EDITO 11 Aogositra – Ny vahiny no toa mitari-dia ny fitondrana amin’ny tokony hataony

Sôh’son

Miharihary fa misy sehatra sy tranga nampanginginina na niniana nohadinoina eto amin’ny firenena, nataon’ny fitondrana ao anatin’izao mbola fotoam-piasany izao. Tranga izay tamin’ny fotoan’androny nandaniana ranomainty an-gazety sy noresahana be dia be tamin’ny haino aman-jery. Ninia nikimpy nanoloana izany ary tsy nandrenesam-peo velively momba ireny anefa ny tomponandraikitra samihafa isan-tsokajiny sy ny fitondrana. Dia zary nangingina teny ny raharaha, izay rahateo ve ny politika atao?

Ny fihaonana nifanaovan’ny mpitondra malagasy notarihan’ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiministra tamin’ny Vondrona Eoropeana andro vitsy lasa izay no niresahana izany indray. Ireto vahiny manaraka akaiky ny toe-draharaha eto amin’ny firenena aza no nanokatra ny resaka izay vao nahitan-teny ireto mpitondra malagasy. Anisan’izany ny raharaha namonoan’ny sasany tamin’ny fomba feno habibiana ilay lehilahy mpiaro ny tontolo iainana, kanefa tsy hita akory izay tohin’ny fanadihadiana, na ny resaka fanafoanana ny fitiliana valanaretina eny amin’ny seranam-piaramanidina izay toa taraiky amin’izany i Madagasikara, sns… Ny hita sy re tamin’ny fampitam-baovao dia izay vao niezaka namaly ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ary niseho nanome ny fepetra horaisina toy ny fampiharana manomboka amin’ity andro alakamisy ity, ny fanafoanana ny fitiliana eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Raha tsy efa ny vahiny ve no miteny vao mody mikoropaka mandray fepetra toy izany? Izany hoe ny mpitondra malagasy ankehitriny ireo, dia mbola tarihan’ny vahiny amin’ny zavatra tokony hataony eto amin’ny firenena, fa tsy hainy ny lalana tokony haleha. Izany hoe, ny vahiny no mpitari-dia azy amin’ny sehatra maro samihafa, fa tsy henoiny ny feon’ny malagasy mpiray tanindrazana. Efa hita rahateo izany tamin’ny tranga maro nidradradradran’ny sarambabem-bahoaka, na teo amin’ny sehatra ara-tsosialy toy ny fidangan’ny vidim-piainana izay tsy zaka intsony, ka nikasana hidinana an-dalambe fa noraràna mafy tamin-kery; na teo amin’ny resaka ara-toekarena sy fihariana, ary indrindra teo amin’ny resaka politika toy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana fotsiny, ohatra.

Azo adika tsotra izao, fa tsy manana ny maha izy azy amin’ilay tena maha malagasy saropiaro amin’ny taniny sy tia ny tanindrazany ny fitondrana Rajoelina. Raha mbola manan-kalahatra ny vahiny, toy ireto Vondrona Eoropeana ireto manoro izay tokony ataon’ny fitondrana malagasy, ao anaty dinika toy ireny, dia firenena mampalahelo ny firenentsika ary anaovan’ny hafa tondro-molotra fotsiny.