NY MPITONDRA SY NY DELESTAZY

Mbola sahy mijoro ihany ve ‘nareo mpitondra ireo,
Na efa miakatrakatra aza, tsy mijanona ny feo,
Dia feon’ireo vahoaka tezitra, miandry izay mba vahaolana
Notenenin’ny filoha fa aorian’ny enim-bolana?

Efa hifarana tokoa ilay enim-bolana voalazany,
Kanjo ingahy filoha mihitsy no ampangain’ny resa-jazany!
‘Ndeha jereo fa miha-mitombo ity ilay hoe delestazy,
Ka ny fitohizan’io dia ampy tena hampiongana azy!

Ny olana mitombo hatrany, ny eo anefa tsy voavahany.
Tsy araka ny hoerahoera sy kabary fidedahany.
Rahoviana ingahy filoha vao hiaiky hoe “tsy mahavita azy”
Fa tsy hainy sy tsy vitany ny hanala ny delestazy?

…O Rateloambinifolo, ry filohan’ny mpandrava,
Tena tsy talentanao ny hoe hitondra ny mazava.
Mety ny mandao ny seza sy miala am-pahendrena,
F’efa maizina ny tany, potika ny firenena!

TSIMIMALO (17-06-22)