Mpikarakara varotra fampirantiana tetsy Behoririka – Nanolotra fanampiana ho an’ireo zokiolona sahirana

Helisoa

Nisy ny varotra fampirantiana nokarakaraina tamin’ny fetin’ny Reny tao amin’ny Magro Behoririka, ny faha 27 sy 28 mey 2022 lasa teo. Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpikarakara dia ny vola azo rehetra nandritra izany dia natokana manontolo nividianana bodofotsy sy savony ho an’ireo reny Zokiolona sahirana tsy mba mandray ny fisotroandronono eny amin’ny CNAPS.

Hita mantsy fa tena sahirana izy ireo, ka izany no nahatonga ny fanapahan-kevitra, ny andro mangatsiaka, ny savony miakatra izay tsy izy ny vidiny ankehitriny. Nokendrena ihany koa mba ny vokatra Malagasy no nosafidiana, hanandratana ny maha Malagasy. Efa maro ny toerana nizarana ny fanomezana teto Antananarivo, fa omaly kosa dia teny Ambohidratrimo sy Bel’Air Ampandrana no nizaràna izany.

Nitondra ny teny fisaorana ny solontenan’ireo zokiolona tamin’ny fahatsiarovana azy ireo noho ny fetin’ny Reny. Teo ihany koa ny fanomezana izay natolotra azy ireo tamin’izany. Andriamanitra anie homba anareo mpikarakara hatrany hoy ny tsodrano nomen’ireo Renimpianakaviana ireo. Rovita alohan’ny aina bebe a!