ny fiantsoana azy ireo, ireo tompon’andraikitra ao amin’ny minisitera ireo. Ny tompon’andraikitra voalohany aza milaza tsy mahafantatra izay vola ampiasaina tamin’ny COVID 19 akory. Isaorana kosa hoy ny mpandahateny ny minisitry ny fahasalamana teo aloha Ahmad, fa izy no hany tokana namaly ny vaomiera mpanadihady.

Ho an’ny vaomiera mikasika ny resaka fanadihadiana mikasika ny lisi-pifidianana dia nohenoina sy nojerena tao amin’ny lapan’Anosikely ny porofo sy ny horonantsary mikasika ny resaka fisian’ny doublon tamin’ny resaka karapanondrompirenena, CIN, sy ny kara-pifidianana izay noresahan’ny CENI, sy ny tale jeneralin’ny tranom-printim-pirenena (imprimerie nationale) ary nisy koa ny tatitra navoakan’ny OIF nanamarina izany. Niampy hatramin’ny 1 tapitrisa mahery noho io « doublons » io ny vaton’ny kandidà Rajoelina tamin’iny fifidianana iny araka ny tatitra, noho izany tsy tokony ho lany filoha mihitsy ny tenany. Ankoatra izany, marobe ny zavatra tsy nanjary tamin’ireny fifidianana ireny, voalohany tamin’izany ny fampitahorana tamin’ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika mialohan’ny fifidianana, sy ny fanaovana hosoka sy hala-bato.

Ho an’ny vaomiera mikasika ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika teto amin’ny firenena indray dia nanamafy ity vaomiera ity, fa tsy ara-dalàna ny nampidirana ireo fitaovam-piadiana ireo teto amin’ny firenena. Vao hanao fianianana teny Mahamasina ny filoha Rajoelina ny 19 janoary 2019 dia narangarangany ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Nanambara izy tamin’izany fa asa fa tsy kabary ny antsika, ka asehontsika eto hoy izy ny fiara manara-penitra afaka miakatra tendrombohitra tsy laitram-bala. Io resaka nataon’ny filoha io voarakitra ao anaty horonantsary. Nantsoina ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena, fa dia tsy namaly ny vaomiera mpanao fanadihadiana izy ireo. Ny tompon’andraikitra teo aloha no tonga namaly ny antso. Voamarina tamin’izany, fa nisy ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy ara-dalàna teto Madagasikara. Ny manamboninahitra aza talanjona rehefa nahita ireo fitaovam-piadiana ireo teny Mahamasina.

Farany, ho an’ny vaomiera mpanadihady mikasika ny famonoana olona tany amin’ny fonjan’i Farafangana. Isaorana ny minisiteran’ny fitsarana hoy ny vaomiera, fa tonga tamin’ny fiantsoana nataon’ny vaomiera mpanadihady izy ireo. Io dia tena mampalahelo, fa tsy misy vidiny ny ràn’olombelona. Marihina fa 23 ny maty tamin’io andron’ny 23 aogositra io ary 18 no naratra tamin’izany.

Tsy natao hanenjehana olona manokana hoy ny vaomiera mpanadihady ao amin’ny Antenimierandoholona ny nanaovana izao fanadihadiana izao araka ny fanamarihana nataon’ ireo loholona, fa natao kosa mba hisian’ny mangarahara sy fifampitokisana eto amin’ny firenena. Izahay kosa anefa dia manameloka ireo minisitera sy tompon’andraikitra nantsoina tamin’ny fanadihadiana tsy namaly ny antso. Manameloka ny fanitsakitsahana ny lalàna velona sy ny lalampanorenana eto amin’ny firenena. Eto kosa dia miangavy ny fitsaràna mahefa hanokatra fanadihadiana mikasika ireo tatitra nataon’ny vaomiera mpanao fanadihadiana izy ireo.

Vita izy izay, ny fe-potoana iasana koa ity ho tapitra, koa hanao toy ny minisitra tompon’andraikitra nantsoina tsy namaly antso ve ireo senatera vaovao ireo, sa hatao ohatra ny tsy misy ny fanadihadiana nataon’ireo senatera teo aloha, ka atao any anaty vata na dorana tsy ho hita intsony? Efa natolotra ny ambaratongan-drafitra eto amin’ny firenena ireo tatitra ireo, araka ny fanambarana nataon’ny Loholona Rakotovazaha Olivier dia izao nampahafantarina ny be sy ny maro izao.

www.gvalosoa.net/2021/01/19/tatitry-ny-antenimierandoholona-tsy-tokony-ho-filoha-mihitsy-i-andry-...

http://www.gvalosoa.net/2021/01/19/tatitry-ny-antenimierandoholona-tsy-tokony-ho-filoha-mihitsy-i-andry-rajoelina/

Comment on Facebook Tatitry ny ...

Ny tena manafintohina ahy dia maninona no izao vao mijoro milaza izany??? Ny hany tiako dia mba sahy nilaza ny marina ihany

F'iza ? Ianao Io vé?

Efa fantatra ihany izany fa ny marina tsy mba maty izany fa dia ho tsarain'ny tantara eo

Imerinkasinina – Mpino kristiana 5000 mahery nomen-dRavalo sakafo

Rajo

Nandritry ny fanokafana ny jôbily fisotroan-drononon’ny prezidà synodaly Antananarivo Atsinanana, ny mpitandrina Rabenantoanina Philibert ny sabotsy lasa teo, dia mpino kristianina 5000 mahery no tonga niombom-bavaka teny an-toerana. Sady fivoriana santatra eo anivon’ny synodamparitany rahateo moa io andro io. Ny filoha mpanampy ny synodamparitany Antananarivo Atsinanana, ny mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa, no nitarika ny fotoana, raha ny tonian’ny departemantan’ny fiangonana, ny mpitandrina Rakotondrainy Jaona kosa no nitondra ny hafatr’ Andriamanitra,izay nalaina tao amin’ny II Kor 5: 14 a manao hoe: “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay”.

Noarahabaina sy noraisin-tànana ireo biraon’ny mpiandraikitra foibe Fjkm teo aloha sy ny vaovao, teo ihany koa ireo mpiandraikitra foibe teo aloha sy ny vaovao. Noarahabaina sy noraisin-tànana ihany koa ny prezidà synodaly Antananarivo Atsinanana mianakavy, niaraka tamin’ny filohan’ny Fifampi sy ny Fifafi ary ny mpandraharaha ihany koa. Mpitandrina 19, mpampianatra 12 ary katekista delege 8 ihany koa no noraisin-tànana ny sabotsy teo. Hipoka tanteraka ny Fjkm Imerinkasinina Fanasina hatreny an-tokotany ary fandraisana ny fanasan’ny Tompo no namaranana ny fotoana.

Fa taorian’ny fanompoam-pivavahana dia nasain’ny filoha Marc Ravalomanana hisakafo ireo mpino kristianina maherin’ny 5000 tao amin’ny trano vaovao teny Imerinkasinina. Omby telo no novonoina tamin’izany ary samy nahazo ny anjarany ny tsirairay. Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana, fa mbola hisy ny fotoana manaraka hihaonana aoriana kely.

www.gvalosoa.net/2021/01/19/imerinkasinina-mpino-kristiana-5000-mahery-nomen-dravalo-sakafo/

http://www.gvalosoa.net/2021/01/19/imerinkasinina-mpino-kristiana-5000-mahery-nomen-dravalo-sakafo/

Comment on Facebook Imerinkasinina – ...

Bravo dada.

Bravo dada a mankasitraka e

Msaotr dadaah

Misaotra.dadaaaaaahombanao.atrany.anie.tompo

Mankasitraka

Misaotra dada

Mahay ,mahalala,mahavita .

Misongadina eny fona ny zatra ady sy manana hakingana

Ny Tompo hamaly fitia anao Dada.

Ho tahin'i tompo mandrakariva anie ianao ry dada

Homba Anao hatrany Andriamanitra DADA !

Sambatra ny manome nohony mandray

View more comments

Load more