FETIFETY TSY HAHAVOKY

Fetifety tsy hahavoky, izany indray no anasana
Sy entina anampena-maso ny mahantra eto an-tanàna?
Aoka izay ny fitapitaka, aoka izay ny vandivandy.
Mbola tsy fotoana izao anaovanao propagandy!

Fetifety tsy hahavoky no hanodinana ny saina
Sy entina mandrebireby ireo vahoaka mitaraina?
Volabe an-tapitrisa no nafafy ho amin’izany?
Tsy naleo natao sakafo mba ho anay tanàna ambany!

Fetifety tsy hahavoky no natao mba hidedahana?
Tena hita ianao mpitondra fa madiva ho lany fahana,
Ka ny zavatra mirenty tsy mitera-pandrosoana,
Izay no tianao imasoana sy andanianao ny fotoana!

Fetifety tsy hahavoky sy afomanga indray mihelina,
Nefa raha fahoriana efa mangidy sy tsy telina?
‘Zay atao mba saino ihany ry mpitondra firenena,
F’efa tena maro loatra ny bontolo sy hagegena!

Fetifety tsy hahavoky nampiasana hafetsena:
Mody nitondrana am-bavaka an’izato firenena,
Kanjo niova ho fandihizan-dry tsy misy kalitao?
Very ianao ry firenena raha mitohy ny toy izao!

DADAN’i RIANA (21-06-22)