EDITO 25 Aogositra – Tontolo ara Asa – Mandalo fahasahiranana tanteraka

Beharo

Marobe amin’izao fotoana ireo olona sahirana ara-Asa, efa am-bolana maro izao no nanakoako teto amin’ny firenena ny olana mikasika ny karama, ny vola fanampiana eny amin’ny fampianarana ambony sy ny ministera samihafa izay nanao fitokonana, eo koa ny fitadiavam-bola eo amin’ny mpanao asa fitaterana ka mahatonga ireo mpanao taxi-moto mety hidina an-dalambe ihany koa, ary hita mibaribary izao fa maro ny asa simba noho ny fahatapahan-jiro matetika, toy ny asa mpanao volo, ry zareo mpanodina asa fanoratana sy mpampiasa fitaovana mandeha amin’ny herinaratra.

Soritina moa fa ry zareo mpivarotra enta-madinika sy mpivarotra eny amin’ny tsena an-dalambe indray izao nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo, no maneho fa simba asa noho ireo tsy ara-drariny eo amin’ny asa atao, ny mpanjifa rahateo efa tsy manana vola ampy, tsy mifanaraka amin’ny vola raisina ny vidin-javatra ka mampihemotra ny rehetra voakasiky ny toe-draharaha hanakatona toeram-pivarotana ohatra.

Mazava araka izany fa ny vahoaka rehetra raha fintinina dia maneho fa tokony ny fitondrana mihitsy no tokony ho ravaina satria ny vakoaka malagasy dia very asa sy fidiram- bola tanteraka, ny asa rahateo potika araka izany ka tokony ho jerena malaky. Ambara fa asa fitadiavam-bola amin’ny tsy rariny no heno manerana ny firenena, ka ny mpangalatra, ny mpanao kolikoly, ny mpanao asa tsy rariny no lasa mitombo ka tokony ho jerena maika, toy ny fanamboarana amin ny ara-dalàna ny sefo fokontany koa ohatra.