Resaka karama, ny “grille indiciaire” mihitsy no mila havaozina

Andry Tsiavalona

Efa mahazatra ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mihitsy ny mampanantena zavatra ho an’ny Malagasy rehefa miverina avy any ivelany izy. Tsiahivina ny tamin’ny taona lasa rehefa niverina avy tany amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana izy, ka nandalo tany Washington ary nahazo ilay vola tany amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Nidehaka izy rehefa tonga teny Ivato, fa toa efa tany anaty valiziny ilay vola satria niteny izy, fa tsy miandry fa tonga dia azo ampiasaina izany. Nirehaka ihany koa izy, fa nitondra ireo mpilalaon’ny Barea tamin’ny fiaramanidina nitondra azy satria nampalahelo azy ireo mpilalao nihafy tany amin’ny kilasy ekonomika. Tetsy an-kilany koa dia nandrahona ny tao amin’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra izay lazainy fa tsy manana zo nametra ny isan’ny mpijery hono. Nampanantena ny fitokanana ny kianjan’ny Barea izy dia nangataka ny « homologation », ka rehefa vita izany dia nanao fety be. Nasainy manokana mihitsy ilay mpilalao matihanina Samuël E’too noho izany. Iaraha-mahatadidy ny vokatr’izany satria tsy noraharahian’ity mpilalao ity akory izay fanasana, fa lasa nody tsy nanatrika izany izy. Azo antoka fa tsapany fa saika natao fitaovana fotsiny izy nahazoana ny “homologation”.

Niverina avy tany amin’ny fivorian’ireo mpiara-miombon’antoka, Banky Iraisam-pirenena sy Tahirimbola Iraisam-pirenena, dia nirehaka indray fa hasondrotra ny karaman’ny mpiasam-panjakana ary hiresaka amin’ireo tompona orinasa tsy miankina hitadiavana ny marimaritra iraisana momba izany fisondrotana karama izany. Tanteraka ny fihaonana tamin’ny herinandro lasa kanefa tsy mbola nisy vaovao nivoaka momba izany. Tsy mbola voafaritra koa ny fisondrotana satria azo antoka fa tsy ho ampy amin’izany ny sorabola ao amin’ny “Loi des Finances Initiales” amin’ity taona ity. Ny firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara (Solidarité Syndicale de Madagascar) dia nanambara fa fara-fahakeliny dia telopolo isan-jato (30%) ny fisondrotana vao mety hampisondrotra kely ny fahefa-mividin’ny mpiasa. Tsy azo adinoina koa anefa, fa amin’ny ankapobeny sy tsapa hatrizay dia raha vao misy ny fisondrotana karama dia miakatra ho azy koa ny vidin’ny kojakoja ilaina andavanandro.

Tsiahivina fa vao nandray ny fitondrana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, dia nanambara fa hakarina ho roa hetsy ariary (200 000 ariary) ny karama farany ambany. Heverina fa marina, tsy azo lavina, ihany koa ny an’ny SSM fa ny “grille indiciaire” mihitsy no havaozina. Tsy azo ekena satria tsy ara-drariny ihany koa ny tsy fitovian’ny marikarama ho an’ny mpiasa manana mari-pahaizana mitovy. Efa tamin’ny tetezamita ity fanavaozana ity no notakian’ny “Grands Corps” kanefa tsy nisy tohiny satria toa tsy nahazatra ny syndika eto Madagasikara mihitsy ny mamerina sy manamafy ny fitakiana efa nataon’ny teo aloha. Angamba efa zary lasa kolontsaina eto Madagasikara ity toe-draharaha ity satria ny mpitondra aza tsy mampihàtra ny fitohizan’ny asam-panjakana (continuité de l’Etat), fa izay asa eo am-panatanterahana kanefa tsy mbola vitan’ny teo aloha dia na japiana na idohafana fa izy eo amin’ny fitondrana no tompon’ny asa.

Iaraha-mahatadidy ny Làlam-pirenena 5-A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar izay efa nametrahan’ny Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, “Vato Fehizoro” kanefa dia mbola nametrahan-dRajoelina Andry “Vato Fototra” indray. Torak’izany koa ny fiantsonan’ny taksibrosy “Fisandratana” etsy Ambohimanambola izay tsy notokanana mihitsy ary notakonana ny takelaka nilaza izany. Nitokana ny “Rocade” vaovao Rajoelina Andry dia tsy mba nanetry tena fa ny Filoha Rajaonarimampianina Hery no nahazoana izany ary nidehaka fa izy no nanao sonia ity tetikasa ity tamin’ny taona 2011.

Ho fehin’ireo rehetra ireo dia tsy ny fiadiana ho lohany na ny fiheveran-tena ho tompon-kevitra no hasongadina eo amin’ny fitakiana izay hahasoa ny besinimaro, fa ny fampahafantarana ny rehetra mpanohana ny hevitra ny efa nisian’ny tsirin-kevitra tany aloha ary ny lehibe indrindra dia ny fanasongadinana ny sakana tsy nahatontosana izany.