MPITONDRA TSY MILAMIN-TSAINA

Efa seza mihozongozona, izany sisa no ipetrahana,
Hany ka manaotao foana f’efa tena lany fahana.
Ny alina efa tsy matory, toa tsy mamy ny miaina.
Ontsa anao aho ry mpitondra tsisy filaminan-tsaina!

Vao mifoha dia tsisy tsara na ny hita na ny re,
Fa olan-tsy ahitana vahany no vao mainka be dia be.
Tsy misy zavatra mamiratra na hoavy antenaina.
Ontsa anao aho ry mpitondra tsisy filaminan-tsaina!

Mila hahavaky loha ny disadisa politika,
Tapitra efa nampiasaina ireo karazam-pikafika.
Tebiteby, ratra am-po no hany entin’ny maraina.
Ontsa anao aho ry mpitondra tsisy filaminan-tsaina!

Ireo izay mihetsika rehetra, zary tena mampangovitra.
(Nefa ianao mitafy tsara fa tsy hoe akanjo rovitra!)
Vory nofo nefa indrisy fa dia toy ny taola-maina.
Ontsa anao aho ry mpitondra tsisy filaminan-tsaina!

Tsy hay fefena ny fotoana, ho avy indray ny fifidianana.
Ny mpanohitra kanefa indreo mitombo am-pandehanana.
Tena tsisy mba nandaitra ny hevi-dratsy nampiasaina.
Ontsa anao aho ry mpitondra tsisy filaminan-tsaina!

DADAN’i ZINA (05-06-22)