Fitondrana Rajoelina – Tsy mahatsapa mihitsy ny fijalim-bahoaka

Sôh’son

Rehefa miteny imasom-bahoaka, na amin’ny haino aman-jery ny filohan’ny Repoblika Rajoelina dia miseho hatrany, sy milaza ho mahatsapa ny olam-bahoaka. Dia mody mihatsaravelatsihy eo izy amin’ny filazana fa miara-miaina izany amin’ny vahoaka. Lainga marivo tototra tsotra izao anefa izany, raha miainga amin’ny fanapahan-keviny mikasa hampiditra fiarabe hatao hitateram-bahoaka eto. Io dia mampibaribary fa tsy fantany sy tsy tsapany velively ny fijaliam-bahoaka eo amin’ny fiainana andavanandro amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny fifamoivoizana. Tsy fantatr’i Andry Rajoelina, sy ireo mpiara-miasa aminy miketrika izany fitateram-bahoaka vaovao izany ny zava-misy marina eny an-dalana eny.

Tsy fantany sy tsy tsapany, fa ny sarambabem-bahoaka mandeha fiara mpitatitra, reraka rehefa anaty fiara indrindra rehefa hody hariva na mitehin-ko alina ny andro, noho ny fitadiavana sy ny asa fivelomana mafy nandritry ny tontolo andro iadiany amin’ny fahafatesana. Satria ny fitadiavana isan’andro ataony io dia mba hahafahana mivelona androtr’iny sisa, fa ny ampitso mbola tsy fantatra. Reraka araka izany ny ankamaroan’ny sarambabem-bahoaka isan-kariva handeha hody ary be no matory anaty taxibe. Tsy maintsy ahitana izany any anaty taxibe ny ankamaroany, mba tsy ilazana azy hoe izy rehetra, indrindra amin’ireo taxibe manao zotra an’Antananarivo sy ny manodidina. Mila mipetraka araka izany ny mpandeha ary na ilay seza kely afovoany na dia ratsiratsy iny aza dia ihafiany eo. Misy izany ary tsy fantatr’izao mpitondra ankehitriny izao.

Dia nambaran’ny filohan’ny Repoblika, fa amin’ilay fiarabe hafarany ary ho tonga amin’ity taona ity, dia mahazaka mpandeha 50 ka ny 25 mipetraka ary ny 25 ambiny mitsangana. Dia amin’ny fomba ahoana no hitsanganana mpandeha efa reraka handritry ny adin’ny ora roa na telo na mety mihoatra izany aza rehefa tena henjana ny fitohanana amin’ny lalana handeha hody. Iaraha-mahalala tsara ny zava-misy eo amin’izay resaka izay eto an-drenivohitra indrindra aza rehefa amin’ny fahavaratra. Ny haratsian’ny lalana rahateo manampy trotraka ao anatin’izany.

Tsy fantr’i Andry Rajoelina izany, fa ny hanindry fotsiny izay manelingelina azy no mahamaika azy, sy isehoana amin’ny vahoaka izay mora fitahiny lava, fa mitady hevitra hamahana ny olam-bahoaka ny tenany. Ilay vahaolana arosony anefa tsy voadinika lalina sy tsy hita hoe mankaiza akory. Mazava loatra araka izany, fa tsy mahatsapa sy tsy mahalala velively ny iainan’ny sarambabem-bahoaka izany izao fitondrana izao.