RMDM – Hialana korontana, ilaina ny fikaonandoham-pirenena

Isambilo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air, misy ny foiben’ny antoko TIM omaly ny avy amin’ny RMDM, nahitana ny filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Toliara Pasitera Edouard Tsarahame, sy ny filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa Tabera Randriamanantsoa ary ny sekretera jeneralin’ny RMDM Olga Ramalason, sy ireo mpikambana ao amin’ny birao politikan’ity rodoben’ny mpanohitra ity.

Nisongadina tamin’izany, fa mba hialana amin’ny korontana mety hitranga eto amin’ny firenena mialoha, sy mandritra ary ao aorian’ny fifidianana dia ilaina ary tokony tsy maintsy hatao ny fikaonandohampirenena. Noho izay antony izay, miantso ny mpanao politika tsy ankanavaka izy ireo, ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana, ny eo amin’ny sehatry ny fiangonana, ny polisy, ny miaramila, ny zandary, ny sokajin’olona rehetra tsy hanavahana eto amin’ny firenena,… handray anjara amin’izany fikaonandoha hatao izany. Irian’izy ireo ny hitarihan’ny ray aman-dreny ara-panahy izany fihaonambe tsy hanam-paharoa izany. Fikaonandoha ho an’ny rehetra ihany koa io hoy ny RMDM, handinihana sy hamahana miaraka ny olana rehetra eto amin’ny firenena, na ny momba ny fifidianana toy ny: lisi-pifidianana, ny HCC, ny CENI,… na ny momba ny olana eto amin’ny firenena amin’ny ankapobeny koa. Mahakasika ny nambaran’ny filoha Rajoelina fa ny fikaonandoha momba ny fambolena no maika hatao eto, nambaran’ny RMDM, fa izany fikaonandoha momba ny fambolena izany dia ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena ihany.