Karama farany ambany ho 250.000 Ar – Mbola tsy misy didim-panjakana fampiharana hoy ny Cnaps

Niaina

Mahakasika ny fampakarana ny karama farany ambany ho 250.000 Ar, indrindra ho an’ny amin’ny sehatra tsy miankina eto amintsika, nanambara ny ao amin’ny Cnaps, na ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy, fa mbola tsy misy ny didim-panjakana fampiharana momba izany nataon’ny fanjakana hatreto.

Milaza ny ao amin’ny Cnaps fa:”araka ny fanambarana nataon’Andriamatoa filohampirenena ny voalohan’ny volana mey 2022 dia miakatra ho 250.000 Ar ny karama farany ambany ho an’ny sehatra tsy miankina ary miakatra 5% hatramin’ny 25% kosa ho an’ny mpiasam-panjakana.
Ny CNaPS dia mampahafantatra antsika mpikambana, fa ny fanatanterahana izany fampiakarana karama izany, mifandray amin’ireo fanampiana izay omen’ny CNaPS, dia miandry ny fivoahan’ny didim-panjakana, izay hamaritra ny fampiharana azy. Manamafy ihany koa ny CNaPS, fa ny fandoavana ny latsakemboka 3 volana faharoa 2022 (aprily, mey, jona) dia tsy mifarana raha tsy ny faha 31 jolay 2022. Noho izany, ireo mpampiasa izay tsy mbola nandoa ny telovolana voalohany 2022, sy ny taona taloha ihany no iharan’ny fitakiana.”

Arak’izany, mbola miandry ny fampakarana ny karama farany ambany, amin’ny sehatra tsy miankina, ho 250.000 Ar.