Miala Rajoelina – Efa tena leon’ny fitondrany ny ankamaroan’ny olona

Andry Tsiavalona

Amin’ny hafainganam-pandeha tsy azo tohaina ny firosoan’ny fotoana ho any amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. 109 andro sisa (J-109) dia tsy maintsy hametra-pialana amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy Rajoelina Andry. Raha ny tatitry ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 17 Mey 2023 lasa teo anefa dia toa mbola mitady haka fotoana izy eo amin’ny fitantanana ny Firenena. Nahazo ny “amboaran’ny mpanorina lehibe” (Grand Batisseur) tokoa angamba ity filohan’ny Repoblika IV-2 ity ka hanarina ireo Làlam-pirenena maro efa potika sy manahirana ny mpampiasa azy. Nanaovana tatitra ihany koa fa efa manomboka ny sasany amin’izy ireo. Betsaka ny fampanantenana nataony tany amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy iny tsy vitany dia miverina maka ny fon’ny mponina any indray izy amin’izao akaiky fifidianana izao ka anisan’ny harenina ny Làlam-pirenena faha-6 mampitohy an’Ambodromamy-Antsiranana izay mampikaikaika ny mpitatitra tokoa. Torak’izany koa ny Làlam-pirenena faha-2 sy faha-7 ary faha-5. Araka ny vaovao fantatra anefa dia leo ny fampanantenana nataon-dRajoelina Andry taminy ny mponina andalovan’ireo làlam-pirenena ireo ka tsy mahatoky ny fahavitan’ny làlana intsony raha mbola izy no mitondra eo. Tena efa leon’ny fitondran-dRajoelina ny ankamaroan’ny olona.

Ny herinandro lasa teo ihany koa dia tsy maintsy vitaina, hono, ny teleferika eto an-drenivohitra, indrindra ilay zotra lokom-boasary (ligne orange) mampitohy an’Ambatobe sy Anosy satria tetikasa latsaka ao ampon’ny filoha, hono, io ka tsy maintsy tanterahina. Ny “train urbain” izay tetikasa tamin’ny tetezamita dia tsy maintsy ho vitaina, asa raha ho tontosa fa efa voafefy aloha ny sisin-dalamby hatrany Ambohimanambola. Ny “bus raitra” nankalazaina fa tsy maintsy ho tonga ny voalohan’ity taona ity dia nanjavona kanefa nolazaina tamin’izany fotoana fa efa vita ny kaomandy. Voaresaka tao amin’ny tatitry ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra koa ny momba ny tohadrano famokarana herinaratra any Sahofika izay efa nanomboka tamin’ny taona 2020 ny fanadihadiana (etudes de faisabilité) kanefa dia naaton’ny orinasa ny asa noho ny tsy fandoavan’ny fitondrana ny vola mifanandrify amin’izay vita, ary ny filoha Rajoelina Andry indray no manilika ny orinasa. Tetikasa goavan’ny fiadidianana ny Repoblika ny “fly over” Anosizato-Ampasika, ka ho vitaina asa mandram-pahoviana fa andrandrain’ny maro tokoa ny fahavitany satria hampihena ny fitohanana tsy misy ora eny amin’ireo toerana ireo.

Matinkambo loatra izao fitondrana izao ka na nilaza aza Rajoelina Andry fa nanome baiko ny minisitra ny hampitsaharana ny fotodrafitrasa, ary hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka ny fahefana mpanantanteraka. Aiza ho aiza anefa ny fanabeazana ny zaza malagasy, fanatanterahana ny fanatsarana ny fampianarana ve ny fampitafiana mpianatra sy mpampianatra akanjo miloko volomboasary sy ny fandokoana ny latabatra ho toy izany. Misitraka fitsaboana ara-dalàna sy maimaimpoana ve ny vahoaka malagasy rehefa mandeha any amin’ireny hopitaly “manara-penitra” nolokoina lokomboasary ireny ny rindrina. Misy mpanohana ny fitondrana milaza fa samy nanana ny lokony daholo ny mpitondra nifandimby. Marina izany fa tsy nandoko rindrin’ny tranom-panjakana ho mena ny fitondrana Ravalomanana Marc ary tsy nandoko manga na dia varavarankely iray an’ny minisitera ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery. Azo sary an-tsaina ny tian’izao fitondrana izao hahatongavana amin’ny fitanisana ireo làlam-pirenena lazainy fa hamboarina ireo dia ny fandresen-dahatra ny sehatra iraisam-pirenena fa mendrika io “famaritana” (grand) io tokoa Rajoelina Andry. Na efa natomboka, na mbola eo am-pieritreretana izay ho enti-manana ny fanamboarana ireo fotdrafitrasa notanisainy ireo ny mpitondra dia tsy azo inoana ny hahavitana azy ireo ao anatin’ny volana telo na efatra na dimy na enina. Kanefa nataon-dRajoelina Andry hoe “fo fo fo…” teto an-drenivohitra dia lasa ny orana ary nataony toy izany tany Atsimo dia latsaka ny orana ka raha manao hoe “abrakà…abrakà” izy rehefa manao ny lanonana fanombohan’ny asa dia ho vita “manara-penitra” ao anatin’ny indray mipi-maso izany làlam-pirenena izany ve? 109 andro sisa, miandrandra ny fialany ny maro satria efa tofoka sy boboka amin’ny lainga sy ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrany.