VAZIMBA TE HO DARAFIFY ?

Mihamalaza tato ho ato ity ilay jiolahy mpanimba,
Izay nomena anaram-bosotra hoe “kapohy” na koa “vazimba”.
Raha vao misy adiady dia tsy tana f’io ilaiàka,
Ka dia zendana ny maro sady tena mivanaka!

Teny Ankorondrano izao no nandrenesana azy farany.
Teny indray no nisehoany, nametrahany ny anarany.
Saingy tsy amin-java-tsara, tsy amin’ny toetra soa mampiavaka,
Fa amin’ny tetika maloto ho fampiadiana ny mpivavaka!

Ny fitsabahan’i Vazimba no nampisy gidragidra.
Tena nitatra ny fery ka nivadika ho dridra!
Tsy olon’ny fiangonana izy fa ilay zatra tsidi-pahitra,
Saingy izao dia io mijoro ho fitadiavam-boninahitra!

Tena izay rehetra alehany, tsisy zavatra mirindra,
Fa aminy ny fidedahana, izay no lehibe indrindra!
Izy angamba ilay kapohy mba te hijoro ho darafify
Ka dia tena ihomehezana fa hoe “taolana ny nify”!

“Ady tany” koa no lalina fa tsy maintsy miditra izy.
(Tsisy zavatra voalaminy fa mainka tonga ny krizy!)
Avy eo anefa mihalangalana, mody tsy miteniteny
Ity havanana amin’ny ompa dia tsy iza f’i “Bozeny”!

Ry “kapohy” o! ry “bozeny” tsy mahatakatra lasely,
‘Ndeha hevero izay hatao dia mba meteza hisaina kely,
Fa dia efa mampiaiky sy efa tena ikoizana
Ity ianao tapak’amponga tia miseho, tsy mety vizana!

Mba meteza hanaja tena f’aza faly ny hampiady.
Raha tsy izay dia tsotra ihany: ‘ndeha esory ny samboady,
F’aza dia alàm-baraka ny olona nifidy anao,
Ry solombava lian’ ady sy tsy misy kalitao!

TSIMIMALO (16-08-22)