MPITONDRA TENA TSY MAHOMBY

Matoa ianao mitazam-potsiny sady tsy mampiasa saina
Manoloana ny “halatra olona” izay nisesy tao ho ao,
Aminay ny toy izany dia fanambaniana ny aina
Sy fanaovan-tsinontsinona ny Malagasy toa anao!

Atao inona àry izany ireo mpitandro filaminana,
Sa hiaro anao mpitondra no hany andraikitra mba tanany?
Iza izany raha izao no tena hoe mba hanankinana
Ny fiarovana vahoaka, ny ainy sy ‘zay mba fananany?

Raha mpanohitra no mihetsika na mikasa ny hivory,
Dia indreny ny bebaoty, manao manda manodidina.
Izao anefa ny “halatra olona” efa mila tsy hampatory,
Saingy aiza ry zalahy sa mbola miandry teny midina?

Izao ‘nareo ve no milaza f’efa hoe manao izay mety,
Nefa tsisy ny mangirana amin’ny sehatra rehetra?
‘Ndeha jereo ny tabilao, topazo maso vetivety,
Fa toa gisitra hatrany ka dia tena mampitsetra!

IRINA HO TAFITA (07-06-22)