CMEST – Manao kitohatoha sy manamaivana ny fampianarana ny fitondrana

Nangonin’Isambilo

Mahakasika ny olan’ny fanabeazana eto amintsika, nanao fanambarana ny CMEST, na ny Comite Malagasy d’Ethique pour les Sciences et les Technologies, izay ao anivon’ny Akademia Malagasy. Nasongadin’izy ireo fa manao kitohatoha sy manamaivana ny fampianarana sy ny fanabeazana ny fitondrana amin’izao fotoana :

« Nandritra ny valan’aretina sy ny rivo-doza nifanesy nanjo antsika tanatin’ny roa taona farany teo dia nahavelom- bolo ny firaisankina sy fandraisana andraikitra nisy teo amintsika Malagasy rehetra. Maro tokoa ny namoy aina sy rava ny fananana tamin’izany. Sanatria “tsy hamoha fota-mandry akory izahay”, fa dia mamerina sy manamafy etoana ny fifankaherezana ho antsika rehetra tsy an-kanavaka. Eo am-panarenana ary eo am-pananganana isika ankehitriny. Ny fototra ijoroantsika dia ny fananantsika ny fihavanana, fifandraisana lalim-paka amin’ny fo sy fanahy eo amintsika samy olombelona, ary koa fitiavana ny firenena iombonana, ity Nosy malalantsika ity izay mamatotra antsika mianakavy. Tena mamy ho an’ny Malagasy mantsy ny tanindrazany.

Mahatsapa anefa ny Komitim-Pirenena Malagasy mitandro ny hasina eo amin’ny siansa sy ny hairaha na ny COMITE MALGACHE D’ETHIQUE POUR LES SCIENCES ET LES TECHNOLOGIES (CMEST) fa hikorosy fahana hatrany ny fiarahamonintsika efa gejain’ny fahasahiranana tsy hita lany ankehitriny, raha mbola hamaivanina sy hatao kitohatoha sahala amin’izao ny fanabeazana. Vita izao ny fanadinam-panjakana ary toa mihatsara ny voka-panadinana raha ny isa no jerena, maro koa ireo sekoly manara-penitra voaorina. Na izany aza, “iaraha-mahita toy ny tafika andrefan-tanana”, “tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra” ny olana eo amin’ny ambaratonga samihafa hatrany amin’ny Oniversite. Heverinay fa tena ilaina mihitsy ny fanitsiana sy fanatsarana ny lafim-pampianarana sy fanabeazana eto amintsika mba hamokatra olom-banona, manampahaizana, Malagasy miatrika ny toetr’andro ankehitriny.

Ny tenintsika malagasy dia mampisongadina fa “sombin’ny aina”, “menaky ny aina” ary “solofo sy dimby” ny zanaka. Soatoavina sarobidy, voalohan-karena eo amin’ny fiainana ka tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy ny momba azy na hamonoana tena aza. Hatramin’ny fahagolantany, ny riba sy kolontsaintsika dia manaporofo fa nataon’ny Razantsika nifandimby ho isan’ny vaindohan-draharaha eo amin’ny fiarahamonina ny fanabeazana sy fikolokoloana ny taranaka.

Koa manainga ny manampahefana, ny seha-panabeazana isan-karazany eo amin’ny fiarahamonina sy ny Malagasy manam-panahy rehetra izahay mba samy hijoro handray ny andraikiny avy fa ny adidy, hono, tsy an’olon-dratsy, asa vadi-drano ity, tsy vita tsy ifanakonana! Aoka ny taranatsika hovolavolaina mba ho tonga olona sady mahatsangy no ary, manana ny maha izy azy, olom-pirenena marina, mahavelon-tena nefa manaja ny fanahy maha olona. Tsy handroso na oviana na oviana ny Firenentsika raha miondrika ny olona, satria migoragora ny fampianarana. Tsy azo sarahana eo amin’ny fiainana ny fahaizana, ny fahefana ary ny tandro hasina (ethique). Ny fitandroana ny hasina no miaro ny olona amin’ny fahalovan’ny toe-tsaina sy ny fanao maneho fahabotriana samihafa hita amin’izao fotoana izao. Tsy adinoina fa “ny teny manaitra fa ny atao mahatarika”, modely tahafina ny mpanabe rehetra manomboka amin’ny ray aman-dreny, ny mpitondra, ny mpiara-monina, ka entanina isika mba samy “hisikim-ponitra”, hiara-kientana mba hahafahan’ny zanatsika mirehareha ao aoriana anatin’ny Firenena malagasy mandroso amin’ny toekarena sy ny toetsaina.