EDITO 11 Jona – Olan’ny fananan-tany – Tsy milamin-tsaina eo amin’ny taniny ny vahoaka Malagasy

Sôh’son

Miharihary indray fa tsy mitovy amin’ny toe-javatra iainam-bahoaka andavanandro, no iainan’ireo mpitondra isan-tsokajiny any an-dapa any. Resabe sy abobo atao amin’ny vahoaka fotsiny ihany ny ambaran’ireo mpitondra ireo, rehefa mikabary ankalamanjana, na eny amin’ny haino aman-jery. Niseho izany tamin’ny zava-nitranga teny Ivato novoizin’ireo haino vaky jery samihafa nandritry ny fandraisam-pitenenan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, ka nisian’ny delestazy. Izy aza nampahafantarina fa ny mitranga dia delestazy, fa toa tsy fantany akory ilay fahatapahan-jiro. Tsy iverenena intsony ny amin’izay fa efa be ny nambaran’ireo mpamakafaka ny amin’ny fahitany iny tranga iny. Manamafy indray ny nambara tamin’ny laharan-gazety laharana teo aloha momba ny fomba fiheveran-dRajoelina ny zava-misy eto amin’ity firenena ity izany. Ny firenena efa mandeha amin’ny lalana kizo sy ratsy, izy hafa ny fiheverany sy ny fahitany ny raharaha…

Etsy ankilan’izany, miseho mitarika ny momba ny fikaonan-doha amin’ny resaka lafiny fananantany eto Madagasikara ny filohan’ny Repoblika tato ho ato. Tena hahavaha olam-bahoaka marina ve ny hodinihana ao anatin’izany? Ilay vahoaka efa mandry andriran’antsy andro aman’alina, fa mitatao aminy ny tsy filaminana amin’ny tany sy trano onenany, fa bodoin’ny mpanefoefo mpanambola teratany sy indrindra vahiny, singanina amin’izany ny karana. Nanao fitarainana an-dranomaso tamin-dRajoelina ireny mponina lasibatra ireny, fa niàla maina avokoa tao anatin’ny taona naha teo amin’ny fitondrana azy. Tsy nisy voaaro tamin’ny tany nonenany. Ka hanantena inona amin’izao fihetsiketsehana be izao ny sarambabem-bahoaka? Inona no antoka omena azy ka hahatsiarovany tokoa fa tompon’ity Nosy ity izy? Ny fahitan’ny vahoaka ny zava-misy, ireo mpanambola, ireo mahitahita akaikin’ny fitondrana ihany no manjakazaka afaka mibodo tanin’olona efa ela nanaovany fihariana sy nonenany nandritry ny taona maro? Nitazam-potsiny izany ny fitondram-panjakana, fa tsy nahitana na nahenoina vahaolana am-pahendrena nitsinjovana ny vahoaka malagasy. Miendrika famitaham-bahoaka ihany no natao nandritry ny fampielezan-kevitra ho filoham-pirenena.

Hankalaza ny tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantena ny firenena afaka tapabolana eo. Malagasy manao ahoana no hiatrika izany? Malagasy milamin-tsaina amin’izay fa tsy hisy haka ny taniny na hanàla azy amin’ny toeram-ponenany ve sa, Malagasy hitaintain-dava toy ny sahobakaka ambodiriana fa hisy fotoana tsy ampoiziny tsy ho azy io trano sy tany misy azy ary anaovany fihariana io? Ny fitondrana Rajoelina no tomponandraikitra iankinan’izany rehetra izany.