TSY MISY VONONA HANITSY ?

Tsisy foza mety hijoro mba hanitsy ny vazimba
N’inona n’inona ho rava, n’inona n’inona ho simba?
Sa ny tena foto-kevitra dia ny miaraka mirona,
N’inona n’inona mihàtra, n’inona n’inona midona?

Ny mpitarika modely, izay no tena hoe tsy ananana,
Ka dia misy ireo manivaka, mampiseho ny havendranana?
Tena zava-tsy fandre sy tsy fahita teto an-dasy,
Izany Malagasy iray hanambana olona amim-basy!

F’asa na mivadika ondana na koa misimisy kely,
Ity ambara ho fikìtra tena tia mampiady angely,
Ka manao izay tiany hatao sy tsy azon’iza mba tenenina,
Fa dia efa igagana ny amin’izy bemarenina!

Angamba tena hoe tampohiny mba nahazo toerana avo,
Ka tsy dia mahay mipetraka ity mirehaka ho “favo”.
Ary dia manindritsindry sady tia misotasota,
F’izy hono solombava ka “tsy maty raha manota”!

…Dia tsy hisy mihitsy ve mba foza iray ho sahy hijoro
Ka hananatra, hanitsy sady tena mba hanoro
Fa tsy mety, tena ambany sy tsy fomba Malagasy
Izany hanompa variraraka sady hanambana amim-basy?

Indrindra indrindra ilay nanao dia misongadina amin’ny lokony
Sy ny andraikitra izay tanany ao anatin’ny antokony?
Moa tsy fantany f’izany no efa manaratsy endrika
Ito sambo efa mijoboka sy madiva ny ho rendrika?

DADAN’i ZINA (07-08-22)