Tanora TIM Ambohimanarina – Namoaka mpianatra nahavita fiofanana momba ny infôrmatika

Isambilo

Tanora mpianatra miisa 50 nahavita fiofanana momba ny infôrmatika, no navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lycée Privé Les Rossignols Ambohimanarina ny sabotsy teo.

Mpikarakara izao fiofanana izao ny Tanora TIM ao amin’ny Boriboritany faha-6 Ambohimanarina, tarihan’ny filohany Lalaina Rabezanahary. Nanotrona ny fotoana teny an-toerana koa ny biraon’ny Tanora TIM Analamanga, notarihan’ny filohany Solofo Razanadrakoto.

Santatra ambava rano ihany izao fiofanana momba ny infôrmatika nataon’ny Tanora TIM Boriboritany faha-6 izao, fa mbola hitohy ny hetsika. Mbola hanomana cours ho an’ireo mpanala fanadinana bacc izy ireo ato ho ato. Ho an’ireo tanora mitady asa, mikarakara fanofanana ho an’ireo tanora vonona hiasa amin’ny antsoina hoe: call center koa ny Tanora TIM Boriboritany faha-6.