Vehivavy TIM Ambohimanarina – Mitombo isa isan’andro ny mpikambana TIM

Isambilo

Nanatanteraka fivoriambe sy fameloma-maso ny mpikatroka vehivavy TIM, ireo mpitarika ny Vehivavy TIM avy amin’ny fokontany miisa 31 ao amin’ny Boriboritany faha-6 ny sabotsy teo, teny amin’ny tranon’ny depiote Todisoa teny Ambatolampy Ambohimanarina. Mbola tsy ny vehivavy rehetra no nantsoina tamin’izany fa ireo mpitarika isam-pokontany, nahatratra 400 mahery izy ireo niatrika izao hetsika izao.

Nanome voninahitra ny fotoana ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM ao amin’ny Boriboritany faha-6 Todisoa Andriamampandry, ny filohan’ny Dis-TIM Celestin Ratsimbazafy, ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga Arphine Rahelisoa, teo koa ireo mpanolotsainan’ny tanàna voafidy amin’ny anaran’ny antoko TIM, ny filohan’ny Tanora TIM Boriboritany faha-6 Lalaina Rabezanahary.

Nambaran’ny filohan’ny Vehivavy TIM Ambohimanarina, Ramatoa Vololona nandritra izany, fa mitombo isan’andro ny mpikatroka vehivavy TIM, sy ny mpikatroka TIM amin’izao fotoana, noho ny hetsika fameloma-maso ny antoko atao. Notolorana fanomezana: vary, savony, paty ireo mpitarika tonga, vola azo avy amin’ny hetsika mofomamy nataon’izy ireo, sy fanomezana avy amin’ny depiote Todisoa mivady ihany koa.

Ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga Arphine Rahelisoa dia nanamarika, fa tsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny depiote, ny Dis-TIM, ny Vehivavy TIM ary ny Tanora TIM eny Ambohimanarina, mahantonga ny firoboroboan’ny antoko. Noho izany, voalohany eto Analamanga ny Vehivavy TIM Boriboritany faha-6 eo amin’ny isan’ny mpikambana hoy i Arphine.

Niresaka ny momba ny fijalian’ny vahoaka noho ny zavatra tsy mety ataon’ny fitondrana Rajoelina kosa ny depiote Todisoa. Momba ny FAHATAPAHAN-JIRO, AMPANDADIZIN’NY FANJAKANA MIHINTSY NY VAHOAKA MADINIKA SY SAHIRANA, hoy izy TSY MBOLA NISY MPITONDRA NAMPIJALY VAHOAKA TAHAKA ITY araka ny fanamarihana nataony. Ampahantrain’ny fanjakana ary tena ampandadiziny amin’ny tany mihintsy ny vahoaka madinika sy sahirana amin’ity resaka FAHATAPAHAN-JIRO ity, hoy ihany ity olom-boafidy ity. Maninona, eny amin’ny toerana avo na ny “quartier residentiel”, izay itoeran’ny mpanambola no tsy mba tapaka, nefa ireny olona ireny mety manana fahafahana hampiasa “groupe”, fa ilay mponina amin’ny toerana iva foana no mizaka ny tsy eran’ny ainy? Rehefa tsy vita na tsy zaka ilay fitantanana dia mialà ary havereno amin’ny vahoaka ilay fahefana nampindramina. Tena tsy rariny intsony mihitsy ny zavatra iainan’ny Malagasy, hoy izy.