Arovava sy orona – Fahadisoan’ny fitondrana ny tsy fanerena ny fanaovana azy

Beharo

Miha-mitombo indray ny olona mitondra ny tsimokaretin’ny coronavirus amin’izao fotoana, noho izany, fahadisoan’ny fitondrana ny tsy fanerena ny olona hanao arovava sy orona. Maro ireo olona nifanerasera tamin’ny gazety teny an-tsena teny, no nilaza fa fahadisoana tanteraka tokoa ilay fanapahan-kevitra nataon’ny fanjakana momba ny fahalalahana ny fampiasana na tsia ireny arovava sy orona ireny.

Tao ireo nilaza fa mora ho anareo ngetroka olona ambony, ny miteny izany satria ianareo dia tsy mifangaro loatra amin’ny vahoaka ety an-dalambe, tsena, fiara fitaterana sy ny sisa, ka tsy mahita ny izay vokany, ary raha sendra voan’ny aretina tonga dia tsaboina any ivelany avy hatrany. Tao ireo nilaza fa raha atao malalaka ny tsy fitondrana azy ireny, maninona no mbola terena rehefa miditra birao, banky, fiara fitaterana sy ny sisa… nefa eny an-dalambe eny mihitsy aza no tena ahiana mafy tokoa raha ny rivotra sy ny hatsiaka, indrindra fa ny loto iainantsika no jerena. Ny gripa rahateo efa mahazo vahana, ny fanasana tànana efa tsy voahaja, ny vidin-tsavony efa tsy takatra, ny Gel efa tsy re firy intsony.

Tsorina fa raha vao nivoaka io filazana io, dia niakatra avo roa heny indray ireo nianjadian’ny covid 19, tsy hita intsony izay fomba azo antoka sy mety, mba ho fiarovana toy izay efa mba natao tany aloha, Analamanga rahateo no tena lasibatra sy atahorana. Ny tahan’ny olona vita vaksiny aza mbola 20% fotsiny ihany, nefa raha vao ny fitondrana arovava sy orona no atao gaboraraka, dia inoana fa hihena ihany koa ny faharisihana hanao vaksiny fiarovana.

Marihina fa efa betsaka ireo mpizahatany vahiny tonga eto, ny ankizy efa hiala sasatra, hiara-dia eny rehetra eny, ny fety aman-danonana efa ho avy ( Barea 19 -26 jona), ka tsy tokony hanomezana izany fahalalahana tsy hanao arovava sy orona izany. Tokony hatao toy ny takon’henatra, tsy hanaovana ambany dia mitanjaka, tsy miakanjo ihany koa miboridana, ka raha tsy misy arovava sy orona ambony dia ho corona avy hatrany izany raha mbola mitohy ny fahalalahana tsy hanao azy.