EDITO 19 Jolay – Haverina ho 600 Ar ny saran-dalana – Tian-kano tsy tian-kano kosa ny rejiônaly sy nasiônaly

Isambilo

Haverina ho 600 Ar ny saran-dalana eto Antananarivo hatramin’ny alakamisy ho avy izao, ho an’ireo kaoperativa izay nampakatra ho 800 Ar hatramin’ny sabotsy teo, raha tsy izany dia hihàtra ny sazy, io no fanambarana nataon’ny tao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, sy ny mpitandro filaminana omaly.

Ny eto Antananarivo, misy hatrany ny fifampidinihana mahakasika izay saran-dalana izay, fa ho an’ny any amin’ny faritra, amin’ny zotra nasiônaly sy rejiônaly, toa mandidy dia homana ireo mpitatitra, tsy dia mba misy loatra izany fifampidinihana izany rehefa hampakatra saran-dalana, fa toa avy hatrany dia manao izay saim-patany izy ireo, tian-kano, tsy tian-kano izany ho an’ny mpanjifa. Ny mpanjifa madinika hatrany no mizaka ny tsy eran’ny ainy.

Na izany, na tsy izany, mizaka ny tsy eran’ny ainy koa ireo mpitatitra, na ny an-drenivohitra, na ny rejiônaly sy ny nasiônaly, ka tokony ho jerena manaraka ny fiakaran’ny vidin’ny solika, izay 44% koa ny fiakarana ho azy ireo, eo anefa dia tokony tsy hahafaty ny reniny izany, ary tsy tokony hahabotry ny zanany koa amin’ny fanaovana ny fampakarana, rehefa tsy maintsy hampakarina, fampakarana izay efa nambaran’ny mpitondra fa tsy voafehiny matoa izy ireo efa nilaza mialoha fa tsy maintsy hisondrotra ny vidin-tsolika, ary manaraka izay ny saran-dalana, sy ny zavatra hafa rehetra.

Na fampakarana, na tsy fampakarana, tokony hitovy hoy ny feo avy amin’ny maro ny fanaovana izany, fa tsy Antananarivo ihany no anaovana fifampidinihana, fa ny any amin’ny toeran-kafa toa tsy misy izay fifanatonana izay, ka tena mizaka ny tsy eran’ny ainy ny mpanjifa any ambanivohitra, sy any amin’ny faritra vokatr’izany. Mbola tokony ho jeren’ny ministeran’ny fitaterana, sy ny fitondrana Rajoelina akaiky izany, fa rehefa tsy hahavita izany izy ireo dia mialà ho ihany koa ny feo mandeha.