MILA MBA MAHITA KOA !

Vao dimy minitra ve no tapaka dia niseho ny hatezerana?
Angaha dia tena tsy hay nafenina na mba nasiana fandeferana?
Sa dia nolazaina indray fa hoe karazan-tsabotazy?
(Ho anareo mpitondra mantsy tsisy ny delestazy!)

Mila mba mahita koa fa aza maika hiakatra afo.
Aminay ny jiro tapaka efa niova ho sakafo.
Ny orinasa efa novana ho JIRAMATY indray ny anarany,
Noho ny jiro sy ny rano tapaka tsy misy farany!

Mila mba mahita koa fa aza mieboebo lava.
Izao no tohin’ny hagegena izay nataonareo mpandrava!
Manantomotra ny ora hifaranan’ny tantara,
Ka tantazo re ny tody fa haneno ny anjomara!

Mila mba mahita koa fa aza faly hihetraketraka,
Sy hanenji-dava ny mpanohitra fa mahaiza re mipetraka.
Ianao no voky tombontsoa sy miaina anatin’ny mazava,
Fa ny fiainanay vahoaka tena potika sy rava!

…Ka dia mila mba mahita ianao mpitondra tsy ankanavaka.
‘Ndeha jereo ny firenena fa mizotra ho any an-davaka.
Miovà ‘nareo rehetra havanana amin’ny asa maizina,
F’aza ny vahoaka hatrany no potehina sy faizina!

DADAN’I ZINA (11-06-22)