EDITO 9 Aogositra – Leo ny fizahozahoan-dRaholdina sy ny mpiara-dia aminy ny olona

Beharo

Efa tena leo ny fizahozahoan’ny depiote Naivo Raholdina ny ankamaroan’ny mponina eny Analamahitsy ao amin’ny Boriboritany faha-5. Nanakoako tamin’ny faran’ny herinandro teo ny zava-nitranga teny amin’ny fokontany Analamahitsy tanàna Boriboritany faha-5, momba ny fanesorana ny sefom-pokontany, Randrianantoanina Ny Andrianina, izay tsy hafa fa olona napetrak’i Naivo Raholdina teo ihany, fony izy nahazo vahana teo ankilan-dRajoelina sy ny Antenimieram-pirenena misy azy. Nefa zavatra tsy azony atao na ny manendry na manondro olona misahana izany fokontany izany, fa dia hambo daholo hoy ireo sendra ny gazety.

Izy no nanala tamin’ ny fomba tsy rariny ny sefo tany aloha, izay nampalahelo ny rehetra ihany koa, izy ihany koa no nametraka ity sefo nifoteran’ ny rambony ity indray, ary dia nametraka ilay lefitra ho tompon-toerana mihitsy dia Ratovo Andriamanjato, nefa efa niray tsikombakomba tamin’ ny ratsy tao ireo hoy ny vaovao voaray, niantehitra tamin-dRaholdina betaintsofina hoy ny mpiserasera sasany, ka dia voafingana tamin’ny ora farany. Mpiray antoko samy TGV ihany izy ireo, nefa dia manao toy izao, vitan-dRaholdina mihitsy ny manambana basy sy antsy ny namany rehefa tsy levon’ny vavoniny, ary fanendrena kitoatoa no asetry izany avy eo, nefa voarara avokoa izany rehetra izany raha ny andinin-dalàna nojerena, fa dia ilay M’izaho’zaho no tena tsy maty ao an-tsainy. Ny fokonolona maro sendra ny gazety, dia nilaza fa hatramin’ireny fihibohana teo aloha ireny dia efa fanaon’izy ireo ny manotra olona volabe, izay efa nentina teto tany aloha, toy ny raha vao tara fanidy toeram-pivarotana, tsena, dia takiany vola 150.000Ar, ka tsy nahafay azy raha tsy nivoaka an-gazety toy izao, sehon-javatra nampalahelo ny maro tokoa.

Mazava araka izany fa sefom-pokontany lefitra mbola ratsy noho ny ratsy ity nomen-toerana ity, ka tokony ho jerena akaiky mihitsy hoy ireo mpivarotra anana, mpanao kiraro, mpiasan ‘ny kominina, ary vahoaka maro teny amin’iny faritry ny Boriboritany faha-5 iny.
Ho fehin’izao fizahozahoan’ny mpiara-dia amin’ny fitondrana izao, misy farany avokoa ny zava-drehetra, raha nitohy naniry naniry foana ny hazo hoy ny fomba fitenenana izay, tonga tany an-danitra ny totozy, fa tsy izay no zavatra iainana eto an-tany, tsy misy ny ho doria izany, manam-petra avokoa ny zava-drehetra,…