Valintenin-dRajoelina ho an’ny mpanohitra – Hiha-lalina hatrany ny fahantran’ny malagasy sy ny firenena

Sôh’son

Ny valinteny nataon’i Andry Rajoelina ho an’ny mpanohitra, no itarafana izay mbola hampihitsoka bebe kokoa noho izao iainana ankehitriny izao, ny fahantran’ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Mazava loatra fa tsy hisy antenaina amin’izay hahatsara ny fiainam-bahoaka raha mbola izao fitondrany izao ihany. Azo andrefesana tsara hoe hatraiza ny hitondran-dRajoelina ny firenena sy ny hoaviny, raha ny nanambaràny ny fomba fiheverany ny amin’ny atao hoe “demôkrasia” sy ny fisehoan’ny fahalalahana amin’izao itondràny izao. Sao manana mpitondra mitampina ny masony, mba tsy ilazana hoe “jamba” na ihany koa misy manafina ny zava-misy marina aminy, ny iainan’ny vahoaka ireo akaiky azy mpiara-miasa aminy. Sarotsarotra inoana ihany anefa izany.

Fa moa tsy voafetra ny fahalalahana maneho hevitra eto amin’ity firenena ity? Raha tsy hilaza afa-tsy roa monja ankoatra ireo efa nambaran’ny rodoben’ny mpanohitra, dia niaraha-nahita tsara ny hetsika nataon’ny mpanjifa fa tsy zaka intsony ity fidangan’ny vidim-piainana eto amin’ny firenena ity, ary nidina an-dalambe izy ireo. Niaraha-nahita tsara anefa ny nataon’ny mpitandro filaminana, rehefa nidina ny baiko avy any amin’ny lehiben’ny distrika, izay tsy nanome alalana sy ny nandroahana azy ireo iparitaka teny Analakely. Tsy mpanao politika ireo na resaka politika izany fa tena zon’ny olom-pirenena tsotra izao kanefa noraràna. Didy jadona izany ary tsy misy fahalalahana maneho hevitra, tsy misy demôkrasia. Ny tranga faharoa dia ny nanjo ilay mpampianatra iray mpikambana amin’ny fiarahamonim-pirenena, izay nilaza ny zava-misy tany aminy, momba ny fizarana ny fanampiana, noho ny rivodoza namely, ka nozaraina tamin’ny kapoakana madco ny vary sy ny menaka tamin’ny sotro. Nihazakazaka mihitsy nanenjika azy sy namely azy ireo olom-boafidy tany aminy ary niafara tamin’ny fanagadrana azy mihitsy izany, nefa zava-nisy marina iainam-bahoaka. Fanjakan’ny didy jadona izany n’inona n’inona fanazavana, ary famoretana izay manana olana eo amin’ny fiainany na mahita ny manjo ny vahoaka. Manosihosy tanteraka ny demôkrasia. Mahavariana mihitsy no ilazan’i Andry Rajoelina, fa mbola lavitra tsy toy ny any amin’ny firenena anjakan’ny didy jadona eto amintsika. Aiza no tsy ihomezan’ireo afrikana sy esoesoiny ny tenany amin’izay zavatra ataony sy ambarany nisy fotoana, dia lasa ny firenena sy ilay vahoaka malagasy no afa-baraka.

Anisan’ny niteraka lozam-pifamoivoizana mahatsiravina maro teto ny tsy firaikan’ny mpamily ny olana heverina ho kely teny am-piandohan’ny dia ataony, fa hoe “mandeha io,… tsy maintsy tonga…”. Maratra sy mamoy aina ny mpandeha avy eo. Azo oharina amin’izany koa ny zava-misy sy ny ataon’ny fitondrana Rajoelina ankehitriny. Efa iaraha-mahita sy iainam-bahoaka izao ny fisian’ny aretin’ny didy jadona sy ny tsy fahafahana maneho hevitra malalaka kanefa mbola lazaina ihany fa tsy mitovy ny fomba fijery. Ny fahaiza-mihaino mihitsy no lesoka lehibe amin’izao fitondrana izao, sy mampandrorona ny fitantanam-pirenena, arak’izany hiha-lalina hatrany ny fahantran’ny vahoaka Malagasy ary hiha-hilentika hatrany ny firenena, raha mbola ho eo ihany izao fitondran-dRajoelina sy ny forongony izao.