NIOVA HO FANGALARANA OLONA ?

Ny fangalaran-taolam-paty no heno foana tao ho ao,
Kanefa niato kely izany raha ny angom-baovao,
Fa niova ho “fangalarana olona”, izany indray izao no malaza,
Ka lasibatra amin`izany ireo vehivavy sy ny zaza.

Tsy mazava aloha hatreto hoe inona no tena marina?
Inona no tena tanjona, taova ve no angalarina?
Moa naato kely aloha ny fanondranam-bolamena,
Fa hoe taova indray no haondran-dry jiolahy be hafetsena?

Fiara tsy mataho-dalana no efa manana ny lazany.
Midina ao ny jiolahy ka dia mibata mora ny “hazany”.
Tsisy antra fa kendainy sy aidiny avy hatrany,
Iray minitra raha ela no anaovany an’izany!

…Raha ny zava-misy aloha dia mihorohoro ny rehetra,
Fa mirongatra aok’izany ny halatra sy herisetra,
Saingy toa mitazam-potsiny sy manolanolan-tanana,
Iretsy donto mianakavy ikoizana amin’ny havendranana!

Miaina anaty tebiteby ny rehetra iray tanàna:
Sady tsy milamin-tsaina no gejain-drafahantrana.
Mbola tsisy toy izao tanatin`ny enimpolo taona.
Miomàna Rainilainga, herintaona dia hihaona!

IRINA HO TAFITA (04-06-22)