Tiko Antsiranana – Nosakanan’ny herim-pamoretan-dRajoelina ny hetsiky ny TIM

Niaina

Nosakanan’ny herim-pamoretan-dRajoelina koa ny hetsika saika ataon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny Tiko tany Antsiranana faritra Diana omaly. Araka ny nambaran’ny Prefet an’i Diego tsy azo anaovana fivoriana politika ny Tiko ao amin’ny Place Kabaro, izay toerana misy ny MBS any amin’ny faritra avaratry ny Nosy iny, na fananan’olon-tokona aza.

Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana: saika mba hikoragna amin’ny filoha nasiônalin’ny antoko Tim ireo mpikatroka any an-toerana, manararaotra ny fandalovan’ny Filoha Ravalomanana any ireo mpomba azy any an-toerana, nefa dia famoretana sy fanakanana izao no nataon’ny mpitondra. Ny olona mipetraka sy miasa manodidina ity Tiko any Diego ity koa dia tsy nahazo niditra tamin’ny toerana nisy an’izy ireo, nandritra ny fanakanana nataon’ireo herim-pamoretana ireo. Raha ny nambaran’ireo tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana, tsy nahazoana alalana hono io hetsika famoriam-bahoaka saika nataon’ny antoko TIM io, nanao izany fanambarana izany ny mpitandro filaminana ao amin’ny OMC sy ny Prefet any an-toerana.

Feno mpitandro filaminana, herim-pamoretana noho izany ny tany amin’ny Tiko Antsiranana sy ny manodidina. Avy any Ramena Diego II, anisan’ny voaasa niatrika ny Fihaonambe faha-12 ny Sampana Dorkasy FJKM manerana ny Nosy ny Filoha Marc Ravalomanana, no saika hamonjy io fihaonana tao an-tampon-tanànan’Antsirananana io dia izao voasakana izao indray, na toerana fananana azy manokana aza ny Tiko. Tsy avela hivory ao an-tranony izany ny olona amin’izao fitondrana jadon-dRajoelina izao.