Antananarivo Boriboritany faha-III – Bedaina ny 80 tapitrisa ariary ary omanina ny halabato

Tia Tanindrazana

Kajikajy politika – Sefo fokontany 5 indray nesorina

Mandeha ny kajikajy politika amin’ny resaka fifidianana ben’ny tanàna izay hatao tsy ho ela.

Sefo fokontany 5 ato anatin’ny Boriborintany fahatelo no indray nalana tamin’ny toerany, ny alakamisy sy ny zomà lasa teo. Nambaran’ireo sefo fokontany nesorina, izay tsy nitonona anarana fa izay fokontany nahazoana vato kely tamin’ny fifidianana depiote farany teo, dia tsy maintsy nalana tamin’ny toerany. Eo koa ny filazana fa namofompofona Tim ireo sefo fokontany ireo.

Araka ny fanazavana voaray, nahavita “projet lalankely” ohatra ny fokontany Ampandrana, izay tokony hanomboka amin’ny volana ambony io tetikasa io. Nahazoan’ny fokontany vola mitentina 80 tapitrisa Ariary ireo tetikasa rehetra ao amin’io fokontany Ampandrana io, nefa ny mpandimby ny sefo fokontany nalana no handray io vola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka io, hoy ny fanazavana.

Sefo fokontany Ankorondrano andrefana, Antanimena, Ankadifotsy, Ampandrana ary Ankadifotsy Mandialaza ireo nesorina tamin’ny toerany ireo. Mbola misy tambikaramana enim-bolana tsy noraisin’izy ireo koa, raha ny fantatra. Marihana, fa tsy ny fokontany Ampandrana ihany no nanana io “projet lalankely” io, fa ireo fokontany dimy voalaza ireo anisan’ny nahazo izay famatsiam-bola hanaovana ny tetikasa rehetra ao amin’ny fokontany izay.

Sitraka r.