Fitaterana – Mananontanona ny fanapotehana ny mpitatitra matihanina

Andry Tsiavalona

Nanao fanambarana tamin’ny haino aman-jery ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Repoblika ny faran’ny herinandro teo. Tsapa tamin’izany fa tsy manana fanetren-tena sady tsy mba hita soritra amin’izay nambarany ny fifanajana amin’ny maha samy Malagasy, satria fanasongadiana izay kely mba vitan’izao fitondrana izao sy fanaovana tsinontsinona ny tsy mitovy hevitra aminy ary fijerena amin’ny masolavitra (jumelle) mivadika ny habetsahan’ny mpanohitra no nisongadina.

Tsy azo lavina fa maro an’isa ny mpanohana ny fitondrana any amin’ireo rafitra ara-pitantanana misy rehetra eto amin’ny Firenena. Miaro azy ireo ihany koa ireo lazaina fa tandroka aron’ny vozona sy mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa fa mitombo andro aman’alina ny diso fanantenana, ka tsy mankasitraka izao fitondrana izao, noho ny fanomezan-toky tsy am-piheverana nataon’ny filohan’ny Repoblika. Tsapa araka izany fa mihorohoro izao fitondrana izao, ka miezaka manodinkodina ny saim-bahoaka amina fihetsika sy fiteny ary fanaovana lanonana.

Ampahatsiahivina ihany fa nisambo-bola dimapoloambizato tapitrisa euros hametrahana ny fitaovam-pitaterana teleferika eto an-drenivohitra ny fitondrana Rajoelina Andry. Samy nahatsapa anefa ny rehetra, pôlitisiana, mpahay teokarena, fiarahamonim-pirenena, eny hatramin’ny loholona frantsay, fa tsy hahavaha ny olana rehetra iainana eto an-drenivohitra velively ny fametrahana izany. Hanavesatra ny trosa baben’ny Malagasy izay efa trotraky ny adim-piainana manerana ny Nosy koa, kanefa tsy ny mponina rehetra no hisitraka ny tombony raha misy izany. Tsy hitondra fampandrosoana eo amin’ny sehatra rehetra ihany koa satria tsy azo hitaterana entana no vitsy ny mpandeha zakany ary hisy ny hiantona eny ambony eny noho ny fahatapahan’ny herinaratra tsy misy fiatoana eto an-drenivohitra. Tsy misy tohiny moa iny resaka iny toy ny « tramway » nampanantenain’ny filohan’ny tetezamita Rajoelina tamin’izany. Ho toy ireo lohamasinina any amin’ny zotra an-dàlamby Fianarantsoa-Manakara (FCE), izay tsy mandeha amin’izay laoniny kanefa dedaka ery ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fotoan’androny.

Ankehitriny indray dia nambaran’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Repoblika tamin’ny fomba ofisialy fa hanafatra « bus moderne » miisa arivo indray izao fitondrana izao. Hiasa eto Antananarivo avokoa izy ireo ary mahazaka mpandeha mipetraka dimy ambiroapolo sy mitsanga toy izany koa. Rehefa dinihana lalina ny ataon’izao fitondrana izao dia tsy misy afa tsy ny fananganana orinasa, eny amin’ny sehatra rehetra, miteraka tombony ho an’olombitsy fa tsy an’ny be sy ny maro. Nanangana ny SPM ny fitondrana, tandapa no mitantana izany ary ny vola miditra ao amin’ity orinasa mpanafatra entana ity, tsy misy miditra ao amin’ny kitapom-bolam-bahoaka. Olombitsy no nahazo fahazoan-dàlana hahafahana misehatra eo amin’ny lavanila kanefa tsy fantatra firy isanjaton’ny vola miditra amin’izy ireo, no miditra ao amin’ny kitapom-bolam-bahoaka. Nopotehina ny orinasam-pirenena Air Mad dia natsangana ny Madagascar Airlines, izay lazaina fa fitambaran’ny Air Mad sy Tsara Dia kanefa mankaiza ny vola miditra amin’ity orinasa tantanan’ny tandapa ity?

Raha ny « bus moderne » no asiana resaka dia mitovitovy tamin’ny Repoblika-II nananganana ny FIBATA sy ny FIMA ny tranga. Tian’izao fitondrana izao ho potehina indray ny kaoperativam-pitateram-bahoaka misy eto an-drenivohitra. Manararaotra ny fampiakarana saran-dàlana ny mpitondra kanefa tsy mbola sahy manambara izay mety ho saran-dàlana raha tonga eto tokoa izany bus izany. Tsy ny fahazakan’iny bus izany olona dimampolo izany no olana, fa vola avy aiza indray no hividianana izany satria tsy misoratra ao amin’ny LFR akory izany. Ny toe-draharaha toy izao no mahatonga ny eritreritra fa ireny volamena sy vatosoa ary andramena nivoaka antsokosoko ireny dia mamatsy ny kaontin’ireo tandapa any amin’ny banky any ivelany any ny vidiny. Azo heverina ihany koa fa misy mpanam-bola manaiky hividy ireo bus ireo kanefa tsy maintsy misy takalony izany. Ambonin’izany, fiara mpitatitra madinika toy ny sprinter mahazaka mpandeha fito ambiroapolo na telopolo aza efa sahirana amin’ny fitohanana tsy misy fiafarany eto an-drenivohitra, ka vao mainka fa hiampy bus lehibe arivo indray dia azo antoka fa hitombo avo roa heny ny fitohanana raha tsy ho sintonina daholo angaha ny fahazoan-dàlan’ireo mpitatitra amin’izao fotoana. Mbola misy efa-bolana vao ho tonga ny faran’ny taona kanefa efa tokony hihevitra izay hataony dieny izao sahady ny mpitatitra am-perinasa, raha tsy izany dia hanatevin-daharana ny very asa eo indray koa.