AZA MBA VAZIMBA IHANY

Vazimba dia tary tsy mahay mipetraka,
Fa mahafaly azy ny mihetraketraka.
Nefa dia zary efa atao fihomehezana,
Ity ilay “kapohy” tena mpanao letrezana!

Idirany raha vao mba misy “ady tany”,
Satria sangany izy amin’ny zava-toy izany.
Dia io i Vazimba miseho azy ho raitra,
Amin’ity vavabe efa tsy mahataitra!

Idirany hatramin’ny resa-piangonana,
Ka indro teraka ny fifandonana.
Avy eo dia tsy tratra ary indro fa tonga,
Milaza ny handamina i “Tapak’amponga”!

Raha vao mba miresaka na koa mitafa,
Dia hainy ny fanaratsiana ireo hafa.
Fa ny azy ny volomboasary no hany
Derainy fa mendrika indrindra eto an-tany .

…Tsabahiny hatrany ny zava-drehetra.
Mifanahin-dalitra ity ilay voretra.
Vazimba o! mba lanjalanjao izay havoaka,
F’ianao efa tena ikoizam-bahoaka!

IRINA HO TAFITA (03-08-22)