Raharaha Brickaville 2022 – Tontosa ny fampihavanana ny mpiara-dia amin-dRavalo sy Ratsiraka

Stefa

Tontosa tany Nierenana Brickaville faritra Atsinanana ny sabotsy teo ny fampihavanana noho ny raharaha tamin’ny taona 2002 teo amin’ny avy amin’ny antoko TIM, sy ny antoko AREMA. Dingana iray eo amin’ny tantaram-pirenena no vita ny sabotsy 18 jona teo, satria notanterahina tany amin’ny PONT BAILEY NIERENANA BRICKAVILLE ny fandravonana ny disadisa nisy tamin’ny taona 2002 teo amin’ny FILOHA teo aloha ROA TONTA RATSIRAKA SY RAVALOMANANA, ka namoizana ain’olona, fananana potika, fampidirana AM-PONJA, fitondrana takaitra …

Ny SOLOMBAVAMBAHOAKA, kolonely RAMBOASALAMA Emilien sy ANDRIAMORASATA Julien no nisolotena ny FILOHA Marc RAVALOMANANA ary Ramatoa Annick RATSIRAKA zanaky ny Amiraly Ratsiraka no nisolotena ny FILOHA DIDIER RATSIRAKA. Nisy ny fomban-drazana natao, ho fifanekena amin’izy ireo, fa tsy hifandrafy intsony ary hamelona ny fihavanana sy ny fifankatiavana. Nisy koa ny fitokanana ilay “TSANGAMBATO LEHIBE HO amin’ny FAMPIHAVANAM-PIRENENA”. Nandritra izany no nametrahan’ireo niharam-boina rehetra hafatra ho an’ny fitondram-panjakana, mba hanafainganana ny famoahana ny DECRET D’APPLICATION momba ny fanonerana ireo niharam-boina izay efa vita ao amin’ny MINISTERAN’NY FITSARANA ankehitriny.

Omby telo no natolotry ny CFM. Samy mahatsapa ny rehetra fa ilaina ny fitoniana eto amin’ny firenena. NY FILOHAN’NY CFM MAKA Alphonse dia nanindry mafy, fa tsy tokony hiverina eto amin’ny firenentsika intsony ny toa ireny tamin’ny taona 2002 ireny, sy ny korontana maro nisy teto ireny, fa tena loza mihàtra amin’ny firenena tokoa, ka ilaina apetraka eto amin’ny firenena ny FITONIANA sy filaminana. Santatry ny FAMPIHAVANAM-PIRENENA iny vita iny, fa mbola hitohy ny dingana, ny fanontaniana manitikitika ny rehetra dia hoe: vonona hanatanteraka izany ve izao fitondrana izao? Iza no hanohy izany FAMPIHAVANAM-PIRENENA izany, satria ho tapitra afaka 2 volana ny fe-potoana iasan’ny CFM?