MITENY NY FIANGONANA

Aza avela ho fotsy rora raha miteny ny fiangonana.
Manaova dingana hirosoana ho amin’ny fifanatonana.
Araraoty ny fotoana fa mijaly ny vahoaka,
Aoka tsy ho lany andro miaro seza sy kapoaka!

Aza avela ho fotsy rora raha miteny ny fiangonana.
Ny fandavana ny teniny dia hitera-pifandonana.
Asehoy fa olon-kendry ianao izay iantefan’ny teny,
Ka araho ny soatoavina maha-gasy ray sy gasy reny!

Aza avela ho fotsy rora raha miteny ny fiangonana,
Dia meteza hampiseho fa maminao ny fivondronana.
Ny misaraka dia fasika, ny mitambatra dia vato.
Adilahy sy fifandirana, aoka ireny mba haato!

Aza avela ho fotsy rora raha miteny ny fiangonana.
Avelao ny sakantsakana sy karazam-pandrahonana.
Atsaharo ny herisetra, ny ady sy fifampihantsiana.
Tombontsoam-pirenena, izay no tanjona hitodiana.

Aza avela ho fotsy rora raha miteny ny fiangonana.
Mila anao mba hampiseho fa misy ny fahavononana.
Malagasy miray hina sady tsy misara-bazana:
Izay no ataovy tarigetra. MASINA NY TANINDRAZANA!

TSIMIMALO (05-06-22)