EDITO 20 Aogositra – Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika – Ekeny izany ny krizy manara-penitra misy eto

Beharo

Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Ramatoa Raharinirina Baomiavotse afak’omaly, aminy izany dia ekeny ny krizy manara-penitra misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. “FA NY KRIZY MANARA-PENITRA dia MBOLA O.K.”

Raha izany no loha-teny hita sy aroso eto androany, dia fantatra tamin’ny teniny ny hoe: ” Tsy azo ekena ny famoronana krizy politika eto “, no nanakoako tamin’ny rehetra na dia tsy maniry izany aza ny vahoaka marobe, fa dia entina hamelezana ireo antoko tsy miray dia amin-dRajoelina fotsiny ihany, raha atao bango tokana ny teny izay nomeny. Ny krizy politika no maty ao an-tsain-dry zareo, fa ny krizy sôsialy, ny krizy ekônômika sy ny krizim-piainana samihafa toa iniana tsy fantatra, hodiana tsy hita sy henoina, nefa ao no tena misy ny tsy rariny mampahantra ny ankamaroan’ny maro amin’izao fotoana, hoy ireo izay nanontaniana. Zary toa afempenina fotsiny ireo vidin’entana mihoa-pampana, ny toekarena, izay efa fambara loza mihitsy hoy ny rehetra, ka tokony ho jerena haingana mihitsy. Tsy vitsy tamin’ireo mpividy fitaovam-pianarana teny Anjoma sy Behoririka, no nilaza fa “Efa krizy manara-penitra hafa kely ity” matoa misondro-bidy avokoa ny fitaovana, ny kahie, ny penisily hazo, ny penina isan-karazany, ny solaitra sy ny sisa… nefa ny saram-pisoratana anarana, ny saram-pianarana ary ny fividianana akanjo mitovy dia mbola fanampiny avokoa.

Hita araka izany fa krizy manara-penitra no misy amin’izao fotoana, tsy hitan’ny mpitondra mihitsy ny olana ara-tsakafo, ny olan’ny jiro sy rano, ny saram-pitaterana sy ny adidy samihafa, fa dia ilay krizy politika foana no lazaina etsy sy eroa, ho fiarovana ilay olon-tokana sy ny mpisolelaka aminy. Ry zareo no milomano anaty volabe, fa ny sisa dia mikororosy fahana eny ihany tsy misy farany ny fiainany. Misy voalohany, misy farany anefa ny zava-drehetra, ka tsy maintsy hipoaka ny sarom-bilany rehefa ho avy ny fotoana ho an’ny vahoaka tompon’ny fahefana, tsy misy mahatosika herim-bahoaka izany tokoa!