TSY MISY TOHINY DAHOLO ?

Be dia be ireo raharaha izay noheverina ho mafana.
Fikasana ny hamono …, fanonganam-panjakana…
Kanjo hatreto tsisy tohiny, ary nampanginina aza,
Fa toa nahatohintohina “olobe” tena malaza?

Very koa ny volamena tsara hidy anaty vata,
Saingy tsy hay hoe iza marina no nandroba sy nibata.
Fa hatreto, tsisy tohiny ary tsisy ny voasazy?
(Moa ny “ngeza” no atidoha ka indro vitavita ho azy?)

Nolazaina koa fa nisy tetidratsy fanimbana,
Nahatonga ny herinaratra ho tapatapaka mazàna.
“Homena vola ny nahita ireo nanao ny hasomparana”.
Kanjo ny delestazy hatreto aloha dia tsy mifarana!

Ny resaka bonbon sucette sy ecran plat aloha
Dia toy ny efa nototofana, tsy navela mba hifoha.
Satria ve “ngeza” no voatonona sy atahorana ho voatana,
Ka dia mody nampanginina ny raharaham-pitsarana?

…Tsisy tohiny daholo ireo afera mafampana,
Raha vao “olona vaventy” no atahorana ho voatana?
Tena misy raha izany ireo mpitondra fanjakana
Hita ho miteronterona eny ambonin’ny lalàna!

IRINA HO TAFITA (17-08-22)