Mpitandro filaminana – Tokony hijoro hiaraka amin’ny vahoaka amin’izay, hoy Ravalo

Nangonin’Isambilo

Nanatanteraka fameloma-maso ny antoko TIM tao amin’ny Boriboritany faha-2, tao amin’ny tany malalaky ny Seminera Zandriny Ambohipo ny sabotsy teo, ireo mpitarika ity antoko ity ao amin’izany Boriboritany izany, notarihan’ny depiote Randrianarisoa Stanislas, na depiote Rastany.

Tonga niatrika izany tany an-toerana ny filoha nasiônalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana. Nambarany nandritra izany, fa tonga ny fotoana tokony hijoroan’ny mpitandro filaminana hiaraka amin’ny vahoaka, fa tsy hiaro ny tombontsoan’olombitsy intsony izy ireo, miantso ihany koa izy ireo mpitandro filaminana, hijoro amin’izao tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny firenena izao: “miantso ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpitsara aho mba hijery haingana dia haingana izao tsy fandriampahalemanana izao. Mafy tena mafy no iainan’ny vahoaka, ireo ray aman-dreny sy zanaka. Ao an-trano izy misy mandroba, mandeha eny an-dalana izy misy maka an-keriny. Ankoatra izany, mbola manamafy aho ny antso izay efa nataoko ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra, mba hijoro ho an’ny tombontsoam-pirenena, hijoro ho amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, handinihana miaraka ireo vahaolana amin’ireo olana maro samy hafa misy eto amintsika, na eo amin’ny lafiny politika, ny lafiny toekarena, indrindra ny mahakasika ny sôsialin’ny mponina,…”

Nanotrona izao fameloma-maso ny antoko tao amin’ny Boriboritany faha-2 izao, ireo depiote rehetra voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM. Naneho izany, fa matanjaka sy manamafy ny firaisankina hatrany ireo mpitarika.