EDITO 30 Jolay – Serasera sy kolontsaina – Misy raharaha tsy mazava ataon’ny DAF sy ny Ministra

Ny Valosoa

Araka ny vaovao voaray sy ny fanadihadiana natao, misy raharaha tsy mazava amin’izao fotoana ataon’ny tale misahana ny ara-bola, na ny DAF, sy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina (MSK) Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy amin’ny fitantanana ity ministera ity. Ny DAF ny MSK dia nisy raharaham-pitsarana efa nanenjehana azy, noho ny fivarotana tanin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tamin’izy tao amin’ny CUA tamin’ny fotoan’ny Tetezamita ireny. Namoaka didy famonjana azy ny Fitsarana ny taona 2019, saingy Ramatoa Ministra no namoaka azy teny Antanimora ora vitsy monja taorian’io didy famonjana io. Io DAF io ankehitriny no voalaza fa mitantana ny vola sy ny fananan’ny MSK, izay nolazain-dRamatoa Minisitra manoloana ny mpiara-miasa aminy tao amin’ity Minisitera ity fa tsy azo kitikitihina.

Raha tena mandala ny Fanjakana tsara tanana ity fitondrana Rajoelina ity dia tokony handefa IGE faran’izay haingana ao amin’ny MSK, fa hahita ireo zavatra tsy mazava sy maizimaizina ao amin’ity departemanta ity. Araka ny vaovao voaray hatrany, tsy atao mahagaga ny vaovao miparitaka amin’ny Fb, sy ny gazety mpiseho isan’andro iray ankehitriny, momba ny naha mpanankarena tampoka ity Minisitra ity.

Ankoatr’izany, ny resaka fanangonam-bola tsy nierana tamin’ny CM, na ny filankevitra monisipaly ny kaominina Mahajanga momba ny Maison des Maires any Mahajanga tsy fantatra intsony hoe nankaiza hatramin’izao? Tsy misy fanazavana.

Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao arak’izany, inona marina ny tsiambaratelon’ny mpitondra any amin’ity Ramatoa Minisitra ity, no efa mivandravandra tsy azo afenina intsony ny zava-maro mamoafady vitany sy ny vadiny kanefa dia jeren’ny mpitondra fotsiny izy ireo, ka afaka manao izay tiany atao.

Fitifirana olona amin’ny basy mahery vaika, fanagejana sy fandratrana olona iniana atao, fitantanam-bolam-bahoaka tsy mazava, fampiadiana ny samy mpanakanto, ka nahatonga ny Solombavambahoakan’Antananarivo faha-4 sy ny mpanolotsaina manokan’ny Filoha nampiaka-peo. Ity farany moa dia efa nilaza fa tsy manohana ny Filoha Rajoelina izany ity Minisitra vavy be vava ity, fa mpamingana azy aza, tsy lazaina intsony ny fitondra-tenan’izy mivady kianin’ny olona amin’ny tambazotran-tserasera. Misy antony goavana dônko ao, hoy ny fiteny any Avaratra izay. Na izany na tsy izany anefa, tsy maintsy misy farany avokoa ny zava-drehetra!