EDITO 28 Mey – Fetin’ny Reny – Mahatsiaro an’i Neny Lalao Ravalomanana Antananarivo

Ny Valosoa

Higadona rahampitso 29 Mey 2022 ny fety natokana ho an’ny renim-pianakaviana, na dia fety nadikantsika tamin’ny vahiny aza io fetin’ny Reny io dia tsy mampaninona, satria isika Malagasy dia mpanaja ray amandreny, sady reny rahateo ny fototeny niavian’ny teny hoe “firenena”, midika izany fa manana ny lanjany ny vehivavy eto amin’ny tanindrazantsika.

Ho antsika eto Antananarivo Renivohitra manokana dia nananjara isika tamin’ny fotoan’andro, f’efa nanana Ben’ny tanàna tena nampiaina izany hoe fon-dreny izany dia i Neny Lalao Ravalomanana, voaporofo izany tamin’ny fifampitondrana tao amin’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra, mbola tsaroan’ny mpiasa tao amin’ny Cua ny nanambaran’i Neny: Ben’ny tanàna, fa tsy hisy ny fandroahana mpiasa na dia fantany aza fa maro ireo mpiasa no nampidirina fahatany vokatry ny gaboraraka nataon’ireo mpitondra ny tanàna teo alohany, indroa isan-taona ireo mpiasan’ny Cua no nahazo fanomezana avy amin’ny Ben’ny tanàna, ka afaka nanao fety tamim-pitoniana.

Ho an’ny vahoakan’Antananarivo indray dia ara-dalàna ny fandraofana ny fako na dia teo aza ny fingampingana nataon’ireo ambaratongam-pahefana samihafa, nilamina ny fifamoivoizana torak’izany koa ny tsena, afaka nitady tamin-kahalalahana ireo mpivarotra.
Saingy indrisy fa niova ny mpitantana ny tanàna, Ingahy Mera Vazahabe indray, no voafidy ho ben’ny tanàna,izay marihana fa nisy ny hoso-pifidianana, satria tokony ho ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ihany no nampiasaina, kanefa dia tsy izany no niseho fa nisy ny fanovana, dia lasan’ny Mapar ny fitantanana ny tanàna dia io iaraha-mahita io ny fahapotehana, maloto ny tanàna satria tsy voaroaka ny fako, mitaraina ny mpivarotra, fa tadiavin-dry Vazahabe amidy amim-bahiny ny eny Analakely, ary ny fifamoivoizana dia vao mainka mikatso tsy toy ny hatramin’izay, foronina avokoa izay ambara ho fiovana sy fanatsarana, kanefa dia aotra e! vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ny tanàna no mahatonga ireo voalaza rehetra ireo.

Ka raha tonga ny fetin’ny Reny dia mahatsiaro an’i Neny sy ny soa vitany teto Antananarivo Renivohitra ireo mpiasan’ny Cua, ny 26 Jona rahateo efa ho avy, ary ny vahoakan’Iarivo efa niaina tamim-pitoniana tsy latsak’izany, ka tsy sasatra ny mitondra azy amim-bavaka, ahazo fahasalamana hatrany.

Isika eto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao dia miombom-peo amin’ny vahoakan’ Antananarivo Renivohitra mahatsiaro manokana an’i Neny Lalao Ravalomanana, sady miarahaba azy tratra ny fetin’ny Reny, mirary azy ho ela velona eo anilan’ny vadiny, satria manana andraikitra lehibe izy amin’ny fikarakarana ny Filoha Ravalomanana, izay mbola andrandraintsika Malagasy hanarina ny firenena.