EDITO 16 Aogositra – Mihemotra tsikelikely, miha-reraka hatrany ny firenena

Beharo

Maromaro ireo efa nilaza fa misy ny krizy ara-politika eto amintsika, efa mandamina tetika sy paikady samihafa ho enti-miatrika ny fotoam-pifidianana taona 2023 ry Rajoelina sy ny ekipany, ka ataony daholo izay fomba anakanana izay antoko politika, na fikambanana hafa manana ny heriny, tsy resiny ary tsy levon’ny vavoniny mihitsy aza, ka mety handrotsaka kandida eo.

Hita sy tsapa ohatra, isaky ny manao zavatra izy ireo ary milaza foana fa tao anatin’izay 62 taona nahazoana fahaleovan-tena izay, dia ny azy ihany no mety sy marina, manara-penitra nefa tsy rariny hoy ny vahoaka mahantra, kere, raha ny feo voaangona. Izany hoe misy ireo voatampimaso, voadona tapany ka mandoa erany, ka rehefa tolorana vary tsinjo 5 kg sy siramamy kely fotsiny ihany, dia tsy mahatsiaro intsony ilay fahasahiranana mihoa-pampana, tsy mahatsapa ny loza mitranga, sy izay mety hitranga nefa ny firenena efa mihemotra tsikelikely, reraka hatrany.

Eo koa ny JADONA izay tsy takon’afenina intsony, amelezana ny vahoaka marobe mitsipaka ny foto-keviny. Raha vao misy hevitra atolotra na tsikera mba hatao, dia lazaina fa mpanohitra tsy rariny foana, nefa mba fomba mety hanatsarana sy anjara atsipy ihany no hevitra amin’izany. Mazava araka izany fa mbola te-hifikitra amin’ny toerany hatrany ry TGV mianakavy, sy ireo mpisolelaka manodidina azy, anisan’izany ny tsy fankatoavana fikaonandoham-pirenena tokony hatao nefa tsy hankasitrahan’izy ireo aloha hatreto. Ny hevitry ny maro anefa mahataka-davitra hoy ihany ny fitenintsika Malagasy izay.

Misy koa dieny izao, teti-panorona hafa entina atao ho fanisam-bahoaka naroson’ny Ceni, fa mba hanomezana vola 300Ar isaky ny olona voasoratra anarana ho an’ireo iraka voatendry, mpiray tsikombakomba hanao izany, nefa raha ny feo azo avy any Mahanoro, Tsiroanomandidy, Mandoto sy ny hafa… voaray dia efa halatra ambadika sahady no fonosin’izany. Olona efa voaomana avy no hanao izany, tsy mahalala izay misy sy miseho amin’ny toerana tian-kaleha, tsy mahafantatra izay zava-misy, fianakaviana handehanana, fa dia paik’ady sahady hanomanana ny tsy rariny sy ny halatra amin’ny fifidianana amin’ny taona ho avy io.

Raha fintinina dia matahotra ny mpifanandrina aminy i Boaikely sy ny ekipany, ka na RMDM, na TIM, na HVM,… izay efa miomana amin’izany, dia efa sakanany amin’ny fomba rehetra. Ny vahoaka anefa efa tofoka, satria tena sahirana, ka tsy mahagaga raha misy ny Gasy Leo, izay mbola hiitatra hiitatra hatrany.