Fanafarana entana be avy any ivelany – Fandaniana devizy, fanapotehana ny tantsaha sy ny orinasa eto an-toerana

Andry Tsiavalona

Mampiasa saina ny maro tokoa ilay fampiakarana ny karama nambaran’ny filohan’ny Repoblika ny voalohan’ny volana mey, fetin’ny asa lasa teo. Mahafaly ny rehetra ny fampiakarana satria telo taona izao no tsy nisy izany fampiakarana izany. Ny mampiahiahy ny mpiasa kosa anefa dia ny fahafahana ara-bola hoentin’ny mpitondra hanefana izany.

Rehefa jerena ny zava-misy tato anatin’ny telo taona dia maro ny fitakiana nataon’ny mpiasa, na miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny orinasa eo amin’ny sehatra samy hafa, ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. Iaraha-mahalala tokoa fa manilika amin-javatra hafa toy ny “digitalisation” ny mpitondra rehefa tsy afaka mandoa ny karaman’ny mpandraharaha ara-pitantanana sy teknika (Personnel Administratif et Technique) eny amin’ny Anjerimanontolo manerana ny Nosy. Toy izany koa ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, izay tsy nandray ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana nandritra ny telo na efa-bolana, ary isan-taona no miverimberina izany.

Etsy ankilany koa ny an’ireo tanora nanolo-tena niasa ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamana, nanampy tamin’ny fitsaboana ny valanaretina covid-19. Tsy vitsy ihany koa ireo orinasa nanamboatra làlana tsy voaloa ny karamany kanefa ny asa efa vita tanteraka kanefa dia izao vao lazaina fa mbola atao, hono, ny fanadihadiana satria misy tsy nanara-penitra ny asa vita na nisy orinasa tsy nanao ny asa akory tamin’ireo orinasa efa aman-jatony ireo. Tsy ny eny Ankatso ihany no tsy nandray vatsim-pianarana raha tsy nitokona, fa hatrany amin’ny ENS eny Ampefiloha sy eny amin’ny Politeknika eny Vontovorona ary ny Anjerimanontolo any amin’ny Faritra. Na izany na tsy izany dia sahy mandrahona ny minisitra sasany, fa tsy terena handoa vola amin’ny fanaovana fitokonana, hono, ny mpitondra. Tsy mahagaga loatra araka izany ny fandefasan’ny mpitondra herim-pamoretana ifanandrina amin’ny mpanao fitakiana ary tsy azo adino ny tifi-danitra nandatsak’aina mpianatra tany Toamasina.

Araka ny fantatra dia roanjato miliara ariary isam-bolana ny karaman’ny mpiasam-panjakana kanefa tsy mahatafiditra ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana, amin’ny alàlan’ny hetra, izany vola izany izao fitondrana izao. Ny azo antoka aloha hatramin’izao dia tandindonin-doza izao fitondrana izao raha sanatria ka tsy afaka handoa ny karaman’ny mpiasam-panjakana na dia iray volana monja aza. Raha vao mikatso tokoa mantsy ny fampandehanan-draharahan’ny asam-panjakana, eo amin’ny sehatra rehetra, dia midoboka ho azy ny fitondrana. Toa mampisy fanantenana kosa anefa raha ny vola afafafin’izao fitondrana izao amin’ny fanafarana entana any ivelany satria dia manao tohy vakana, hono, araka ny filazan’ny gazety mpiseho isanandro, mpanohana ny fitondrana, ny fahatongavan’ny sambo ao Toamasina. Tsy manaiky handefa ny entana tokoa mantsy ny mpamatsy avy any ivelany raha tsy voaloa ny volany, ka manam-bola hatramin’ny devizy aza ve izany izao fitondrana izao.

Fandaniana devizy tokoa ny fanafarana entana any ivelany. Asa, ny manantena tsy misy tokoa hono no sarotra, fa ny mamoy mora foana. Azo inoana kosa anefa fa sarotra ho an’ny mpiasam-panjakana no hamoy na dia iray volana ihany aza, ka hiketrika araka izay takatry ny sainy ireo atidoha nangonina ao an-dapa ao tsy hihàtra eto amin’ny Firenena izany loza mitatao izany. Manamafy ny mety ho fahafahan’ny mpitondra hampiakatra ny karama koa ny fanomezan-toky nataon’ny filohan’ny Repoblika ihany, hameno ny banga telo alina ariary amin’ny karama farany ambany ho dimy alina sy roa hetsy ariary ho an’ny mpiasa any amin’ny sehatra tsy miankina. Soa anefa fa tsy anisan’ny “velirano” ity fampiakarana karama ity, satria izay tao anatiny dia sarotra dia sarotra ny nanatanterahana azy na tsy vita mihitsy.