EDITO 21 Jona – Ankatoky ny fanadinana CEPE – Voaelingelina indray ny fifamoivoizana

Stefa

Ankatoky ny fanadinana CEPE omaly, raha ny teto an-drenivohitra, voaelingelina ny fifamoivoizana. Vao maraina dia efa fitohana be teny amin’ny faritra Anosy sy Mahamasina sy ny manodidina, satria notapahana ny lalana manoloana ny Tribonaly anaovana podium. Tsy maintsy atao an-dalambe ve ny zavatra toy izany, maninona raha ao amin’ny kianja Barea no anaovana izany, na any amin’ny Coliseum Antsonojombe, fa tena mijaly ny mpitatitra sy ny mpitondra fiarakodia amin’ity fitohanan’ny fifamoivoizana lava ity. Ho sahirana noho izany koa ireo ray aman-dreny sy ny mpanala fanadinana anio, raha mbola hitohy io fanapahan-dalana io. Teny Ankadifotsy mankany Antanimena ihany koa dia nisy lalana tapaka omaly, niteraka fitohanana tsy nifankahitana ihany koa. Iriana tsy voatohintohin’izany anio ireo rehetra hiatrika ity fanadinana CEPE ity, na mpampianatra, na ray aman-dreny, na mpianatra.

Momba ity fanadinana ity, miisa 525.111 ny zaza malagasy manerana an’i Madagasikara hiatrika ny fanadinana CEPE/6eme amin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity. 107 isa amin’ireo no manana fahasembanana, ka ny 16 amin’izy ireo dia tsy mahita, 19 manana olana ara-pahitana, 57 moana-marenina ary 15 manana tsy fahatomombanana ara-batana. Miisa 1997 ny foibem-panadinana hanaovana ny fanadinana CEPE/6eme izay ahitana efitrano 15 944. Samy hanana ny laza adiny kosa ny isam-paritra. Efa tonga any amin’ny foibem-panadinana avokoa ny laza adina raha ny vaovao voaray. Raha ny antontan’isa voaray avy amin’ny fari-piadidim-pampianaran’Antananarivo, nahitana fidinana hatramin’ny 7,43% ny mpiadina, raha miohatra tamin’ny taon-dasa. Amin’ny 4 ka hatramin’ny 7 jolay ho avy izao kosa ny fanadinam-panjakana BEPC. Mirary fahombiazana ho an’ireo ankizy mpianatra rehetra, hanala fanadinana anio ny gazety Ny Valosoa.